Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Volavolao Tsara ny Fon’ny Zanakao!

Volavolao Tsara ny Fon’ny Zanakao!

Volavolao Tsara ny Fon’ny Zanakao!

VITAN’NY mpanefy tanimanga mahay ny mamolavola vongan-tanimanga hanjary fitaovana tsara tarehy. Vitsy ny mpanao asa tanana mahavita zavatra tsara tarehy avy amin-javatra tsotra toy ny tanimanga. Efa an’arivo taona ny mpanefy tanimanga no nanao kaopy, lovia, vilany, siny fitahirizan-javatra, ary vazy ho an’ny mpiara-belona.

Manampy ny mpiara-belona koa ny ray aman-dreny, rehefa mamolavola tsara ny toetran’ny zanany. Ampitahain’ny Baiboly amin’ny tanimanga isika, ary ny ray aman-dreny no nomen’Andriamanitra andraikitra lehibe hamolavola ny zanany. (Joba 33:6; Genesisy 18:19) Samy tsy mora, na ny mamorona zavatra tsara tarehy avy amin’ny tanimanga, na ny mamolavola zanaka ho tonga olon-dehibe mendri-pitokisana sy mahay mandanjalanja. Tsy vitan’ny kisendrasendra izany.

Maro ny zavatra mamolavola ny fon’ny zanatsika. Mampalahelo fa manimba ny sasany amin’izy ireny. Tsy hiankina amin’ny kisendrasendra àry ny ray aman-dreny hendry, fa hanoro ny zanany ‘ny lalana tokony halehany’, ary hatoky fa ‘tsy hiala amin’izany izy, na rehefa antitra aza.’​—Ohabolana 22:6.

Lava sy feno zava-mitranga ny fotoana anabeazan’ny ray aman-dreny kristianina ny zanany. Tsy maintsy manokana fotoana àry izy ireo mba hiadiana amin’ny fitaoman-dratsy mety hanimba ny fon’ny zanany. Tena hiharam-pitsapana ny fitiavan’ny ray aman-dreny, rehefa hanome amim-paharetana “ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo” izy. (Efesiana 6:4) Inoana fa ho mora kokoa ny andraikiny raha manomboka aloha be izy.

Manomboha aloha be

Tian’ny mpanefy tanimanga ny miasa amin’ny tanimanga mora volavolaina, nefa koa tsy malemy loatra, mba hahatana tsara ny bika omena azy. Aleon’ilay mpanefy ampiasaina ao anatin’ny enim-bolana ny tanimanga, rehefa voadio. Ho an’ny ray aman-dreny koa, dia amin’ny fotoana tena maha vonon-kandray ny fon’ilay zaza, no tsara indrindra hanombohana ny famolavolana.

Lazain’ny manam-pahaizana momba ny ankizy, fa ny zazakely valo volana dia efa mahay mamantatra ny feo mampiavaka ny tenin-drazany, manomboka mifankahazo am-po amin’ny ray aman-dreniny, mahay mampiasa ireo taova toy ny maso, orona sy ny sisa, ary manomboka mamantatra ny manodidina azy. Amin’izy mbola kely iny àry no tena mety indrindra ny hanombohana mamolavola ny fony. Hahazo tombony ny zanakao raha ‘mahalala ny Soratra Masina hatry ny fony vao zazakely’, toa an’i Timoty!​—2 Timoty 3:15. *

Maka tahaka ny ray aman-dreniny foana ny zazakely. Mamerina feo sy teny ary fihetsika ilay zaza, nefa mianatra koa ny atao hoe fitiavana, hatsaram-panahy, ary fangorahana izy, rehefa hitany maneho ireo toetra ireo ny ray aman-dreniny. Tsy maintsy porofointsika aloha fa ao am-pontsika ny didin’Andriamanitra, raha te hampiofana ny zanatsika araka ny lalàn’i Jehovah isika. Hiresaka tsy tapaka momba an’i Jehovah sy ny Teniny amin’ny zanatsika isika, raha tena mankasitraka ny lalàny. Hoy ny Baiboly: ‘Resaho aminy izany, na mipetraka ao an-tranonao ianao, na mandeha any an-dalana, na mandry, na mifoha.’ (Deoteronomia 6:6, 7) Toy izao no anazavan’i Francisco sy Rosa ny fomba ampiharany an’io amin’ireo zanany kely roa. *

“Ankoatra ny resaka ifanaovanay andavanandro, dia mbola miezaka koa izahay miresaka amin’ny tsirairay mandritra ny 15 minitra, fara fahakeliny, isan’andro. Rehefa tsikaritray fa manan-java-manahirana izy ireo, dia mandany fotoana bebe kokoa izahay, ka hitanay ilay zava-manahirana. Ohatra: Tonga avy nianatra ilay zanakay lahy dimy taona, vao tsy ela izay, ary nilaza fa tsy nino an’i Jehovah izy. Fantatray fa nisy mpiara-mianatra taminy naneso azy ary nilaza fa tsy misy Andriamanitra.”

Fantatr’ireo ray aman-dreny ireo fa mila mampitombo finoana ny Mpamorona azy ny ankizy. Azo atao izany satria mambabo ny ankizy foana ny zavatra noforonin’Andriamanitra. Tian’izy ireo erỳ, ohatra, ny mikasika biby, mioty voninkazo dia, na milalao eny amin’ny tora-pasika! Azon’ny ray aman-dreny atao amin’izay ny manampy ny zanany hahatakatra fa tsy maintsy misy Mpamorona, matoa misy ireny zavatra ireny. (Salamo 100:3; 104:24, 25) Mety hanjary hankasitraka sy hanaja ny zavatra noforonin’i Jehovah àry ilay ankizy mandritra ny fiainany. (Salamo 111:2, 10) Mety hampitombo faniriana hampifaly an’Andriamanitra sy tahotra ny tsy hampifaly azy koa izy, ka ‘hanalavitra ny ratsy.’​—Ohabolana 16:6.

Mety tsy hankatò mora foana anefa ny ankamaroan’ny ankizy, na dia liana te hahafanta-javatra sy kinga saina aza. (Salamo 51:5) Mety hikiry hanao na hahazo izay tiany izy indraindray. Tokony ho hentitra sy hanam-paharetana ary hahay hifehy ny ray aman-dreny, mba tsy ho latsa-paka ny toe-tsaina toy izany. (Efesiana 6:4) Izany no zavatra niainan’i Phyllis sy Paul, izay nahomby tamin’ny fitaizana zanaka dimy.

Hoy i Phyllis: “Tsy nitovy toetra izy dimy mianadahy, nefa samy te hanao izay tiany daholo. Sarotra ilay izy, nefa nianatra nanaiky izy ireo tamin’ny farany.” Hoy kosa i Paul: “Matetika izahay no nanazava ny anton’ny fanapahan-kevitray, rehefa lehibe ireo ankizy ka nahatakatra tsara. Niezaka ny ho tsara fanahy foana izahay, nefa nampianarinay hanaja ny fahefana nomen’Andriamanitra anay koa izy ireo.”

Na dia mety ho sarotra aza ny mitaiza ankizikely, dia ny zatovo no sarotra tezaina indrindra, satria mbola tsy matotra izy, nefa maro koa ny fitsapana azy.

Tohino ny fon’ny zatovo

Tsy maintsy manomboka ny asany ny mpanefy tanimanga, dieny mbola tsy maina ilay tanimanga. Lemany rano angamba ilay izy, raha tiany ho mandomando ela kokoa sy ho mora volavolaina. Toy izany koa ny ray aman-dreny. Tsy maintsy miezaka mafy izy ireo mba tsy hihamafy ny fon’ny zanany mbola zatovo. Mazava ho azy fa ny Baiboly no fitaovana lehibe ampiasainy mba ‘handreseny lahatra, hanitsiany izay diso, ary hanaovany izay hahavonona ny zanany ho amin’ny asa tsara rehetra.’​—2 Timoty 3:15-17.

Mety tsy hanaiky avy hatrany ny torohevitry ny ray aman-dreniny, toy ny tamin’izy mbola kely, anefa ny zatovo. Mety ny namany no hohenoiny kokoa, ka hihena ny fifampiresahana tsara sy tsotra amin’ny ray aman-dreniny. Ilaina ny maharitra sy kinga kokoa amin’izay, satria miditra amin’ny dingana vaovao ny anjara asan’ny ray aman-dreny sy zanaka. Tsy maintsy mizatra amin’ireo fiovana ara-batana sy ara-pihetseham-po ilay zatovo. Tsy maintsy manomboka manapa-kevitra izy, ary mametra tanjona izay hisy vokany eo amin’ny fiainany. (2 Timoty 2:22) Hery mety hanimba ny fony ny faneren’ny namana, ary tsy maintsy atrehiny mandritra io fotoan-tsarotra io izany.

Tsy zavatra mitranga indray mandeha io fanerena io, fa fanamarihana na fisehoan-javatra maromaro manimba tsikelikely an’ilay zatovo. Voadona àry ny lafiny mampahalemy ny zatovo maro, dia ny tahotra sao lavin’ny namany. Sady tsy te ho saikatra ilay tanora no te horaisina tsara, ka mety hanomboka hankasitraka ‘ny zavatra eo amin’izao tontolo izao’ toa an’ireo namany.​—1 Jaona 2:15-17; Romana 12:2.

Mbola eo koa ny faniriana voajanaharin’ny fo tsy lavorary, izay mety hampanan-kery kokoa ny tenin’ny namana. Mety ho tena hanintona ny fampirisihana toy ny hoe: “Samia manao izay hahafalifaly ny fony, ary ataovy izay tianao hatao.” Hoy i María: “Nisy namako nino fa zon’ny tanora ny manao izay mahafinaritra azy, na inona na inona vokany, ary nanaraka azy ireny aho. Saika nidiran-doza aho, satria te hanaraka ny nataon’ny mpiara-mianatra tamiko.” Na ray ianao na reny, dia tianao ny hanampy ny zanakao mbola zatovo handresy ny fitaomana toy izany. Inona àry no azonao atao?

Omeo toky foana izy, ary manaova zavatra mba hinoany fa te hanampy azy ianao. Miezaha hahafantatra ny fihetseham-pony, sy hahatakatra ny zava-manahirana azy, izay mety ho sarotra kokoa noho izay hitanao tamin’ny ianao mbola nianatra. Tokony ho hitan’ny zanakao amin’io fotoana io indrindra, fa ianao no olona azony amborahana tsiambaratelo. (Ohabolana 20:5) Mety ho tsikaritrao amin’ny fihetsiny, na ny toe-pony, fa malahelo izy na very hevitra. Ampio izy na tsy miloa-bava aza, ka ‘ampifalio ny fony.’​—Kolosiana 2:2.

Mazava ho azy fa tena ilaina ny manaraka hatrany ny marina. Voatery mifandona amin’ny zanany ny ray aman-dreny indraindray, nefa tsy milefitra izy ireo, rehefa marim-pototra ny fanapahan-keviny. Ataovy azo antoka anefa fa takatrao tsara ilay toe-javatra. Amin’izay ianao vao handinika hoe hampihatra famaizana amim-pitiavana sa tsia, ary ahoana no anaovana izany.​—Ohabolana 18:13.

Na eo anivon’ny fiangonana aza

Jerena toy ny hoe vita tsara ny fitaovana tanimanga iray, nefa mety tsy hahatanty ny ranon-javatra atao ao anatiny, raha mbola tsy nodorana tao anaty fatana. Ampitahain’ny Baiboly amin’io asa fandoroana io ny fisedrana sy fahasahiranana, satria mampiharihary ny tena toetrantsika izy ireny. Ny fisedrana ny finoana no tena resahin’ny Baiboly, nefa azo ampiharina amin’ny fisedrana hafa koa ny afo fandoroana. (Jakoba 1:2-4) Mahagaga fa mety ho eo anivon’ny fiangonana ihany no hipoiran’ny fisedrana sasany atrehin’ny tanora.

Jerena toa matanjaka ara-panahy ny zanakao mbola zatovo, nefa angamba miady mafy amin’ny fony voazarazara izy. (1 Mpanjaka 18:21) I Megan, ohatra, dia nahita toe-tsain’izao tontolo izao teo amin’ny tanora tonga tao amin’ny Efitrano Fanjakana:

“Nisy tanora vitsivitsy nihevitra fa mankaleo sady tsy mamela hahita fahafinaretana ny Kristianisma, ka lasa nitovy hevitra tamin’izy ireo koa aho. Izao, ohatra, no nolazain’izy ireo: ‘Hiala amin’ny fahamarinana aho, raha vao feno 18 taona’, na hoe: ‘Tsy andriko izay hialana amin’ny fahamarinana.’ Tsy niarahan’izy ireo izay ankizy tsy niray hevitra taminy, sady nantsoiny hoe masina be.”

Ankizy ratsy loha iray na roa monja dia ampy hitarika ny rehetra. Manara-drian-drano fotsiny ny ankizy hafa matetika. Ireo manao adaladala sy sahisahy ratsy indray no mety hahavoatarika ny hendry sy ny mendrika. Nampalahelo fa nidiran-doza ny tanora kristianina sasany tany amin’ny tany maro, satria nanara-drian-drano toy izany.

Marina fa mila namana hiara-mifalifaly aminy ny tanora. Inona no azonao ray na reny atao amin’izany? Eritrereto tsara izay fialam-boly tian’izy ireo, ary manomàna zavatra mahaliana azon’ny mpianakavy, na azon’ny tanora sy olon-dehibe iarahana. Fantaro ny naman’ny zanakao. Asao izy ireny hiara-misakafo na hiaraka aminareo tsindraindray. (Romana 12:13) Ampirisiho ny zanakao hanao zavatra mahasoa, toy ny fianarana mitendry zavamaneno, na teny vahiny, na asa tanana. Mety ho azony atao ao an-trano ihany ny ankamaroan’ireo zavatra ireo.

Miaro ny tanora ny fandehanana mianatra

Hanampy ny zatovo handanjalanja ny fialam-boliny ny fandehanany mianatra. Hoy i Loli, talen’ny sekoly lehibe iray nandritra ny 20 taona: “Maro ny tanora Vavolombelon’i Jehovah nianatra teto. Nanana fitondran-tena mahate hidera ny ankamaroany, fa toy ny mpianatra hafa ihany kosa ny sasany. Ireo mpianatra fakan-tahaka dia ireo liana tamin’ny fianarana nataony. Mampirisika ny ray aman-dreny aho mba hazoto hanara-maso ny fianaran’ny zanany, sy hamantatra ny mpampianatra azy, ary handresy lahatra ny zanany fa tena ilaina ny mianatra tsara. Hisy ny tena mahay be, nefa ny rehetra dia afaka ny haharaka tsara ka hohajain’ny mpampianatra.”

Hanampy ny zatovo handroso ara-panahy koa ny fianarana toy izany, satria mampianatra azy ho zatra mianatra tsara, hifehy ny sainy, ary hahatsapa andraikitra. Hazoto kokoa hianatra sy hampianatra ny Tenin’Andriamanitra izy, raha mahay mamaky teny tsara sy mahazo izay vakiny. (Nehemia 8:8) Hanampy azy handanjalanja ny fialam-boliny ny entimody sy ny fianarana Baiboly tsy maintsy ataony.

Voninahitra ho anao sy ho an’i Jehovah

Nisy sonian’ilay mpanefy tanimanga sy ny an’ilay nampihaingo azy ny ankamaroan’ny vazy, tany Gresy fahiny. Olona roa koa matetika no mandray anjara amin’ny famolavolana ny zanaka. Samy mandray anjara amin’ny famolavolana ny fon’ny zanakareo ianareo ray sy reny, ka azo lazaina fa misy “sonianareo” mivady ny zanakareo. Toy ilay mpanefy tanimanga sy mpampihaingo ianareo, ka afaka mirehareha amin’ny asa namolavolanareo tanora sarobidy sy kanto.​—Ohabolana 23:24, 25.

Hiankina indrindra amin’ny habetsahan’ny ezaka ataonareo mba hamolavolana ny fon’ny zanakareo, ny fahombiazanareo amin’io asa goavana io. Antenaina fa ho afaka hilaza toy izao ianareo: “Ny lalàn’Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.” (Salamo 37:31) Zava-dehibe loatra ny toetran’ny fon’ny zanaka, ka tsy vitan’ny kisendrasendra.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 8 Misy ray aman-dreny mamaky Baiboly amin’ny zanany vao teraka. Mety hahatonga ilay zaza hanjary ho tia mamaky teny ilay feo mampitony anaovany izany.

^ feh. 9 Novana ny anarana sasany.