Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Mahereza sy Matanjaha!’

‘Mahereza sy Matanjaha!’

‘Mahereza sy Matanjaha!’

“Matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.”​—JAONA 16:33.

1. Inona no fampaherezana azon’ny Isiraelita mba hiatrehana ireo fahavalo tany Kanana?

TALOHA kelin’ny niampitan’ny Isiraelita ny Ony Jordana sy nidirany tao amin’ny Tany Nampanantenaina, dia hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Mahereza sy matanjaha; aza matahotra na manahy azy; fa Jehovah Andriamanitrao no miara-mandeha aminao.” Niantso an’i Josoa, ilay voafidy hitarika ny Isiraelita hiditra tany Kanana i Mosesy avy eo, ary nilaza mivantana taminy indray mba hahery. (Deoteronomia 31:6, 7) Taorian’izay, dia i Jehovah mihitsy no nampahery an’i Josoa hoe: “Mahereza sy matanjaha ... Mahereza sy matanjaha tsara hianao.” (Josoa 1:6, 7, 9) Ara-potoana tsara ireo teny ireo. Nila herim-po mantsy ny Isiraelita mba hiadiana tamin’ireo fahavalo nahery, izay nipetraka tany andafin’i Jordana.

2. Manao ahoana ny toe-javatra misy antsika ankehitriny, ary inona no ilaintsika?

2 Madiva hiditra ao amin’ny tontolo vaovao nampanantenaina koa ny tena Kristianina ankehitriny, ka mila herim-po, toa an’i Josoa. (2 Petera 3:13; Apokalypsy 7:14) Tsy mitovy amin’ny toe-javatra nisy an’i Josoa anefa ny antsika. Nampiasa sabatra sy lefona izy rehefa niady. Ady ara-panahy kosa no ataontsika, ka tsy mampiasa fitaovam-piadiana ara-bakiteny mihitsy isika. (Isaia 2:2-4; Efesiana 6:11-17) Maro koa ny ady mafy tsy maintsy nataon’i Josoa, na dia rehefa tafiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina aza izy. Izao anefa isika no manao ady faran’izay mafy, alohan’ny hidirana ao amin’ny tontolo vaovao. Andeha àry isika handinika toe-javatra sasantsasany ilana herim-po.

Nahoana isika no tsy maintsy miady?

3. Inona no lazain’ny Baiboly momba ilay fahavalontsika lehibe indrindra?

3 Hoy ny apostoly Jaona: “Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika, ary izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa.” (1 Jaona 5:19) Hita amin’ireo teny ireo ny antony iray lehibe tsy maintsy hiadian’ny Kristianina mba hihazonana ny finoany. Azo lazaina hoe resy i Satana Devoly rehefa misy Kristianina tsy mivadika. Noho izany, dia toy “ny liona mierona” izy, miezaka hampitahotra sy handrapaka ny Kristianina tsy mivadika. (1 Petera 5:8) Tena miady amin’ny Kristianina voahosotra sy ny namany mihitsy izy. (Apokalypsy 12:17) Mampiasa olona izy amin’io ady io, mba hanatratrarana ny zava-kendreny, na fantatr’ilay olona izany na tsia. Mila herim-po àry isika mba hanoherana an’i Satana sy izay rehetra ampiasainy.

4. Inona no fampitandremana nomen’i Jesosy, nefa inona no toetra asehon’ny tena Kristianina?

4 Fantatr’i Jesosy fa hanohitra mafy ny vaovao tsara i Satana sy izay rehetra ampiasainy. Nampitandrina ny mpanara-dia azy àry izy hoe: “Hatolony ho amin’ny fahoriana hianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ny firenena rehetra hianareo noho ny anarako.” (Matio 24:9) Tanteraka ireo teny ireo tamin’ny taonjato voalohany, ary toy izany koa no izy ankehitriny. Mafy toy ny fanenjehana nisy hatramin’izay ihany ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah sasany ankehitriny. Mampiseho herim-po anefa ny tena Kristianina rehefa tojo an’izany. Fantany mantsy fa “mamandrika ny tahotra olona” ka tsy te ho voafandrika izy.​—Ohabolana 29:25.

5, 6. a) Inona avy ireo toe-javatra ilantsika herim-po? b) Inona no ataon’ny Kristianina mahatoky rehefa tsapaina ny herim-pony?

5 Mila herim-po koa isika amin’ny toe-javatra sarotra hafa, ankoatra ny fanenjehana. Mafy amin’ny sasany, ohatra, ny mitory ny vaovao tsara amin’ny olona tsy fantany. Tsapaina koa ny herim-pon’ny mpianatra sasany, rehefa asaina mianiana izy fa tsy hivadika amin’ny tanindrazany na asaina manangan-tsaina. Toy ny fombam-pivavahana anefa izany. Mampiseho herim-po àry ny ankizy kristianina ka manao izay hampifaly an’Andriamanitra. Ary tena mahafinaritra ny tsy fivadihan’izy ireo.

6 Mila herim-po koa isika, rehefa mampirisika ny fampitam-baovao ny mpanohitra mba hampiely zavatra ratsy momba ny mpanompon’Andriamanitra, na rehefa miezaka hanakantsakana ny fivavahana marina izy ireo, ka misaina ‘fampahoriana araka ny lalàna.’ (Salamo 94:20) Inona, ohatra, no tokony ho tsapantsika rehefa milaza zavatra nadika vilana na lainga momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny gazety sy radio ary televiziona? Tokony ho gaga ve isika? Tsia. Efa ampoizintsika izany. (Salamo 109:2) Tsy gaga koa isika raha misy mino ireny lainga ireny, satria “ny kely saina mino ny teny rehetra.” (Ohabolana 14:15) Tsy avy hatrany dia mino izay rehetra lazaina momba ny rahalahiny anefa ny Kristianina mahatoky. Tsy avelany hisakana azy tsy hivory na hampihena ny fanompoany sy hampihozongozona ny finoany, ireny fanaratsiana ireny. Mifanohitra amin’izany fa ‘mampiseho ny tenany ho mpanompon’Andriamanitra izy, amin’ny voninahitra sy ny fahafaham-boninahitra, amin’ny laza ratsy sy ny laza soa; tahaka ny mpamitaka [araka ny lazain’ny mpanohitra], nefa marina ihany [raha ny tena izy].’​—2 Korintiana 6:4, 8.

7. Inona avy no fanontaniana mampieritreritra azontsika apetraka amin’ny tenantsika?

7 Nanoratra ho an’i Timoty i Paoly hoe: “Tsy nomen’Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery . . . Koa aza menatra ny ho vavolombelon’ny Tompontsika.” (2 Timoty 1:7, 8; Marka 8:38) Afaka manontany tena isika rehefa avy mamaky ireo teny ireo hoe: ‘Menatra ny zavatra inoako ve aho, sa be herim-po? Lazaiko ve sa afeniko amin’ny mpiara-miasa (na ny mpiara-mianatra) amiko, fa Vavolombelon’i Jehovah aho? Menatra ve aho satria tsy mitovy amin’ny olona, sa faly aho satria miavaka amin’izy ireo noho ny fifandraisako amin’i Jehovah?’ Raha misy matahotra ny hitory ny vaovao tsara na matahotra ny tsy ho tian’ny hafa noho ny zavatra inoany, dia aoka izy hitadidy ny torohevitra nomen’i Jehovah an’i Josoa hoe: “Mahereza sy matanjaha.” Aza hadinoina mihitsy fa ny fomba fihevitr’i Jehovah sy Jesosy Kristy no zava-dehibe, fa tsy ny an’ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra amintsika.​—Galatiana 1:10.

Ahoana no hananana herim-po?

8, 9. a) Ahoana no nitsapana ny herim-pon’ny Kristianina voalohany indray mandeha? b) Inona no nataon’i Petera sy Jaona rehefa norahonana izy ireo, ary inona no vokatr’izany teo aminy sy ny mpiara-manompo taminy?

8 Ahoana no hananantsika herim-po mba tsy hivadihana amin’izao fotoan-tsarotra izao? Ahoana, ohatra, no nataon’ny Kristianina voalohany? Diniho izay nitranga rehefa nandrara an’i Petera sy Jaona tsy hitory amin’ny anaran’i Jesosy, ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona tao Jerosalema. Tsy nety nampijanona ny fitoriany izy mirahalahy, ka norahonana ary avy eo nafahana. Nankany amin’ny mpiara-manompo taminy izy ireo taorian’izay, ka niara-nivavaka izy rehetra hoe: “Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin’ny fahasahiana rehetra.” (Asan’ny Apostoly 4:13-29) Namaly ny vavaka nataony i Jehovah, ka nanatanjaka azy tamin’ny alalan’ny fanahy masina. Nohamarin’ny mpitarika jiosy mihitsy aza tatỳ aoriana fa ‘nofenoin’izy ireo ny fampianarany Jerosalema.’​—Asan’ny Apostoly 5:28.

9 Hofakafakaintsika ny zava-nitranga tamin’io fotoana io. Tsy nieritreritra ny hanaiky lembenana mihitsy i Petera sy Jaona rehefa norahonana. Nivavaka kosa izy ireo mba hananany herim-po hitoriana hatrany. Nanao zavatra nifanaraka tamin’ny vavaka nataony izy ireo avy eo, ka nohatanjahin’i Jehovah tamin’ny alalan’ny fanahiny. Araka izany, dia tanteraka amin’ny Kristianina enjehina koa ny teny nataon’i Paoly tamin’ny toe-javatra hafa. Hoy izy: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy.”​—Filipiana 4:13.

10. Inona no azon’ireo saro-kenatra ianarana avy amin’i Jeremia?

10 Aoka hatao hoe saro-kenatra anefa ny olona iray. Ho sahy hanompo an’i Jehovah ihany ve izy raha tojo fanoherana? Azo antoka fa ho sahy izy! Tadidio ny fihetsik’i Jeremia rehefa notendren’i Jehovah ho mpaminany izy. Hoy izy: “Mbola zaza” aho. Nahatsiaro tena ho tsy nahay tokoa ilay tovolahy. Nampahery azy toy izao anefa i Jehovah: “Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin’izay rehetra hanirahako anao hianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao. Aza matahotra azy hianao; fa momba anao hamonjy anao Aho.” (Jeremia 1:6-10) Natoky an’i Jehovah i Jeremia, ka nomeny hery ary tsy nisalasala intsony, fa lasa mpitory nanana herim-po niavaka teo amin’ny Isiraely.

11. Inona no manampy ny Kristianina mba hanana herim-po toa an’i Jeremia?

11 Mitovy ny asa nanirahana an’i Jeremia sy ny asa anirahana ny Kristianina voahosotra. Manambara hatrany ny fikasan’i Jehovah izy ireo, miaraka amin’ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, na dia tsy miraharaha sy maneso ary manenjika aza ny olona. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16) Mampahery azy ireo ny tenin’i Jehovah tamin’i Jeremia hoe: “Aza matahotra.” Tadidiny foana fa Andriamanitra no naniraka azy ary hafatra avy aminy no toriny.​—2 Korintiana 2:17.

Olona be herim-po sy fakan-tahaka

12. Ahoana no nanehoan’i Jesosy herim-po fakan-tahaka, ary ahoana no nampaherezany ny mpanara-dia azy?

12 Manampy antsika hanana herim-po ny fisaintsainana ny ohatr’ireo olona naneho herim-po, toa an’i Jeremia. (Salamo 77:12) Rehefa mandinika ny fanompoan’i Jesosy isika, ohatra, dia miaiky volana mahita ny fahasahiany rehefa naka fanahy azy i Satana, sy rehefa nanohitra azy mafy ny mpitarika jiosy. (Lioka 4:1-13; 20:19-47) Nomen’i Jehovah hery izy, ka tsy nihozongozona ny finoany. Afaka nilaza tamin’ny mpianany àry izy taloha kelin’ny nahafatesany hoe: “Atỳ amin’izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.” (Jaona 16:33; 17:16) Ho mpandresy koa ny mpianatr’i Jesosy raha manaraka ny ohatra navelany. (1 Jaona 2:6; Apokalypsy 2:7, 11, 17, 26) Mila ‘matoky’, na manana herim-po anefa izy ireo.

13. Ahoana no nampaherezan’i Paoly ny Filipianina?

13 Nogadraina tany Filipia i Paoly sy Silasy, taona vitsivitsy taorian’ny nahafatesan’i Jesosy. Nampirisika ny fiangonana tany Filipia i Paoly tatỳ aoriana mba ‘haharitra amin’ny fanahy iray ka hiray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara, ka tsy ho azon’ny fahavalo ampitahorina na amin’inona na amin’inona.’ Niteny toy izao i Paoly mba hanatanjahana azy ireo hahavitany izany: “Amin[’ny mpanenjika] dia mariky ny fahaverezana [ny fanenjehana ny Kristianina], nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin’Andriamanitra. Fa hianareo efa nomena noho ny an’i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy.”​—Filipiana 1:27-29.

14. Inona no vokatry ny fahasahian’i Paoly teo amin’ny rahalahy tany Roma?

14 Nigadra tany Roma indray i Paoly tamin’izy nanoratra ho an’ny fiangonana tany Filipia. Sahy nitory tamin’ny olona foana anefa izy. Inona no vokany? Hoy izy: “Ao amin’i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin’ny olona hafa rehetra; ary ny ankabiazan’ny rahalahy dia efa matoky ao amin’ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin’Andriamanitra tsy amin’ny tahotra.”​—Filipiana 1:13, 14.

15. Aiza no ahitantsika ohatra tsara hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa ny haneho herim-po?

15 Mampahery antsika ny ohatr’i Paoly. Mampahery antsika koa ny ohatra tsara navelan’ireo Kristianina ankehitriny, izay niaritra fanenjehana tany amin’ny tany nofehezin’ny mpitondra tsy refesi-mandidy na ny mpitondra fivavahana. Maro amin’ny tantaran’izy ireo no hita ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! ary ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Eo am-pamakiana izany, dia tsarovy fa olona tahaka antsika ihany izy ireo, nefa afaka niaritra tarehin-javatra faran’izay sarotra satria nomen’i Jehovah hery lehibe. Afaka matoky isika fa hanome hery lehibe koa i Jehovah rehefa mila izany isika.

Mahafaly sy manome voninahitra an’i Jehovah ny herim-pontsika

16, 17. Ahoana no hananantsika herim-po?

16 Efa azo atao hoe be herim-po ny Kristianina iray rehefa mijoro amin’ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Raha sahy manao izany anefa izy na dia matahotra aza, dia vao mainka izy azo lazaina hoe be herim-po. Tena afaka ny ho be herim-po ny Kristianina rehetra, raha tena maniry hanao ny sitrapon’i Jehovah, sy tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy, miantehitra aminy foana, ary mitadidy hatrany fa efa nanatanjaka olona maro toa azy ireo i Jehovah. Vao mainka koa isika tapa-kevitra ny tsy hivadika, rehefa takatsika fa mampifaly sy manome voninahitra an’i Jehovah ny herim-pontsika. Vonona hiaritra fanesoana na zavatra ratsy kokoa noho izany aza isika, satria tena tia azy.​—1 Jaona 2:5; 4:18.

17 Aza hadinoina mihitsy fa tsy hoe nanota akory isika matoa mijaly noho ny finoantsika. (1 Petera 3:17) Mijaly isika satria manohana ny zon’i Jehovah hitondra, sy manao ny tsara, ary tsy anisan’izao tontolo izao. Hoy ny apostoly Petera momba izany: “Raha tàhiny manao soa kosa hianareo ka mitondra fahoriana sy mandefitra, dia izany no sitrak’Andriamanitra.” Hoy koa izy: “Izay mitondra fahoriana araka ny sitrapon’Andriamanitra, dia aoka ny fanaovan-tsoa no hanolorany ny fanahiny ho an’Ilay mahatoky, dia ny Mpanao azy.” (1 Petera 2:20; 4:19) Mahafaly sady manome voninahitra an’i Jehovah, Andriamanitsika be fitiavana, ny finoantsika. Antony lehibe tokony hanehoana herim-po tokoa izany!

Rehefa voantso eo anatrehan’ny manam-pahefana

18, 19. Toy ny mampita hafatra manao ahoana amin’ny mpitsara isika, rehefa maneho herim-po eo anatrehany?

18 Nilaza tamin’ny mpanara-dia azy i Jesosy fa henjehina izy ireo. Hoy koa izy: “[Hatolotry ny olona] ho amin’ny Synedriona sy hokapohiny ao amin’ny synagogany hianareo; ary ho entiny eo anatrehan’ny mpanapaka sy ny mpanjaka hianareo noho ny amiko, ho vavolombelona aminy sy amin’ny jentilisa.” (Matio 10:17, 18) Mila herim-po isika mba hisehoana eo anatrehan’ny mpitsara na mpitondra, noho ny fiampangana lainga. Hanatanteraka zava-dehibe ao anaty toe-javatra sarotra anefa isika, rehefa sahy manararaotra mitory amin’ireo mitsara antsika. Toy ny mampita amin’izy ireo ny tenin’i Jehovah ao amin’ny Salamo faharoa isika amin’izay. Izao no voalaza ao: “Hendre hianareo, ry mpanjaka; minoa anatra hianareo, ry mpitsaran’ny tany. Manompoa an’i Jehovah amin’ny fahatahorana.” (Salamo 2:10, 11) Matetika ny mpitsara no miaro ny fahalalahana ara-pivavahana, rehefa nisy nanao fiampangana lainga momba ny Vavolombelon’i Jehovah. Ankasitrahantsika tokoa izany. Misy mpitsara anefa manaiky ho voataonan’ny mpanohitra. Koa hoy ny Soratra Masina amin’izy ireny: “Minoa anatra hianareo.”

19 Tokony ho takatry ny mpitsara fa ny lalàn’i Jehovah Andriamanitra no lalàna ambony indrindra. Tokony hotadidiny fa ampamoahina eo anatrehan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ny olona rehetra, anisan’izany ny mpitsara. (Romana 14:10) Tena tokony hanana herim-po kosa anefa isika, na manome rariny antsika ny mpitsara na tsia, satria manohana antsika i Jehovah. Hoy ny Baiboly: “Sambatra izay rehetra mialoka aminy.”​—Salamo 2:12.

20. Nahoana isika no afaka mifaly raha voatery miaritra fanenjehana sy fanendrikendrehana?

20 Hoy i Jesosy tao amin’ny Toriteny teo An-tendrombohitra: “Sambatra hianareo, raha haratsin’ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra; fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo.” (Matio 5:11, 12) Mazava ho azy fa tsy mahafinaritra ny henjehina. Faly anefa isika rehefa tsy mivadika, na dia misy aza ny fanenjehana, toy ny fanendrikendrehana hita ao amin’ny fampitam-baovao. Midika mantsy izany fa mampifaly an’i Jehovah isika ka hahazo valisoa. Porofoin’ny herim-pontsika fa tena manam-pinoana isika, ary azo antoka fa ankasitrahan’Andriamanitra. Asehon’izany koa fa matoky tanteraka an’i Jehovah isika. Tena ilain’ny Kristianina izany fatokisana izany, araka ny hasehon’ny lahatsoratra manaraka.

Inona no Nianaranao?

• Inona avy no toe-javatra ilana herim-po ankehitriny?

• Ahoana no hananantsika herim-po?

• Iza no olona sasany be herim-po sy fakan-tahaka?

• Nahoana isika no maniry haneho herim-po?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 9]

Naneho herim-po ka nanohitra ilay ratsy ry Simone Arnold (Liebster izao) any Alemaina, Widdas Madona atsy Malawi, ary Lydia sy Oleksii Kurdas any Ukraine

[Sary, pejy 10]

Tsy menatra ny vaovao tsara isika

[Sary, pejy 11]

Anisan’ny nahatonga ny vaovao tsara hiely ny herim-pon’i Paoly tany am-ponja

[Sary, pejy 12]

Mampita hafatra lehibe isika raha maneho herim-po ka manazava amin’ny mpitsara ny hevitra ijoroantsika araka ny Baiboly