Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mbola Ilaina Amin’ny Fivavahana ve ny Alitara?

Mbola Ilaina Amin’ny Fivavahana ve ny Alitara?

Mbola Ilaina Amin’ny Fivavahana ve ny Alitara?

HEVERINAO ve fa tena zava-dehibe eo amin’ny fivavahanao ny alitara? Mety hihevitra ny ankamaroan’ny mpiangona ao amin’ny Kristianisma Anarana fa izany no izy. Efa mba nodinihinao ve anefa izay lazain’ny Baiboly momba ny fampiasana alitara?

Ny alitara voalohany resahiny dia ilay naorin’i Noa mba hanolorana fanatitra biby, rehefa nivoaka an’ilay sambo fiara nitsimbinana ny ainy izy, taorian’ny Safo-drano. *​—Genesisy 8:20.

Niely naneran-tany ny olona, rehefa tsy nifankahazo resaka intsony izy ireo, tany Babela. (Genesisy 11:1-9) Voajanahary ao amin’ny olona anefa ny mivavaka, ka nitady hanatona an’Andriamanitra izy. Nitsapatsapa toy ny jamba izy tamin’izany, satria tsy nahafantatra azy firy intsony. (Asan’ny Apostoly 17:27; Romana 2:14, 15) Firenena sy foko maro no nanorina alitara ho an’ny andriamaniny avy, hatramin’ny andron’i Noa. Olona samy hafa fivavahana sy kolontsaina no nampiasa alitara teo amin’ny fivavahan-diso. Tafasaraka tamin’ilay Andriamanitra marina ny sasany taminy, ka nampiasa alitara mba hanaovana sorona olombelona, eny, ankizy mihitsy aza. Nandao an’i Jehovah ny mpanjakan’ny Isiraely sasany, ka nanao alitara ho an’andriamanitra sampy, toa an’i Bala. (1 Mpanjaka 16:29-32) Ahoana kosa ny amin’ny fampiasana alitara teo amin’ny fivavahana marina?

Ny alitara sy ny fivavahana marina teo amin’ny Isiraely

Nisy lehilahy nahatoky hafa nampiasa alitara teo amin’ny fivavahany tamin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, taorian’i Noa. I Abrahama dia nanorina alitara tao Sekema, teo akaikin’i Betela, tao Hebrona, ary teo an-tendrombohitra Moria, izay nanaovany fanatitra ondrilahy nomen’Andriamanitra ho solon’i Isaka. Tatỳ aoriana, dia natosiky ny fony hanorina alitara teo amin’ny fivavahana tamin’Andriamanitra, i Isaka sy Jakoba ary Mosesy.​—Genesisy 12:6-8; 13:3, 18; 22:9-13; 26:23-25; 33:18-20; 35:1, 3, 7; Eksodosy 17:15, 16; 24:4-8.

Tao amin’ny Lalàny ho an’ny Isiraely, dia nasain’Andriamanitra nanao tabernakely, na tranolay azo nafindrafindra, nantsoina hoe ‘tranolay fihaonana’, izy ireo. Io no fomba nahafahany nanatona an’Andriamanitra. (Eksodosy 39:32, 40) Nisy alitara roa ilay tabernakely. Vita tamin’ny hazo akasia ary nasiana takela-barahina ilay natokana ho an’ny fanatitra dorana. Napetraka teo anoloan’ny fidirana izy io, ary nampiasaina hanolorana fanatitra biby. (Eksodosy 27:1-8; 39:39; 40:6, 29) Ilay alitara ho an’ny emboka manitra kosa, izay vita tamin’ny hazo akasia koa ary nasiana takela-bolamena, dia napetraka tao anatin’ny tabernakely teo anoloan’ny efitra lamban’ny Masina Indrindra. (Eksodosy 30:1-6; 39:38; 40:5, 26, 27) Nandorana emboka manitra manokana teo amboniny, ny maraina sy hariva. (Eksodosy 30:7-9) Nampanarahina ny planin’ny tabernakely ilay tempoly naharitra naorin’i Solomona Mpanjaka, ka nasiana alitara roa koa.

“Ny tena tabernakely” sy ny alitara an’ohatra

Tsy hoe mba hamaritana ny tokony ho fomba fiainany sy hanolorany fanatitra ary hivavahany fotsiny no nanomezan’i Jehovah ny Lalàny ho an’ny Isiraely. Nantsoin’ny apostoly Paoly hoe “endrika”, na “fanoharana”, na “aloky ny zavatra any an-danitra”, ny lafiny maro taminy. (Hebreo 8:3-5; 9:9; 10:1; Kolosiana 2:17) Tsy vitan’ny hoe nitarika ny Isiraelita ho amin’i Kristy izy ireny, fa nampiseho mialoha koa ny fikasan’Andriamanitra hotanterahin’i Jesosy Kristy. (Galatiana 3:24) Manondro zavatra ho avy izy ireny. Ohatra, ny ran’ilay zanak’ondrin’ny Paska dia mariky ny famonjena ny Isiraelita. Nanondro an’i Jesosy Kristy àry izy io, satria mamonjy antsika amin’ny ota ny ra nalatsany. Izany no iantsoana azy hoe ny “Zanak’ondrin’Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.”​—Jaona 1:29; Efesiana 1:7.

Zavatra maro nifandray tamin’ny tabernakely sy ny tempoly no mifanitsy amin’ny zavatra ara-panahy. (Hebreo 8:5; 9:23) Nanoratra momba “ny tena tabernakely, izay naorin’ny Tompo, fa tsy olona”, i Paoly. Hoy koa izy: ‘Tonga ho Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy i Kristy, dia namaky teo amin’ny tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra, izay tsy nataon-tanana, izany hoe, tsy isan’izao zavatra ary izao.’ (Hebreo 8:2; 9:11) Ny tempoly ara-panahy lehiben’i Jehovah no ilay “tabernakely lehibe lavitra sady tsara lavitra.” Mazava araka ny fomba ilazan’ny Baiboly azy, fa ilay tempoly ara-panahy lehibe dia ny fomba anompoan’ny olona an’i Jehovah, miorina amin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy.​—Hebreo 9:2-10, 23-28.

Ampianarin’ny Tenin’Andriamanitra fa manondro zavatra ara-panahy lehibe kokoa sy misy heviny kokoa ny sasany amin’ireo fepetra sy fitsipika ao amin’ny Lalàna. Manjary mino isika fa ara-tsindrimandry ny Baiboly. Mitombo koa ny fankasitrahantsika ny fahendren’Andriamanitra aharihary ao.​—Romana 11:33; 2 Timoty 3:16.

Misy heviny ara-paminaniana koa ny alitara ho an’ny fanatitra dorana. Toa manondro ny ‘sitrapon’Andriamanitra’, na ny fanekeny ny ain’olombelona lavorary nataon’i Jesosy sorona, izy io.​—Hebreo 10:1-10.

Nanao izao teny mahaliana izao i Paoly tatỳ aoriana, ao amin’ny bokin’ny Hebreo: “Isika manana alitara, izay tsy ananan’ny mpanompo ny tabernakely fahefana hihinanana.” (Hebreo 13:10) Alitara inona no nolazainy teo?

Maro ny Katolika mpanazava Baiboly no milaza fa ilay alitara, na otely, lazain’ny Hebreo 13:10, dia ilay ampiasaina amin’ny Eokaristia, na ilay “sakramenta” lazaina fa anavaozana ny soron’i Kristy mandritra ny Lamesa. Hitanao eo amin’ny teny manodidina anefa fa an’ohatra ilay otely nohazavain’i Paoly. Manam-pahaizana maromaro no milaza fa raisina an’ohatra ilay “otely” ao amin’io andininy io. Araka an’ilay Zezoita atao hoe Giuseppe Bonsirven, dia “mifanaraka tanteraka amin’ireo teny an’ohatra rehetra ao amin’ny epistola [ho an’ny Hebrio] izany.” Hoy izy: “Ao amin’ny voambolana kristianina, dia nampiasaina an’ohatra ny teny hoe ‘otely’, tamin’ny voalohany. Nampiharina tamin’ny eokaristia sy ny otelin’ny eokaristia kosa izy io, rehefa maty i Irénée sy Tertullien ary Md. Cyprien.”

Nolazain’ny gazetiboky katolika italianina iray fa niara-niely tamin’ny “fanorenana bazilika” ny fampiasana otely, tamin’ny “andron’i Constantin.” Hoy koa izy io: ‘Azo antoka fa tsy misy porofon’ny fisian’ny toeram-pivavahana raikitra nandritra ireo taonjato roa voalohany. Tao amin’ny efitranon’olona no nanaovana fivoriana ara-pivavahana, ary dia efitrano tsotra indray ilay izy, raha vao vita ilay fotoam-pivavahana.’

Ny alitara sy ny Kristianisma Anarana

Hoy ny gazetiboky katolika La Civiltà Cattolica: “Tena zava-dehibe ny otely, tsy ho an’ny eglizy fotsiny fa ho an’ny fivavahana katolika koa.” Tsy nanao fombafombam-pivavahana teo amin’ny alitara mihitsy anefa i Jesosy Kristy, ary tsy nandidy ny mpianany hanao fombafomba hampiasana alitara koa. Niresaka alitara ihany izy ao amin’ny andininy toy ny Matio 5:23, 24, nefa nanonona fotsiny ny fanaon’ny Jiosy tamin’ny androny izy tamin’izany. Tsy nasainy nivavaka tamin’Andriamanitra teo amin’ny alitara mihitsy ny mpianany.

Izao no nosoratan’i George Moore (1851-1931), mpahay tantara amerikanina: “Tsy niova mihitsy ireo zava-dehibe teo amin’ny fivavahana kristianina. Rehefa nandeha anefa ny fotoana, dia nanjary be renty aoka izany ireo fombafomba tsotra nolazain’i Justin tany antenatenan’ny taonjato faharoa.” Tena maro sy sarotra be ireo fombafombam-pivavahana katolika, ka nanjary taranja nantsoina hoe litorjia, nianarana tany amin’ny seminera. Hoy koa i Moore: “Efa raiki-tampisaka amin’ny fivavahana io fironana hanasarotra ny fombafomba io. Vao mainka nampitombo izany ny Testamenta Taloha, rehefa noheverina fa nandimby ny mpisorona fahiny ny mpitondra fivavahana kristianina. Ny fitafiana mamirapiratry ny mpisoronabe, ny fitafiana manokan’ny mpisorona, ny filaharam-be, ny fihirana salamo nataon’ny Levita mpihira, ny setroky ny emboka manitra. Izany rehetra izany dia toa modelim-panompoana avy tamin’Andriamanitra, ary toa nanome lalana ny eglizy hanaraka izany renty izany, na hanao mihoatra aza.”

Mety ho gaga ianao hahafantatra fa avy amin’ny Jiosy sy ny mpanompo sampy ny ankamaroan’ireo fombafomba sy fitafiana ary zavatra hafa ampiasain’ireo fiangonana samihafa eo amin’ny fivavahana. Tsy fampianaran’i Kristy ao amin’ireo Filazantsara izy ireny. Lazain’ny Rakipahalalana Katolika (italianina) fa ‘nolovan’ny fivavahana katolika avy tamin’ny Jodaisma sy ny mpanompo sampy ny fampiasana otely.’ Nanoratra i Minucius Felix, mpiaro ny finoana tamin’ny taonjato fahatelo, fa ‘sady tsy nanana tempoly, no tsy nanana alitara’, ny Kristianina. Hoy koa ny rakipahalalana italianina iray: “Tsy nety nampiasa alitara ny Kristianina voalohany, mba hiavahany tamin’ny Jiosy sy mpanompo sampy.”

Voaforona toro lalana natao hampiharin’ny olona any amin’ny tany rehetra eo amin’ny fiainany andavanandro, ny Kristianisma. Tsy nilaina intsony àry ny tanàna masina iray teto an-tany, na tempoly nisy alitara, na mpisorona nomena toeram-boninahitra sy nanao fitafiana niavaka. Hoy i Jesosy: “Avy ny andro ka tsy amin’ity tendrombohitra ity, na any Jerosalema aza, no hivavahanareo amin’ny Ray. . . . Ny tena mpivavaka hivavaka amin’ny Ray amin’ny fanahy sy ny fahamarinana.” (Jaona 4:21, 23) Tsy miraharaha izany tenin’i Jesosy mahakasika ny fomba tokony hivavahana amin’Andriamanitra izany, ireo fiangonana manaraka fombafomba be renty sy mampiasa alitara.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Nampiasa alitara koa angamba i Kaina sy Abela talohan’izay, rehefa nanao fanatitra ho an’i Jehovah.​—Genesisy 4:3, 4.