Resin’izy Ireo ny Fanenjehana
Resin’izy Ireo ny Fanenjehana
TERAKA tany Danemark i Frieda Jess tamin’ny taona 1911. Nifindra nankany Husum, any amin’ny faritra avaratr’i Alemaina, izy mianakavy avy eo. Niasa tany Magdebourg i Frieda taona maro tatỳ aoriana, ary lasa Mpianatra ny Baiboly (na Vavolombelon’i Jehovah) vita batisa tamin’ny 1930. Nandray ny fahefana i Hitler tamin’ny 1933. Nanomboka tamin’io fotoana io ny fijalian’i Frieda, izay naharitra 23 taona teo ambany fitondrana tsy refesi-mandidy roa mihitsy, fa tsy iray monja.
Nampanao fifidianana faobe ny fanjakana alemà tamin’ny Martsa 1933. Nanazava toy izao ny Pr. Detlef Garbe, lehiben’ny Tranombakok’i Neuengamme Momba ny Toby Fitanana, any akaikin’i Hambourg: “Nitady hanery ny ankamaroan’ny olona hifidy an’i Adolf Hitler ny Nazia, satria io no filohan’izy ireo.” Nilaza anefa i Jesosy fa tsy tokony hanao politika na ho “naman’izao tontolo izao” ny mpanara-dia azy. Nankatò azy àry ny Vavolombelon’i Jehovah ka tsy nifidy. Inona no vokany? Norarana ny fivavahan’izy ireo.—Jaona 17:16.
Nanohy ny asa kristianina ihany anefa i Frieda, saingy niafina rehefa nanao izany. Nanampy tamin’ny fanaovana pirinty ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana mihitsy aza izy. Hoy izy: “Nisy gazety nampidirina an-tsokosoko tany amin’ny toby fitanana, mba tsy ho diso anjara tamin’izany ny mpiray finoana amintsika.” Nosamborina i Frieda tamin’ny 1940 ary nadinadinin’ny Gestapo, na polisy miafina. Natoka-monina nandritra ny volana maro izy avy eo. Inona no nanampy azy hiaritra izany? Mamaly izy hoe: “Ny vavaka no nataoko fiarovana. Vao maraina aho dia nivavaka ary nanao izany imbetsaka nandritra ny andro. Nampahery ahy izany sady nanampy ahy mba tsy hitebiteby loatra.”—Filipiana 4:6, 7.
Nafahana i Frieda, nefa nosamborin’ny Gestapo indray tamin’ny 1944, ary nosazina higadra fito taona tany amin’ny fonjan’i Waldheim. Hoy i Frieda: “Nasain’ny mpiambina niara-niasa tamin’ireo vehivavy tany amin’ny kabine aho. Matetika aho no tafaraka tamin’ny mpigadra iray avy tany Tsekoslovakia, ka niresaka taminy imbetsaka momba an’i Jehovah sy ny finoako. Nanatanjaka ahy ireny resaka ireny.”
Nafahana ihany, fa vetivety
Nafahan’ny tafika sovietika ireo mpigadra tao Waldheim tamin’ny Mey 1945. Afaka niverina tany Magdebourg sy nanao ny fanompoana ampahibemaso indray àry i Frieda. Tsy naharitra ela anefa izany. Nenjehina indray ny Vavolombelona, ka ny fahefana sovietika no nanenjika azy ireo. Nanoratra momba izany i Gerald Hacke, avy amin’ny Fikambanana Hannah-Arendt Mikaroka Momba ny Fitondrana Tsy Refesi-mandidy. Hoy
izy: “Ny Vavolombelon’i Jehovah dia iray amin’ireo antokon’olona nenjehina foana teo ambany fitondrana roa tsy refesi-mandidy teto Alemaina, ary saika tsy nisy farany izany.”Nahoana izy ireo no nenjehina indray? Satria mbola tsy nomba ny atsy na ny aroa izy ireo, toa an’i Kristy. Nisy fifidianana natao tany Alemaina Atsinanana tamin’ny 1948, ary nilaza i Hacke fa “ny tena antony [nanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah] dia satria tsy nandray anjara tamin’io fifidianana io izy ireo.” Norarana ny fivavahana Vavolombelon’i Jehovah tany Alemaina Atsinanana tamin’ny Aogositra 1950. Nisy an-jato izy ireo no nosamborina, anisan’izany i Frieda.
Nentina teny amin’ny fitsarana indray i Frieda ary nosazina higadra enin-taona. Hoy izy: “Niaraka tamin’ny mpiray finoana tamiko aho tamin’izay, ary tena nanampy ahy ny fifandraisana tamin’izy ireo.” Nifindra nankany Alemaina Andrefana izy, rehefa nafahana tamin’ny taona 1956. Any Husum izao i Frieda no mipetraka. Efa 90 taona izy ary mbola manompo an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina.
Nenjehina nandritra ny 23 taona i Frieda, teo ambany fitondrana roa tsy refesi-mandidy. Hoy izy: “Nitady hamono ahy ny Nazia ary nanandrana nanakivy ahy ny Kominista. Inona anefa no nampahery ahy? Nazoto nianatra Baiboly aho raha mbola tsy tany am-ponja, nivavaka tsy tapaka rehefa natoka-monina, nifandray tamin’ny mpiray finoana tamiko rehefa azo natao izany, ary niresaka momba ny finoako isaky ny afaka nanao izany.”
Fasisma tany Hongria
Nenjehina nandritra ny taona maro koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Hongria. Teo ambany fitondrana telo tsy refesi-mandidy mihitsy no niaretan’ny sasany izany. Iray amin’izy ireo i Ádám Szinger. Teraka tany Paks, any Hongria, i Ádám tamin’ny taona 1922, ary Protestanta izy taloha. Nisy Mpianatra ny Baiboly nitsidika azy tany an-tranony tamin’ny 1937, ary nahaliana azy avy hatrany ny hafatra nentin’izy ireo. Ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly dia nampiaiky azy fa tsy mifanaraka amin’izy io ny fivavahany. Niala tsy ho Protestanta àry izy, ary nanaraka ny Mpianatra ny Baiboly sy nanao ny fanompoana ampahibemaso niaraka tamin’izy ireo.
Nihanahazo vahana ny Fasisma tany Hongria. Matetika no nandinika an’i Ádám nitory isan-trano ny polisy ary nisambotra sy nanadinadina azy. Nihamafy ny fanerena nihatra tamin’ny Vavolombelona, ka norarana ny asan’izy ireo tamin’ny 1939. Nosamborina i Ádám tamin’ny 1942 ary nogadraina sy nokapohina mafy. Inona no nanampy an’io tovolahy 19 taona io hiaritra fijaliana sy fanagadrana nandritra ny volana maro? Mamaly izy hoe: “Nianatra tsara ny Baiboly aho raha mbola tany an-trano, ary niezaka mba hahatakatra tsara ny fikasan’i Jehovah.” Rehefa nafahana i Ádám vao natao batisa, ka lasa Vavolombelon’i Jehovah. Alina maizina tamin’ny Aogositra 1942 no nanaovana an’izany, tao anaty renirano tsy lavitra ny tranony.
Nigadra tany Hongria ary nampanaovina asa an-tery vozona tany Serbia
Niara-niady tamin’ny Firaisana Sovietika i Hongria sy Alemaina, tamin’izany andro izany. Voantso ho miaramila i Ádám tamin’ny faramparan’ny taona 1942. Mitantara izy hoe: “Nilaza aho fa tsy afaka hanao miaramila noho ny zavatra nianarako tao amin’ny Baiboly. Nohazavaiko fa tsy momba ny atsy na ny aroa aho.” Nosazina higadra 11 taona i Ádám. Tsy nijanona ela tany Hongria anefa izy.
Nisy Vavolombelon’i Jehovah 160 teo ho eo nangonina tamin’ny 1943, ary nalefa tao anaty sambofisaka nidina nanaraka ny Renirano Danube hatrany Serbia. Anisan’izy ireo i Ádám. Ny fitondran’i Hitler no nanjaka tany Serbia, ka teo ambanin’ny fahefan’izy io koa ireo mpigadra ireo. Nogadraina sy noterena hitrandraka varahina izy ireo, tany amin’ny toby fiasana an-tery vozona tany Bor. Nentina niverina tany Hongria izy ireo, herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, ary nafahan’ny tafika sovietika i Ádám, tamin’ny 1945.
Tany Hongria nandritra ny fitondrana kominista
Tsy naharitra ela anefa ny fahafahana. Noferan’ny manam-pahefana kominista ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’ny faramparan’ireo taona 1940, toy ny nataon’ny Fasista talohan’ny ady. Nosamborina sy nampangaina i Ádám tamin’ny 1952, satria tsy nety nanao miaramila indray. Efa 29 taona izy tamin’izay ary nanambady
sy nanan-janaka roa. Nanazava teny amin’ny fitsarana izy hoe: “Tsy vao voalohany aho izao no tsy mety manao miaramila. Izany no antony nanagadrana sy nandefasana ahy tany Serbia, nandritra ny ady. Tsy manao raharaha miaramila aho, satria tsy mamela ahy hanao izany ny fieritreretako. Vavolombelon’i Jehovah aho ary tsy manao politika.” Nosazina higadra valo taona izy, nefa nohafohezina ho efa-taona izany tatỳ aoriana.Nenjehina foana i Ádám hatramin’ny taona 1975 tany ho any, izany hoe 35 taona mahery taorian’ny nahatongavan’ny Mpianatra ny Baiboly voalohany tany an-tranon’ny ray aman-dreniny. Nanasazy azy higadra 23 taona ny fitsarana enina nandritra izany fotoana izany. Nigadra tany amina fonja sy toby folo izy, fara fahakeliny. Niaritra fanenjehana nitohy izy teo ambany fitondrana tsy refesi-mandidy telo, dia ny Fasisma talohan’ny ady tany Hongria, ny Nazia tany Serbia, ary ny Kominista tany Hongria, nandritra ny Ady Mangatsiaka.
Mbola mipetraka any Paks, tany niaviany, i Ádám ary manompo an’Andriamanitra amim-pahatokiana foana. Manana fahaizana miavaka ve izy matoa nahavita niaritra sy nandresy ny zava-tsarotra toy izany? Tsia. Manazava izy hoe:
“Tena zava-dehibe ny fianarana Baiboly sy ny vavaka ary ny fiarahana tamin’ireo mpiray finoana tamiko. Misy zavatra roa tiako hasongadina anefa, ka voalohany dia hoe: I Jehovah no Loharanon’ny hery. Tena niankinan’ny aiko ny fifandraisako akaiky taminy. Faharoa, dia nitadidy ny Romana toko faha-12 aho. Voalaza ao hoe ‘aza mamaly ratsy.’ Noho izany, dia tsy nitana lolompo mihitsy aho. Imbetsaka aho no afaka namaly faty ny olona nanenjika ahy, nefa tsy nanao izany mihitsy. Tsy tokony hampiasaintsika hamaliana ratsy ny ratsy ny hery omen’i Jehovah antsika.”
Hifarana ny fanenjehana rehetra
Afaka manompo an’i Jehovah tsara izao i Frieda sy Ádám, fa tsy misy manakantsakana. Inona anefa no ianarantsika momba ny fanenjehana fivavahana, rehefa mandinika ny nanjo azy ireo isika? Hitantsika fa tsy mahomby izany fanenjehana izany, indrindra rehefa ny tena Kristianina no enjehina. Nandany vola sy niteraka fijaliana mafy ny fanenjehana ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy nahatratra ny tanjony. Mandroso be ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny any Eoropa, toerana nanjakan’ny fitondrana tsy refesi-mandidy roa natanjaka indrindra, dia ny Nazia sy ny Kominista.
Inona no nataon’ny Vavolombelona rehefa nenjehina izy ireo? Asehon’ny tantaran’i Frieda sy Ádám fa nanaraka izao torohevitry ny Baiboly izao izy ireo: “Aza mety ho resin’ny ratsy hianao, fa reseo amin’ny soa ny ratsy.” (Romana 12:21) Tena afaka mandresy ny ratsy ve ny tsara? Eny tokoa, rehefa mino mafy an’Andriamanitra ny olona. Azo lazaina ho fandresen’ny fanahin’Andriamanitra ny fandresen’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fanenjehana tany Eoropa. Porofoin’izany fa manan-kery hanaovana ny tsara ny Kristianina manetry tena, rehefa omen’ny fanahy masina finoana. (Galatiana 5:22, 23) Tokony hitadidy tsara an’izany lesona izany ny olona rehetra eto amin’ity tontolo feno herisetra ity.
[Sary, pejy 5]
Frieda Jess (Thiele izao) tamin’izy nosamborina sy ankehitriny
[Sary, pejy 7]
Ádám Szinger tamin’izy nigadra sy ankehitriny