Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Sambatra sy Miadana Satria Natao Loha Laharana Ilay Fanjakana

Sambatra sy Miadana Satria Natao Loha Laharana Ilay Fanjakana

Tantaram-piainana

Sambatra sy Miadana Satria Natao Loha Laharana Ilay Fanjakana

NOTANTARAIN’I JETHA SUNAL

Nandre izao fampandrenesana izao tao amin’ny radio izahay rehefa avy nisakafo maraina: “Tsy ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, ary voarara ny asan’izy ireo.”

TAMIN’NY 1950 no nitrangan’izany. Misionera Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Repoblika Dominikanina izahay efatra mirahavavy, izay samy 20 taona teo ho eo. Herintaona talohan’io izahay no tonga tany.

Tsy mba naniry ho misionera izany aho taloha. Nandeha niangona aho tamin’ny mbola kely, fa i Dada kosa tsy nandeha intsony, nandritra ny Ady Lehibe I. Rehefa natao konfirmasiona tao amin’ny Fiangonana Episkopaly aho, tamin’ny taona 1933, dia tsy namaky afa-tsy andinin-teny iray ny eveka, ary niresaka politika fotsiny izy avy eo. Sosotra be i Neny, ka tsy nandeha niangona intsony.

Niova ny fomba fiainanay

Niteraka dimy i William Karl sy Mary Adams, ray aman-dreniko. I Don sy Joel ary Karl no zanany lahy, i Joy no faravavy ary izaho no vavimatoa. Nahita an’i Neny namaky bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho, rehefa avy nianatra, tamin’izaho 13 taona teo ho eo. Ilay Fanjakana, Fanantenana ho An’izao Tontolo Izao (anglisy) no lohatenin’izy io. “Ity no fahamarinana”, hoy izy tamiko.

Niresaka taminay rehetra momba ny zavatra nianarany tao amin’ny Baiboly i Neny. Nantitranteriny taminay, tamin’ny teny sy ohatra, fa zava-dehibe ilay torohevitr’i Jesosy hoe: “Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.”​—Matio 6:33.

Tsy te hihaino aho indraindray, ka indray mandeha, rehefa nanasa vilia izahay, dia hoy aho taminy: “Aza mitory amiko intsony i Neny, raha tsy izany dia tsy hanampy an’i Neny intsony aho.” Hainy foana anefa ny niresaka taminay. Nitondra anay rehetra nivory tsy tapaka tany an-tranon’i Clara Ryan koa izy. Tsy lavitra anay no nisy an’i Clara, teo akaikin’i Elmhurst, any Etazonia.

Nanararaotra niresaka momba ny Fanjakan’Andriamanitra sy ny fitsanganana amin’ny maty izy, nandritra ny fampisehoana fanaon’ny mpianany isan-taona. Tia mozika aho, ary efa nianatra nitendry lokanga nanomboka tamin’izaho fito taona, ka nihaino ny tenin’i Clara.

Tsy ela dia nanomboka niara-nivory tamin’i Neny, tany amin’ny faritra andrefan’i Chicago, izahay zanany. Lavitra ny lalana ary andehanana aotobisy, nefa nianatra sahady ny atao hoe manao ny Fanjakana ho loha laharana izahay tamin’izany. Niaraka tamin’i Neny nanatrika ny fivoriamben’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Chicago aho tamin’ny 1938, telo taona taorian’ny batisany. Anisan’ireo tanàna 50 nanaraka ilay fandaharana tamin ny alalan’ny radio i Chicago. Nanohina ny foko ny zavatra reko tany.

Mamin’ny foko koa anefa ny mozika. Nahavita ny fianarako tany amin’ny lise aho tamin’ny 1938, ary nampidirin’i Dada tao amin’ny Sekoly Ambony Amerikanina Fianarana Mozika, tany Chicago. Nianatra mozika àry aho nandritra ny roa taona nanaraka, sady nitendry mozika tao amina orkesitra roa, ary io mihitsy no nokasaiko hatao anton’asa.

Nampianatra ahy nitendry lokanga i Herbert Butler, izay avy tany Eoropa fa nifindra tatỳ Etazonia. Nomeko azy ilay bokikely hoe Mpitsoa-ponenana * (anglisy), sao mba hamaky izy. Namaky tokoa izy, ka rehefa avy nianatra izahay ny herinandro taorian’izay, dia hoy izy: “Mahay mitendry tsara ianao ry Jetha, ary raha tohizinao ny fianaranao dia mety ho afaka hiasa ao amin’ny orkesitry ny radio ianao, na hampianatra mozika.” Nanondro ilay boky nomeko azy anefa izy avy eo, sady nilaza hoe: “Hitako anefa fa ito zavatra ito no tena tianao. Nahoana raha io no ataonao ho anton’asa?”

Nosaintsainiko tsara izany. Tsy nanohy nianatra tao amin’ilay sekoly aho, tamin’ny Jolay 1940, fa niaraka tamin’i Neny namonjy ny fivoriamben’ny vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah tany Detroit, any Michigan. Maro izahay no nanorina lay tamin’ny toerana iray ary nipetraka tao nandritra ny fivoriambe. Mazava ho azy fa nitondra ny lokangako aho, ary nitendry azy io tao amin’ny orkesitry ny fivoriambe. Nahita mpisava lalana maro (na mpitory manontolo andro) anefa aho tamin’izay. Hitako fa faly erỳ izy rehetra, ka tapa-kevitra aho fa hatao batisa ary hangataka ho mpisava lalana maharitra. Nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampiany ahy hanompo manontolo andro mandritra ny androm-piainako.

Tao amin’ny tanànako aho no nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana, avy eo tany Chicago, ary nifindra tany Kentucky, tamin’ny 1943. Taloha kelin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tamin’io taona io, dia nasaina hanatrika ny kilasy faharoan’ny Sekolin’i Gileada aho, mba hiofana ho misionera. Tokony ho nanomboka ny Septambra 1943 ilay fianarana.

Niara-nipetraka tamina Vavolombelona iray aho nandritra ilay fivoriambe, ary nomeny ahy izay rehetra tiako tao amin’ny lalimoaran’ny zanany vavy. Lasa nanao miaramila mantsy ilay zanany, ary nasainy nomen-dreniny olona ny fananany rehetra. Tanteraka tamiko tokoa ilay fampanantenan’i Jesosy hoe: “Fa katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.” (Matio 6:33) Vetivety dia tapitra ireo dimy volana tany Gileada. Tsy andriko izay hanaovako ny asa misionera raha vao nozaraina ny diplaoma, tamin’ny 31 Janoary 1944.

Nifidy ny fanompoana manontolo andro koa izy ireo

Nirotsaka ho mpisava lalana i Neny tamin’ny 1942. Mbola nianatra ny anadahiko telo sy ny rahavaviko tamin’izany. Matetika i Neny no nitsena azy ireo avy tany am-pianarana sy nitondra azy ireo nanompo. Nampianatra azy ireo hanao raharaha tao an-trano koa izy. Alina be izy mazàna vao natory, satria mbola nipasoka na nanao zavatra hafa, mba hahafahany hanao fanompoana ny ampitso.

Lasa mpisava lalana koa i Don anadahiko tamin’ny Janoary 1943, tamin’izaho mpisava lalana tany Kentucky. Nandiso fanantenana an’i Dada izany, satria nantenainy hianatra teny amin’ny oniversite, toa azy sy Neny, ny zanany rehetra. Nasaina nanompo tany amin’ny foibe maneran-tanin’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Brooklyn, any New York, i Don rehefa avy nanao ny asan’ny mpisava lalana nandritra ny roa taona latsaka.

Lasa mpisava lalana koa i Joel tamin’ny Jona 1943, raha mbola nipetraka tao an-trano. Niezaka nandresy lahatra an’i Dada hamonjy fivoriambe izy, nefa tsy nahavita. Tsy nahita olona hampianarina Baiboly mihitsy anefa i Joel teo an-toerana, hany ka nanaiky hampianariny Baiboly i Dada, tamin’ilay boky hoe “Ny Marina Hanafaka Anareo Tsy ho Andevo.” (frantsay) Namaly ireo fanontaniana mora foana izy, nefa tsy nanaiky izy raha tsy noporofoin’i Joel avy tamin’ny Baiboly izay voalazan’ilay boky. Nanampy an’i Joel handray am-po ny fahamarinana izany.

Nanantena i Joel fa hahazo lalana tsy hanao raharaha miaramila toa an’i Don izy. Nanasokajy an’i Don ho anisan’ny mpitondra fivavahana mantsy ny Birao Mpiantso Miaramila. Rehefa hitan’izy io anefa fa mbola tanora kely i Joel, dia tsy nosokajiny ho anisan’ny mpitondra fivavahana, fa nandefasany taratasy fiantsoana ho miaramila. Nasaina nosamborina i Joel, rehefa tsy nety nanao raharaha miaramila. Hitan’ny polisy izy, ka nogadraina telo andro tany amin’ny fonjan’i Cook.

Nataon’i Dada antoka ny tranonay rehefa nisambo-bola hanafahana an’i Joel izy. Izany koa no nataony rehefa sendra nogadraina ny tanora Vavolombelona hafa. Tezitra i Dada satria tsy rariny ilay izy. Nandeha tany Washington àry izy sy Joel, mba hitady fomba hampiakarana ilay raharaha any amin’ny fitsarana. Nosokajina ho anisan’ny mpitondra fivavahana ihany i Joel tamin’ny farany, ary nifarana teo ilay raharaha. Nanoratra tamiko i Dada tamin’izaho mbola misionera hoe: “Heveriko fa tokony hidera an’i Jehovah isika noho izao fandresena izao!” Nasaina hanompo tany amin’ny foibe, any Brooklyn koa i Joel, tamin’ny faramparan’ny Aogositra 1946.

Matetika i Karl no mpisava lalana rehefa vakansy, mandra-pahavitan’ny fianarany teny amin’ny lise, tamin’ny voalohandohan’ny taona 1947. Nanomboka nanao ny asan’ny mpisava lalana maharitra izy avy eo. Niharatsy ny fahasalaman’i Dada tamin’izay, ka nanampy azy tamin’ny asany i Karl, talohan’ny nanendrena azy hanompo tany an-toeran-kafa. Lasa betelita niaraka tamin’i Don sy Joel, tany amin’ny foibe, any Brooklyn, koa i Karl tamin’ny faramparan’ny taona 1947.

Lasa mpisava lalana i Joy rehefa vita ny fianarany tany amin’ny lise. Lasa tany amin’ny Betela, niaraka tamin’ireo anadahiny koa izy, tamin’ny 1951. Niasa tany amin’ny fanadiovana sy ny Sampan-draharahan’ny Famandrihana izy tany. Nanambady Betelita antsoina hoe Roger Morgan izy tamin’ny 1955. Nandao ny Betela izy ireo, fito taona taorian’izay satria te hanan-janaka. Niteraka roa izy ireo tatỳ aoriana ary manompo an’i Jehovah ireo zanany ireo.

Nampahery an’i Dada i Neny, rehefa nanompo manontolo andro avokoa ny zanak’izy ireo. Noho izany, dia nanolo-tena ho an’i Jehovah i Dada ary natao batisa tamin’ny 1952. Na dia narary aza izy, ka voafetra ny zava-bitany, dia nahita hevitra tsara foana izy hitoriana ilay Fanjakana, nandritra ny 15 taona talohan’ny nahafatesany.

Mpisava lalana foana i Neny mandra-pahafatiny, na dia niato kely aza rehefa narary i Dada. Tsy nanana fiara izy na bisikileta. Olona fohifohy izay izy, kanefa nandeha an-tongotra hatraiza hatraiza, matetika hatrany ambanivohitra lavitra be, mba hampianatra Baiboly.

Nandritra ny asa misionera

Nanao ny asan’ny mpisava lalana herintaona tany avaratr’i New York ny sasany taminay, rehefa nahazo diplaoma tany amin’ny Sekolin’i Gileada, satria niandry ny taratasy hifindrana any amin’ny tany nanendrena anay. Nankany Cuba izahay tamin’ny 1945 ary nizatra tsikelikely tamin’ny fomba fiaina vaovao. Nandray tsara ny olona nitorianay ary vetivety dia betsaka no nianatra Baiboly taminay. Nanompo tany Cuba nandritra ny taona maro izahay, ary avy eo voatendry hankany amin’ny Repoblika Dominikanina. Nasain’ny vehivavy iray nankany amin’ny olom-pantany aho, indray andro. Vehivavy frantsay atao hoe Suzanne Enfroy ilay izy ary nitady olona hampianatra azy Baiboly.

Nanaraka ny fivavahana jiosy i Suzanne, ary nafindran’ny vadiny tany an-tany hafa izy sy ny zanany roa, rehefa nanafika an’i Frantsa i Hitler. Vetivety dia niresaka tamin’ny hafa momba ny zavatra nianarany i Suzanne, ka ilay vehivavy naniraka ahy ho any aminy no niresahany voalohany. Niresaka tamin’i Blanche, namany avy tany Frantsa, izy avy eo. Nandroso ho amin’ny batisa avokoa izy roa ireo.

Hoy i Suzanne tamiko: “Ahoana no hanampiako ny zanako?” Nianatra ho mpitsabo ny zanany lahy ary niofana ho mpandihy kosa ny zanany vavy sady nanantena ny hiasa tao amin’ny Teatran’ny Tanànan’i Radio, any New York. Nandefasan’i Suzanne famandrihana Tilikambo sy Mifohaza! izy ireo. Noho izany, dia lasa Vavolombelona ny zanakalahin’i Suzanne sy ny vinantovaviny ary ny kambana amin’io vinantony io. Natahotra i Louis, vadin’i Suzanne, rehefa nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiny, satria noraran’ny fanjakana tany amin’ny Repoblika Dominikanina ny asantsika tamin’izay. Lasa Vavolombelona koa anefa izy, rehefa nifindra tany Etazonia izy mianakavy.

Fanompoana tao anatin’ny fandrarana

Notendrena hankany amin’ny Repoblika Dominikanina izahay, tamin’ny taona 1949. Na dia voarara aza ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah taoriana kelin’izay, dia tapa-kevitra ny hanaiky an’Andriamanitra mihoatra noho ny olona izahay. (Asan’ny Apostoly 5:29) Nataonay loha laharana hatrany ny Fanjakany, ka nampahafantatra ny vaovao tsara momba azy io foana izahay, araka ny baiko nomen’i Jesosy ny mpanara-dia azy. (Matio 24:14) Nianatra ny ho ‘hendry tahaka ny menarana, sy ho mora tahaka ny voromailala’ koa anefa izahay rehefa nitory. (Matio 10:16) Tena nanampy anay, ohatra, ny lokangako. Nitondra azy io aho rehefa nampianatra Baiboly. Tsy nisy lasa mpitendry lokanga ny olona nampianariko Baiboly, fa fianakaviana maro kosa no lasa mpanompon’i Jehovah!

Rehefa voarara ny asa, dia niala tany amin’ny tranon’ny misionera tany San Francisco de Macorís izahay efatra mirahavavy, dia i Mary Aniol, Sophia Soviak, Edith Morgan, ary ny tenako. Nifindra tany amin’ny tranon’ny sampana, tany Santo Domingo renivohitra, izahay. Nampianatra mozika tany amin’ilay faritany nanendrena anay taloha anefa aho, isam-bolana, ka afaka nitondra sakafo ara-panahy ho an’ireo anadahy kristianina. Nataoko tao anatin’ny lokangako ny sakafo ara-panahy ary nentiko tao anatin’izy io ny tatitra momba ny fanompoan’izy ireo rehefa niverina.

Nisy anadahy avy tany San Francisco de Macorís nogadraina tany amin’ny fonjan’i Santiago, satria tsy nomba ny atsy na ny aroa. Nasaina nitondra vola ho azy ireo aho, ary Baiboly, raha azo atao. Nasaina nitondra vaovao ho an’ny fianakavian’izy ireo koa aho. Rehefa nahita ilay lokanga nosakelehiko ny mpiambina, dia nilaza hoe: “Hatao inona iny?” Namaly aho hoe: “Hampifaliana azy ireo.”

Anisan’ny hira notendreko ilay nosoratan’ny Vavolombelona iray tany amin’ny toby fitanan’ny Nazia. Hira faha-29 izy io ankehitriny ao amin’ny fihiranan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Nitendry azy io aho, mba hianaran’ireo anadahy nigadra azy.

Reko fa maro ny Vavolombelona nafindra tany amin’ny toeram-pambolena sy fiompian’i Trujillo, lehiben’ny governemanta. Tsy lavitra ny toerana iray fijanonan’ny aotobisy, hono, izy io. Niala ny aotobisy àry aho rehefa nitataovovonana, ka nanontany ny lalana nankany. Nilaza ny tompon’ny fivarotana iray fa any ambadik’ireo tendrombohitra notondroiny no nisy azy io. Namela ahy hitondra ny soavaliny sy ankizilahy iray hitari-dalana ahy izy, raha navelako ho antoka ny lokangako.

Tsy maintsy nita renirano izahay tao ambadik’ireo havoana ireo, ka nipetraka teo ambonin’ilay soavaly, rehefa nilomano izy io. Teny izahay no nahita andiana boloky niloko manga sy maitso, izay namirapiratra rehefa notarafin’ny masoandro. Tena kanto izy ireo! Nivavaka aho hoe: “Misaotra anao Jehovah nanao azy ireo kanto toy izao.” Tonga tany amin’ilay toerana ihany izahay, tamin’ny efatra tolakandro. Tsara fanahy ny miaramila mpiambina, ka namela ahy hiresaka tamin’ireo anadahy, sy hanome azy ireo izay rehetra nentiko, na dia ny Baiboly kely iray aza.

Nivavaka foana aho rehefa niverina satria efa maizina ny andro. Kotsan’ny orana izahay rehefa tafaverina tany amin’ilay fivarotana. Efa lasa ny aotobisy farany, ka nangataka an’ilay mpivarotra aho mba hanakana kamiao handehanako. Sahy niaraka tamin’ireo lehilahy roa tao anaty kamiao ve aho? Nanontany ahy ny iray tamin’izy ireo: “Fantatrao ve i Sophie? Nampianatra Baiboly ny anabaviko izy.” Hitako fa valim-bavaka avy tamin’i Jehovah izany! Naterin’izy ireo soa aman-tsara tany Santo Domingo aho.

Izaho dia anisan’ireo olona avy tany amin’ny Repoblika Dominikanina, nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenen’ny Vavolombelon’i Jehovah tany amin’ny Yankee Stadium, any New York, tamin’ny 1953. Tany izahay mianakavy, anisan’izany ny raiko. Nisy tatitra natao momba ny asa fitoriana tany amin’ny Repoblika Dominikanina. Avy eo dia nampiseho ny fomba fitorianay nandritra ny fandrarana, izahay sy i Mary Aniol, misionera niaraka tamiko.

Fifaliana tamin’ny fitetezam-paritany

Nifankahita tamin’i Rudolph Sunal aho tamin’io taona io, ary nivady izahay ny taona nanaraka. Lasa Vavolombelona ny fianakaviany tany Allegheny, any Pennsylvanie, taoriana kelin’ny Ady Lehibe I. Lasa Betelita tany Brooklyn, any New York, i Rudolph, rehefa avy nigadra satria tsy nety nanao miaramila nandritra ny Ady Lehibe II. Voatendry ho mpiandraikitra mpitety faritany, hitsidika fiangonana maro izy, taoriana kelin’ny nivadianay. Niaraka taminy nitety faritra aho, nandritra ny 18 taona nanaraka.

Anisan’ny toerana notsidihinay i Pennsylvanie, Virginie Andrefana, New Hampshire, ary Massachusetts sy ny toeran-kafa. Niara-nipetraka tamin’ireo anadahy kristianina izahay mazàna. Nahafaly erỳ ny nifankahalala tamin’izy ireo sy ny niara-nanompo taminy. Tena nandray anay tamim-pitiavana foana izy ireo. Rehefa avy nivady i Joel sy Mary Aniol, misionera namako, dia nitety faritany nandritra ny telo taona, ka nitsidika ny fiangonana tany Pennsylvanie sy Michigan. Nasaina hanompo tany amin’ny Betela indray i Joel tamin’ny 1958, saingy niaraka tamin’i Mary izy tamin’io.

Efa nanompo fito taona tany amin’ny Betela i Karl, tamin’izy notendrena hitety faritra nandritra ny volana vitsivitsy, mba hiomanany ho amin’ny asany manaraka. Lasa mpampianatra tao amin’ny Sekolin’i Gileada mantsy izy avy eo. Tamin’ny 1963, dia nivady izy sy i Bobbie, izay nanompo tamim-pahatokiana tao amin’ny Betela mandra-pahafatiny tamin’ny Oktobra 2002.

Nandritra ireo taona maro nanompoanay tao amin’ny Betela, dia nitsidika tany hafa i Don indraindray, ka nanampy ny misionera sy ireo rahalahy tao amin’ny sampana. Nitsidika tany Azia, Afrika, Eoropa sy toerana isan-karazany tany amin’ny kontinanta amerikanina izy. Matetika no niaraka taminy i Dolores, vadiny nahatoky.

Niova ny fiainanay

Maty i Dada rehefa avy narary ela be. Nilaza tamiko anefa izy talohan’izay, fa tena faly izy satria nifidy ny hanompo an’i Jehovah Andriamanitra izahay. Nilaza izy fa bebe kokoa noho izay nety ho azonay tamin’ny fianarana teny amin’ny oniversite ny soa noraisinay. Izany mantsy no nokasainy hataonay. Nanampy an’i Neny hifindra tany akaikin’i Joy rahavaviko aho. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tany Nouvelle-Angleterre izahay mivady taorian’izay, mba ho eo anilan’ny rafozam-baviko, satria nila fanampiana izy. Rehefa maty ny reniny, dia niara-nipetraka taminay nandritra ny 13 taona i Neny. Namita ny fanompoany teto an-tany izy, tamin’ny 18 Janoary 1987, rehefa 93 taona.

Midera azy ny namany matetika, noho izy nanampy ny zanany rehetra ho tia sy hanompo an’i Jehovah. Nilaza tamim-panetren-tena anefa i Neny hoe: “Mba sendra niasa teny amin’ny ‘tany’ tsara aho.” (Matio 13:23) Sambatra tokoa izahay, fa natahotra an’Andriamanitra ny ray aman-dreninay sady namela ohatra tsara tamin’ny zotom-po sy fanetren-tena!

Mbola loha laharana ilay Fanjakana

Mbola ataonay loha laharana eo amin’ny fiainanay foana ilay Fanjakana, sady mbola miezaka mizara amin’ny hafa izahay, araka ny baikon’i Jesosy. (Lioka 6:38; 14:12-14) Tena mikarakara izay ilainay kosa i Jehovah ho setrin’izany, ary miadana sy sambatra foana izahay.

Mbola tia mozika foana izahay sy Rudy. Mahafinaritra rehefa miara-mikorana izahay sy ny namana mankafy mozika amin’ny takariva, ka miara-mitendry zavamaneno. Tsy ny fitendrena zavamaneno anefa no asako, fa manome tsirony ny fiainako fotsiny izy io. Faly izahay mivady ankehitriny, mahita ny vokatry ny fanompoan’ny mpisava lalana nataonay, dia ireo olona nampianay nandritra ny taona maro.

Na dia tsy salama aza aho ankehitriny, dia afaka milaza fa sambatra sy niadana izahay nandritra ireo 60 taona mahery nanaovanay ny fanompoana manontolo andro. Misaotra an’i Jehovah foana aho isaky ny mifoha amin’ny maraina, satria novaliany ilay vavaka nataoko tamin’izaho nanomboka ny fanompoana manontolo andro, taona maro lasa izay. Misaintsaina koa aho hoe: ‘Inona indray no hataoko anio, mba ho loha laharana foana ilay Fanjakana?’

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 14 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy atao pirinty intsony.

[Sary, pejy 24]

Ny fianakavianay tamin’ny 1948 (havia miankavanana): Joy, Don, Neny, Joel, Karl, izaho ary Dada

[Sary, pejy 25]

Ohatra tsara i Neny izay nazoto nanompo

[Sary, pejy 26]

Karl, Don, Joel, Joy ary Izaho, 50 taona mahery atỳ aoriana

[Sary, pejy 27]

Havia miankavanana: Izaho, Mary Aniol, Sophia Soviak, ary i Edith Morgan, misionera tany amin’ny Repoblika Dominikanina

[Sary, pejy 28]

Niaraka tamin’i Mary (havia) tany amin’ny Yankee Stadium, 1953

[Sary, pejy 29]

Niaraka tamin’ny vadiko tamin’izy nitety faritra