Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Nahoana no tsy mitovy ny nomeraon’ireo salamo sy ny andininy ao anatiny, ao amin’ireo fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa?

Ny Baiboly voalohany nisy toko sy andininy dia fandikan-teny frantsay iray natontan’i Robert Estienne tamin’ny 1553. Toa efa ela talohan’izay anefa no nisy fizarazarana ny bokin’ny Salamo, satria izy io dia fitambarana salamo, na hira, maromaro nataon’olona samihafa.

Toa nasain’i Jehovah nanambatra salamo maromaro hampiasaina tamin’ny fanompoam-pivavahana ampahibemaso, aloha i Davida. (1 Tantara 15:16-24) Avy eo dia i Ezra, izay sady mpisorona no ‘mpanora-dalàna nahay’, no toa nanambatra ny bokin’ny Salamo manontolo ho amin’ilay endriny ankehitriny. (Ezra 7:6) Ny bokin’ny Salamo àry dia fitambarana salamo, na hira, maromaro.

Nanao lahateny tao amin’ny synagogan’i Antiokia (Pisidia) ny apostoly Paoly, tamin’ny dia misionera voalohany nataony. Naka teny tao amin’ny bokin’ny Salamo izy, ka nilaza hoe: “Araka ny voasoratra eo amin’ny Salamo faharoa hoe: ‘Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao andro-any.’” (Asan’ny Apostoly 13:33) Mbola ao amin’ny Salamo faharoa, eo amin’ny andininy faha-7, ihany ireo teny ireo, ao amin’ny fandikan-tenin’ny Baiboly ankehitriny. Misy fahasamihafana anefa eo amin’ny nomeraon’ny salamo sasany ao amin’izy ireo. Ny antony dia satria avy tamin’ilay fandikan-teny hebreo antsoina hoe Soratra Masoretika ny fandikan-teny sasany, fa ny hafa kosa avy tamin’ny fandikan-teny grikan’ny Fitopolo, izay vita tamin’ny taonjato faharoa Talohan’i Kristy. Ny fandikan-teny Vulgate, amin’ny teny latinina, ohatra, dia manaraka ny nomeraon’ireo salamo ao amin’ny Fitopolo, ary toy izany koa ny fandikan-teny katolika maro. Ny Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao sy ny hafa kosa nadika avy tamin’ny Soratra Masoretika amin’ny teny hebreo.

Inona avy no tena tsy mampitovy azy ireo? Misy 150 ny isan’ny salamo ao amin’ny Soratra Masoretika. Ao amin’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo, dia natambatra ho iray ihany ny Salamo faha-9 sy ny faha-10, ary natambatra koa ny Salamo faha-114 sy ny faha-115. Ankoatra izany, dia samy nozarainy roa avy ny Salamo faha-116 sy ny faha-147. Mitovy ny tontalin’isan’ireo salamo ao amin’ireo fandikan-teny roa ireo, kanefa latsaka iray amin’ny an’ny Soratra Masoretika kosa ny nomeraon’ny an’ny fandikan-tenin’ny Fitopolo, manomboka eo amin’ny Salamo faha-10 ka hatramin’ny Salamo faha-146. Izany no mahatonga ny Salamo faha-23 mahazatra ho ny Salamo faha-22 ao amin’ny Dikan-tenin’i Douay (anglisy), izay nadika avy tamin’ny Vulgate.

Farany, dia mety ho ny andinin-teny mihitsy koa no tsy mampitovy ireo fandikan-tenin’ny Baiboly samihafa. Nahoana? Satria “noheverin’ny Jiosy ho andininy voalohany ireo teny fampidirana ny salamo”, hoy ny Rakipahalalana (anglisy) navoakan’i McClintock sy Strong. Nanaraka izany ny mpandika teny sasany, fa ny hafa kosa tsy nanaraka. Indraindray aza, raha lava ilay lohateny na teny fampidirana, dia nisaina ho andininy roa izany, ka nitombo koa ny isan’ireo andininy ao amin’ilay salamo.