Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana ny Isaia 30:21 no milaza hoe “ao ivohonao” ny tenin’i Jehovah, kanefa eo anoloana no misy an’i Jehovah, araka ny andininy faha-20, manao hoe “ny masonao hahita ny mpampianatra anao”?

Hoy ny Isaia 30:20, 21: “Tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; ny masonao hahita ny mpampianatra anao; fa na mivily ho amin’ny ankavanana hianao, na mivily ho amin’ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no làlana, ka andehano.”

Raha raisin’ilay mpamaky ara-bakiteny ireo teny ireo, dia hitany eo anoloany i Jehovah, ilay Mpampianatra Lehibe, kanefa henony avy ao aoriany ny feony. Tsy ara-bakiteny anefa izy ireo, ka tsy tokony horaisina ara-bakiteny.

Ilay sarin-teny eo amin’ny andininy faha-20 dia mahatonga antsika haka sary an-tsaina mpanompo iray vonona hanatanteraka ny iraka ampanaovin’ny tompony. Mijery tsara izay tondroin’ny tanan’ny tompony ilay mpanompo, mba hahalalana izay zavatra asainy atao. Mifantoka amin’izay zavatra asain’i Jehovah ataony toy izany koa ny mpanompony ankehitriny, izany hoe amin’ny toromarika ara-baiboly, izay omeny miandalana amin’ny alalan’ny fandaminany eto an-tany. (Salamo 123:1, 2) Manaraka tsara izay lazain’i Jehovah izy ireo, ka vonona hanatanteraka izay rehetra ambarany amin’ny alalan’ny mpanompo mahatoky sy malina.​—Matio 24:45-47.

Ary nahoana no lazaina fa mandre teny avy ao ivohony ny mpanompon’i Jehovah? Mety ny hilazana fa ilay teny avy ao ivoho dia ny teny nolazain’i Jehovah taloha, izay voarakitra ao amin’ny Baiboly sy nohazavain’ilay “mpitandrin-draharaha mahatoky.” (Lioka 12:42) Mihaino ny feon’Andriamanitra ny mpanompony ankehitriny, rehefa mianatra tsara ny Baiboly, sy mampihatra ny toro lalany, mifanaraka amin’izay voalaza ao amin’ireo boky sy gazety omanin’ny mpanompo mahatoky sy malina, na “mpitandrin-draharaha mahatoky.” Noho izany, rehefa mifantoka amin’ny toromarika omen’ilay Mpampianatra Lehibe ny mpanompony, ary mianatra ny Teniny, voasoratra taonjato maro lasa izay, dia toy ny hoe mahita azy eo anoloany, sy mandre ny teniny avy ao ivohony.​—Romana 15:4.