Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ho Fanomezam-pahasoavana ve ny Tsy Fananana Vady?

Mety ho Fanomezam-pahasoavana ve ny Tsy Fananana Vady?

Mety ho Fanomezam-pahasoavana ve ny Tsy Fananana Vady?

‘IRERY aho’, hoy ny fitarainan’ny vehivavy kristianina iray, izay maty vady efa taona maromaro. ‘Mbola te hanambady aho. Tsy dia mafy amiko ilay izy rehefa be zavatra atao aho. Toy izany koa rehefa miaraka amin’ny namana, nefa te hanambady aho.’

Raha tena te hanambady ianao nefa tsy nahita izay sahaza anao, dia toa sarotra aminao ny hanaiky fa fanomezam-pahasoavana ny tsy fananana vady. Angamba aza zavatra mahakivy na mahaketraka no mibahana ao an-tsainao. Raha efa manana zanaka hokarakaraina koa ianao, nefa tsy manambady, dia mety ho ianao irery no voatery manome izay ilain’ny zanakao.

Angamba tsy tsapanao ho fanomezam-pahasoavana mihitsy izany. Misy olona mifidy ny ho mpitovo anefa, satria hitany fa fanomezam-pahasoavana ilay izy. Marina ve izany? Raha eny, nahoana, ary amin’ny toe-javatra inona? Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy mahasambatra ve?

Mety tena hahafinaritra ny manambady. (Ohabolana 5:18, 19) Ny fanambadiana ihany ve anefa no mahasambatra?

Izao no tenin’i Ruth Luban, manam-pahaizana momba ny fitsaboana ny saina, araka ny gazety Fotoanan’i Los Angeles (anglisy): “Misy vehivavy [sy lehilahy] mihevitra fa ho sambatra izy rehefa manambady. Ho gaga anefa izy ireo rehefa hitany fa sambatra ihany izy, na tsy nanambady aza.” Afaka ny ho sambatra sy ho afa-po ny olona, araka izany, na dia tsy manambady aza. Maro amin’ireo olona nisara-panambadiana no hilaza hoe tsy voatery hahasambatra ny fanambadiana. Ny fifandraisana tsara amin’Andriamanitra no tena mahasambatra. Afaka ny ho sambatra foana àry ny Kristianina, na manambady izy na tsia.​—Salamo 84:12; 119:1, 2.

Mety ho mafy anefa indraindray ny zavatra atrehin’ny olona tsy manambady. Na dia ireo namany tena tia azy aza mantsy, dia mety hanontany azy foana hoe: ‘Fa rahoviana ihany ianao vao hanambady?’ na hoe: ‘Lehilahy tsara tarehy toa anao izao ve dia mbola tsy mahita vady foana?’ Angamba hivazivazy izy ireo rehefa milaza izany. Mety ‘hanindrona toy ny sabatra’ anefa ny teny toy izany, ka handratra sy hahasanganehana.​—Ohabolana 12:18.

Samy manana ny fanomezam-pahasoavany

Tsy nanambady ny apostoly Paoly tamin’izy nanao dia misionera. Midika ve izany fa tsy tiany ny fanambadiana? Tsy izany mihitsy. Nifidy ny tsy hanambady izy “noho ny filazantsara.”​—1 Korintiana 7:7; 9:23.

Nahavita tsy nanambady i Paoly, nefa niaiky izy fa tsy mitovy aminy daholo ny olona rehetra. Hoy izy: “Samy manana izay fanomezam-pahasoavana nomen’Andriamanitra azy avy, ka ny anankiray toy izao, ary ny anankiray toy izao kosa.”​—1 Korintiana 7:7.

Tsy fidiny anao angamba ny hoe tsy manambady, nefa afaka ny ho sambatra ianao. Marina fa anisan’ireo fanomezam-pahasoavana maro azontsika avy amin’i Jehovah ny fanambadiana. Lazain’ny Baiboly anefa fa mety ho “fanomezam-pahasoavana” ho anao koa ny tsy fanananao vady, raha “mahay mandray” izany ianao. (Matio 19:11, 12; 1 Korintiana 7:36-39) Inona àry no soa sasany raisin’ny olona tsy manambady?

Nilaza i Paoly fa miezaka manao izay “hahafaly” ny vadiny ny olona manambady, fa “mitandrina ny an’ny Tompo” kosa ny olona tsy manambady. Misongadina amin’izany ny iray amin’ireo soa lehibe indrindra azon’izy ireo. ‘Tsy mivezivezy ny sainy’ eo am-panompoana an’i Jehovah.​—1 Korintiana 7:32-35.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tsy hivezivezy mihitsy ny sain’ny olona tsy manambady. Tsy dia voahelingelina firy anefa izy ireny, amin’ny ankapobeny, raha oharina amin’ny olona mikarakara ankohonana. Nasain’Andriamanitra nandao an’i Harana, ohatra, i Abrahama, mba ho any amin’ny tany Kanana. Hoy ny Baiboly: “Abrama nitondra an’i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay efa noharìny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo.” (Genesisy 12:5) Marina fa tsy nahasakana an’i Abrahama ny fananany ankohonana, nefa azo antoka fa nandany fotoana be nanomanana azy ireo izy, mba ho vonona amin’io iraka nampanaovin’Andriamanitra io.

Ampitahao amin’ny dian’i Abrahama ny dian’ny apostoly Paoly. Nisy vahoaka romotra niady tamin’i Paoly sy Silasy, rehefa nitory ny vaovao tsara tany amin’ny tanànan’i Tesalonika izy ireo. Iny alina iny ihany, dia nalefan’ireo rahalahy nankany Beria i Paoly sy Silasy. Nahita fahitana koa i Paoly, tany Troasy, indray mandeha. Fangatahana azy ‘hita hankany Makedonia, ka hamonjy [ny olona tany]’ ilay izy. Niala tany Makedonia izy, raha vao nahita ilay fahitana. Hita araka izany fa afaka niainga avy hatrany i Paoly, satria tsy nanambady. Nety ho sarotra kokoa taminy anefa izany raha nanana ankohonana izy.​—Asan’ny Apostoly 16:8-10; 17:1-15.

Izao no soa hafa azon’ny olona tsy manambady: Afaka mifidy kokoa izay zavatra tiany izy. Mora kokoa matetika ny mifidy ny toerana honenana, ny sakafo hohanina sy ny fotoana hisakafoanana, rehefa irery ianao. Malalaka koa ianao eo amin’ny asa ara-panahy. Manana fotoana bebe kokoa hianarana samirery ny Tenin’Andriamanitra ianao, handraisana anjara amin’ny fanompoana ary hanampiana ny olon-kafa.

Ataovy foana àry izay ampiasana tsara ny fotoananao, na nifidy ny tsy hanambady ianao, na tsy manambady noho ny antony tsy azo ihoarana. Ho sambatra kokoa ianao raha mampiasa ny fotoananao hanampiana olon-kafa. (Asan’ny Apostoly 20:35) Raha tsy mety mahita vady ianao, dia aza mieritreritra zavatra mety hahakivy anao. Aza mieritreritra koa hoe irery ianao satria mbola tsy eo ilay olona sahaza anao. Aoka ianao ho be atao foana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Angamba ho hitanao fa marina ilay tenin’i Paoly hoe mety ho fanomezam-pahasoavana ny tsy fananana vady.