Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Antony Ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Inona no Antony Ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Inona no Antony Ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

Izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo.”​—1 KORINTIANA 11:23.

1, 2. Inona no nataon’i Jesosy tamin’ny alin’ny Paska taona 33?

TEO ny Zanaka lahitokan’i Jehovah tamin’izay fotoana izay. Teo koa izy 11 lahy, izay ‘naharitra nanaraka azy tamin’ny fakam-panahy nihatra taminy.’ (Lioka 22:28) Alakamisy hariva 31 Martsa taona 33 tamin’izay, ary nandravaka ny lanitra tany Jerosalema angamba ny volana fenomanana. Vao avy nankalaza ny Paska i Jesosy Kristy sy ny apostoliny. Efa noroahina i Jodasy Iskariota mpamadika, fa ny hafa kosa mbola nijanona. Nahoana? Satria misy heviny tena lehibe ny zavatra nataon’i Jesosy taorian’izay. Inona moa izany?

2 Niaraka tamin’izy ireo i Matio mpanoratra ny Filazantsara, ka aoka izy no hitantara amintsika. Nanoratra izy hoe: “Nandray mofo Jesosy, ka nony efa nisaotra Izy, dia novakiny ka natolony ny mpianatra, ary hoy Izy: Raiso, hano, ity no tenako. Ary nandray kapoaka Izy, ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity; fa ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka.” (Matio 26:26-28) Indray mandeha tsy niverina ve io zava-niseho io? Inona no heviny? Mahakasika antsika ve izy io?

“Izao no ataovy”

3. Nahoana no misy heviny lehibe ny zavatra nataon’i Jesosy tamin’ny alin’ny 14 Nisana taona 33?

3 Tsy kisendrasendra fotsiny ny zavatra nataon’i Jesosy Kristy tamin’ny alin’ny 14 Nisana taona 33. Niresaka momba izany ny apostoly Paoly, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina voahosotra tany Korinto, izay mbola nanao ilay fankalazana ihany, 20 taona mahery taorian’ny nanombohan’i Jesosy azy. Tsy niaraka tamin’i Jesosy sy ny apostoliny 11 i Paoly tamin’ny taona 33, nefa azo antoka fa nisy apostoly nilaza taminy ny zava-nitranga. Azo inoana koa fa nanamarina izany ny fahitana ara-tsindrimandry azon’i Paoly. Hoy izy: “Izaho efa nandray tamin’ny Tompo izay natolotro anareo kosa, fa Jesosy Tompo tamin’iny alina iny izay namadihana Azy, dia nandray mofo, ary rehefa nisaotra Izy, dia novakiny, ka hoy Izy: Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy Izy: Ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo.”​—1 Korintiana 11:23-25.

4. Nahoana ny Kristianina no tokony hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

4 I Lioka mpanoratra ny Filazantsara koa dia nanamarina ny baikon’i Jesosy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” (Lioka 22:19) Antsoina hoe Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy io fankalazana io matetika. Nantsoin’i Paoly hoe “Fanasan’ny Tompo” izy io, na hoe “Sakafo Harivan’ny Tompo”, araka ny teny grika tany am-boalohany. Mety tokoa izany, satria tamin’ny alina izy io no natao voalohany. (1 Korintiana 11:20) Nodidiana hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo ny Kristianina. Nahoana?

Ny antony ankalazana ny Fahatsiarovana

5, 6. a) Inona no antony iray nahatonga an’i Jesosy handidy antsika hankalaza ny Fahatsiarovana? b) Inona no antony hafa iray ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

5 Mifandray amin’ny vokatry ny fahafatesan’i Jesosy ny antony iray ankalazana ny Fahatsiarovana. Rehefa maty izy, dia nanamarina fa manana zo hitondra izao rehetra izao ny Rainy any an-danitra. Noporofoiny koa fa mpandainga i Satana Devoly, izay nilaza fa fitiavan-tena no mahatonga ny olombelona hanompo an’Andriamanitra. (Joba 2:1-5) Tsy nivadika mandra-pahafatiny i Jesosy, ka nanaporofo fa diso io fiampangana io. Nampifaly ny fon’i Jehovah koa izy tamin’izany.​—Ohabolana 27:11.

6 Ny antony hafa iray ankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, dia mba hampahatsiahivana antsika fa rehefa maty i Jesosy, izay lavorary sy tsy mpanota, dia ‘nanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.’ (Matio 20:28) Namoy ny ainy lavorary sy ny zava-tsoa rehetra niaraka tamin’izany ny lehilahy voalohany, rehefa nanota tamin’Andriamanitra. Hoy anefa i Jesosy: “Toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.” (Jaona 3:16) “Fahafatesana [tokoa] no tambin’ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra ao amin’i Kristy Jesosy Tompontsika.” (Romana 6:23) Ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo dia mampahatsiahy antsika fa naneho fitiavana lehibe i Jehovah sy ny Zanany, rehefa nanao sorona ny ainy i Jesosy. Tena tokony hankasitraka izany fitiavana izany mihitsy isika!

Rahoviana izy io no tokony hankalazaina?

7. Nahoana no lazaina fa manambara ny fahafatesan’ny Tompo ny Kristianina voahosotra, isaky ny mihinana ny mofo sy misotro ny divain’ny Fahatsiarovana?

7 Hoy i Paoly momba ny Sakafo Harivan’ny Tompo: “Na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny.” (1 Korintiana 11:26) Hihinana ny mofo sy hisotro ny divain’ny Fahatsiarovana ny Kristianina voahosotra mandra-pahafatiny. Midika izany fa hoporofoiny imbetsaka eo imason’i Jehovah Andriamanitra sy izao tontolo izao hoe mino ny sorom-panavotan’i Jesosy izy.

8. Mandra-pahoviana ny voahosotra no hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

8 Mandra-pahoviana ny Kristianina voahosotra no hankalaza ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy? “Mandra-pihaviny”, hoy i Paoly. Midika izany fa hankalaza izany foana izy ireo mandra-pahatongan’i Jesosy. Hanangana ny voahosotra mpanara-dia azy izy mandritra ny ‘fiaviany’ na “fanatrehany”, araka ny teny grika tany am-boalohany, ary hitondra azy ireo ho any an-danitra. (1 Tesaloniana 4:14-17) Mifanaraka amin’ny tenin’i Jesosy tamin’ireo apostoly nahatoky 11 izany. Hoy izy: “Raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.”​—Jaona 14:3.

9. Inona no hevitry ny tenin’i Jesosy ao amin’ny Marka 14:25?

9 Niresaka momba ny kapoaka nisy divay i Jesosy, nandritra ny Fahatsiarovana voalohany, ka nilaza tamin’ireo apostoliny nahatoky hoe: “Tsy mba hisotro ny vokatry ny voaloboka intsony Aho mandra-pihavin’ny andro hisotroako izay vaovao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” (Marka 14:25) Milaza hafaliana ny divay indraindray, ka azo inoana fa izany no tao an-tsain’i Jesosy, satria tsy hisotro divay ara-bakiteny izy any an-danitra. (Salamo 104:15; Mpitoriteny 10:19) Fifaliana no miandry an’i Jesosy sy ny mpanara-dia azy rehefa hiaraka hanjaka izy ireo, ary efa tsy andrin’izy ireo mihitsy izany.​—Romana 8:23; 2 Korintiana 5:2.

10. Impiry isan-taona ny Fahatsiarovana no tokony hankalazaina?

10 Tokony hankalazaina isam-bolana ve ny nahafatesan’i Jesosy, sa isan-kerinandro, sa isan’andro mihitsy aza? Tsia. Nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo tamin’ny andron’ny Paska i Jesosy, ary novonoina tamin’io andro io koa izy. Io Paska io dia nankalazaina “ho fahatsiarovana” ny fanafahana ny Isiraelita tsy ho andevon’ny Ejipsianina, tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy. (Eksodosy 12:14) Indray mandeha isan-taona ihany no nankalazaina ny Paska, ny andro faha-14 tamin’ny volana jiosy antsoina hoe Nisana. (Eksodosy 12:1-6; Levitikosy 23:5) Midika izany fa tokony hankalazaina indray mandeha isan-taona toy ny Paska ihany ny nahafatesan’i Jesosy, fa tsy isam-bolana na isan-kerinandro, na isan’andro.

11, 12. Inona no asehon’ny tantara momba ny fankalazan’ny Kristianina voalohany ny Fahatsiarovana?

11 Mety àry ny hankalazana ny Fahatsiarovana isan-taona, isaky ny 14 Nisana. Hoy ny boky iray: ‘Nantsoina hoe [Mpitandrina ny faha-14] ny Kristianina tany Azia Minora, satria nankalaza ny pascha [na Sakafo Harivan’ny Tompo] foana izy ireo isaky ny 14 Nisana. Mety ho zoma na andro hafa izy io.’​—Rakipahalalana Vaovao Ara-pivavahana Navoakan’i Schaff-Herzog (anglisy), Boky IV, pejy 44.

12 Nilaza i J. von Mosheim, mpahay tantara, fa tamin’ny taonjato faharoa, dia nankalaza ny Fahatsiarovana tamin’ny 14 Nisana ny Mpitandrina ny faha-14, satria “toy ny lalàna ny fiheverany ny ohatra navelan’i Kristy.” Hoy ny mpahay tantara hafa: “Nitovy tamin’ny fanaon’ny eglizin’i Jerosalema ny fanaon’ny eglizin’ny Mpitandrina ny faha-14 tany Azia. Tamin’ny taonjato faharoa, dia nankalaza ny fanavotana azo noho ny fahafatesan’i Kristy ireny eglizy ireny, nandritra ny Pascha tamin’ny 14 Nisana.”​—Studia Patristica, Boky V, 1962, pejy 8.

Inona no mifanitsy amin’ny mofo?

13. Inona no karazana mofo nampiasain’i Jesosy tamin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany?

13 Rehefa nanao ny Fahatsiarovana voalohany i Jesosy, dia ‘nandray mofo sy nisaotra ary namaky sy nanolotra ilay mofo [tamin’ny apostoly].’ (Marka 14:22) Mitovy karazana amin’ilay mofo vao avy nampiasaina tamin’ny Paska io mofo io. (Eksodosy 13:6-10) Tsy nasiana masirasira na leviora izy io, ka fisaka sy mora miparasaka, ary tsy maintsy novakina mba hozaraina. Mofo fisaka sy mikarepoka koa no nampitomboin’i Jesosy tamin’ny fomba mahagaga ho an’ireo olona maro be, satria novakiny ilay izy mba hozaraina. (Matio 14:19; 15:36) Araka izany, dia toa tsy fombafomba ara-pivavahana ny fanapahana ny mofon’ny Fahatsiarovana.

14. a) Nahoana no tsy tokony hasiana leviora ny mofon’ny Fahatsiarovana? b) Inona no karazana mofo azo ampiasaina na amboarina ho an’ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

14 Hoy i Jesosy momba ilay mofo nampiasaina tamin’ny Fahatsiarovana: “Ity no tenako ho anareo.” (1 Korintiana 11:24; Marka 14:22) Tsy nasiana leviora ilay mofo ary mety tsara izany. Nahoana? Satria mety hilaza haratsiam-panahy na fahotana ny masirasira, na leviora. (1 Korintiana 5:6-8) Ilay mofo dia mifanitsy amin’ny tenan’i Jesosy lavorary, tsy mpanota, izay nataony sorom-panavotana nety tsara. (Hebreo 7:26; 10:5-10) Mitadidy izany ny Vavolombelon’i Jehovah sady manaraka ny ohatra navelan’i Jesosy, ka mampiasa mofo tsy misy leviora rehefa mankalaza ny Fahatsiarovana. Mofo jiosy vita amin’ny lafarinina sy rano ary tsy misy fangarony hafa, toy ny tongolo na atody, no ampiasaina any amin’ny tany sasany. Azo atao ny manamboatra mofo tsy misy leviora, rehefa tsy misy ny mofo toy io. Afangaro ny lafarinina sy rano kely, ary fisahana tsara. Lafarinina vita amin’ny varimbazaha no ampiasaina, raha azo atao. Asiana menaka kely ny lapoaly ary endasina eo ilay izy, ka tsy esorina raha tsy rehefa maina sy mikarepoka ilay mofo.

Inona no mifanitsy amin’ny divay?

15. Inona no tao anatin’ilay kapoaka nampiasain’i Kristy tamin’ny Fahatsiarovana voalohany?

15 Rehefa avy nampandalo ilay mofo tsy misy leviora i Jesosy, dia nandray kapoaka sy ‘nisaotra ary nanolotra ilay izy [tamin’ny apostoly], ka nisotroan’izy rehetra izany.’ Nanazava i Jesosy hoe: “Ity no rako amin’ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro.” (Marka 14:23, 24) Inona no tao anatin’ilay kapoaka? Divay naotrika no tao anatiny, fa tsy ranom-boaloboka tsotra. Tsy ranom-boaloboka tsotra ilay antsoin’ny Soratra Masina hoe divay. Nilaza, ohatra, i Jesosy fa divay naotrika no hahatriatra ny “siny hoditra tonta”, fa tsy ranom-boaloboka. Niampanga an’i Kristy ho “mpisotro divay” koa ny fahavalony. Tsy ho nisy dikany izany fiampangana izany, raha ranom-boaloboka tsotra fa tsy divay no tiana holazaina. (Matio 9:17; 11:19) Divay no nosotroina tamin’ny Paska, ary divay no nampiasain’i Kristy tamin’ny Fahatsiarovana voalohany.

16, 17. Inona no karazana divay azo ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana, ary nahoana?

16 Divay mena ihany no mifanitsy tsara amin’ny ra nalatsak’i Jesosy. Nilaza izy hoe: “Ity no rako, dia ny amin’ny fanekena, izay alatsaka ho an’ny maro.” Nanoratra koa ny apostoly Petera hoe: “Fantatrareo [Kristianina voahosotra] fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ny fitondrantena adala, izay azonareo tamin’ny nentin-drazana, fa ny ra soan’i Kristy, toy ny ran’ny zanak’ondry tsy misy kilema ary tsy misy pentimpentina.”​—1 Petera 1:18, 19.

17 Azo antoka àry fa divay mena no nampiasain’i Jesosy tamin’ny Fahatsiarovana voalohany. Misy divay sasany anefa tsy mety raha ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana, satria nafangaro tamin’ny karazana toaka hafa mba hahery kokoa, na nampiana zavamanitra. Tsy nilaina nampiana na inona na inona ny ran’i Jesosy, satria nahafa-po tanteraka. Tsy mety àry ny mampiasa divay mena nafangaro tamin’ny zavatra hafa. Divay mena tsy nasiana siramamy na toaka hafa no tokony hampiasaina amin’ny Fahatsiarovana. Azo atao ny manamboatra na mividy divay mena toy izany.

18. Nahoana i Jesosy no tsy nanao fahagagana mba hanovana ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana ho tena nofo sy ra?

18 Tamin’io sakafo io, dia tsy nanao fahagagana i Jesosy mba hanovana ilay mofo sy divay ho tena nofony sy rany. Toy ny mihinana olona ny mihinana nofon’olombelona sy misotro ra, ka mandika ny lalàn’Andriamanitra izay manao izany. (Genesisy 9:3, 4; Levitikosy 17:10) Tsy nisy nanesorana ny nofo aman-dran’i Jesosy, tamin’iny hariva iny. Vatana lavorary no nataony sorona, ary nandatsaka ny rany izy ny ampitso tolakandro, izany hoe ny 14 Nisana ihany. Noho izany, dia raisina an’ohatra ny mofo sy divain’ny Fahatsiarovana, satria manondro ny nofon’i Kristy sy ny rany. *

Sakafo iraisana ny Fahatsiarovana

19. Nahoana no azo atao ny mampiasa lovia sy vera maromaro rehefa mankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

19 Kapoaka iray ihany no nasain’i Jesosy nisotroan’ny apostoliny nahatoky, tamin’ny Fahatsiarovana voalohany. Hoy ny Filazantsaran’i Matio: “Nandray kapoaka [i Jesosy], ka nony efa nisaotra, dia natolony azy ka nataony hoe: Sotroinareo rehetra ity.” (Matio 26:27) Tsy nanahirana ny nampiasa “kapoaka” iray monja, fa tsy maromaro, satria 11 monja no mpandray anjara sady latabatra iray angamba no nisy azy rehetra, ka mora ny nampandalo ilay kapoaka. Olona an-tapitrisa anefa no hivory amin’ny Sakafo Harivan’ny Tompo amin’ity taona ity, miaraka amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah 94 000 mahery eran-tany. Tsy mety raha vera iray monja no ampiasaina, satria be dia be ny mpanatrika amin’io alina io. Afaka mampiasa vera maromaro ny fiangonana lehibe, mba tsy ho ela loatra ny fampandalovana azy. Mety izany satria manondro ny ran’i Jesosy ihany ilay divay ao anatin’ireo vera maromaro ireo. Azo atao koa ny mampiasa lovia maromaro hampandalovana an’ilay mofo. Tsy voalazan’ny Soratra Masina hoe tokony hanao ahoana ilay vera. Tokony ho mendrika ho an’ilay fankalazana anefa izy io sy ilay lovia. Tsara raha tsy fenoina be loatra ilay vera, mba tsy hiraraka ny divay rehefa hampandalovina.

20, 21. Nahoana ny Fahatsiarovana no atao hoe sakafo iraisana?

20 Sakafo iraisana ny Fahatsiarovana, na dia mety ho maromaro aza ny lovia sy vera ampiasaina. Nitondra sakafo niraisana, ohatra, ny lehilahy tany Isiraely fahiny, rehefa nitondra biby hovonoina teny amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra. Nisy ampahany nodorana teo amin’ny alitara, nisy nomena ny mpisorona teo am-perinasa sy ny mpisorona zanak’i Arona. Ary niara-nihinana ilay izy koa ilay mpanatitra sakafo sy ny fianakaviany. (Levitikosy 3:1-16; 7:28-36) Sakafo iraisana koa ny Fahatsiarovana, satria maromaro no mandray anjara amin’izy io.

21 Anisan’izy ireo i Jehovah, satria izy no nanao ilay fandaharana. I Jesosy no sorona, ary miara-mandray anjara aminy ny Kristianina voahosotra, rehefa mihinana ny mofo sy misotro ny divay. Midika ho fihavanana amin’i Jehovah ny fihinanana eo amin’ny latabany. Noho izany, dia hoy i Paoly: “Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, tsy firaisana amin’ny ran’i Kristy va izany? Ny mofo izay vakintsika, tsy firaisana amin’ny tenan’i Kristy va izany? Satria iray ihany ny mofo, dia tena iray ihany isika na dia maro aza; fa isika rehetra dia samy mandray amin’izany mofo iray izany avokoa.”​—1 Korintiana 10:16, 17.

22. Inona no fanontaniana mbola ilaintsika hodinihina momba ny Fahatsiarovana?

22 Ny Sakafo Harivan’ny Tompo ihany no fankalazana ara-pivavahana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah isan-taona. Mety tsara izany, satria nandidy ny mpanara-dia azy i Jesosy hoe: “Izao no ataovinareo ho fahatsiarovana Ahy.” Nanamarina ny zon’i Jehovah hitondra izao rehetra izao ny fahafatesany, ary mankalaza ny nahafatesany isika mandritra ny Fahatsiarovana. Araka ny efa hitantsika, ny mofo amin’io sakafo iraisana io dia mifanitsy amin’ny vatan’olombelona lavorary nataon’i Kristy sorona. Ny divay dia mifanitsy amin’ny ra nalatsany. Vitsy kely anefa ny olona mihinana ny mofo sy misotro ny divay. Nahoana? Tena misy heviny ve ny Fahatsiarovana ho an’ireo olona be dia be tsy mihinana ny mofo sy misotro ny divay? Midika ho inona ho anao manokana ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 18 Jereo ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (Perspicace), Boky 2, pejy 764, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana i Jesosy no nandidy ny mpanara-dia azy mba hankalaza ny Sakafo Harivan’ny Tompo?

• Impiry isan-taona ny Fahatsiarovana no tokony hankalazaina?

• Inona no mifanitsy amin’ny mofo tsy misy leviora ampiasaina amin’ny Fahatsiarovana?

• Inona no mifanitsy amin’ny divain’ny Fahatsiarovana?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nanao ny Sakafo Harivan’ny Tompo voalohany i Jesosy