Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?

Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?

Tokony Hianatra any An-tsekoly ve ny Zanako?

ERITRERETO hoe tsy hainao ny mamaky an’ireto soratra ireto. Eritrereto koa hoe tsy hainao ny manondro ny toerana misy ny firenenao, eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao. Ankizy maro no mihalehibe, nefa tsy mahay an’ireo zavatra ireo akory. Ary ny zanakao?

Tokony hianatra any an-tsekoly ve izy? Tsy maintsy mahavita fianarana any amin’ny lise ny ankizy any amin’ny tany maro, ary matetika izany no tsy andoavam-bola. Voalaza ao amin’ny Fifanekena Momba ny Zon’ny Ankizy, fa anisan’ny zo lehibe indrindra ananany ny fianarana any an-tsekoly. Resahina ao amin’ny Fanambarana Iraisam-pirenena Momba ny Zon’olombelona koa izany. Mety handoavam-bola anefa ny fianarana, any amin’ny tany sasany, ka angamba tsy zakan’ny ray aman-dreny. Andeha hojerentsika araka ny fomba fijerin’ny ray aman-dreny kristianina io olana io. Tian’izy ireo hahay hamaky teny sy hanoratra mantsy ny zanany, ka alefany any an-tsekoly na ampianariny amin’ny fomba hafa.

Olona nahay namaky teny sy nanoratra resahin’ny Baiboly

Nahay namaky teny sy nanoratra ny ankamaroan’ny mpanompon’Andriamanitra resahina ao amin’ny Baiboly. Jiosy sady mpanjono i Petera sy Jaona, apostolin’i Jesosy, nefa tamin’ny teny grika no nanoratany ny bokiny ao amin’ny Baiboly, fa tsy tamin’ny tenim-paritra galilianina nampiasainy. * Azo inoana fa nataon’ny ray aman-dreniny izay hahaizany hamaky teny sy hanoratra. Toy izany koa ny olon-kafa nanoratra ny Baiboly, toa an’i Davida mpiandry ondry, sy ilay tantsaha atao hoe Amosa, ary Joda rahalahin’i Jesosy iray reny taminy, izay angamba mpandrafitra.

Nahay namaky teny sy nanoratra koa i Joba, ary hita avy amin’ny bokiny ao amin’ny Baiboly, fa nanana fahalalana momba ny siansa izy. Angamba nahay nanoratra tononkalo koa izy, satria miendrika tononkalo ny teniny, nosoratana ao amin’ny bokiny. Fantatsika koa fa nahay namaky teny sy nanoratra ny Kristianina voalohany, satria nisy fanazavana fohy momba ny Soratra Masina, izay angamba nosoratan’izy ireo, hita tamin’ny tanimanga.

Tena ilain’ny Kristianina ny fianarana

Mila mampitombo ny fahalalany ny Baiboly ny Kristianina rehetra, raha te hampifaly an’Andriamanitra. (Filipiana 1:9-11; 1 Tesaloniana 4:1) Mampandroso ara-panahy ny fianarana tsara ny Soratra Masina sy ireo boky miorina aminy. Nampanoratra ny Teniny ho an’ny mpivavaka aminy Andriamanitra, ka antenainy ny hahaizan’izy ireo hamaky teny, araka izay vitany. Ho mora kokoa amintsika ny hampihatra ny torohevitra ao anatin’ny Baiboly, raha azontsika izay vakintsika. Mety ho voatery hamaky andininy sasany imbetsaka mihitsy aza isika, vao hahazo tsara ny heviny ka ho afaka hisaintsaina izany.​—Salamo 119:104; 143:5; Ohabolana 4:7.

Isan-taona, ny vahoakan’i Jehovah dia mahazo boky sy gazety mahasoa maro be, avy amin’ny “mpanompo mahatoky sy manan-tsaina.” (Matio 24:45-47) Miresaka ny fiainam-pianakaviana, fomba amam-panao, fivavahana, siansa, ary foto-kevitra maro hafa ireny boky sy gazety ireny. Ny zava-dehibe indrindra, dia ahitana torohevitra avy amin’ny Soratra Masina momba ny fivavahana izy ireny. Tsy handray soa amin’ireny fanazavana tena lehibe ireny ny zanakao, raha tsy mahay mamaky teny.

Zava-dehibe ny mianatra ny tantaran’ny olombelona, satria manampy antsika hahatakatra ny antony hilana ny Fanjakan’Andriamanitra izany. Ilaina koa ny fahalalana ankapobe momba ny jeografia. Miresaka toerana maro ny Baiboly, toa an’i Isiraely sy Ejipta ary Gresy. Mahay manondro an’ireo toerana ireo eo amin’ny sarintanin’izao tontolo izao ve ny zanakao? Hitany ve hoe aiza ny taniny? Mety ho sarotra amin’ny olona iray mihitsy aza ny hamita tsara ny fanompoany any amin’ny toerana anendrena azy, raha tsy mahay mamaky sarintany izy.​—2 Timoty 4:5.

Andraikitra eo anivon’ny fiangonana

Manana andraikitra maro ilana famakian-teny ny anti-panahy kristianina sy ny mpanampy amin’ny fanompoana. Misy anjara ilaina homanina, ohatra, amin’ny fivorian’ny fiangonana. Ilaina hosoratana koa ny isan’ny boky sy gazety ananan’ny fiangonana sy ny vola fanomezana. Ho sarotra be amin’ny olona iray ny hamita tsara ireo andraikitra ireo, raha tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy.

Misy mpiasa an-tsitrapo any amin’ny Betela maneran-tany. Mba hifampiresahany tsara amin’ny olona sy hahavitany ny asany, toy ny fandikan-teny na fanamboarana milina, dia tsy maintsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. Ilain’ny zanakao koa izany, raha te hanana ireo andraikitra ireo izy. Inona koa no antony hafa tokony hianarany any an-tsekoly?

Fahantrana sy finoanoam-poana

Mety ho tsy afa-manoatra ny olona mahantra, amin’ny toe-javatra sasany. Tsy voatery hijaly anefa isika sy ny zanatsika, raha nahazo fianarana ampy. Miady mafy amin’ny fiainana ny maro amin’ireo tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Tsy voatsabo ny ankizy sasany, ka maty, satria kely karama ny ray aman-dreniny. Ny ray aman-dreny mihitsy aza no maty indraindray. Matetika no tsy ampy sakafo sy mipetraka amin’ny trano tsizarizary ny olona tsy nianatra firy, na tsy nianatra mihitsy. Mety hanampy àry ny fianarana, na, fara faharatsiny, ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.

Tsy mora minomino foana koa ny olona nianatra. Marina fa maro amin’ireo nahita fianarana koa no minomino foana. Mora fitahina sy hararaotina kokoa anefa ny olona tsy nianatra, satria tsy mahay mamaky boky manazava ireny fitaka ireny. Mora minomino foana àry izy ireo mazàna, raha oharina amin’ny olon-kafa. Mino koa izy ireo matetika fa afaka manao fanasitranana mahagaga ny mpanao ody.​—Deoteronomia 18:10-12; Apokalypsy 21:8.

Tsy mba hahazoana asa fotsiny

Maro no mihevitra fa ny hahazoana vola no tena antony hianarana. Tsy an’asa anefa ny olona sasany nahita fianarana, na zara raha mahazo vola hividianany izay tena ilainy. Mety hisy ray aman-dreny hieritreritra àry fa tsy ilaina ny handefasana ny zanany any an-tsekoly. Tsy mampiofana ny ankizy mba hahazo vola fotsiny anefa ny fianarana, fa mampiofana azy ho amin’ny fiainana ankapobe koa. (Mpitoriteny 7:12) Raha nianatra ny olona iray, dia ho moramora kokoa aminy ny hifandray amin’ny dokotera na ny manam-pahefana, na ny mpiasan’ny banky. Lasa mahazatra azy mihitsy aza izany, fa tsy hampahatahotra azy.

Mety hasaina hampiofanin’ny olona mpandatsa-biriky, mpanjono, mpanjaitra, na mpanao asa tanana hafa ny ankizy tsy nianatra, any amin’ny toerana sasany. Mahasoa ny mianatra asa tanana, nefa raha tsy nianatra tany an-tsekoly mihitsy ireny ankizy ireny, dia tsy hahay hamaky teny sy hanoratra tsara. Raha nanao izany kosa izy talohan’ny nianarany asa tanana, dia azo antoka fa tsy ho mora hararaotin’ny olona ary ho tsara kokoa ny fiainany.

Mpandrafitra i Jesosy avy any Nazareta, ary angamba nampiofanin’i Josefa, rainy nitaiza azy. (Matio 13:55; Marka 6:3) Nahay namaky teny sy nanoratra koa i Jesosy, satria efa afaka nifampidinika tsara tamin’ireo lehilahy nahita fianarana tao amin’ny tempoly izy, tamin’izy 12 taona. (Lioka 2:46, 47) Tsy nisakana an’i Jesosy tsy hianatra zavatra hafa ny fianarany nandrafitra.

Tokony hianatra koa ve ny ankizivavy?

Ny zanany lahy ihany indraindray, no alefan’ny ray aman-dreny any an-tsekoly. Angamba mieritreritra izy ireo hoe lafo loatra raha ampianarina ny zanany vavy. Mihevitra koa angamba izy ireo fa afaka manampy kokoa ny reniny ny ankizivavy, raha mijanona ao an-trano mandritra ny andro. Hiteraka olana ho an’ny ankizivavy anefa ny tsy fahaizany mamaky teny sy manoratra. Hoy ny boky navoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza (UNICEF): “Hita tamin’ny fandinihana maro, fa anisan’ny fomba tsara indrindra handresena ny fahantrana, ny fampianarana ny ankizivavy.” (Fahantrana sy Ankizy: Leson’ireo Taona 1990 ho An’ny Tany Tsy Mandroso Indrindra, anglisy) Mahay miatrika kokoa ny olana eo amin’ny fiainana ny ankizivavy nianatra, ary mahay mandray fanapahan-kevitra tsara kokoa, ho tombontsoan’ny fianakaviana manontolo.

Nisy fanadihadiana natao momba ny isan’ny ankizy latsaka ny dimy taona maty any Bénin, any Afrika Andrefana. Hita fa ankizy 167 ao anatin’ny 1 000 no maty, raha tsy nianatra ny reniny, ary 38 ao anatin’ny 1 000 kosa no maty, raha nahavita fianarana tany amin’ny lise ny reniny. Hoy ny UNICEF: “Miankina betsaka amin’ny fianarana vitan’ny reny àry ny isan’ny ankizy maty eto Bénin. Mitovy amin’izany koa maneran-tany.” Betsaka, araka izany, ny soa mety ho azon’ny zanakao vavy, raha ampianarinao izy.

Ampy ve ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra?

Any amin’izay fiangonana mila izany, dia manokatra kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hanampiana izay tsy mahay mamaky teny. * Manampy ny olona hahay hamaky teny io fandaharana mahasoa io, indrindra hahay hamaky ny fiteniny. Mahasolo ny fianarana any an-tsekoly ve izy io? Tokony hantenainao hampianatra ny zanakao ve ny fiangonana, na dia misy sekoly aza?

Marina fa fandaharana feno fitiavana avy amin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra. Natao ho an’ny olon-dehibe tsy afaka nianatra tany an-tsekoly anefa izy io. Angamba tsy takatry ny ray aman-dreniny fa zava-dehibe ny fianarana, na tsy nisy sekoly tamin’izany. Afaka mianatra ao amin’ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra sahanin’ny fiangonana ireny olona ireny, mba hanampiana azy. Tsy mahasolo ny fianarana any an-tsekoly anefa izy io, ary tsy mitovy amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Tsy ampianarina ao ny taranja toy ny siansa sy matematika ary tantara. Mety ho anisan’ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly kosa ireny taranja ireny.

Matetika no atao amin’ny fitenim-paritra fa tsy amin’ny fiteny ofisialy, ny fampianarana ao amin’io kilasy io, any amin’ny tany sasany any Afrika. Fiteny ofisialy kosa anefa, amin’ny ankapobeny, no ampiasaina any an-tsekoly. Manana tombony kokoa ny ankizy amin’izay, satria betsaka kokoa ny boky sy ny zavatra hafa azo vakina, vita amin’ny fiteny ofisialy. Tsy mahasolo ny fampianarana any an-tsekoly ny kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra, na dia mety hanampy ny ankizy eo amin’ny fianarany aza. Koa tsy tokony hianatra any an-tsekoly àry ve ny ankizy, raha mbola azo atao?

Andraikitry ny ray aman-dreny

Tokony ho Kristianina fakan-tahaka ny lehilahy miandraikitra izay ilain’ny fiangonana eo amin’ny ara-panahy. Tokony hifehy “tsara” ny ankohonany sy ny zanany izy ireo. (1 Timoty 3:4, 12) Raha mifehy “tsara” ny zanatsika isika, dia hanao izay vitantsika mba tsy ho sahirana izy ireo, rehefa lehibe.

Nomen’Andriamanitra andraikitra lehibe ny ray aman-dreny kristianina. Tokony hitaiza ny zanany araka ny Baiboly izy ireo. Tokony hanampy ny zanany ho “tia fahalalana” koa izy ireo. (Ohabolana 12:1; 22:6; Efesiana 6:4) Nanoratra ny apostoly Paoly hoe: “Raha misy tsy mamelona ny azy, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy noho ny tsy mino aza.” (1 Timoty 5:8) Tokony hampianarintsika araka ny tokony ho izy àry ny zanatsika.

Tsy mahafa-po indraindray ny fampianarana any an-tsekoly. Be loatra ny mpianatra, na kely ny volan’ny sekoly, na angamba tsy afa-po amin’ny karamany ny mpampianatra. Zava-dehibe àry ny hijeren’ny ray aman-dreny hatrany ny fianaran’ny zanany. Tsara raha miezaka mifankahalala amin’ny mpampianatra izy ireo, indrindra amin’ny fiandohan’ny taom-pianarana. Azony atao mihitsy aza ny manontany ny fomba azon’ny zanany anatsarana ny fianarany. Mety ho tsapan’ny mpampianatra amin’izay, fa hajaina izy sady tena ilaina. Hanosika azy hampianatra tsara kokoa izany.

Tapany lehibe amin’ny fanabeazana ny ankizy ny fianarana. Hoy ny Ohabolana 10:14: “Ny hendry mirakitra fahalalana.” Marina indrindra izany raha ny amin’ny fahalalana ara-baiboly. Tsy maintsy manana fahalalana betsaka araka izay azony atao ny vahoakan’i Jehovah, na tanora na antitra, mba hanampiany ny olon-kafa eo amin’ny lafiny ara-panahy. Tsy maintsy manao izany koa izy mba ‘hanolorany ny tenany amin’Andriamanitra ho olona voazaha toetra, tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana.’ (2 Timoty 2:15; 1 Timoty 4:15) Tokony hianatra any an-tsekoly àry ve ny zanakao? Azo antoka fa hanaiky ianao, na dia miankina betsaka amin’izay zava-misy ao amin’ny taninao aza izany. Ity anefa misy fanontaniana lehibe kokoa mila valian’ny ray aman-dreny kristianina: ‘Tokony hianatra ve ny zanako?’ Mazava ho azy fa tokony ho “eny” no havalinao, na aiza na aiza misy anao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Tenim-paritra aramianina nampiasaina tany Galilia na tenim-paritra hebreo no fitenin’izy ireo. Jereo ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 1, pejy 150-152, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 25 Jereo ny Mifohaza! 8 Aprily 2001, pejy 8, 9.

[Efajoro/Sary, pejy 12, 13]

RAHA TSY AFAKA MIANATRA ANY AN-TSEKOLY NY ANKIZY

Tsy afaka mianatra any an-tsekoly ny ankizy amin’ny toe-javatra sasany. Lazain’ny gazety Mpitsoa-ponenana (anglisy), ohatra, fa ankizy 1 monja ao anatin’ny 5 no voafidy hianatra any an-tsekoly, any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Mitokona koa indraindray ny mpampianatra, ka mikatona ela be ny sekoly. Angamba lavitra loatra na tsy misy ny sekoly, any amin’ny faritra sasany. Mety ho voaroaka any an-tsekoly koa ny zanaky ny Kristianina noho ny fanenjehana.

Ahoana no azonao anampiana ny zanakao amin’ireo tarehin-javatra ireo? Inona no azonao atao raha maromaro ny zanakao, nefa lafo ny saram-pianarana eo amin’ny faritra misy anao, ka tsy afaka mianatra any an-tsekoly daholo izy rehetra? Ampy andefasana ny iray na roa amin’izy ireo hianatra ve ny volanao? Tsy hanimba azy eo amin’ny ara-panahy ve ny sekoly ampidiranao azy? Mety ho afaka hampianatra ny zavatra ianarany any an-tsekoly amin’ny iray tam-po aminy izy, amin’izay.

Ampianarina ao an-trano ny ankizy, any amin’ny tany sasany. * Ny rainy na ny reniny no mampianatra ilay ankizy mandritra ny ora vitsivitsy isan’andro, amin’ny ankapobeny. Fahiny, dia azo lazaina hoe nahavita nampianatra tsara ny zanany ny ray aman-dreny. Mety ho noho ny fampiofanana tsara avy tamin’i Jakoba rainy, ohatra, no nahatonga an’i Josefa hahay hifehy tsara ny vahoaka, na dia mbola tanora aza izy.

Angamba tsy afaka mianatra toy ny any an-tsekoly ny ankizy any amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana. Mety ho afaka hampiasa ny boky sy gazety avoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa ny ray aman-dreny mba hampianarany ny zanany. Azo ampianarana ny ankizy kely, ohatra, Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly. Misy lahatsoratra mahakasika foto-kevitra maro ao amin’ny gazety Mifohaza! Azo ampiasaina ampianarana siansa ny boky Ny Fiainana​Ahoana no Nisiany? Evolisiona sa Famoronana? (frantsay). Misy sarintanin’izao tontolo izao ao amin’ny Diarin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Miresaka momba ny fiainana sy ny asa fitoriana any amin’ny tany samihafa koa izy io.

Mety ho maro ny soa horaisina, raha voaomana tsara ny fampianarana sady mifanaraka tsara amin’ny fahaizan’ilay ankizy. Raha manohy mamaky teny sy mianatra foana izy, dia ho mora aminy ny haharaka ny fandaharam-pianarana any an-tsekoly, rehefa afaka mianatra any izy, any aoriana any. Afaka manampy ny zanakao ho lasa ankizy mahay ianao, raha vonona sy miezaka ny hampianatra azy. Mety hitondra soa tokoa izany!

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 40 Jereo ilay lahatsoratra hoe “L’enseignement au foyer: est-ce pour vous?”, ao amin’ny Réveillez-vous! 8 Aprily 1993, pejy 9-12.

[Sary]

Inona no azo atao, raha tsy misy sekoly ho an’ny zanakao eo amin’ny faritra misy anao?