Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hararaoty ny Fiovana Mitranga eo Amin’ny Fiainanao

Hararaoty ny Fiovana Mitranga eo Amin’ny Fiainanao

Hararaoty ny Fiovana Mitranga eo Amin’ny Fiainanao

Samy anti-panahy kristianina any Holandy i Pum, Jan, Dries, sy Otto, ary manana zavatra maro iombonana izy efatra mirahalahy ireo. Samy manambady aman-janaka izy ireo. Samy niasa manontolo andro sy niaina tao amin’ny trano nampiadana koa izy ireo, taona maromaro lasa izay. Samy niala tamin’ny asany anefa izy efatra mirahalahy ary nanomboka nanokana ny fotoanany sy ny heriny rehetra hanohanana ny Fanjakan’Andriamanitra. Ahoana no nahafahan’izy ireo nanao izany fiovana izany? Samy nanararaotra ny fiovana nitranga teo amin’ny fiainany izy ireo.

HIOVA ny fiainan’ny ankamaroantsika rehefa mandeha ny fotoana. Mampitombo ny andraikitsika ny fiovana maro, toy ny fanambadiana, ny fananan-janaka, na ny fikarakarana ray aman-dreny be taona. Misy fiovana hafa kosa anefa manome fahafahana hanitatra bebe kokoa ny fanompoantsika. (Matio 9:37, 38) Angamba nitokan-trano ny zanatsika efa lehibe, na koa nisotro ronono isika.

Marina fa mety hiova ny fiainantsika na tiantsika izany na tsy tiantsika. Nahavita nandamina ny fiainany anefa ny Kristianina sasany mba handraisana anjara bebe kokoa amin’ny fanompoana. Izany indrindra no nataon’i Pum, Jan, Dries, ary i Otto. Tamin’ny fomba ahoana?

Rehefa mitokan-trano ny zanaka

Mpitana kaonty tao amin’ny orinasa mpanamboatra fanafody iray i Pum. Matetika izy no nanao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy niaraka tamin’i Anny vadiny sy ny zanany roa vavy. Nandamina fotoana mba hiarahan’ny fianakaviany miala voly amin’ny mpisava lalana hafa koa izy mivady. “Niaro tamin’ny zava-nanahirana nety ho nateraky ny fiarahana tamin’ny karazan’olona hafa izany”, hoy i Pum sy Anny. Noho ny ohatry ny ray aman-dreniny dia voatosika hanao ny asan’ny mpisava lalana izy mirahavavy zanany, taorian’ny fianarany tany amin’ny lise.

Tsapan’i Pum sy Anny fa nalalaka sy nanam-bola kokoa izy ireo rehefa nitokan-trano ny zanany. Afaka nanararaotra izany izy ireo mba hanaovana dia lavitra tany amin’ny toerana nahaliana, na hankafizana karazam-pialam-boly hafa. Nanapa-kevitra ny hanararaotra ny fiovana nitranga teo amin’ny fiainany kosa anefa izy mivady mba hanitarana ny fanompoany kristianina. Nangataka andro tsy hiasana iray fanampiny tamin’ny mpampiasa azy àry i Pum. Nanao fandaharana izy tatỳ aoriana, mba hahafahany hanomboka hiasa amin’ny fito maraina sy hirava amin’ny roa tolakandro. Mazava ho azy fa tsy maintsy kely kokoa ny karama rehefa kely kokoa ny asa atao. Tafavoaka ihany anefa izy ireo, ary nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra niaraka tamin’ny vadiny i Pum tamin’ny 1991.

Nangatahina mba ho mpikarakara mpanampy ny Efitrano Fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah i Pum tatỳ aoriana. Nidika izany fa tsy maintsy niala tamin’ilay trano nipetrahany nandritra ny 30 taona izy mivady, ary nifindra teny amin’ny Efitrano Fivoriambe. Nifindra tao amin’ilay trano àry izy ireo. Mora tamin’izy ireo ve ny nanao izany? Lazain’i Anny fa manontany tena toy izao izy isaky ny manembona ny nisy azy taloha: ‘Sao dia mba mitovy amin’ny vadin’i Lota àry aho?’ Nanda ‘hitodika ny lasa’ izy.​—Genesisy 19:26; Lioka 17:32.

Tsapan’i Pum sy Anny fa nitondra fitahiana maro ny fanapahan-kevitr’izy ireo. Anisan’izany, ohatra, ny fifaliana mikarakara ny Efitrano Fivoriambe, sy manomana izay ilaina ho amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra, ary ny mifanerasera amin’ny mpiandraikitra ny faritra (mpiandraikitra mpitety faritany) manao lahateny ao amin’ilay efitrano. Mitsidika fiangonana samy hafa izy ireo indraindray, rehefa misolo toerana ny mpiandraikitra ny faritra i Pum.

Ahoana no nampahomby ny fanitaran’izy mivady ny fanompoany? Hoy i Pum: “Tsy maintsy manapa-kevitra ny hanararaotra araka izay azo atao ny fiovana mitranga eo amin’ny fiainanao ianao, rehefa miova tanteraka izy io.”

Fanatsorana ny fiainana

Telo ny zanak’i Jan sy Woth vadiny. Nanararaotra ny fiovana nitranga teo amin’ny fiainany i Jan, toa an’i Pum sy ny fianakaviany. Nanana asa tsara karama nandritra ny taona maro tao amin’ny banky iray i Jan, ka niadana ny fianakaviany. Nitombo anefa ny faniriany hanitatra ny fanompoany. Manazava toy izao izy: “Nihalalina ny fankasitrahako ny fahamarinana ary nitombo ny fitiavako an’i Jehovah.” Nanova ny fiainany àry i Jan tamin’ny 1986. Hoy izy: “Nanararaotra ny fandaminana indray ny asa tany amin’ny birao aho mba hampihenana ny ora fiasako. Gaga ireo mpiara-miasa tamiko, ary nomeny anaram-bosotra hoe Diwodo aho, satria ny dinsdag [Talata], sy ny woensdag [Alarobia], ary ny donderdag [Alakamisy] ihany aho no miasa. Nihena 40 isan-jato ny karamako. Namidiko ny tranonay ary nividy tranosambo azonay ampiasaina any amin’izay nilana mpitory ilay Fanjakana bebe kokoa aho. Nanararaotra fisotroan-dronono alohan’ny fotoana aho tatỳ aoriana, ka nihena 20 isan-jato indray ny karamako. Afaka nanomboka ny asan’ny mpisava lalana maharitra anefa aho tamin’ny 1993.”

Anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly i Jan amin’izao fotoana izao ary mpiandraikitra ny fivoriambe izy matetika. Manao ny asan’ny mpisava lalana mpanampy matetika i Woth, na dia tsy salama aza. Manambady daholo izao izy telo mianadahy zanany ary mpitory be zotom-po miaraka amin’ny vadiny avy.

Ahoana no nahatonga an’i Jan sy i Woth ho zatra fiainana tsotra kokoa? Hoy i Jan: “Tsy nifikitra loatra tamin’ny zavatra ara-nofo izahay fony nanam-bola kokoa. Voatery miandry izao izahay vao afaka mividy zavatra ary mety hanorisory kely izany, saingy manonitra lavitra izany ireo fitahiana ara-panahy sy tombontsoam-panompoana azonay.”

Toa an’i Jan sy Woth, dia nanapa-kevitra ny hanatsotra ny fiainany koa i Dries sy Jenny vadiny mba hahafahana handany fotoana bebe kokoa ho an’ilay Fanjakana. Mpisava lalana i Dries sy Jenny talohan’ny niterahany. Niasa tao amin’ny orinasa lehibe iray i Dries tatỳ aoriana mba hamelomana ny fianakaviany. Nankasitraka ny asany ny mpampiasa azy ka nanolotra fisondrotana ho azy. Nanda ilay toerana anefa i Dries satria fantany fa hihena ny fotoana laniny amin’ny fanompoana kristianina, raha manaiky io fisondrotana io izy.

Nitaky fotoana sy hery betsaka tamin’izy mivady ny famelomana ny fianakaviany sy ny fikarakarana ny renin’i Jenny izay narary. Niezaka hanana ny toe-tsain’ny mpisava lalana hatrany anefa izy ireo, na izany aza. Inona no nanampy azy ireo tamin’izany? Hoy i Jenny: “Nisy mpisava lalana niara-nipetraka taminay, nanasa mpisava lalana hiara-misakafo taminay koa izahay, ary nampiantrano mpiandraikitra ny faritra.” Hoy koa i Dries: “Nihazona fiainana tsotra izahay ary tsy nidi-trosa. Tapa-kevitra ny tsy hanao raharaham-barotra lehibe izahay na hividy trano, amin’izay tsy ho voafehifehin’izany amin’ny hoavy.”

Nisy vokany nahafa-po ny fanapahan-kevitr’i Dries sy Jenny hanova ny fiainany mba hanokanana fotoana betsaka kokoa ho an’ilay Fanjakana. Samy anti-panahy izao ny zanany mirahalahy, ary mpisava lalana miaraka amin’ny vadiny ny iray. Mpisava lalana manokana i Dries sy Jenny. Niaraka tamin’i Dries nanao fitetezam-paritra i Jenny tatỳ aoriana. Mpiasa an-tsitrapo ao amin’ny Betela izy ireo amin’izao fotoana izao, ary anisan’ny Komitin’ny Sampana i Dries.

Fisotroan-dronono alohan’ny fotoana

Mpisava lalana toa an’i Dries sy Jenny, koa i Otto sy Judy vadiny, talohan’ny nahaterahan’ny zanany roa vavy. Nahita asana mpampianatra i Otto, rehefa bevohoka ny zanak’izy ireo voalohany i Judy.

Nanasa mpisava lalana tao an-tranony matetika i Otto sy Judy rehefa nihalehibe ireo zanany vavy. Amin’izay mantsy dia hitan’izy ireo ny fifaliana azo eo amin’ny fanompoana kristianina manontolo andro. Nanao ny asan’ny mpisava lalana ny zanany vavimatoa, rehefa nandeha ny fotoana, ary nanatrika ny sekolin’i Gileada tatỳ aoriana. Misionera atsy Afrika miaraka amin’ny vadiny izy amin’izao fotoana izao. Nanomboka ny asan’ny mpisava lalana ny faravavin’izy ireo tamin’ny 1987, ary niara-nanao izany asa izany taminy koa i Judy.

Afaka nampihena ny ora laniny tamin’ny fampianarana i Otto, ka nampiasainy hanaovana ny asan’ny mpisava lalana ny fotoana tsy niasany. Niala tamin’ny asany mihitsy izy tamin’ny farany. Mpiandraikitra mpitety faritany i Otto izao, ary mampiasa ny fahaizany mampianatra izy mba hanatanjahana ny fiangonana eo amin’ny ara-panahy.

Inona no torohevitra omen’i Otto an’ireo mangataka fisotroan-dronono alohan’ny fotoana? “Aza mieritreritra ny hampiadan-tena mandritra ny herintaona eo ho eo izany, rehefa mangataka fisotroan-dronono alohan’ny fotoana. Tsy sarotra ny mizatra ‘mampiadan-tena.’ Tsy hitahitanao akory dia hadinonao ny hanao ny asan’ny mpisava lalana. Ampitomboy avy hatrany kosa ny fanompoanao.”

Ampiasao amin’ny fomba tsara ny traikefa azonao

Marina fa tsy matanjaka toy ny tamin’izy ireo mbola tanora intsony ry Pum, Jan, Dries, ary Otto izao. Matotra kokoa ary manana traikefa sy fahendrena kokoa anefa izy ireo. (Ohabolana 20:29) Fantatr’izy ireo tsara izany hoe ray izany. Fantapantatr’izy ireo koa ny andraikitra maro be sahanin’ny reny, satria niara-niasa tamin’ny vadiny izy ireo. Nandamina zava-nanahirana ara-pianakaviana izy ireo sy ny vadiny avy, ary nametra tanjona ara-panahy ho an’ny zanany. Hoy i Otto: “Amin’ny maha mpiandraikitra ny faritra ahy, dia tena manampy ahy hanome torohevitra azo ampiharina mahakasika ny fianakaviana ny traikefa azoko tamin’ny fitaizana ny zanako.” Toy izany koa, fa mpikambana sarobidy ho an’ny fianakavian’ny Betela, izay misy mpiasa tanora maro be, i Dries ankehitriny, noho izy efa raim-pianakaviana.

Manampy ireo rahalahy ireo hikarakara zavatra maro samihafa ilaina eo anivon’ny fiangonana tokoa, ny fahalalana azony teo amin’ny fiainany. Mitondra soa faran’izay betsaka ny ezaka ataony, satria toy ny hoe nandranitra ny fitaovam-piasany ny traikefa azony. (Mpitoriteny 10:10) Matetika tokoa mantsy izy ireo no mahavita zavatra betsaka kokoa noho ireo matanjaka ara-batana nefa tsy manana traikefa.

Ohatra tsara ho an’ny tanora eo amin’ny vahoakan’i Jehovah ireny rahalahy ireny sy ny vadiny. Hitan’ireny tanora ireny fa tena niainan’ireo mpivady ireo mihitsy ny zava-tsarotra sy fitahiana voatantara ao amin’ireo boky sy gazetintsika. Tena mandrisika ny mahita lehilahy sy vehivavy mampiseho toe-tsaina mitovy amin’ny an’i Kaleba. Efa nandroso taona izy nefa mbola nangataka asa sarotra ihany.​—Josoa 14:10-12.

Tahafo ny finoany

Afaka manahaka ny finoana sy ny zavatra nataon’ireo mpivady voatantara ato amin’ity lahatsoratra ity ve ianao? Tadidio fa nataony loha laharana teo amin’ny fiainany foana ny fahamarinana. Namboleny tao amin’ny zanany ny faniriana hanao ny asan’ny mpisava lalana. Nanao izany izy “rehefa manome ohatra amin’ny fitiavana an’i Jehovah sy ny fandaminany, mandamina fiarahana mahasoa, sy mampianatra ny ankizy hamelon-tena”, araka ny lazain’i Jan. Niara-niasa sy niara-nilalao koa ny fianakavian’izy ireo. Tsaroan’i Pum, fa “rehefa fotoam-pialan-tsasatra, dia matetika ny fianakaviana no miara-mivoaka mitory amin’ny maraina ary miara-mikorana amin’ny tolakandro.”

Manao fandaharana mialoha koa ireny Kristianina ireny, hany ka vonona hanararaotra ny fiovana mitranga eo amin’ny fiainany. Nanan-java-kendrena izy ireo ary nanao fanapahan-kevitra izay nanampy azy hahatratra izany. Nitady hevitra hampihenana ny asa fivelomany izy ireo ary vonona hiaina amin’ny karama kely kokoa. (Filipiana 1:10) Nanohana azy ireo tsara koa ny vadiny. Samy naniry mafy ny hiditra tamin’ilay ‘varavarana lehibe hahazoana miasa tsara’ izy ireo. Noho izany, dia mahazo fitahiana maro be avy amin’i Jehovah izy ireo.​—1 Korintiana 16:9; Ohabolana 10:22.

Maniry hanitatra ny fanompoanao toy izany koa ve ianao? Raha izany no izy dia angamba ny fanararaotana ny fiovana mitranga eo amin’ny fiainanao no tsiambaratelony.

[Sary, pejy 20]

Mikarakara ny Efitrano Fivoriambe i Pum sy Anny

[Sary, pejy 20]

Mandray anjara amin’ny asa fitoriana i Jan sy Woth

[Sary, pejy 21]

Manompo ao amin’ny Betela i Dries sy Jenny

[Sary, pejy 21]

Miomana ho amin’ny fitsidihana ny fiangonana manaraka i Otto sy Judy