Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Fantatsika Akory Angamba Ilay Andriamanitra Inoantsika

Tsy Fantatsika Akory Angamba Ilay Andriamanitra Inoantsika

Tsy Fantatsika Akory Angamba Ilay Andriamanitra Inoantsika

OLONA roa ao anatin’ny telo no mino an’Andriamanitra any Alemaina. Rehefa nasaina nilaza ny mombamomba ilay Andriamanitra inoany anefa ny olona maherin’ny arivo dia saika samy hafa daholo ny valin-teniny. ‘Samy manana ny heviny momba an’Andriamanitra ny Alemà tsirairay’, hoy ny gazetiboky alemà FOCUS. Tsara ny mino an’Andriamanitra. Kanefa tsy mampalahelo ve ny mino Andriamanitra izay tsy fantatra akory ny momba azy?

Tsy ny Alemà ihany akory no tsy mahalala ny mombamomba an’Andriamanitra, fa ny olon-kafa any Eoropa koa. Nisy fanadihadiana, ohatra, natao tany Aotrisy sy Grande-Bretagne ary Holandy. Nasehon’izy io fa olona maro no mihevitra hoe “hery ambony kokoa na zava-miafina tsy hay faritana” Andriamanitra. Ny tanora no tena mihevitra fa tsy takatry ny saina ny momba azy. Mihevitra toy izany na dia ireo tanora mino azy aza.

Fantatrao tsara ve Andriamanitra?

Tsy mitovy mihitsy ny hoe mahafantatra olona iray sy ny hoe mahafantatra azy tsara. Ny hoe mahafantatra olona, toy ny hoe mpanjaka iray na atleta faran’izay mahay na mpilalao sarimihetsika malaza, dia midika fotsiny hoe manaiky fa misy izy. Lalina kokoa anefa ny hoe mahafantatra tsara olona iray. Tafiditra amin’izany ny hoe mahafantatra tsara ny toetrany, fitondran-tenany, fihetseham-pony, zavatra tiany sy tsy tiany, ary ny fikasany. Afaka mifandray akaiky amin’ny olona iray isika rehefa mahafantatra azy tsara.

Olona ana hetsy no nanatsoaka hevitra fa tsy ampy ny manana hevitra manjavozavo momba an’Andriamanitra, na hoe mahafantatra fotsiny fa misy izy. Niezaka izy ireo mba hahafantatra azy tsara. Nahasoa azy ireo ve izany? Misy lehilahy antsoina hoe Paul, mipetraka any amin’ny faritra avaratr’i Alemaina. Nino an’Andriamanitra fotsiny izy taloha, nefa nanapa-kevitra ny hahafantatra azy tsara kokoa. Manazava izy hoe: “Marina fa mitaky fotoana sy ezaka ny fahafantarana tsara an’Andriamanitra, nefa tena mitondra voka-tsoa. Tena lasa mahafinaritra kokoa ny fiainanao andavanandro, rehefa mifandray akaiky amin’ilay Mpamorona ianao.”

Mahasoa ve ny manokana fotoana sy miezaka hamantatra tsara an’Andriamanitra? Vakio, aza fady, ny lahatsoratra manaraka.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Tsy mitovy mihitsy ny hoe mahafantatra olona iray sy ny hoe mahafantatra azy tsara