Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Niova Tanteraka ny Fiainany

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Niova Tanteraka ny Fiainany

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Fiainana Taloha sy Ankehitriny​—Niova Tanteraka ny Fiainany

NAHASORENA sy tsy nisy heviny ho an’i Matsepang ny fiainana! Mipetraka any Lesotho, eo afovoan’ny Afrika Atsimo, io tovovavy io. Notezaina tao amin’ny fivavahana katolika izy. Tsy nampanatona azy an’Andriamanitra anefa izany. Nifanohitra tamin’izany kosa fa nisy masera nametaveta azy nandritra ny taona maro, ka nanambitamby vola azy mba hanao firaisana maloto taminy.

Diso fanantenana tamin’ny fivavahana izy vokatr’izany, ary tsy nino intsony ny fisian’ny Mpamorona be fitiavana iray miahy marina ny olombelona noforoniny. Nitondra holatra ara-pihetseham-po lalina sy nahatsiaro tena ho tsy nisy vidiny i Matsepang, noho izy nijaly satria tsy noraharahaina sy novetavetaina. Lasa nahery setra be sy nila ady izy. Nitarika azy hanao heloka bevava izany.

Niaraka tamin’ny andian-jiolahy nanendaka ireo mpandeha fiarandalamby i Matsepang tatỳ aoriana. Tratra izy, ka voaheloka higadra tany Afrika Atsimo. Noroahina hody tany Lesotho tanindrazany izy tatỳ aoriana, ary mbola nanao heloka bevava, nimamo, nahery setra, ary naloto fitondran-tena ihany.

Kivy tanteraka izy, ka nivavaka tamim-pamoizam-po tamin’Andriamanitra mba hampiany. Nampanantena toy izao izy: “Andriamanitro ô, raha velona aho, dia hanao izay azoko atao mba hanompoana anao.”

Nisy misionera Vavolombelon’i Jehovah nanatona azy, taoriana kelin’izay, ka nanolo-kevitra ny hampianatra Baiboly azy. Nanjary takany rehefa nianatra izy, fa tsy hoe tsy miraika na tsy miraharaha akory Andriamanitra. Takany tsara fa mampiasa hafetsena sy tetikady feno fitaka i Satana, ilay “rain’ny lainga”, mba hahatonga ny olona hahatsiaro tena ho tsy misy vidiny sy hihevitra fa tsy afaka ny ho tia azy ireo mihitsy i Jehovah.​—Jaona 8:44; Efesiana 6:11.

Nifanohitra tamin’izany, fa tena nampahery an’i Matsepang ny nianatra fa afaka ny hanaja tena isika raha mibebaka noho ny fahotantsika taloha, sy mitady ny famelan’Andriamanitra, ary miezaka mafy mampifaly azy! Nampiana izy hahatakatra fa ‘lehibe noho ny fontsika Andriamanitra’, ka mety ho tena hafa noho ny antsika ny fomba fijeriny antsika.​—1 Jaona 3:19, 20.

Nientam-po i Matsepang namaky izao tenin’i Davida mpanao salamo izao: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Noho izy iray amin’ireo “torotoro fanahy” dia nanjary takany fa tsy mahafoy ny mpanompony i Jehovah, na dia manjary ketraka na mahatsiaro ho tsy misy vidiny aza ny sasany amin’izy ireo. Nanafana ny fony ny nahafantatra fa miahy ny ondriny rehetra sy manohana azy ireo mandritra ny fotoan-tsarotra Andriamanitra. (Salamo 55:22; 1 Petera 5:6, 7) Nanohina azy manokana ireto teny ireto: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.”​—Jakoba 4:8.

Tsy ela dia niharihary tamin’i Matsepang ny herin’ny Tenin’Andriamanitra. Nanomboka namonjy fivoriana kristianina tsy tapaka izy, ary niala tamin’ireo fanao tsy araka ny Soratra Masina. Inona no vokany? Tsy mahatsiaro tena ho tsy mendrika ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiahiany intsony izy. Vavolombelon’i Jehovah izy izao, ary nandany ora an’arivo hitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana, hatramin’ny batisany. Manana fiainana sambatra sy misy heviny izao i Matsepang, na dia eo aza ny ratram-po tamin’ny lasa. Mampiseho tokoa izany fa manan-kery hanatsara ny fiainan’ny olona ny Baiboly!​—Hebreo 4:12.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Andriamanitra ô, raha velona aho, dia hanao izay azoko atao mba hanompoana anao”

[Efajoro, pejy 9]

Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly

Ireto misy toro lalan’ny Baiboly nampahery ireo olona natao ratsy fitondra:

“Raha be ny ahiahy ato anatiko, dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao [Andriamanitra].” (Salamo 94:19) Tena loharanom-pampaherezana ny ‘fampiononana’ avy amin’i Jehovah hita ao amin’ny Teniny. Namana iray mahatakatra ny manjo ny hafa Andriamanitra. Manampy mba hampitonena ahiahy sy hanorenana fitokisana aminy ny fandinihana ny toro lalany, mandritra ny fisaintsainana sy ny vavaka.

“Mahasitrana ny torotoro fo Izy [Jehovah] sy mamehy ny feriny.” (Salamo 147:3) Mamindra fo i Jehovah, ary nanao fandaharana tamin’ny alalan’ny sorom-panavotan’i Jesosy izy mba hanaronana ny fahotantsika. Raha mankasitraka izany isika, dia afaka manatona azy amim-pahatokiana, fa tsy hahatsiaro tena ho meloka. Mitondra fampiononana tsy manam-paharoa sy fiadanan-tsaina izany.

“Tsy misy olona mahay manatona Ahy [Jesosy Kristy], raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ny andro farany.” (Jaona 6:44) I Jehovah mihitsy no mitaona antsika ho amin’ny Zanany, amin’ny alalan’ny fanahiny masina sy ny asa fitoriana ilay Fanjakana. Mampanantena antsika fiainana mandrakizay koa izy.