Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Misy Fivavahana Enjehina?

Nahoana no Misy Fivavahana Enjehina?

Nahoana no Misy Fivavahana Enjehina?

HEVERINAO ve fa tokony henjehina ny olona sasany noho ny fivavahany? Tsy izany angamba no hevitrao, fara faharatsiny, raha tsy manitsakitsaka ny zon’ny olon-kafa izy. Efa ela anefa no nisy fivavahana nenjehina, ary mbola misy foana izany hatramin’izao. Nandritra ireo 50 taona lasa, ohatra, dia matetika no tsy nohajaina ny zon’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa sy tany an-tany hafa, anisan’izany ny zony hanaraka ny fivavahany. Nampijalijalina tamin-kabibiana koa izy ireo.

Niharan’ny fanenjehana nahery vaika sy maty paika ary naharitra izy ireo, nandritra ny fitondrana tsy refesi-mandidin’ny Nazia sy ny Kominista, tany Eoropa. Inona no ianarantsika momba ny fanenjehana fivavahana, rehefa mandinika ny zavatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah isika? Inona no lesona raisintsika avy amin’ny zavatra nataon’izy ireo tao anatin’ny fijaliana?

“Tsy naman’izao tontolo izao”

Miezaka mankatò lalàna sy mihavana amin’ny olona ary mitondra tena tsara hatrany ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy manohitra ny fitondram-panjakana izy ireo sady tsy mila ady aminy. Tsy manao izay hanenjehan’ny olona azy koa izy ireo, satria tsy mitady ho maritiora. Tsy manao politika anefa ireo Kristianina ireo, satria hoy i Jesosy: “Tsy naman’izao tontolo izao [ny mpanara-dia ahy], tahaka Ahy tsy naman’izao tontolo izao.” (Jaona 17:16) Tsy momba ny atsy na ny aroa ny Vavolombelon’i Jehovah, ary manaiky sy manaja izany ny ankamaroan’ny fitondram-panjakana. Tsy manaja firy an’io fepetra takin’ny Baiboly amin’ny Kristianina io anefa ny mpitondra tsy refesi-mandidy.

Nohazavaina ny anton’izany nandritra ny konferansa iray tany amin’ny Oniversiten’i Heidelberg, any Alemaina, tamin’ny Novambra 2000. Ny loha hevitr’io konferansa io dia hoe: “Famoretana sy Fitakiana Zo​—Ny Vavolombelon’i Jehovah teo Ambany Fitondrana Jadona Nazia sy Kominista.” Nanao fanamarihana ny Pr. Clemens Vollnhals, avy ao amin’ny Fikambanana Hannah-Arendt Mikaroka Momba ny Fitondrana Tsy Refesi-mandidy. Hoy izy: “Tsy mianina amin’ny fanaovana politika ny mpitondra tsy refesi-mandidy. Mandidy ny olona mba hankatò azy tanteraka mihitsy izy.”

Tsy afaka ‘mankatò tanteraka’ ny fitondram-panjakan’olombelona anefa ny tena Kristianina, satria nivoady izy fa i Jehovah Andriamanitra irery ihany no hankatoaviny tanteraka. Hitan’ny Vavolombelona niaina teo ambany fitondrana tsy refesi-mandidy, fa mifanohitra ny zavatra takin’ny Fanjakana sy ny finoany indraindray. Inona no nataony rehefa izany no nitranga? Nanaraka izao tenin’ny mpianatr’i Jesosy Kristy izao izy ireo: “Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona.”​—Asan’ny Apostoly 5:29.

Maro be ny Vavolombelona tsy niala tamin’ny finoany ary tsy nanao politika, na dia niharan’ny fanenjehana faran’izay mafy aza. Inona no nanampy azy hiaritra izany? Ahoana no nahazoany hery hizakana izany? Izy ireo mihitsy no avelantsika hamaly ireo fanontaniana ireo. Aoka isika handray lesona avy amin’izay nanjo azy, na Vavolombelon’i Jehovah isika na tsia.

[Teny notsongaina, pejy 4]

Niharan’ny fanenjehana nahery vaika sy naharitra ny Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina, nandritra ny fitondrana tsy refesi-mandidin’ny Nazia sy ny Kominista

[Teny notsongaina, pejy 4]

“Tsy mianina amin’ny fanaovana politika ny mpitondra tsy refesi-mandidy. Mandidy ny olona mba hankatò azy tanteraka mihitsy izy.”​—Pr. Clemens Vollnhals

[Sary, pejy 4]

Nogadraina ry Kusserov mianakavy satria tsy nety nampandefitra ny finoany

[Sary, pejy 4]

Novonoina tany amin’ny fonja nazia i Johannes Harms noho ny finoany