Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny Olona

Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny Olona

Tahafo ny Fomba Fijerin’i Jehovah ny Olona

“Tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah.”​—1 SAMOELA 16:7.

1, 2. Inona no naha samy hafa ny fomba fijerin’i Jehovah an’i Eliaba sy ny fomba fijerin’i Samoela azy, ary inona no ianarantsika avy amin’izany?

NANIRAKA mangingina an’i Samoela mpaminany i Jehovah mba hanao asa manokana iray, tamin’ny taonjato faha-11 Talohan’i Kristy. Nandidy azy hankany an-tranon’i Jese izy, ary hanosotra ny iray tamin’ny zanany ho mpanjakan’ny Isiraely. Rehefa nahita an’i Eliaba, lahimatoan’i Jese, i Samoela, dia natoky tanteraka fa izy no nofidin’Andriamanitra. Hoy anefa i Jehovah: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.” (1 Samoela 16:6, 7) Tsy nitovy tamin’ny an’i Jehovah ny fomba fijerin’i Samoela an’i Eliaba. *

2 Mora manatsoaka hevi-diso tokoa ny olombelona! Voafitaka isika indraindray, satria voasariky ny olona tsara ivelany, nefa maty eritreritra, raha ny tena marina. Misy olona tsy mihatsaravelatsihy kosa, nefa mety hitsara azy amin’ny fomba henjana sy masiaka isika, satria misy toetrany mahasosotra antsika.

3, 4. a) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona ny Kristianina roa, raha misy olana eo amin’izy ireo? b) Inona avy no fanontaniana tokony hapetratsika amin’ny tenantsika, rehefa mifanditra mafy amin’ny mpiara-manompo amintsika isika?

3 Mety hipoitra ny olana, rehefa maika hitsara ny hafa isika, eny fa na dia ireo olona fantatsika hatry ny ela aza. Angamba nifanditra mafy tamin’ny Kristianina iray ianao, nefa mpinamana be ianareo taloha. Te hihavana aminy indray ve ianao? Inona no hanampy anao hanao izany?

4 Nahoana raha maka fotoana handinihana tsara an’io rahalahinao na anabavinao io, ka hifantoka amin’ny toetra tsarany? Tadidio koa ireto tenin’i Jesosy ireto: “Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ny Ray Izay naniraka Ahy.” (Jaona 6:44) Manontania tena avy eo hoe: ‘Nahoana i Jehovah no nitaona an’io olona io ho amin’ny Zanany? Inona avy no toetra tsarany? Nanjary tsy niraharaha na nanamaivana an’ireo toetrany ireo ve aho? Inona tokoa moa no nahatonga anay ho mpinamana? Inona no nahasarika ahy taminy?’ Mety ho sarotra aminao ny hahita ny toetra tsarany amin’ny voalohany, indrindra raha efa elaela ianao no sosotra taminy. Tena ilaina anefa izany mba hamitranana ny fihavananareo. Haka ohatra isika izao hanazavana ny fomba hanaovana izany, ka hitady ny toetra tsaran’ny lehilahy roa, izay kianina indraindray. Tsy iza izy ireo fa ny mpaminany Jona sy ny apostoly Petera.

Diniho tsara ny toetran’i Jona

5. Inona no asa nanirahana an’i Jona, ary inona no nataony?

5 Mpaminany teo amin’ny fanjakan’ny Isiraely tany avaratra i Jona, tamin’ny andron’ny Mpanjaka Jeroboama II, zanak’i Joasy. (2 Mpanjaka 14:23-25) Nandidy azy handao an’i Isiraely i Jehovah indray andro, ka naniraka azy hankany Ninive, renivohitry ny fanjakana asyrianina nahery be. Inona no asa nanirahana azy? Nasaina nilaza tamin’ny mponina tany izy hoe ho rava ny tanàna lehiben’izy ireo. (Jona 1:1, 2) Tsy nankatò an’Andriamanitra anefa i Jona, fa nandositra! Nandray sambo hankany Tarsisy, lavitra an’i Ninive, izy.​—Jona 1:3.

6. Nahoana i Jehovah no nifidy an’i Jona hankany Ninive?

6 Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mahatsiaro an’i Jona ianao? Mpaminany tsy mankatò ve no fiheveranao azy? Mety hanatsoaka izany hevitra izany tokoa isika, raha mandinika azy maimaika fotsiny. Andriamanitra anefa ve dia hanendry an’i Jona ho mpaminany, raha tsy mpankatò izy? Mazava ho azy fa tsia! Tsy maintsy ho nanana toetra tsara àry i Jona. Diniho ny zava-bitan’io mpaminany io.

7. Nanao ahoana ny toe-javatra niainan’i Jona fony izy nanompo an’i Jehovah tany Isiraely, ary ahoana no tokony ho fomba fijerintsika azy, noho izany?

7 Raha ny marina, dia mpaminany tsy nivadika i Jona, ary niasa mafy tany Isiraely, na dia tena vitsy aza no nandray ny hafatra nentiny. Nilaza i Amosa, mpaminany niaina tamin’ny andron’i Jona, fa tia vola sy fahafinaretana loatra ny Isiraelita. * Nisy zava-dratsy teo amin’ny tanin’izy ireo, nefa tsy noraharahainy akory. (Amosa 3:13-15; 4:4; 6:4-6) Tsy nivadika anefa i Jona, fa nitory tamin’izy ireo hatrany, araka ny nanirahana azy. Raha mpitory ny vaovao tsara ianao, dia fantatrao fa tena sarotra ny miresaka amin’ny olona efa afa-po amin’ny fiainany sy tsy miraika amin’ny hafatra entinao. Koa na dia ekentsika aza fa nanana kilema i Jona, dia aoka isika tsy hanadino ny toetra tsarany, dia ny tsy fivadihany sy ny fiaretany, fony izy nitory tamin’ny Isiraelita tsy nanam-pinoana.

8. Inona no zava-tsarotra niandry an’izay mpaminany isiraelita voatendry ho any Ninive?

8 Nisy zava-tsarotra kokoa niandry an’izay voatendry ho any Ninive. Tsy maintsy nandeha an-tongotra tamin’ny lalana 800 kilaometatra i Jona, vao ho tonga any. Sarotra ny dia, ary iray volana teo ho eo no faharetany. Rehefa ho tonga any izy, dia tsy maintsy hitory amin’ny Asyrianina, izay nalaza ho lozabe. Matetika izy ireo no nampijalijaly ny fahavalony, rehefa niady. Nirehareha momba ny habibiany mihitsy aza izy ireo. Tsy mahagaga àry raha nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra” i Ninive!​—Nahoma 3:1, 7.

9. Inona no toetra tsara nasehon’i Jona, rehefa saika maty noho ny tafio-drivotra ireo tantsambo?

9 Tsy te hankatò an’i Jehovah i Jona, ka nandray sambo nitondra azy lavitra ny tany nanendrena azy. Mbola natoky an’ilay mpaminaniny foana anefa i Jehovah, ary tsy nanendry olon-kafa hisolo azy. Niezaka kosa izy nanampy an’i Jona ho tonga saina. Nandefa tafio-drivotra teny amin’ny ranomasina àry izy, ka nahilangilan’ny onja teny ilay sambo nitondra an’i Jona. Efa saika maty ireo lehilahy tsy nanan-tsiny, noho i Jona! (Jona 1:4) Inona àry no nataony? Tsy tiany ho faty noho ny aminy ireo tantsambo, ka hoy izy: “Betao aho, ka atsipazo any anatin’ny ranomasina hahatony ny ranomasina aminareo.” (Jona 1:12) Tsy nisy antony tokony ho nieritreretan’i Jona hoe hamonjy azy i Jehovah, rehefa natsipin’ireo tantsambo tany an-dranomasina tokoa izy. (Jona 1:15) Vonona ny hamoy ny ainy anefa izy hanavotana ireo tantsambo. Tsy hitantsika amin’izany ve fa be herim-po sy nanetry tena ary be fitiavana izy?

10. Inona no nitranga, rehefa naniraka an’i Jona indray i Jehovah?

10 Navotan’i Jehovah i Jona, tamin’ny farany. Tsy afaka nisolo tena an’Andriamanitra intsony anefa ve izy, noho ny nataony? Tsia. Naneho famindram-po sy fitiavana kosa i Jehovah, ka naniraka azy indray hitory tamin’ireo Ninivita. Naneho herim-po i Jona, rehefa tonga tany Ninive, ka nilaza tamin’ny mponina tao fa voamarik’Andriamanitra ny zava-dratsy lehibe nataon’izy ireo, ary ho ringana ny tanànany rehefa afaka 40 andro. (Jona 1:2; 3:4) Nibebaka ireo Ninivita, rehefa nandre ny hafatra nivantana nambaran’i Jona, ka voavotra ny tanànan’izy ireo.

11. Inona no mampiseho fa nianatra lesona sarobidy i Jona?

11 Mbola nisy tsy nety ny fomba fihevitr’i Jona. Nanam-paharetana anefa i Jehovah, ka nanome azy ohatra iray hianarany hoe tsy mianina amin’ny toetra ivelany fotsiny i Jehovah, fa mandinika ny fo. (Jona 4:5-11) Nandray lesona sarobidy tokoa i Jona, araka ny asehon’ny tantara nosoratany tamim-pahatsorana. Izy ihany no nanoratra momba ny kilemany sady nanome tsipiriany mahamenatra, ka porofoin’izany fa tena nanetry tena tokoa izy. Ary ilana herim-po tokoa izany hoe miaiky fahadisoana izany!

12. a) Ahoana no ahafantarantsika fa mitovy ny fomba fijerin’i Jehovah sy Jesosy ny olona? b) Ahoana no tokony ho fomba fijerintsika ny olona itoriantsika ny vaovao tsara? (Jereo ny faritra voafefy eo amin’ny pejy 18.)

12 Nilaza zavatra tsara momba izay nanjo an’i Jona i Jesosy Kristy, taonjato maro tatỳ aoriana. Hoy izy: “Tahaka ny nitoeran’i Jona hateloan’andro sy hateloan’alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona hateloan’andro sy hateloan’alina ao anatin’ny tany.” (Matio 12:40) Rehefa hatsangana amin’ny maty i Jona, dia ho fantany fa nampitahain’i Jesosy tamin’ny fotoana nijanonany tao am-pasana, ilay fotoana nanjombona teo amin’ny fiainany. Tsy faly ve isika manompo Andriamanitra, izay matoky ny mpanompony foana, na dia manao fahadisoana aza izy ireo? Hoy ny mpanao salamo: “Tahaka ny fiantràn’ny ray ny zanany no fiantràn’i Jehovah izay matahotra Azy; fa Izy mahalala ny toetsika ka mahatsiaro fa vovoka isika.” (Salamo 103:13, 14) Tena mahavita zavatra betsaka mihitsy io “vovoka” io, anisan’izany ny olona tsy lavorary ankehitriny, rehefa ampian’ny fanahy masin’Andriamanitra!

Fomba fijery mety momba an’i Petera

13. Inona no toetran’i Petera mety ho tonga ao an-tsaina, nefa nahoana i Jesosy no nifidy azy ho apostoly?

13 Andeha isika izao handinika vetivety ny ohatra faharoa, dia ny apostoly Petera. Raha asaina milaza ny mombamomba an’i Petera ianao, ho tonga ao an-tsainao avy hatrany ve hoe olona taitaitra izy, sady miana-kendry mihitsy aza? Marina fa toy izany izy indraindray. Ho nifidy an’i Petera mba ho iray tamin’ireo apostoliny 12 anefa ve i Jesosy, raha tena taitaitra sy niana-kendry izy? (Lioka 6:12-14) Mazava ho azy fa tsia! Miharihary fa tsy nifantoka tamin’ny kileman’i Petera i Jesosy, fa tamin’ny toetra tsarany.

14. a) Inona no mety ho nahatonga an’i Petera ho sahisahy niteny? b) Nahoana isika no tokony ho faly, noho i Petera nametraka fanontaniana matetika?

14 Nisolo vava ny apostoly hafa i Petera indraindray. Mety hisy hihevitra hoe tsy ampy fanetren-tena izy matoa nanao izany. Voatery ho izany anefa ve no antony? Misy milaza fa nety ho be taona kokoa noho ny apostoly hafa i Petera, angamba be taona noho i Jesosy mihitsy aza. Raha marina izany, dia mety ho izay no nahatonga an’i Petera ho ny voalohany niteny matetika. (Matio 16:22) Tokony hotadidina koa anefa fa tia zavatra ara-panahy i Petera. Tia nametraka fanontaniana izy, satria nangetaheta fahalalana. Mandray soa avy amin’izany isika. Nanome fanazavana sarobidy maromaro mantsy i Jesosy hamaliana an’i Petera, ary voarakitra ao amin’ny Baiboly izy ireny. Namaly an’i Petera izy, ohatra, rehefa niresaka momba “ny mpitandrin-draharaha mahatoky.” (Lioka 12:41-44) Eritrereto koa ilay fanontanian’i Petera hoe: “Izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao; koa inona ary no ho azonay?” Io no nahatonga an’i Jesosy hampahery sy hampanantena hoe: “Izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany, noho ny anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay.”​—Matio 15:15; 18:21, 22; 19:27-29.

15. Nahoana no azo lazaina fa tena tsy nivadika i Petera?

15 Nanana toetra tsara hafa i Petera, dia ny tsy fivadihana. Rehefa nandao an’i Jesosy ny maro tamin’ny mpianany, satria nisy tsy azon’izy ireo ny fampianarany, dia nisolo tena ny apostoly 12 i Petera, ka niteny avy hatrany hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ny fiainana mandrakizay.” (Jaona 6:66-68) Tsy maintsy ho nahafaly ny fon’i Jesosy ireo teny ireo! Nandositra ny ankamaroan’ny apostoly tatỳ aoriana, rehefa nisy vahoaka romotra tonga nisambotra ny Tompo. Nanaraka an’ilay vahoaka anefa i Petera, ary sahy niditra teo an-tokotanin’ny mpisoronabe mihitsy aza. Herim-po fa tsy hakanosana no nanosika azy hanao izany. Niara-nitanina afo tamin’ny Jiosy maromaro izy, rehefa nofotopotorana i Jesosy. Nahatadidy azy ny iray tamin’ny mpanompon’ny mpisoronabe, ka niampanga azy ho niaraka tamin’i Jesosy. Nanda ny Tompony tokoa i Petera tamin’izay. Aoka anefa tsy hohadinointsika fa ny tsy fivadihany sy ny fiahiany an’i Jesosy no nahatonga azy ho tao anatin’io toe-javatra nampidi-doza io. Ny ankamaroan’ireo apostoly aza tsy sahy niatrika izany akory.​—Jaona 18:15-27.

16. Nahoana isika no nandinika ny toetra tsaran’i Jona sy Petera?

16 Nihoatra lavitra noho ny kileman’i Petera ny toetra tsarany. Toy izany koa i Jona. Manjary tsara kokoa noho ny mahazatra izao ny fomba fijerintsika azy roa lahy ireo. Tsy maintsy mizatra koa àry isika mba hijery ny toetra tsaran’ireo rahalahy sy anabavintsika kristianina. Hifandray tsara kokoa amin’izy ireo isika amin’izay. Nahoana no tena ilaina ny mijery ny toetra tsaran’ny hafa?

Aoka isika handray lesona avy amin’izany

17, 18. a) Inona no mety hahatonga disadisa eo amin’ny Kristianina? b) Inona no torohevitry ny Baiboly afaka manampy antsika handamina izany?

17 Miara-manompo an’i Jehovah izao ny lehilahy sy vehivavy ary ankizy avy amin’ny foko isan-karazany, sy tsy mitovy fari-piainana sy fanabeazana. (Apokalypsy 7:9, 10) Ahitana toetra maro samihafa tokoa eo anivon’ny fiangonana kristianina! Tsy maintsy hisy disadisa àry indraindray, satria mifanerasera akaiky isika mpanompon’Andriamanitra.​—Romana 12:10; Filipiana 2:3.

18 Tsy mody tsy mahita ny kileman’ireo rahalahintsika isika, nefa tsy mifantoka amin’izy ireny koa. Miezaka ho toa an’i Jehovah isika. Hoy ny mpanao salamo momba azy: “Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, iza no hahajanona, Tompo ô?” (Salamo 130:3) Tsy mifantoka amin’ireo toetra mety hampisaraka antsika isika, fa ‘miezaka mitady ny fiadanana sy ny fifampandrosoana.’ (Romana 14:19) Miezaka hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah ny olona isika, ka tsy mifantoka amin’ny fahadisoany, fa amin’ny toetra tsarany. Manampy antsika ‘hifandefitra’ izany.​—Kolosiana 3:13.

19. Milazà dingana azon’ny Kristianina arahina mba handaminana olana lehibe.

19 Ahoana kosa anefa raha tsy voalamintsika ilay olana, fa mbola marary foana ny fontsika? (Salamo 4:4) Misy olana toy izany ve eo aminao sy ny mpiray finoana aminao? Nahoana raha ezahina halamina ilay raharaha? (Genesisy 32:14-16) Mivavaha aloha amin’i Jehovah, ary mangataha tari-dalana aminy. Avy eo dia manatòna an’ilay mpiray finoana aminao “amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena”, sady ataovy an-tsaina ny toetra tsarany. (Jakoba 3:13) Lazao aminy fa te hihavana aminy indray ianao. Tadidio izao torohevitra ara-tsindrimandry izao: “Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny, ho malain-ko tezitra.” (Jakoba 1:19) Mety hanao zavatra na teny mety hampahatezitra anao ilay olona, matoa toroana hevitra isika mba “ho malain-ko tezitra.” Mivavaha amin’i Jehovah mba hanampiany anao hifehy tena, raha mitranga izany. (Galatiana 5:22, 23) Avelao ilay rahalahinao hamboraka ny ao am-pony, ary henoy tsara izy. Aza manapaka ny teniny, na dia misy tsy ekenao aza ny zavatra lazainy. Mety ho diso ny heviny, nefa tokony hekenao fa izay no heviny. Miezaha hahatakatra ny fomba fijeriny an’ilay zava-manahirana. Angamba mila miezaka hamantatra ny fomba fijeriny anao koa ianao.​—Ohabolana 18:17.

20. Nahoana no zava-dehibe ny mihaino tsara alohan’ny hamaliana, rehefa mandamina disadisa?

20 Aoka ianao ho tsara fanahy, rehefa anjaranao ny miteny. (Kolosiana 4:6) Lazao amin’ilay rahalahinao ny toetrany tianao. Mialà tsiny noho izay nataonao, ka nahatonga anareo tsy hifankahazo. Raha mihavana indray ianareo, satria ianao nanetry tena toy izany, dia misaora an’i Jehovah. Raha tsy izany, dia mangataha foana tari-dalana aminy, ary mitadiava fomba hihavanana indray.​—Romana 12:18.

21. Hazavao hoe tamin’ny fomba ahoana ity dinidinika ity no nanampy anao hanahaka ny fomba fijerin’i Jehovah ny olona.

21 Tian’i Jehovah ny mpanompony rehetra. Faly izy mampiasa antsika rehetra na dia tsy lavorary aza isika. Mitombo ny fitiavantsika ireo rahalahy sy anabavintsika, rehefa mianatra bebe kokoa momba ny fomba fijerin’i Jehovah azy ireo isika. Raha nihena ny fitiavantsika ny Kristianina iray, dia azo velomina indray. Handray valisoa lehibe isika, raha tapa-kevitra ny hifantoka amin’ny toetra tsaran’ny olon-kafa, sahala amin’i Jehovah!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 1 Hita tatỳ aoriana fa tsy nanana ny toetra nilaina mba ho mpanjakan’ny Isiraely i Eliaba tsara tarehy. Rehefa nihantsy ny Isiraelita hiady taminy, ohatra, ilay Filistinina goavam-be atao hoe Goliata, dia nitakemotra noho ny tahotra i Eliaba sy ny Isiraelita hafa.​—1 Samoela 17:11, 28-30.

^ feh. 7 Toa nampitombo ny harenan’ny fanjakana tany avaratra i Jeroboama II, noho ny fandresena lehibe sasany sy ny fakana indray ny faritany sasany lasan’ny fahavalo ary ny fanangonana hetra.​—2 Samoela 8:6; 2 Mpanjaka 14:23-28; 2 Tantara 8:3, 4; Amosa 6:2.

Ahoana no Havalinao?

• Ahoana no fomba fijerin’i Jehovah ny kileman’ny mpanompony tsy mivadika aminy?

• Inona avy no toetra tsaran’i Jona sy Petera azonao tanisaina?

• Ahoana foana no tokony ho fomba fijerinao an’ireo rahalahinao kristianina?

[Fanontaniana]

[Efajoro, pejy 18]

Tadidio ny Fomba Fijerin’Andriamanitra ny Olona

Eo am-pandinihana ny tantaran’i Jona, hitanao ve fa mila manova ny fomba fijerinao ny olona itorianao ny vaovao tsara ianao? Toa afa-po amin’ny fiainany sy tsy miraharaha, toy ny Isiraelita, angamba izy ireo. Toa manohitra ny hafatr’Andriamanitra mihitsy aza angamba ny sasany. Ahoana anefa no fomba fijerin’i Jehovah Andriamanitra azy ireo? Mety hanatona an’i Jehovah, na dia ireo olona ambony eto amin’ity tontolo ity aza, toa an’ilay mpanjaka ninivita izay nibebaka, noho ny fitorian’i Jona.​—Jona 3:6, 7.

[Sary, pejy 15]

Manahaka ny fomba fijerin’i Jehovah ny olona ve ianao?

[Sary, pejy 16, 17]

Nilaza zavatra tsara momba izay nanjo an’i Jona i Jesosy