Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Rehetra

Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Rehetra

Matokia An’i Jehovah Amin’ny Fonao Rehetra

“Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.”​—SALAMO 9:10.

1, 2. Inona no zavatra sasany itokisan’ny olona, nefa tsy afaka ny hiaro azy akory?

ARA-DALÀNA ny mitady olona na zavatra hiaro antsika ankehitriny, satria be dia be ny zavatra mety hanimba ny fahasambarantsika. Misy, ohatra, mihevitra fa ho azo antoka ny hoaviny raha manam-bola kokoa izy. Fialofana mihelina ihany anefa ny vola. Hoy ny Baiboly: “Izay matoky ny hareny dia ho lavo.” (Ohabolana 11:28) Ny hafa indray mitoky amin’ny mpitondra olombelona, nefa manao fahadisoana na dia ny mpitondra mahay indrindra aza. Ho faty daholo koa izy ireo amin’ny farany. Fahendrena àry ny ilazan’ny Baiboly hoe: “Aza matoky ny lehibe, na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy.” (Salamo 146:3) Mampitandrina antsika koa ireo teny ara-tsindrimandry ireo mba tsy hiantehitra amin’ny herintsika fotsiny. “Zanak’olombelona” ihany mantsy isika.

2 Nanakiana ny mpitondra teo amin’ny Isiraely tamin’ny androny, ny mpaminany Isaia, satria natoky “ny lainga fiarovana” izy ireo. (Isaia 28:15-17) Nitady fiarovana izy ireo, ka nanao fifanekena ara-politika tamin’ny firenena nanodidina. Lainga anefa ireny fifanekena ireny, satria tsy azo nitokisana. Maro koa ankehitriny ny mpitondra fivavahana no manao fifanekena amin’ny filoha ara-politika. Ho “lainga” koa ny fifanekena toy ireny. (Apokalypsy 17:16, 17) Tsy hitondra fiarovana maharitra izy ireny.

Ohatra tsara i Josoa sy Kaleba

3, 4. Inona no tsy nampitovy ny tatitra nataon’i Josoa sy Kaleba ary ny azy folo lahy?

3 Aiza àry isika no tokony hitady fiarovana? Any amin’izay nitadiavan’i Josoa sy Kaleba izany, tamin’ny andron’i Mosesy. Vonona hiditra tao Kanana, Tany Nampanantenaina, ny Isiraelita, taoriana kelin’ny nanafahana azy ireo avy tany Ejipta. Nisy lehilahy 12 nirahina hisafo ilay tany. Niverina nitatitra izay hitany izy ireo, 40 andro tatỳ aoriana. I Josoa sy Kaleba ihany anefa no nilaza fa ho resin’izy ireo i Kanana sady ho tsara ny fiainan’izy ireo any. Niaiky ny folo hafa fa tsara tokoa ilay tany, kanefa hoy izy ireo: “Mahery ny olona izay monina eo amin’ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe . . . Tsy mahazo miakatra handresy ny olona isika; fa mahery noho isika izy.”​—Nomery 13:27, 28, 31.

4 Nihaino azy folo lahy ny Isiraelita ka nanjary natahotra, ary nimonomonona tamin’i Mosesy mihitsy aza. Farany, dia niteny tamin-kafanam-po i Josoa sy Kaleba hoe: “Ny tany izay nalehanay nosafoina dia tany tsara indrindra. Raha sitrak’i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely. Fa aza miodina amin’i Jehovah hianareo, ary aza matahotra ny tompon-tany.” (Nomery 14:6-9) Mbola tsy nety nihaino azy ireo ihany anefa ny Isiraelita, ka tsy navela hiditra tao amin’ny Tany Nampanantenaina tamin’izay fotoana izay.

5. Nahoana i Josoa sy Kaleba no nanao tatitra tsara?

5 Nahoana i Josoa sy Kaleba no nanao tatitra tsara, fa nanao tatitra ratsy kosa izy folo lahy? Samy nahita ireo tanàna nimanda sy ny mponina tao izy 12 lahy. Marina koa ny tenin’izy folo lahy hoe mahery kokoa noho ny Isiraelita ny mponina tao amin’ilay tany. Fantatr’i Josoa sy Kaleba koa izany. Nanana fomba fijerin’ny olombelona anefa izy folo lahy, fa i Josoa sy Kaleba kosa natoky an’i Jehovah. Hitan’izy mirahalahy ny asany mahagaga tany Ejipta sy teo amin’ny Ranomasina Mena ary teo an-tendrombohitra Sinay. Ny fandrenesana momba ireo asa ireo fotsiny aza, dia efa nahatonga an’i Rahaba tany Jeriko hanao vy very ny ainy hamonjena ny vahoakan’i Jehovah! (Josoa 2:1-24; 6:22-25) Nanatri-maso ny asan’i Jehovah i Josoa sy Kaleba, ka natoky tanteraka fa hiady hatrany ho an’ny vahoakany izy. Efapolo taona tatỳ aoriana, dia voaporofo fa tsy diso izy ireo nitoky tamin’i Jehovah, satria nisy taranaka Isiraelita hafa notarihin’i Josoa ary nandresy an’i Kanana.

Nahoana isika no tokony hatoky tanteraka an’i Jehovah?

6. Nahoana ny Kristianina no voasedra ankehitriny, ary iza no tokony hatokisany?

6 Mahery noho isika koa ny fahavalontsika amin’izao “andro mahory” izao, toy ny tamin’ny andron’ny Isiraelita. (2 Timoty 3:1) Sedraina ny finoantsika sy ny fitondran-tenantsika. Miatrika fisedrana ara-batana mihitsy aza isika indraindray. Tsy ho vitantsika irery ny hanohitra ireny fisedrana ireny, satria avy amin’i Satana Devoly izy ireny ary mahery noho ny olombelona izy. (Efesiana 6:12; 1 Jaona 5:19) Aiza àry isika no afaka mahazo fanampiana? Nivavaka tamin’i Jehovah toy izao ny lehilahy iray nahatoky fahiny: “Hatoky Anao izay mahalala ny anaranao.” (Salamo 9:10) Hatoky an’i Jehovah sahala amin’i Josoa sy Kaleba isika, raha tena mahalala azy sy mahatakatra ny dikan’ny anarany.​—Jaona 17:3.

7, 8. a) Nahoana ny zavaboary no mahatonga antsika hatoky an’i Jehovah? b) Nahoana koa ny Baiboly no mahatonga antsika hatoky azy?

7 Nahoana isika no tokony hatoky an’i Jehovah? Nanatri-maso ny porofon’ny herin’i Jehovah i Josoa sy Kaleba, ka izany no anisan’ny antony natokisany azy. Mahita porofo toy izany koa isika. Diniho, ohatra, ny zavatra noforonin’i Jehovah, anisan’izany izao rehetra izao misy vahindanitra an’arivo tapitrisa. Tena Tsitoha i Jehovah matoa voafehiny ny hery goavam-be hita eo amin’izao rehetra izao. Voatery miombon-kevitra amin’i Joba àry isika, rehefa mandinika ny zavaboary mahatalanjona. Hoy izy tamin’i Jehovah: “Iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?” (Joba 9:12) Tsy tokony hatahotra an’iza na iza tokoa isika, raha i Jehovah no miaro antsika.​—Romana 8:31.

8 Diniho koa ny Tenin’i Jehovah, dia ny Baiboly. Loharanom-pahendrena tsy mety ritra izy io sady mahery ary afaka manampy antsika handresy fanao ratsy sy hanao ny sitrapon’i Jehovah. (Hebreo 4:12) Ny Baiboly no mampahafantatra antsika ny anaran’i Jehovah sy ny hevitr’izy io. (Eksodosy 3:14) Takatsika fa afaka miovaova araka izay tiany i Jehovah, mba hanatanterahana ny fikasany. Afaka ny ho tonga Ray be fitiavana izy, ohatra, na Mpitsara marina, na Mpiady mandresy. Hitantsika koa fa tanteraka foana ny teniny. Rehefa mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, dia voatosika hilaza toy ny mpanao salamo hoe: “Matoky ny teninao” aho.​—Salamo 119:42; Isaia 40:8.

9. Nahoana no manatanjaka ny fatokisantsika an’i Jehovah ny avotr’i Jesosy sy ny fananganana azy tamin’ny maty?

9 Ny avotra no antony iray hafa atokisantsika an’i Jehovah. (Matio 20:28) Tena faly isika fa naniraka ny Zanany Andriamanitra mba ho faty hanavotana antsika! Tena manan-kery tokoa io avotra io, satria manarona ny fahotan’ny olombelona rehetra, izay mibebaka sy manatona an’i Jehovah amin’ny fo madio. (Jaona 3:16; Hebreo 6:10; 1 Jaona 4:16, 19) Tsy maintsy natsangana tamin’ny maty i Jesosy mba handoavana ny vidin’ny avotra. Antony iray hafa atokisana an’i Jehovah koa io fahagagana io, izay nohamarinin’ny vavolombelona an-jato. Antoka ho antsika izany fa ho tanteraka ny fanantenantsika.​—Asan’ny Apostoly 17:31; Romana 5:5; 1 Korintiana 15:3-8.

10. Inona no mahatonga ny tenantsika manokana hatoky an’i Jehovah?

10 Vao antony vitsivitsy monja ireo, mba hanazavana fa afaka matoky tanteraka an’i Jehovah isika sady tokony hatoky azy. Mbola misy antony maro hafa koa anefa, ary mahakasika antsika manokana ny sasany. Miatrika zava-tsarotra isika rehetra indraindray. Rehefa mitady ny tari-dalan’i Jehovah isika mba hiatrehana azy ireny, dia mahita fa tena mahasoa ny tari-dalany. (Jakoba 1:5-8) Vao mainka isika hatoky an’i Jehovah, rehefa miantehitra aminy isan’andro sy mahita ny voka-tsoa entin’izany.

Natoky an’i Jehovah i Davida

11. Nanao ahoana ny toe-javatra nisy an’i Davida, nefa mbola natoky an’i Jehovah foana izy?

11 Natoky an’i Jehovah i Davida, teo amin’ny Isiraely fahiny. Nitady hamono azy i Saoly Mpanjaka ary niatrika ny tafika maherin’ny Filistinina koa izy, rehefa niezaka nandresy ny Isiraely izy ireo. Tsy maty anefa izy ary nandresy mihitsy aza. Nahoana? Nanazava izy hoe: “Jehovah no fahazavako sy famonjena ahy; iza no hatahorako? Jehovah no fiarovana mafy ho an’ny aiko; iza no hangovitako?” (Salamo 27:1) Handresy koa isika raha matoky an’i Jehovah toy izany.

12, 13. Ahoana no nampisehoan’i Davida fa tokony hatoky an’i Jehovah isika, na dia mampiasa ny lelany hiadiana amintsika aza ny mpanohitra?

12 Nivavaka i Davida indray mandeha hoe: “Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin’ny tahotro ny fahavalo. Afeno aho tsy ho azon’ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy sy ny fitabataban’ny mpanao ratsy, izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipìkany, dia teny mangidy, mba hitifitra mangingina ny mahitsy.” (Salamo 64:1-4) Tsy tena fantatsika ny antony nanoratan’i Davida ireo teny ireo. Fantatsika anefa fa “mandranitra ny lelany” toy izany koa ny mpanohitra ankehitriny, izany hoe ny teny no ataony fiadiana. ‘Mitifitra’ ny Kristianina tsy manan-tsiny izy ireo, rehefa milaza na manoratra teny toy ny ‘zana-tsipìka’ mba hanaratsiana azy ireo. Inona no ho vokany, raha matoky tanteraka an’i Jehovah isika?

13 Hoy ihany i Davida: “Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan’ny zana-tsipìka no fahavoazany. Apotrany izy ka voasingotry ny lelany ihany . . . Mifaly amin’i Jehovah ny marina ka mialoka aminy.” (Salamo 64:7-10) Ho “voasingotry ny lelany ihany” ny fahavalo amin’ny farany, na dia mandranitra ny lelany hanohitra antsika aza. Atsimbadik’i Jehovah ny toe-javatra mba ho tsara fiafara, ka afaka ny hifaly aminy ireo matoky azy.

Tsy very maina ny fatokisan’i Hezekia an’i Jehovah

14. a) Inona no loza natrehin’i Hezekia, nefa mbola natoky an’i Jehovah ihany izy? b) Ahoana no nampisehoany fa tsy nino ny laingan’ny Asyrianina izy?

14 Tsy very maina ny fatokisan’i Hezekia Mpanjaka an’i Jehovah. Nandrahona an’i Jerosalema ny tafika maherin’ny Asyrianina tamin’ny fotoana nanjakany. Efa nandresy firenena maro io tafika io. Efa nandresy ny tanànan’i Joda rehetra mihitsy aza izy io, afa-tsy i Jerosalema, ka nirehareha i Sankeriba fa handresy an’io tanàna io koa izy. Nampilaza an’i Rabsake izy fa zava-poana ny hatokisana ny fanampian’i Ejipta, ary marina ny azy. Niteny koa anefa izy hoe: “Aza mety hofitahin’ny Andriamanitrao Izay itokianao hianao hoe: Jerosalema tsy hatolotra eo an-tànan’ny mpanjakan’i Asyria.” (Isaia 37:10) Fantatr’i Hezekia anefa fa tsy hamitaka azy i Jehovah. Nivavaka àry izy hoe: “Jehovah Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tànan’[ny Asyrianina] izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Hianao irery ihany no Jehovah.” (Isaia 37:20) Nihaino ny vavak’i Hezekia i Jehovah, ka novonoin’ny anjely iray tao anatin’ny indray alina ny miaramila asyrianina 185 000. Avotra i Jerosalema, ary nandao ny tanin’i Joda i Sankeriba, ka tsy niverina intsony. Izay rehetra nahare ny momba izany dia nianatra fa lehibe i Jehovah.

15. Inona ihany no hanomana antsika hiatrika ny zava-tsarotra eto amin’ity tontolo miovaova ity?

15 Toa an’i Hezekia, dia manao ady koa isika, saingy ady ara-panahy. Misy tetik’ady ilaintsika hianarana anefa mba tsy ho faty eo amin’ny lafiny ara-panahy isika. Mila mamantatra mialoha ny fanafihana hitranga isika, ary miomana hiaro tena. (Efesiana 6:11, 12, 17) Mety hitsimbadika tampoka ny toe-javatra eto amin’ity tontolo miovaova ity. Mety hisy hotakotaka tsy ampoizina. Mety tsy hanaiky ny hisian’ny fivavahana sasany intsony ny firenena, izay nanaiky izany teo aloha. Tsy ho vonona hiatrika izay rehetra mety hitranga isika, raha tsy miomana tahaka an’i Hezekia, izany hoe miezaka ny hatoky tanteraka an’i Jehovah.

Inona no dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah?

16, 17. Ahoana no ampisehoantsika fa matoky an’i Jehovah isika?

16 Tsy am-bava fotsiny ny fatokisana an’i Jehovah, fa avy ao am-pontsika mihitsy ary miseho amin’ny ataontsika. Raha matoky an’i Jehovah isika, dia hatoky tanteraka ny Baiboly. Hamaky sy hisaintsaina azy io isan’andro isika, ary hamela azy io hitari-dalana ny fiainantsika. (Salamo 119:105) Matoky ny herin’ny fanahy masina koa isika raha matoky an’i Jehovah. Afaka manampy antsika izy io mba hanana ny vokatry ny fanahy, izay mampifaly an’i Jehovah. Afaka manampy antsika handresy ny fahazaran-dratsy lalim-paka koa izy io. (1 Korintiana 6:11; Galatiana 5:22-24) Noho ny fanampian’ny fanahy masina, ohatra, dia maro no afaka tamin’ny sigara sy ny zava-mahadomelina. Nanova ny fiainany koa ny olona ratsy fitondran-tena teo aloha. Ny herin’i Jehovah tokoa no anaovantsika zavatra fa tsy ny herintsika, raha matoky azy isika.​—Efesiana 3:14-18.

17 Ny hoe matoky an’i Jehovah dia midika koa hoe matoky ny olona itokisany. Nandamina ny hisian’ny ‘mpanompo mahatoky sy malina’, ohatra, i Jehovah mba hikarakara ireo raharahan’ilay Fanjakana rehetra eto an-tany. (Matio 24:45-47) Tsy manao izay saim-pantatsika àry isika, na tsy miraharaha io mpanompo voatendry io, satria matoky ny fandaharan’i Jehovah isika. Eo koa ny anti-panahy, izay voatendrin’ny fanahy masina, araka ny tenin’ny apostoly Paoly. (Asan’ny Apostoly 20:28) Asehontsika fa matoky an’i Jehovah koa isika, rehefa miara-miasa amin’izy ireo.​—Hebreo 13:17.

Tahafo i Paoly

18. Ahoana no hanahafan’ny Kristianina ankehitriny an’i Paoly, nefa inona no tsy atokisan’izy ireo?

18 Niatrika fisedrana maro toa antsika ny apostoly Paoly teo amin’ny fanompoany. Nisy nanaratsy teo anatrehan’ny manam-pahefana ny Kristianisma tamin’ny androny. Niezaka àry izy indraindray nanitsy izany fiheveran-diso izany, na nanao izay hahatonga ny asa fitoriana ho ara-dalàna. (Asan’ny Apostoly 28:19-22; Filipiana 1:7) Manahaka an’i Paoly ny Kristianina ankehitriny. Raha mbola azo atao, dia manampy ny olona hahafantatra ny asantsika isika, amin’izay fomba rehetra azo ampiasaina. Miezaka hiaro sy hanao izay hahatonga ny fitoriana ny vaovao tsara ho ara-dalàna koa isika. Tsy ireny ezaka ireny anefa no tena itokisantsika, satria tsy mihevitra isika hoe miankina amin’ny fandresena any amin’ny fitsarana na ny fahazoana ny fankasitrahan’ny besinimaro, ny fahombiazantsika na tsia. I Jehovah kosa no atokisantsika. Tsaroantsika fa nampahery ny Isiraely fahiny toy izao izy: “Amin’ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian’ny herinareo.”​—Isaia 30:15.

19. Nahoana no tsy very maina ny fatokisan’ireo rahalahintsika an’i Jehovah, rehefa enjehina izy ireo?

19 Voarara na voafepetra indraindray ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ny faritra atsinanana sy andrefan’i Eoropa, ary any Azia sy Afrika ary Amerika Atsimo sy Avaratra. Midika anefa ve izany fa very maina ny fatokisantsika an’i Jehovah? Tsia. Navelan’i Jehovah hisy ny fanenjehana mahery vaika indraindray, noho ny antony tsara. Manatanjaka amim-pitiavana an’ireo iharan’izany fanenjehana izany anefa izy. Maro ny Kristianina niharan’izany, ka lasa tsara laza noho ny finoany sy fatokisany an’Andriamanitra.

20. Inona no tsy hataontsika mihitsy na dia ekena ho ara-dalàna aza ny asantsika?

20 Ekena ho ara-dalàna kosa anefa ny asantsika any amin’ny ankamaroan’ireo tany, ary milaza zavatra tsara momba antsika ny fampitam-baovao indraindray. Mankasitraka izany isika ary manaiky fa manampy amin’ny fanatanterahana ny fikasan’i Jehovah koa izany. Mahazo sitraka amin’i Jehovah isika, rehefa mampiasa izany fahafahana izany mba hanompoana azy an-karihary sy amin’ny fomba feno, fa tsy mba hanatsarana ny fiainantsika fotsiny akory. Tsy homba ny atsy na ny aroa mihitsy anefa isika, na hampihena ny asa fitoriana sy ny fanompoana an’i Jehovah, satria fotsiny hoe te hohajain’ny manam-pahefana. Vahoakan’ny Fanjakan’ny Mesia isika, ka i Jehovah irery no ekentsika ho manana ny zo hitondra. Tsy ity tontolo ity no antenaintsika, fa ny tontolo vaovao hanjakan’ny Mesia avy any an-danitra. Io fanjakana io irery ihany no hitondra ity tany ity amin’izay fotoana izay, ary tsy hisy fitaovam-piadiana afaka hanozongozona na hanongana azy, na bala afomanga izany na baomba niokleary. Tsy mety resy izy io ary hanatanteraka ny fikasan’i Jehovah.​—Daniela 2:44; Hebreo 12:28; Apokalypsy 6:2.

21. Tapa-kevitra hanao inona isika?

21 Hoy i Paoly: “Isika tsy mba naman’izay mihemotra ho amin’ny fahaverezana, fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fanahy.” (Hebreo 10:39) Aoka àry isika rehetra tsy hivadika amin’i Jehovah mihitsy mandra-pahatongan’ny farany. Manana antony maro atokisana tanteraka an’i Jehovah isika dieny izao sy ho mandrakizay.​—Salamo 37:3; 125:1.

Inona no Nianaranao?

• Nahoana i Josoa sy Kaleba no nanao tatitra tsara?

• Manomeza antony tokony hatokisantsika tanteraka an’i Jehovah.

• Inona no dikan’ny hoe matoky an’i Jehovah?

• Tapa-kevitra hanao inona isika, noho isika matoky an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 15]

Nahoana i Josoa sy Kaleba no nanao tatitra tsara?

[Sary, pejy 16]

Tena mahatonga antsika hatoky an’i Jehovah ny zavaboariny

[Sary nahazoan-dalana]

Ny sary telo: Courtesy of Anglo-Australian Observatory, photograph by David Malin

[Sary, pejy 18]

Ny hoe matoky an’i Jehovah dia midika hoe matoky ny olona itokisany