Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niaritra Fitsapana Nivaivay

Niaritra Fitsapana Nivaivay

Tantaram-piainana

Niaritra Fitsapana Nivaivay

NOTANTARAIN’I PERICLES YANNOURIS

Mandomando ilay efitra nigadrako ka nangatsiaka be aho. Tsy nitafy afa-tsy bodofotsy manify kely aho, ary nipetraka irery teo, sady nahatsiaro ny endriky ny vadiko, rehefa nosamborin’ny polisy aho roa andro talohan’izay. Tsy rototra akory izy nijery ahy nandao azy sy ny zanakay roa narary. Tsy nitovy finoana tamiko izy sady mbola tanora tamin’izay. Nandefasany fonosan’entana aho taoriana kelin’izay sady nanoratany taratasy kely nilaza hoe: “Ireo misy mofo ho anao, ary enga anie ianao ka harary toy ny zanakao.” Ho velona soa aman-tsara ihany ve aho ka hahita indray ny fianakaviako?

AMPAHANY kely tamin’ilay ady mafy sy naharitra nataoko mba hihazonana ny finoana kristianina izany. Nisy koa ny fanoheran’ny fianakaviana, fanilihan’ny fiaraha-monina sy ady ara-pitsarana ary fanenjehana faran’izay mafy. Fa nahoana no nijaly toy izany aho, nefa olona malemy fanahy sy matahotra an’Andriamanitra? Mamelà ahy hanazava izany.

Ankizilahy nahantra nanonofy ho pretra

Teraka tamin’ny 1909 tany Stavromeno, any Kreta, aho. Nisy ady sy fahantrana ary mosary tany Kreta tamin’izany. Efa saika voan’ilay aretina mahafaty atao hoe gripa espaniola izaho sy ny zandriko efatra mianadahy. Tadidiko fa efa nohidian’ny ray aman-dreninay tao an-trano nandritra ny herinandro maromaro izahay, mba tsy hifindran’ilay gripa.

Tantsaha mahantra sy tena tia fivavahana i Dada, nefa nalala-tsaina. Efa nipetraka tany Frantsa sy tany Madagasikara izy ka nahita karazana fivavahana hafa. Na izany aza, dia tsy nivadika tamin’ny Eglizy Ortodoksa Grika ny fianakavianay. Namonjy Lamesa izahay isaky ny alahady ary nampiantrano ny evekan’ny tanàna nandritra ny fitsidihana fanaony isan-taona. Anisan’ny antoko-mpihira aho, ary ny ho tonga pretra no nofinofiko.

Lasa polisy aho tamin’ny 1929. Maty i Dada fony aho niasa tany Tesalonika, any amin’ny faritra avaratr’i Gresy. Nitady fampiononana sy fahazavana ara-panahy aho, ka nangataka ho polisy any amin’ny Tendrombohitra Athos, tsy lavitra teo. Fonenan’ny moanina ortodoksa izy io ary “tendrombohitra masina” no fiheveran’ny Kristianina ortodoksa azy. * Niasa tany nandritra ny efa-taona aho ary nandinika akaiky ny fiainan’ny moanina. Tsy nampanatona ahy an’Andriamanitra anefa izany. Nibaribary mantsy ny toetra ratsin’ireo moanina sy ny fitondran-tenany maloto, ka nahatsiravina ahy. Tena rikoriko aho rehefa nitarika ahy hanao firaisana taminy ny iray tamin’ny lehiben’ny monasitera izay nohajaiko. Mbola naniry hanompo an’Andriamanitra sy ho tonga pretra ihany anefa aho na dia diso fanantenana aza. Nanao akanjona pretra mihitsy aza aho indray mandeha ary naka sary mba ho fahatsiarovana. Niverina tany Kreta aho tatỳ aoriana.

‘Misy Devoly izy!’

Nanambady an’i Frosini aho tamin’ny 1942. Tovovavy tsara tarehy izy ary nohajaina ny fianakaviany. Mpivavaka be ry zareo, ka vao mainka nihamafy ny faniriako ho tonga pretra. * Tapa-kevitra aho fa hianatra any amin’ny sekoly fiofanana ho pretra, any Atena. Efa tonga teny an-tseranan’i Iráklion, any Kreta, aho tamin’ny taona 1943, nefa tsy lasa tany Atena indray. Angamba noho izaho nahita loharanom-pamelombelomana ara-panahy hafa no nahatonga izany. Fa inona no nitranga?

Nandritra ny taona maromaro, dia nampianatra fahamarinana ara-baiboly nahavariana nanerana an’i Kreta i Emmanuel Lionoudakis, tanora be zotom-po anisan’ny Vavolombelon’i Jehovah. * Voasariky ny fanazavan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny Tenin’Andriamanitra ny olona sasany ka nandao ny fivavahan-diso. Nisy antoko-mpitory nafana fo nalamina teto Sitía. Nahasorena an’ilay eveka tao izany. Efa nipetraka tany Etazonia mantsy izy ka nahafantatra tsara fa tena mahita vokatra ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitory. Tapa-kevitra ny hanafoana izany “fivadiham-pinoana” teo amin’ny faritaniny izany izy. Izy no nahatonga ny polisy hampigadra matetika ny Vavolombelona sy hitondra azy ireo eny amin’ny fitsarana noho ny fiampangana diso.

Nanandrana nanazava tamiko ny fahamarinana ara-baiboly ny iray tamin’ireo Vavolombelona ireo. Noheveriny fa tsy liana anefa aho ka nandefasany mpitory za-draharaha kokoa. Henjana be ny fomba namaliako an’io mpitory io, ka izany angamba no nahatonga azy hilaza tamin’ireo Vavolombelona namany hoe: “Misy Devoly i Pericles, ka tsy ho lasa Vavolombelona mihitsy!”

Nanomboka ny fanenjehana

Faly aho fa tsy toy izany ny fomba fijerin’Andriamanitra ahy. Niaiky i Demosthenes rahalahiko fa nampianatra ny marina ny Vavolombelon’i Jehovah. Nomeny ilay bokikely hoe Ampionony Izay Rehetra Malahelo aho tamin’ny Febroary 1945. * Nampiaiky volana ahy ny zavatra novakiko tao. Nijanona tsy namonjy ny Eglizy Ortodoksa avy hatrany izahay, fa niaraka tamin’ilay antoko-mpitory teto Sitía. Nitory ny finoanay vaovao tamin’ny iray tam-po taminay koa izahay, ary nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly izy rehetra. Araka ny efa nampoizina, dia nanilika sy nanenjika ahy ny vadiko sy ny fianakaviany rehefa nanapa-kevitra aho fa hiala amin’ny fivavahan-diso. Nisy fotoana aza tsy netezan’ny rafozandahiko hiresaka tamiko. Nisy tsy fifanarahana sy fifandonana foana tao an-trano. Na izany aza, dia nataon’ny Rahalahy Minos Kokkinakis batisa izaho sy i Demosthenes tamin’ny 21 Mey 1945. *

Tanteraka ihany ny nofinofiko tamin’ny farany, satria tena mpanompon’Andriamanitra aho izao! Mbola tadidiko ilay andro voalohany nanaovako fanompoana isan-trano. Nandray bisy aho ka nandeha irery tany amin’ny tanàna iray, nitondra bokikely 35 tao amin’ny kitapoko. Menamenatra aho rehefa nanomboka nanao isan-trano. Arakaraka ny nitoriako no nahasahisahy ahy kokoa. Afaka nanohitra tamin-kerim-po mihitsy aza aho, rehefa nisy pretra iray nisafoaka sy nanizingizina fa tsy maintsy manaraka azy tany amin’ny paositry ny polisy aho. Nolazaiko taminy fa tsy handeha mihitsy aho raha tsy efa avy nitsidika ilay tanàna manontolo, ary izany tokoa no nataoko. Faly erỳ aho ka tsy niandry ny bisy akory, fa avy hatrany dia nandeha an-tongotra nody tamin’ny lalana 15 kilaometatra.

Jiolahy tsy nisy indrafo

Nahazo andraikitra fanampiny tao amin’ilay fiangonanay vao niforona teto Sitía aho, tamin’ny Septambra 1945. Nipoaka ny ady an-trano teto Gresy taoriana kelin’izay. Nifamono tamin-kabibiana ny antoko mpifahavalo. Nanararaotra an’izany ilay eveka, ka nampirisika andiana mpiady anaty akata mba hanafoana ny Vavolombelona amin’izay fomba hitany fa mety. (Jaona 16:2) Nandeha bisy izy ireo rehefa nankany amin’ny tanànanay, mba hanatontosa ilay nantsoiny hoe “didin’Andriamanitra.” Nandre ny tetik’izy ireo ny ramatoa tsara fanahy iray tao anatin’ilay bisy, ka nampandre anay. Niafina izahay, ary nisy havanay iray nanampy anay, ka avotra ihany ny ainay.

Nanomana anay hiatrika fahoriana mafy kokoa izany. Nanjary nokapohina sy nampitahorina matetika izahay. Nanandrana nanery anay hiverina tany amin’ny eglizy sy hanao batisa ny zanakay ary hanao ny mariky ny lakroa ny mpanohitra anay. Nokapohiny tsy an-kijanona ny rahalahiko indray mandeha, ary tsy navelany raha tsy noheveriny fa maty. Nampalahelo ahy koa ny nahita ny anabaviko roa nokapohina rehefa avy norovitina ny akanjony. Noteren’ny Eglizy hatao batisa ny valo tamin’ny zanaky ny Vavolombelon’i Jehovah nandritra izany fotoana izany.

Maty i Neny tamin’ny 1949. Nanenjika anay indray ilay pretra, ka nampangainy ho tsy nanaraka ny lalàna mahakasika ny fahazoan-dalana amin’ny fandevenana izahay. Nentina teny amin’ny fitsarana aho ary nafahana nadiodio avy eo. Fitoriana vita ho azy izany, satria re teo am-piandohan’ilay fitsarana ny anaran’i Jehovah. Ny fisamborana sy ny fandefasana anay any an-tsesitany no hany fomba azon’ny fahavalonay natao mba “hahatonga saina anay.” Izany no nataony tamin’ny Aprily 1949.

Fitsapana nivaivay

Rahalahy telo izahay no nosamborina. Tsy mba nitsidika ahy tany amin’ny paositry ny polisy akory ny vadiko, izay tsy nitovy finoana tamiko. Tao amin’ny fonjan’i Iráklion izahay no nijanona voalohany. Nanirery sy ketraka aho, araka ny nolazaiko terỳ am-boalohany. Tafasaraka tamin’ny vadiko sy ny zanako roa aho. Nivavaka mafy tamin’i Jehovah Andriamanitra aho mba hanampy ahy. Nitamberina tato an-tsaiko ilay teniny ao amin’ny Hebreo 13:5 manao hoe: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.” Takatro fa fahendrena ny mitoky tanteraka amin’i Jehovah.—Ohabolana 3:5.

Renay fa hatao sesitany any Makrónisos izahay. Nosy ngazana any amin’ny faritr’i Attique, eto Gresy, izy io. Ny fanononana ny hoe Makrónisos fotsiny dia efa nampivarahontsana, satria nisy tobin’ny voafonja tany ary nampijalina sy nampanaovina asa an-terivozona ny gadra. Nijanona tao Pirée izahay teny an-dalana ho any am-ponja. Mbola nifatotra ny tananay, nefa nahazo hery izahay rehefa nisy mpiray finoana tonga teny amin’ilay sambo nisy anay ka namihina anay.—Asan’ny Apostoly 28:14, 15.

Toy ny nofy ratsy ny fiainana tany Makrónisos. Nampijaly ny gadra ny miaramila, nanomboka tamin’ny maraina ka hatramin’ny hariva. Maro tamin’ireo voafonja tsy Vavolombelona no lasa very saina, ny sasany maty, ary maro no lasa kilemaina. Renay nikiakiaka sy nitaraina ireo nampijalina tamin’ny alina. Nanafana ahy kely ilay bodofotsiko manify rehefa alina.

Voatonona isaky ny fiantsoana anarana isa-maraina ny Vavolombelon’i Jehovah ka nihanalaza tao amin’ilay toby. Afaka nitory imbetsaka izahay, noho izany. Tena faly mihitsy aza aho, satria nanao batisa gadra politika iray, izay nandroso tsara ka nanolo-tena ho an’i Jehovah.

Nanoratra ho an’ilay vady malalako foana aho tany an-tsesitany nefa tsy namaly mihitsy izy. Na izany aza, dia naneho fitiavana sy nampahery azy aho tao amin’ny taratasiko. Nomeko toky koa izy fa tsy haharitra ilay toe-javatra sarotra ary mbola ho sambatra indray izahay.

Nitombo ny isan’ny Vavolombelona tany am-ponja satria nisy rahalahy vaovao tonga foana. Nifankahalala tamin’ny kolonely mpiandraikitra ny toby aho, satria niasa tany amin’ny birao. Koa satria nanaja ny Vavolombelona izy, dia nisikina herim-po aho ka nanontany azy raha afaka mahazo boky ara-baiboly avy amin’ny biraonay any Atena izahay. “Tsy azo atao izany”, hoy izy, “fa ahoana raha asaina alefan’ny namanareo any Atena amin’ny anarako ilay izy?” Ankona terỳ aho! Nampidina entana avy tamin’ny sambo iray izahay, andro vitsivitsy taorian’izay. Nisy polisy niarahaba an’ilay kolonely ary niteny hoe: “Tonga tompoko ny entanao.” “Entana inona?”, hoy izy. Sendra teo akaikiny aho ary nahare ilay resaka, ka nibitsibitsika taminy hoe: “Ilay entanay natao tamin’ny anaranao, araka ny nandidianao angamba izany.” Izany no anisan’ny fomba nampiasain’i Jehovah mba hahazoana antoka fa nisakafo ara-panahy izahay.

Fitahiana tsy nampoizina sy fahoriana hafa

Nafahana aho tamin’ny faran’ny taona 1950. Farofy sy hatsatra ary nahia kely aho rehefa nody sady nanahy, raha handray ahy tsara ny tany an-trano. Faly erỳ aho nahita indray ny vady aman-janako! Gaga mihitsy aza aho nahita fa nihena ny fankahalan’i Frosini. Nisy vokany ireo taratasy tany am-ponja. Nanohina an’i Frosini ny fiaretako sy ny fikirizako. Niresaka ela be taminy aho taoriana kelin’izay, mba hihavana aminy. Nanaiky hianatra Baiboly izy ary nampitombo ny finoany an’i Jehovah sy ny fampanantenany. Iray tamin’ny andro nahasambatra ahy indrindra ny nanaovako batisa azy tamin’ny 1952, rehefa avy nanolo-tena ho mpanompon’i Jehovah izy!

Nanomboka nampiely ilay bokikely Ny Kristianisma Anarana sa ny Kristianisma no “Fahazavan’izao Tontolo Izao”? izahay tamin’ny 1955. Nosamborina sy nentina teny amin’ny fitsarana izaho sy ny Vavolombelona maro hafa. Maro be ny raharaha ara-pitsarana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, hany ka tsy maintsy nanao fandaharana manokana ny fitsarana hihainoana azy rehetra. Tonga daholo ny mpiasan’ny fitsarana teo amin’ny faritany tamin’izay andro izay, ary feno pretra ny efitrano fitsarana. Nivezivezy eran’ny lalantsara ilay eveka. Nitaraina ny pretra iray hoe mitaona ny olona hanaraka ny finoako aho. Nanontany azy ny mpitsara hoe: “Mora hozongozonina angaha ny finoanao, ka bokikely iray dia hampiova finoana anao?” Tsy nahateny ilay pretra. Afaka nadiodio aho, fa nisy rahalahy voaheloka higadra enim-bolana.

Nosamborina matetika izahay nandritra ireo taona nanaraka, ary nitombo ireo raharaha ara-pitsarana. Sahirana foana ny mpisolovavanay nikarakara izany. Im-17 aho no nentina teny amin’ny fitsarana. Nitory tsy tapaka anefa izahay na dia nisy fanoherana aza. Faly izahay nanaiky izany zava-tsarotra izany, ary nanatanjaka ny finoanay ny fisedrana nivaivay.—Jakoba 1:2, 3.

Andraikitra sy zava-tsarotra vaovao

Nifindra tany Atena izahay tamin’ny 1957. Tsy ela dia voatendry hiaraka hanompo tamin’ny fiangonana vaovao iray aho. Nanohana ahy tamin’ny fony manontolo ny vadiko, ka afaka nanatsotra ny fiainanay sy nanao ny asa ara-panahy ho loha laharana izahay. Afaka nanokana fotoana betsaka tamin’ny asa fitoriana izahay noho izany. Nasaina nanampy fiangonana samihafa koa izahay nandritra ireo taona.

Nantsoina ho miaramila ny zanako lahy tamin’ny 1963 rehefa 21 taona. Nokapohina sy nesoina ary nalana baraka ny Vavolombelona rehetra nantsoina, satria tsy nanaiky hanao raharaha miaramila. Izany koa no nitranga tamin’ny zanako lahy. Nomeko azy àry ilay bodofotsy manify nitafiako tany Makrónisos mba hahatsiarovany ireo Vavolombelona tsy nivadika tany. Notsarain’ny fitsarana miaramila ireo rahalahy voantso ary matetika voasazy nandritra ny roa ka hatramin’ny efa-taona. Vao nafahana ry zareo dia voantso sy voaheloka indray. Amin’ny maha mpitory ny filazantsara ahy, dia afaka nitsidika fonja maro sy nifandray tamin’ny zanako lahy sy Vavolombelona nahatoky hafa aho. Nigadra nandritra ny enin-taona mahery ny zanako lahy.

Nanohana anay i Jehovah

Notendrena ho mpisava lalana manokana tany amin’ny nosy Rodo aho, rehefa nisy indray ny fahalalahana ara-pivavahana teto Gresy. Nila fanampiana ny mpitory teto Sitía, eto Kreta, ka nasaina nankatỳ aho tamin’ny 1986. Tany aho no nanomboka nanompo an’i Jehovah, ary faly erỳ satria niaraka indray tamin’ireo rahalahy efa fantatro hatramin’ny fahatanorako.

Izaho no zokiny indrindra amin’ny fianakaviako, ary faly aho satria efa ho 70 ny havako manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana. Mihamitombo izy ireo no manao izany. Ny sasany anti-panahy, ny hafa mpanampy amin’ny fanompoana, mpisava lalana, betelita, ary mpiandraikitra mpitety faritany. Nivaivay ny fitsapana ny finoako nandritra ny 58 taona mahery. Efa 93 taona aho izao, ary tsy manenina mihitsy manompo an’Andriamanitra, rehefa mitodika ny lasa. Nanome tanjaka ahy izy mba hanaiky ilay fanasany amim-pitiavana hoe: “Anaka, atolory ahy ny fonao, ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako.”—Ohabolana 23:26.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 1999, pejy 30-31.

^ feh. 11 Afaka manambady ny pretran’ny Eglizy Ortodoksa Grika.

^ feh. 12 Jereo ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1999, pejy 25-29, ny tantaram-piainan’i Emmanuel Lionoudakis.

^ feh. 15 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

^ feh. 15 Mba hahitana ny fandresena azon’i Minos Kokkinakis tamin’ny fitsarana, dia jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra 1993, pejy faha-27-31.

[Efajoro, pejy 27]

Makrónisos Nosy Mampihorohoro

Nandray gadra 100 000 mahery ny nosy karakaina sy mitokana antsoina hoe Makrónisos, nandritra ny folo taona, izany hoe nanomboka tamin’ny 1947 ka hatramin’ny 1957. Nisy Vavolombelona nahatoky maro be nalefa tany, satria tsy nety nanao raharaha miaramila. Natao sesitany izy ireo, noho ny mpitondra fivavahana Grika Ortodoksa niampanga azy ireo matetika ho Kominista.

Misy rakipahalalana grika (Papyros Larousse Britannica) miresaka momba ny fomba “nanitsiana” ny voafonja tany Makrónisos. Voalaza ao hoe: “Henatra ho an’i Gresy ny fampijalijaliana sy habibiana natao tany, . . . ny toe-piainana tsy azo ekena ao amin’ny firenena mandroso ary ny fampietren’ny mpiambina ny gadra.”

Nolazaina tamin’ny Vavolombelona sasany fa tsy hafahana mihitsy izy ireo raha tsy miala amin’ny finoany. Tsy nivadika mihitsy anefa izy ireo. Nisy gadra politika nanaiky ny fahamarinana ara-baiboly mihitsy aza noho ny fifaneraserany tamin’ireo Vavolombelona.

[Sary, pejy 27]

Minos Kokkinakis (fahatelo avy atỳ ankavanana) sy izaho (fahefatra avy atỳ ankavia) tany an-tsesitany tany Makrónisos

[Sary, pejy 29]

Niara-niasa tamin’ny Vavolombelona iray teto Sitía, eto Kreta, izay toerana nanompoako nandritra ny fahatanorako