Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Haharitra Mandrakizay ny Molotra Marina’

‘Haharitra Mandrakizay ny Molotra Marina’

‘Haharitra Mandrakizay ny Molotra Marina’

AFAKA manimba tanteraka ny fiainan’ny olona iray izy io, tsy misy hafa amin’ny afo kely izay afaka mandoro sy manimba ala iray manontolo. Mety ho feno poizina izy io, nefa mety ho “hazon’aina” koa. (Ohabolana 15:4) Mahafaty sy mahavelona izy io. (Ohabolana 18:21) Izany no hery ananan’ny lelantsika, izay rantsana kely nefa afaka mampipentimpentina ny tena rehetra. (Jakoba 3:5-9) Fahendrena ho antsika ny mifehy ny lelantsika.

Mba hahaizantsika handanjalanja izay lazaintsika, dia manome torohevitra sarobidy i Solomona mpanjakan’ny Isiraely fahiny, ao amin’ny boky iray ao amin’ny Baiboly. Hitantsika izany ao amin’ny Ohabolana toko faha-12, tapany faharoa. Mampiasa ohabolana fohy nefa misy heviny ilay mpanjaka hendry, mba hanehoana fa misy vokany ny teny lazaina sady ahafantarana zavatra betsaka momba ny toetran’ilay olona miteny. Tena ilain’ireo maniry ‘hiambina ny varavaran’ny molony’ ny torohevitra ara-tsindrimandry nosoratan’i Solomona.​—Salamo 141:3.

‘Fahotana mamandrika’

Hoy i Solomona: “Amin’ny fahotan’ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; fa ny marina ho afaka amin’ny fahoriana.” (Ohabolana 12:13) Fahotan’ny molotra ny mandainga, ary hahita loza mahafaty izay manao izany. (Apokalypsy 21:8) Mety ho fomba mora hialana amin’ny sazy na toe-javatra ratsy ny mandainga. Tsy mitarika lainga hafa anefa ve ny lainga iray? Tsy misy hafa amin’ny hoe manomboka miloka amin’ny vola kely ny olona iray. Voatosika hampitombo hatrany ny vola ilokany anefa izy, satria te hamerina ny vola laniny. Voatery mitady lainga hafa hanaronana ny lainga efa nataony koa ny mpandainga iray.

Mamandrika koa ny fahotan’ny molotra, satria hamita-tena ilay mpandainga amin’ny farany. Mety hampiaiky ny tenany, ohatra, ny mpandainga iray, fa tena mahay sy marani-tsaina izy, nefa tsy dia mahay akory izy raha ny marina. Manomboka mahazo vahana eo amin’ny fiainany àry ny lainga. “Miarahaba tena [mihitsy aza] izy ny amin’ny tsy hahitana ny helony ka hankahalana azy.” (Salamo 36:2) Tena mamandrika tokoa ny lainga! Tsy mba midi-kizo toy izany anefa ny olona marina. Tsy mandainga izy, na dia azom-pahoriana aza.

‘Vokatra mahavoky soa’

Nampitandrina toy izao ny apostoly Paoly: “Aza mety hofitahina hianareo; Andriamanitra tsy azo vazivazina, fa izay afafin’ny olona no hojinjany.” (Galatiana 6:7) Tena mihatra amin’ny zavatra lazaintsika sy ataontsika io toro lalana io. Hoy i Solomona: “Ny vokatry ny vavan’ny olona no mahavoky soa azy, ary ny asan’ny tànany hitsingerina aminy.”​Ohabolana 12:14.

Mitera-boka-tsoa ny vava “miresaka fahendrena.” (Salamo 37:30) Ilana fahalalana ny fahendrena, ary tsy misy olombelona tompon’ny fahalalana rehetra. Samy mila mihaino sy manaraka torohevitra tsara ny tsirairay. Hoy ny mpanjakan’ny Isiraely: “Ny làlan’ny adala dia mahitsy eo imasony; fa izay mino anatra no hendry.”​Ohabolana 12:15.

Manome antsika torohevitra marim-pototra amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fandaminany i Jehovah, ka mampiasa ireo boky sy gazety omen’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” (Matio 24:45; 2 Timoty 3:16) Adala tokoa isika raha mikiry hanao izay tiantsika ihany, fa tsy manaraka ireny torohevitra tsara ireny! Tokony “halady hihaino” isika, rehefa manoro hevitra amin’ny alalan’io mpanompo io i Jehovah, ilay “mampianatra fahalalana ny olona.”​—Jakoba 1:19; Salamo 94:10.

Ahoana no fihetsiky ny hendry sy ny adala rehefa misy manompa na manakiana azy tsy amin’antony? Mamaly i Solomona hoe: “Ny fahasosoran’ny adala dia fantatra miaraka amin’izay; fa izay mahatsindry fo amin’ny fanalam-baraka no hendry.”​Ohabolana 12:16.

Tezitra avy hatrany ny adala rehefa atao tsinontsinona. Mivavaka amin’Andriamanitra kosa ny hendry, mba hahafahany hanindry fo. Maka fotoana handinihana ny torohevitra ao amin’ny Tenin’Andriamanitra izy, ary misaintsaina sy mankasitraka ilay tenin’i Jesosy hoe: “Na zovy na zovy no mamely tahamaina ny takolakao ankavanana, atolory azy koa ny anankiray.” (Matio 5:39) Tsy te ‘hamaly ratsy na amin’iza na amin’iza’ ny hendry, ka mifehy ny molony mba tsy hiteniteny foana. (Romana 12:17) Tsy manitatra fifandirana isika rehefa alam-baraka, raha mahatsindry fo toy izany.

‘Lela fanasitranana’

Tena mety hitera-doza ny molotra mandainga, rehefa eny amin’ny fitsarana. Hoy ny mpanjakan’ny Isiraely: “Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.” (Ohabolana 12:17) Mahatoky ny vavolombelona marina, satria azo ianteherana sy mendri-pitokisana ny zavatra lazainy. Mandray anjara amin’ny fampiharana ny rariny ny teniny. Manjary mandray fanapahan-kevitra tsy ara-drariny kosa anefa ny fitsarana, rehefa mandainga ny vavolombelona.

“Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron’ny sabatra; fa ny lelan’ny marina dia fanasitranana kosa”, hoy ihany i Solomona. (Ohabolana 12:18) Afaka manindrona toy ny sabatra ny teny, ka manimba ny fisakaizana sady miteraka korontana. Mety hahafaly sy hahafinaritra koa anefa izy io, ka hamatotra ny fisakaizana. Moa ve tsy manindrona sy tena mandratra fo tokoa ny fametahana anarana, fivazavazana, tsikera lavareny, ary ny ompa? Raha nanao izany isika, dia tena tsara ny manitsy haingana ilay hadisoana, ka miala tsiny amin’ny fontsika rehetra mba hanasitranana ilay ratra!

Miaina amin’ny fotoan-tsarotra isika izao, ka tsy mahagaga raha maro no “manana fo mangorakoraka” sy “torotoro fanahy.” (Salamo 34:18) Tsy manasitrana tokoa ve ny tenintsika rehefa ‘manome toky ny malemy saina’ sy ‘mampahery ny reraka’ isika? (1 Tesaloniana 5:14) Tena hampahery ny zatovo miatrika ny fitaoman’ny namany tokoa ny teny feno fangorahana. Ny lela feno fiahiana dia hanome toky ny be taona fa mbola ilaina sy tiana izy ireo. Tena hampihiratra ny andron’ny marary ny teny feno hatsaram-panahy. Mora raisina kokoa na dia ny fananarana aza, rehefa atao “amin’ny fahamorana.” (Galatiana 6:1) Tena hanasitrana tokoa ny lelan’ny olona, raha ampiasainy hilazana ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ireo mihaino!

‘Molotra maharitra’

Hoy i Solomona rehefa nampitovy ny “molotra” tamin’ny “lela”: “Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja.” (Ohabolana 12:19) Milaza zavatra tokana ny hoe “molotra marina” amin’ny teny hebreo, ary manana hevitra lalina kokoa noho ny milaza ny marina fotsiny izy io. Milaza ny boky iray fa tafiditra amin’ny hevitr’izy io ny faharetana sy fahatokiana. ‘Maharitra mandrakizay ny teny toy izany satria azo itokiana foana. Mety hamitaka mandritra ny fotoana fohy kosa ny lela fandainga, saingy tsy haharitra izy io rehefa tratran’ny fitsapana’, hoy ihany ilay boky.

Hoy ilay mpanjaka hendry: “Fitaka no ao am-pon’izay mamoron-tsain-dratsy; fa hafaliana no amin’izay misaina fiadanana. Tsy misy ratsy manjo ny marina; fa heni-doza ny ratsy fanahy.”​Ohabolana 12:20, 21.

Alahelo sy fijaliana fotsiny no azon’ireo mamoron-tsain-dratsy. Hahafaly ireo misaina fiadanana kosa ny zavatra tsara ataony. Ravoravo koa izy ireo rehefa mahita voka-tsoa. Ny tena zava-dehibe dia hoe, ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, satria “fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny molotra mandainga; fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.”​Ohabolana 12:22.

‘Teny tsy ampideraderana fahalalana’

Nilaza toy izao ilay mpanjakan’ny Isiraely, rehefa nilaza ny maha samy hafa ny olona mitandrina ny teny lazainy sy ireo tsy manao izany: “Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; fa ny fon’ny adala mamoaka fahadalana.”​Ohabolana 12:23.

Fantatry ny hendry raha tokony hiteny izy na tsia. Tsy mba mampideradera fahalalana izy, satria tsy mirehareha ny amin’izay fantany. Tsy midika akory izany hoe afeniny foana ny fahalalany. Manetry tena kosa izy rehefa mampiseho azy io. Faingam-bava kosa ny adala, ka mampahafantatra ny hadalany. Aoka àry isika ho vitsy teny sy tsy hirehareha amin’ny lelantsika.

Nilaza fifanoherana manaitra momba ny fahazotoana sy hakamoana koa i Solomona. Hoy izy: “Ny tànan’ny mazoto no hanapaka; fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina.” (Ohabolana 12:24) Afaka handroso sy hahaleo tena ara-bola ny olona miasa mafy, fa mety ho lasa andevo sy mpanompo kosa ny kamo. “Ho lasa mpanompon’ny olona mazoto ny kamo, rehefa mandeha ny fotoana”, hoy ny manam-pahaizana iray.

‘Teny mahafaly’

Niresaka momba ny fiteny indray i Solomona Mpanjaka, mba hampisehoany fa fantany tsara ny toetran’olombelona. Hoy izy: “Ny alahelo ao am-pon’ny olona dia mampitanondrika azy; fa ny teny soa no mahafaly azy.”​Ohabolana 12:25.

Mety hovesaran’ny alahelo ny fo noho ny fanahiana maro. Fampaherezana avy amin’ny olona iray mahay miara-miory no hanamaivana izany alahelo izany sy hampifaly ny fo. Ahoana anefa no ahafantaran’ny hafa ny haben’ny fanahiana ao am-pontsika, raha tsy mamboraka izany aminy isika? Tokony hamboraka ny alahelo sy ny hakiviana amin’izay olona mahay miara-miory amintsika isika. Maivamaivana koa ny alahelo rehefa resahina. Tsara àry ny hiresahana azy io amin’ny vady, ray aman-dreny, na namana mangoraka sy matotra ara-panahy.

Misy fampaherezana tsara kokoa noho izay hita ao amin’ny Baiboly ve? Tokony hanatona an’Andriamanitra àry isika, ka handinika sy hankasitraka ny Teniny ara-tsindrimandry. Tena mety hampifaly ny fo feno fanahiana sy hanazava ny maso feno alahelo ny fisaintsainana toy izany. Nanamarina izany ny mpanao salamo hoe: “Tsy misy tsiny ny lalàn’i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.”​—Salamo 19:7, 8.

Lalana mitondra soa

Hoy koa ny mpanjakan’ny Isiraely rehefa nampifanohitra ny lalan’ny marina sy ny lalan’ny ratsy fanahy: “Ny marina dia mitari-dàlana ny namany; fa ny alehan’ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.” (Ohabolana 12:26) Mitandrina tsara ny marina rehefa mifidy namana, satria tsy te hanana naman-dratsy izy. Tsy mba manao toy izany kosa ny ratsy fanahy, izay tsy mba mandray torohevitra, fa mikiry hanao izay tiany. Mamita-tena izy ireo, ka mirenireny foana.

Hoy koa i Solomona Mpanjaka momba ny maha samy hafa ny kamo sy ny mazoto: “Ny kamo tsy mety mihaza; fa fananana soa ho an’ny olona ny zoto.” (Ohabolana 12:27) Ny kamo “tsy mahatono ny hazany akory.” (Fandikan-teny Katolika) Tsy mahavita izay zavatra atombony mihitsy izy. Mampanan-karena kosa anefa ny fahazotoana.

Tena manimba ny hakamoana. Nanoratra tany amin’ireo Kristianina tany Tesalonika àry ny apostoly Paoly, mba hanitsiana ny olona sasany izay “tsy nitoetra tsara.” Tsy miasa akory mantsy izy ireo fa miraharaha ny an’olona fotsiny. Nahavaky tratra na nanahirana ny hafa ny olona toy izany. Nananatra azy ireo ampahibemaso àry i Paoly, mba ‘hiasan’izy ireo tsara amin’ny fiadanana, ka hihinanany izay azy ihany.’ Rehefa tsy nandray torohevitra hentitra toy izany izy ireo, dia nasain’i Paoly ‘niala’ tamin’izy ireo ny fiangonana, ka tsy hifanerasera be aminy.​—2 Tesaloniana 3:6-12.

Tokony hampiharintsika avokoa ny torohevitr’i Solomona momba ny fahazotoana sy ny fampiasana amin’ny fomba tsara ny lela. Aoka isika hiezaka hampiasa io taova kely io ho fanasitranana sy hifaliana, ka hanaraka ny lalana marina, satria tsy tiantsika hanota ny molotsika. Nanome toky antsika toy izao i Solomona: “Amin’ny làlan’ny fahamarinana no misy fiainana, ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany.”​Ohabolana 12:28.

[Sary, pejy 27]

“Izay mino anatra no hendry”

[Sary, pejy 28]

‘Manasitrana ny lelan’ny marina’

[Sary, pejy 29]

Mampionona ny mamboraka ny ao am-po amin’ny namana mahatoky

[Sary, pejy 30]

Mahafaly ny fo ny misaintsaina sy mankasitraka ny Tenin’Andriamanitra