Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Kristianina Voalohany sy ny Lalàn’i Mosesy

Ny Kristianina Voalohany sy ny Lalàn’i Mosesy

Ny Kristianina Voalohany sy ny Lalàn’i Mosesy

“Ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy.”​—GALATIANA 3:24.

1, 2. Inona no soa sasany noraisin’ny Isiraelita, rehefa nitandrina tsara ny Lalàn’i Mosesy izy ireo?

NOMEN’I Jehovah fehezan-dalàna ny Isiraelita, tamin’ny 1513 Talohan’i Kristy. Nilazany izy ireo fa hotahiny sy ho sambatra ary hanana fiainana mahafa-po, raha mankatò azy.​—Eksodosy 19:5, 6.

2 ‘Masina sy marina ary tsara’ io fehezan-dalàna antsoina hoe Lalàn’i Mosesy na “lalàna” io. (Romana 7:12) Nampirisika ny olona izy io hanana toetra tsara, toy ny hatsaram-panahy, fahamarinana, fitondran-tena tsara, ary fitiava-namana. (Eksodosy 23:4, 5; Levitikosy 19:14; Deoteronomia 15:13-15; 22:10, 22) Nampirisika ny Jiosy hifankatia koa ny Lalàna. (Levitikosy 19:18) Ambonin’izany, dia norarana izy ireo tsy hifandray tamin’ny Jentilisa, na hanambady azy ireo, satria tsy nofehezin’ny Lalàna ny Jentilisa. (Deoteronomia 7:3, 4) Toy ny ‘efitra’ nampisaraka ny Jiosy sy ny Jentilisa koa ny Lalàn’i Mosesy, satria niaro ny vahoakan’Andriamanitra tsy ho voaloton’ny toe-tsain’ny mpanompo sampy sy ny fanaony.​—Efesiana 2:14, 15; Jaona 18:28.

3. Koa satria tsy misy afaka mankatò tanteraka ny Lalàna, inona no antony nanaovana azy io?

3 Tsy afaka nankatò tanteraka ny Lalàn’Andriamanitra anefa ny Jiosy, na dia nitandrina fatratra aza. Mafy loatra àry ve ny zavatra notakin’i Jehovah taminy? Tsia. Mba hampiharihariana ny ‘fahadisoan’izy ireo’, na ny fahotany, no antony iray nanomezana ny Lalàna. (Galatiana 3:19) Nasehon’ny Lalàna tamin’ireo Jiosy tso-po fa tena nila Mpanavotra izy ireo. Nifaly ireo Jiosy nahatoky, rehefa tonga io Mpanavotra io. Tsy ela dia ho voavotra amin’ny fahoriana vokatry ny fahotana sy ny fahafatesana izy ireo!​—Jaona 1:29.

4. Nahoana ny Lalàna no atao hoe ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’?

4 Tsy natao haharitra ela ny Lalàn’i Mosesy. Nilaza tamin’ny Kristianina ny apostoly Paoly fa ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’ izy io. (Galatiana 3:24) Nitondra ny ankizy tany am-pianarana sy naka azy ireo avy tany, ny mpitaiza tamin’ny andro fahiny. Tsy izy mazàna no mpampianatra, fa nitondra ny ankizy tany amin’ny mpampianatra fotsiny izy. Toy izany koa ny Lalàn’i Mosesy. Nitarika ny Jiosy natahotra an’Andriamanitra ho amin’i Kristy fotsiny izy io. Nampanantena ny mpanara-dia azy i Jesosy fa homba azy ireo foana “ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao.” (Matio 28:20) Tsy nilaina intsony àry ilay “mpitaiza”, na ny Lalàna, rehefa niforona ny fiangonana kristianina. (Romana 10:4; Galatiana 3:25) Tsy nahatakatra izany fahamarinana lehibe izany avy hatrany anefa ny Kristianina jiosy sasany. Mbola nitandrina ny lafiny sasany tamin’ny Lalàna izy ireo, na dia taorian’ny nananganana an’i Jesosy tamin’ny maty aza. Nisy kosa anefa nanitsy ny fomba fiheviny, ka namela ohatra tena tsara ho antsika. Handinika izany isika izao.

Fahatakarana foto-pampianarana vaovao

5. Inona no nasaina nataon’i Petera tao amin’ny fahitana iray, ary nahoana izy no tena gaga?

5 Nahazo fahitana niavaka ny apostoly Petera, tamin’ny taona 36. Nisy feo avy tany an-danitra, nandidy azy hamono sy hihinana vorona sy biby nolazain’ny Lalàna fa maloto. Tena gaga i Petera tamin’izay! “Tsy mbola nihinana zava-padina na tsy madio” mihitsy mantsy izy. Hoy anefa ilay feo taminy: “Izay efa nodiovin’Andriamanitra dia aza ataonao ho fady.” (Asan’ny Apostoly 10:9-15) Tsy nitana mafy ny Lalàna i Petera, fa nanitsy ny fomba fiheviny. Noho izany, dia nisy zava-mahagaga takany momba ny fikasan’Andriamanitra.

6, 7. Inona no nanampy an’i Petera hanatsoaka hevitra fa afaka nitory tamin’ny Jentilisa izy, ary inona no fanatsoahan-kevitra hafa toa nataony?

6 Izao no nitranga tamin’izay: Nisy telo lahy nankany amin’i Petera, nangataka azy hiaraka aminy ho any an-tranon’i Kornelio, Jentilisa tsy voafora sy mpivavaka be. Nampiantrano azy telo lahy i Petera. Takany ny dikan’ilay fahitana, ka nanaraka azy ireo nankany amin’i Kornelio izy ny ampitson’iny. Nanao fanambarana feno momba an’i Jesosy Kristy izy tany, ary nilaza hoe: “Hitako marina tokoa izao fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra; fa amin’ny firenena rehetra izay olona matahotra Azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Tsy i Kornelio irery no nanjary nino an’i Jesosy, fa ny havany sy ny namany koa, ary “nilatsaka tamin’izay rehetra nandre ny teny ny Fanahy Masina.” Takatr’i Petera fa i Jehovah no nahatonga izany, ka “nasainy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy” izy ireo.​—Asan’ny Apostoly 10:17-48.

7 Inona no nanampy an’i Petera hanatsoaka hevitra fa afaka ny ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny Jentilisa tsy nofehezin’ny Lalàn’i Mosesy? Ny fahatakarany hevi-dalina ara-panahy. Takatr’i Petera fa azo natao batisa izy ireo, satria nasehon’Andriamanitra fa nankasitraka ny Jentilisa tsy voafora izy, rehefa nandatsaka ny fanahiny tamin’izy ireo. Toa takatr’i Petera koa tamin’izay fa tsy notakin’Andriamanitra hitandrina ny Lalàn’i Mosesy izy ireo vao hatao batisa. Ho vonona nanitsy ny fomba fihevitrao toa an’i Petera ve ianao, raha niaina tamin’izany andro izany?

Mbola nanaraka ny “mpitaiza” ihany ny sasany

8. Inona no hevitra naelin’ny Kristianina sasany tany Jerosalema momba ny famorana, ary nahoana izy ireo no nanao izany?

8 Nankany Jerosalema i Petera, rehefa avy nandao an’i Kornelio. Ren’ny fiangonana tany fa navelany hatao batisa ny Jentilisa tsy voafora, ka nahasosotra ny mpianatra jiosy sasany izany. (Asan’ny Apostoly 11:1-3) Neken’ireo mpomba ny famorana fa afaka ny ho tonga mpanara-dia an’i Jesosy ny Jentilisa, nefa nanizingizina izy ireo fa tsy maintsy manaraka ny Lalàna ny Jentilisa mba ho voavonjy. Tsy nampisy adihevitra toy izany kosa anefa ny famorana, tany amin’ny faritra be Jentilisa fa vitsy Kristianina jiosy. Tsy nitovy hevitra nandritra ny 13 taona izy ireo. (1 Korintiana 1:10) Tena tsy maintsy ho fitsapana lehibe ho an’ireo Kristianina voalohany izany, indrindra fa ho an’ireo Jentilisa nipetraka tany amin’ny faritra be Jiosy!

9. Nahoana no tsy maintsy nalamina ilay raharaha nahakasika ny famorana?

9 Tena nafana ilay adihevitra tamin’ny taona 49, rehefa nisy Kristianina avy tany Jerosalema nankany amin’ny faritra nitorian’i Paoly tany Antiokia, any Syria. Nampianarin’izy ireo hoe tsy maintsy forana araka ny Lalàna ny Jentilisa lasa Kristianina. Nifanditra mafy tamin’i Paoly sy Barnabasy mihitsy izy ireo tamin’izay! Raha tsy voalamina ilay raharaha, dia tsy maintsy ho tafintohina ny Kristianina sasany, na Jiosy izy na Jentilisa. Nirahina nankany Jerosalema àry i Paoly sy ny Kristianina sasany, mba hangataka ny filan-kevi-pitantanana handamina tanteraka an’ilay raharaha.​—Asan’ny Apostoly 15:1, 2, 24.

Tena tsy nifankahazo, nefa niray saina ihany avy eo!

10. Inona no lafiny sasany nodinihin’ny filan-kevi-pitantanana, talohan’ny hanapahana hevitra tamin’ilay raharaha nahakasika ny Jentilisa?

10 Toa nanohana ny famorana ny sasany nandritra ilay fivoriana nalamina tamin’izay, fa ny hafa kosa nanohitra izany. Tsy nentim-po anefa ireo olona ireo. Rehefa avy niady hevitra be izy ireo, dia nilazalaza ny famantarana nataon’i Jehovah teo anivon’ireo tsy voafora ny apostoly Petera sy Paoly. Nohazavain’izy ireo fa nandatsaka ny fanahy masina teo amin’ireo Jentilisa tsy voafora Andriamanitra. Toy ny nanontany izy ireo avy eo hoe: ‘Rariny ve raha mandà ny olona raisin’Andriamanitra ny fiangonana kristianina?’ Namaky andinin-teny tao amin’ny Soratra Masina i Jakoba mpianatra avy eo, mba hanampiana ny mpanatrika rehetra hahatakatra ny sitrapon’i Jehovah momba ilay raharaha.​—Asan’ny Apostoly 15:4-17.

11. Inona no tsy nanolana ilay fanapahan-kevitra momba ny famorana, ary inona no mampiseho fa notahin’i Jehovah izy io?

11 Niandry izay holazain’ny filan-kevi-pitantanana ny rehetra avy eo. Hanolana ny fanapahan-kevitr’izy ireo ve ny maha Jiosy azy, ka hanosika azy ireo hanaiky ny famorana? Tsia. Tapa-kevitra ireo lehilahy nahatoky ireo fa hanaraka ny Soratra Masina sy ny tari-dalan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Rehefa nihaino ireo porofo rehetra nifandray tamin’ilay raharaha ny filan-kevi-pitantanana, dia niara-nanaiky fa tsy voatery hoforana sy hankatò ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina jentilisa. Faly ireo rahalahy rehefa nandre izany, ary “nihamaro isan-andro” ny fiangonana. Nahazo valin-teny niorina tamin’ny Soratra Masina ireo Kristianina nanaraka ny toromarika nazava avy tamin’Andriamanitra ireo. (Asan’ny Apostoly 15:19-23, 28, 29; 16:1-5) Mbola nisy fanontaniana lehibe iray tsy voavaly anefa.

Ahoana ny amin’ireo Kristianina jiosy?

12. Inona no fanontaniana mbola tsy voavaly?

12 Nilaza mazava ny filan-kevi-pitantanana fa tsy voatery hoforana ny Kristianina jentilisa. Ahoana anefa ny amin’ireo Kristianina jiosy? Tsy voaresaka mazava tao amin’ilay fanapahan-kevitry ny filan-kevi-pitantanana izany.

13. Nahoana no diso ny filazana fa tsy maintsy nanaraka ny Lalàn’i Mosesy ny olona mba ho voavonjy?

13 Nisy Kristianina jiosy “fatra-pitana ny lalàna”, ka namora ny zanany sy nanao ny zavatra sasany notakin’ny Lalàna. (Asan’ny Apostoly 21:20) Ny hafa aza nanizingizina mihitsy fa tsy maintsy manaraka ny Lalàna ny Kristianina jiosy mba ho voavonjy. Tena diso hevitra anefa izy ireo. Ahoana moa no hahazoan’ny Kristianina famelan-keloka, amin’ny alalan’ny sorona biby? Efa lany andro izany, noho ny soron’i Kristy. Ary moa ve tsy mandrara ny Jiosy tsy hifandray amin’ny Jentilisa ny Lalàna? Tena ho sarotra tamin’ny Kristianina nazoto nitory ny filazantsara ny hankatò izany sady hanatanteraka ilay asa nanirahana azy, dia ny hampianatra ny Jentilisa ny zava-drehetra nampianarin’i Jesosy. (Matio 28:19, 20; Asan’ny Apostoly 1:8; 10:28) * Tsy misy porofo mampiseho hoe nohazavaina nandritra ny fivorian’ny filan-kevi-pitantanana izany raharaha izany. Nahazo fanampiana ihany anefa ny fiangonana.

14. Inona no tari-dalana mahakasika ny Lalàna, hita tao amin’ireo taratasy ara-tsindrimandry nosoratan’i Paoly?

14 Nahazo tari-dalana izy ireo, saingy tsy tamin’ny alalan’ny taratasin’ny filan-kevi-pitantanana, fa taratasy ara-tsindrimandry nosoratan’ireo apostoly. Nandefasan’ny apostoly Paoly taratasy nandresy lahatra, ohatra, ny Jiosy sy Jentilisa tany Roma. Nilaza izy fa ny tena Jiosy dia ‘izay araka ny miafina, ary ny famorana dia amin’ny fo, amin’ny fanahy.’ (Romana 2:28, 29) Nanao fanoharana koa izy tao amin’ilay taratasy, mba hanaporofoana fa tsy fehezin’ny Lalàna intsony ny Kristianina: Nilaza izy fa tsy afaka manambady lehilahy roa ny vehivavy iray, fa rehefa maty ny vadiny, vao afaka manambady olon-kafa izy. Nanazava an’ilay fanoharana i Paoly avy eo, ka nampiseho fa tsy afaka ny hankatò ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina voahosotra, no sady ho vadin’i Kristy. Tsy maintsy “maty ny amin’ny lalàna” izy ireo, mba ho vadin’i Kristy.​—Romana 7:1-5.

Tsy nazava tamin’izy ireo avy hatrany ilay raharaha

15, 16. Nahoana no tsy azon’ny Kristianina jiosy sasany fa tsy fehezin’ny Lalàna intsony izy ireo? Hazavao, araka izany, hoe nahoana isika no mila ho mailo ara-panahy hatrany.

15 Tsy azo nokianina ny fanjohian-kevitr’i Paoly nahakasika ny Lalàna. Nahoana àry no tsy azon’ny Kristianina jiosy sasany fa tsy fehezin’ny Lalàna intsony izy ireo? Satria tsy nahatakatra hevi-dalina ara-panahy izy ireo. Nataon’izy ireo tsirambina, ohatra, ny ventin-kanina ara-panahy. (Hebreo 5:11-14) Tapatapaka koa izy ireo tamin’ny fivoriana kristianina. (Hebreo 10:23-25) Tsy takatry ny sasany koa fa tsy nofehezin’ny Lalàna intsony izy ireo, noho ny toetoetry ny Lalàna. Nifototra tamin’ny zavatra hita maso sy azo notsapain-tanana mantsy ny fivavahana, teo ambanin’ny Lalàna. Teo, ohatra, ny tempoly sy ny mpisorona. Mora kokoa ho an’ny olona tsy ampy finoana ny nanaraka ny Lalàna, toy izay hanaraka ireo toro lalana lalina omen’ny Kristianisma, izay nifototra tamin’ny zavatra tsy hita maso.​—2 Korintiana 4:18.

16 Hita ao amin’ny taratasin’i Paoly ho an’ny Galatianina, ny antony iray hafa nahatonga ny Kristianina sasany hazoto hanaraka ny Lalàna. Nohazavainy fa te hohajain’ny olona izy ireo, te hoheverina ho mpanaraka ny fivavahan’ny besinimaro. Tsy te hiavaka izy ireo, fa vonona hilefitra foana mba hitoviana amin’ny manodidina. Aleony nahazo sitraka avy tamin’olona, toy izay avy tamin’Andriamanitra.​—Galatiana 6:12.

17. Oviana vao tena nazava ny hevitra marina momba ny fanarahana ny Lalàna?

17 Nanatsoaka hevitra marina momba ny Lalàna, ny Kristianina nandinika sy nianatra tsara ny soratra ara-tsindrimandry nataon’i Paoly sy ny hafa. Tamin’ny taona 70 anefa vao tena nazava tamin’ny Kristianina jiosy rehetra, ny hevitra marina momba ny Lalàn’i Mosesy. Navelan’Andriamanitra horavana i Jerosalema sy ny tempoliny ary ny horonan-taratasin’ny mpisorona tamin’izay. Noho izany, dia tsy nisy afaka nanaraka an-tsakany sy an-davany intsony ny zava-drehetra notakin’ny Lalàna.

Aoka isika handray lesona avy amin’izany

18, 19. a) Inona no toe-tsaina tsy maintsy ananantsika, ary inona no toe-tsaina tsy tokony hananantsika, mba ho salama ara-panahy foana isika? b) Ahoana no tokony handraisantsika ny toromarika avy amin’ireo mpiandraikitra, araka ny ohatra navelan’i Paoly? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 24.)

18 Rehefa avy nandinika ireo zava-niseho fahiny ireo ianao, dia angamba manontany tena hoe: ‘Raha niaina tamin’izany andro izany aho, ho nanao ahoana ny fihetsiko, rehefa nihanazava ny sitrapon’Andriamanitra? Ho nitana mafy ny hevitra nahazatra momba ny Lalàna ve aho? Sa ho naharitra ve aho, ka ho niandry tsara mandra-pivoakan’ilay fanazavana marina? Ary rehefa nivoaka izany fanazavana izany, ho nanaraka izany tamin’ny foko rehetra ve aho?’

19 Mazava ho azy fa tsy azontsika antoka hoe ho nanao ahoana ny fihetsitsika, raha niaina tamin’izany andro izany isika. Afaka manontany tena anefa isika hoe: ‘Manao ahoana ny fihetsiko ankehitriny, rehefa ahitsy ny fanazavana ara-baiboly sasany? (Matio 24:45) Miezaka manaraka ny toromarika ara-baiboly omena ve aho, sady miezaka hahatakatra ny votoatiny, fa tsy manizingizina ny hanarahana ilay izy amin’ny an-tsipiriany fotsiny? (1 Korintiana 14:20) Maharitra ve aho ka miandry an’i Jehovah, rehefa misy fanontaniako mbola tsy voavaly?’ Tena mila mandray ny sakafo ara-panahy atolotra antsika isika, mba tsy “hindaosina hiala.” (Hebreo 2:1) Aoka isika hihaino tsara, rehefa manome toromarika i Jehovah, amin’ny alalan’ny Teniny sy ny fanahiny ary ny fandaminany eto an-tany. Raha manao izany isika, dia hanome antsika fiainana mandrakizay mahasambatra sy mahafa-po i Jehovah.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 13 Nifandray tsara tamin’ireo Jentilisa mpino i Petera, fony izy tany Antiokia, any Syria. ‘Nihataka sy niala tamin’izy ireo anefa izy’, rehefa tonga ny Kristianina jiosy avy tany Jerosalema, ‘satria natahotra an’ireo momba ny famorana’ izy. Azontsika sary an-tsaina ny alahelon’ireo Jentilisa lasa Kristianina, rehefa tsy nety niara-nisakafo tamin’izy ireo ilay apostoly nohajaina.​—Galatiana 2:11-13.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana ny Lalàn’i Mosesy no atao hoe ‘mpitaiza ho amin’i Kristy’?

• Nahoana no samy hafa ny fihetsik’i Petera sy ny an’ireo mpomba ny famorana, rehefa nahitsy ny fahatakarana ny fahamarinana?

• Inona no nianaranao momba ny fomba anambaran’i Jehovah ny fahamarinana ankehitriny?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 24]

Nanetry Tena i Paoly Rehefa Notsapaina

Tonga tany Jerosalema i Paoly tamin’ny taona 56, rehefa nahavita dia misionera nahomby. Nisy fitsapana niandry azy tany. Ren’ny fiangonana tany fa nampianatra izy hoe efa lany andro ny Lalàna. Natahotra ireo anti-panahy sao ho tafintohina ireo Jiosy vao lasa Kristianina, noho i Paoly nivantambantana niresaka momba ny Lalàna. Nanahy koa izy ireo hoe mety hanatsoaka hevitra ireo Jiosy ireo, fa tsy manaja ny fandaharan’i Jehovah ny Kristianina. Nanao voady ny Kristianina jiosy efatra teo anivon’ilay fiangonana, angamba voady ho Nazirita. Tsy maintsy nankany amin’ny tempoly izy ireo mba hanefana ilay voady.

Nasain’ireo anti-panahy niaraka tamin’izy ireo hankany amin’ny tempoly sy handoa ny vola nilain’izy ireo i Paoly. Taratasy roa ara-tsindrimandry, fara fahakeliny, no efa nosoratan’i Paoly, nilaza fa tsy voatery hanaraka ny Lalàna ny olona vao ho voavonjy. Nanaja ny fieritreretan’ny hafa anefa izy. Efa nanoratra izy talohan’izay hoe: ‘Tamin’izay ambanin’ny lalàna, dia tonga toy izay ambanin’ny lalàna aho, mba hahazoako izay ambanin’ny lalàna.’ (1 Korintiana 9:20-23) Tsy nilefitra mihitsy i Paoly, rehefa nisy toro lalana lehibe avy tao amin’ny Soratra Masina tafiditra tamin’ny raharaha sasany. Nihevitra anefa izy tamin’izay fa tsy nampaninona ny nanaiky ny torohevitr’ireo anti-panahy. (Asan’ny Apostoly 21:15-26) Tsy diso izy tamin’izany. Tsy raran’ny Soratra Masina ny fanaovana voady, ary nampiasaina tamin’ny fivavahana madio ny tempoly, fa tsy tamin’ny fanompoan-tsampy. Nataon’i Paoly àry izay nangatahina taminy, mba tsy hanafintohinana ny olona. (1 Korintiana 8:13) Azo antoka fa tsy maintsy nanetry tena be izy mba hanaovana izany, hany ka vao mainka isika manaja azy.

[Sary, pejy 22, 23]

Tsy nitovy hevitra momba ny Lalàn’i Mosesy ny Kristianina, nandritra ny taona maromaro