Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hifarana ve ny Fahantrana Indray Andro Any?

Hifarana ve ny Fahantrana Indray Andro Any?

Hifarana ve ny Fahantrana Indray Andro Any?

“INDRO ny ranomason’ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon’ny tànan’ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony”, hoy i Solomona Mpanjaka hendry teo amin’ny Isiraely. (Mpitoriteny 4:1) Azo antoka fa nahantra koa ny maro tamin’ireo olona nolazainy hoe ampahorina ireo.

Tsy azo faritana amin’ny alalan’ny vola fotsiny ny fahantrana. Araka ny fanazavana nomen’ny Banky Iraisam-pirenena tamin’ny Jona 2002 anefa, dia “notombanana ho latsaka ny 1 dolara isan’andro ny vola lanin’ny olona 1 200 tapitrisa maneran-tany tamin’ny 1998 . . . ary latsaka ny 2 dolara isan’andro no lanin’ny olona 2 800 tapitrisa.” Nomarihina anefa fa “mbola betsaka ihany [io isa io, na nihena aza], raha oharina amin’ny isan’ny olona mijaly vokatry ny fahantrana.”

Hifarana ve ny fahantrana indray andro any? Hoy i Jesosy Kristy tamin’ny mpianany: “Ny malahelo [na mahantra] dia etỳ aminareo mandrakariva.” (Jaona 12:8) Midika anefa ve izany fa tsy hisy farany mihitsy ny fahantrana sy ireo vokany mangidy? Tsia. Marina fa tsy nampanantena i Jesosy hoe hanankarena ny mpanara-dia azy rehetra. Tsy midika anefa ireo teniny ireo fa tsy misy ny fanantenana ho an’ny mahantra.

Na dia eo aza ny ezaka nataon’ny olombelona, ary na dia tsy tanteraka foana aza ny fampanantenan’ny olona hamarana ny fahantrana, dia manome toky antsika ny Tenin’Andriamanitra, fa tsy ho ela dia tsy hisy intsony ny mahantra. Nitory ny “teny soa mahafaly amin’ny malahelo” i Jesosy. (Lioka 4:18) Anisan’io teny soa mahafaly io ny hoe tsy hisy intsony ny fahantrana. Hitranga izany rehefa hanorina toe-piainana marina eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra.

Ho hafa mihitsy izao tontolo izao amin’izany fotoana izany! ‘Hiantra ny reraka sy ny malahelo ary hamonjy ny fanahin’ny malahelo’ i Jesosy Kristy, ilay mpanjaka any an-danitra. “Hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny” tokoa izy.​—Salamo 72:13, 14.

Izao no lazain’ny Mika 4:4, momba izany fotoana izany: “Samy hipetraka eny ambanin’ny voalobony sy ny aviaviny izy, ary tsy hisy hanaitaitra azy; fa ny vavan’i Jehovah, Tompon’ny maro, no efa niteny.” Handamina ny zava-manahirana rehetra mahazo ny olombelona ny Fanjakan’Andriamanitra, ary na ny aretina sy ny fahafatesana aza dia hofoanany. “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana; ary Jehovah Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.”​—Isaia 25:8.

Afaka mino ireo fampanantenana ireo isika, satria Andriamanitra no nampanoratra azy ireo. Maninona raha dinihina ireo porofo fa azo itokisana ny faminanian’ny Baiboly?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

FAO photo/M. Marzot