Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sarotra ny Mahita Asa Mahafa-po sy Mateza

Sarotra ny Mahita Asa Mahafa-po sy Mateza

Sarotra ny Mahita Asa Mahafa-po sy Mateza

“MANAN-JO hiasa” ny olona rehetra, araka ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona, navoakan’ny Firenena Mikambana. Tsy voahaja anefa io zo io indraindray. Miankina amin-javatra maro no hampahateza anao amin’ny asanao na tsia. Miova arakaraka ny toe-karena eo amin’ny faritra misy anao sy ny toe-karena eran-tany izy io. Manao fihetsiketsehana sy mirotaka ary mitokona anefa ny olona rehefa tsy an’asa na matahotra ny hamoy ny asany. Vitsy ny firenena tsy ahitana izany. Na dia ilay teny hoe “asa” fotsiny aza, hoy ny mpanoratra iray, dia “efa nampihetsi-po be mihitsy ary mbola mampihetsi-po foana.”

Maro ny antony mahatonga ny asa ho zava-dehibe amintsika. Mampidi-bola izy io sady mampilamina ny saintsika sy ny fontsika. Maniry hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fiaraha-monina ny olona sady te hanana zava-kendrena eo amin’ny fiainana. Rehefa miasa izy dia mahavita izany sady mahatsiaro tena ho misy vidiny. Aleon’ny olona sasany àry miasa ihany, na dia efa manam-bola be na efa afaka misotro ronono aza izy. Tena ilaina tokoa ny asa, ka matetika no mahita olana lehibe ny fiaraha-monina rehefa tsy ampy izy io.

Etsy an-danin’izany, dia be loatra ny zavatra takina amin’ny mpiasa sasany, ka tsy mahafa-po azy intsony ny asany. Mihamaro, ohatra, ny orinasa no mampihena ny isan’ny mpiasany, satria mafy ny fifaninanana amin’ny orinasa hafa, ka te hampihena ny vola lany izy ireo. Noho izany, dia mety hitombo ny zavatra takina amin’ny mpiasa sisa tavela, satria betsaka kokoa ny asa tokony hatao.

Natao hanamora sy hanatsara ny asa ny teknolojia maoderina, nefa toa vao mainka aza miteraka olana. Efa misy ny atao hoe ordinatera sy milina fandefasana fax ary Internet, ka afaka mitondra ny asany mody ny olona rehefa hariva. Toy ny any am-piasana ihany àry ny any an-trano indraindray. Nahatsiaro tena ho voafatotra mihitsy ny mpiasa iray, ka nilaza fa rehefa nomen’ny orinasa telefaonina fitondra mandeha izy, dia toy ny hoe nafatotra tamin’ny tady izay taritin’ny lehibeny.

Miovaova haingana koa ny toe-karena sy ny zava-miseho any am-piasana, ka mihamaro ny olona efa bebe taona no matahotra sao hoheverina ho tsy mahavita miasa, na dia mbola afaka manao izany tsara aza. Niresaka momba izany i Chris Sidoti, mpikambana taloha tao amin’ny Vaomieran’ny Zon’olombelona. Hoy izy: “Heverina fa tsy mahay mampiasa ordinatera sy teknolojia vaovao ny olona amin’izao fotoana izao, raha mihoatra ny 40 taona.” Noho izany, dia maro ny mpiasa mazoto sy mahafa-po no lazaina fa efa antitra ka tsy mahavita miasa intsony. Mampalahelo tokoa izany!

Tsy mahagaga raha manamaivana ny asa mafy sy ny fanaovana ny marina ny olona, tato anatin’ireo taona faramparany. Tsy mazoto hijanona ao amin’ny orinasa mampiasa azy intsony ny sasany, rehefa misy zava-manahirana. Hoy ny gazety frantsay Libération: ‘Tsy mahagaga raha tsy mazoto hijanona ao amin’ny orinasa ny mpiasa rehefa misy zava-manahirana, satria roahina foana izy ireo isaky ny misy olana ara-bola kely.’ Araka io gazety io ihany, dia mihevitra ny olona hoe: “Marina aloha fa tsy maintsy miasa ianao. Ny tombontsoan’ny tenanao anefa no tena tadiavinao, fa tsy ny an’ny orinasa.”

Tena mila asa anefa ny olona na dia mihabetsaka aza ny olana tahaka ireo. Miovaova haingana anefa ny toe-javatra ankehitriny. Inona àry no hanampy antsika hahay handanjalanja amin’ny asa ataontsika? Inona no azontsika atao mba ho afa-po sy hateza hatrany amin’ny asantsika isika?

[Sary, pejy 3]

Toa nampitombo ny olana any am-piasana ny teknolojia maoderina