Manehoa ‘Fahalemem-panahy Amin’ny Olona Rehetra’
Manehoa ‘Fahalemem-panahy Amin’ny Olona Rehetra’
“Mampahatsiarova azy . . . [mba] ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.”—TITOSY 3:1, 2.
1. Nahoana no tsy mora ny maneho fahalemem-panahy?
HOY ny apostoly Paoly: “Aoka hanahaka ahy hianareo, dia tahaka ny anahafako an’i Kristy.” (1 Korintiana 11:1) Miezaka mafy hanao izany ny mpanompon’Andriamanitra rehetra ankehitriny. Tsy mora anefa izany, satria nandova fitiavan-tena avy tamin’ny ray aman-drenintsika voalohany isika, sady nandova toetra ratsy tsy mifanaraka amin’ny ohatr’i Kristy. (Romana 3:23; 7:21-25) Tena afaka maneho fahalemem-panahy anefa isika rehetra, raha miezaka. Tsy ampy anefa ny miantehitra amin’ny herintsika fotsiny. Inona àry no zavatra hafa ilaintsika hatao?
2. Ahoana no ahafahantsika maneho “halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra”?
2 Anisan’ny vokatry ny fanahy masina ny fahalemem-panahy toy ny an’Andriamanitra. Rehefa manaraka ny fitarihan’io fanahy io isika, dia hiharihary kokoa eo amintsika ny vokatr’izy io. Rehefa manao izany ihany isika, vao ho afaka haneho “halemem-panahy rehetra” amin’ny olona rehetra. (Titosy 3:2) Hodinihintsika àry ny fomba anahafantsika an’i Jesosy, ka hahitan’ny olona mifanerasera amintsika “fitsaharana”, na famelombelomana.—Matio 11:29; Galatiana 5:22, 23.
Eo anivon’ny fianakaviana
3. Inona no mitranga eo anivon’ny fianakaviana sasany, ka ahitana taratry ny toe-tsain’izao tontolo izao?
3 Tena ilaina ny fahalemem-panahy eo anivon’ny fianakaviana. Lazain’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa mety hanimba kokoa ny fahasalaman’ny vehivavy ny herisetra ao an-tokantrano, noho ny lozam-piarakodia sy ny tazo mitambatra. Mahakasika herisetra ao an-tokantrano, ohatra, ny ampahefatry ny fitarainana voaray momba ny heloka bevava any Londres, any Angletera. Matetika ny polisy no mifanehatra amin’ny olona ‘mitabataba sy miteny ratsy’ rehefa milaza ny heviny. Misy mihitsy aza mpivady manao “fo-lentika”, ka mamela izany hanimba ny fifandraisany. Taratry “ny fanahin’izao tontolo izao” na toe-tsainy, izany zavatra rehetra mampalahelo izany, ka tsy azo ekena eo anivon’ny fianakaviana kristianina.—Efesiana 4:31; 1 Korintiana 2:12.
4. Inona no vokatry ny fahalemem-panahy eo anivon’ny fianakaviana?
4 Mila ny fanahin’Andriamanitra isika mba tsy hanarahana ny fanaon’ity tontolo ity. “Izay itoeran’ny Fanahin’ny Tompo no itoeran’ny fahafahana.” (2 Korintiana 3:17) Mampiray saina kokoa ny mpivady tsy lavorary ny fitiavana sy fifehezan-tena ary fahari-po. (Efesiana 5:33) Mahafinaritra kokoa ny fiainana ao amin’ny tokantrano misy fahalemem-panahy. Tsy hita ao ny fifamaliana sy fifandirana mampikorontana fianakaviana maro. Zava-dehibe ny teny lazaina, nefa ny fomba ilazana izany no mampita ny ao am-po sy ao an-tsaina. Mandamina ny fifandirana àry ny filazana ny fanahiana amim-pahalemem-panahy. Hoy i Solomona Mpanjaka hendry: “Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.”—Ohabolana 15:1.
5. Nahoana no mahasoa ny fahalemem-panahy eo anivon’ny mpianakavy tsy mitovy finoana?
5 Eo anivon’ny mpianakavy tsy mitovy finoana indrindra no tena ilaina ny fahalemem-panahy. Mety ho voataona hanompo an’i Jehovah mantsy ireo mpanohitra, raha sady malemy fanahy isika no manao zavatra amin-katsaram-panahy. Nanoro hevitra ny vehivavy kristianina i Petera hoe: “Maneke ny vadinareo, mba ho voataonan’ny fitondrantenan’ny vavy izy, na dia tsy amin’ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan’ny fitondrantenanareo amin’ny fahatahorana. Ary aoka ny firavahanareo tsy ho zavatra eny ivelany, toy ny firandranam-bolo sy ny firava-bolamena na ny fiakanjoana; fa aoka ho toetra miafina ao am-po, izay tsy mety ho lo, dia ny fanahy malemy sady miadana, izay soa indrindra eo imason’Andriamanitra.”—1 Petera 3:1-4.
6. Hazavao fa mampifandray akaiky kokoa ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny fahalemem-panahy.
6 Mety tsy hifankahazo ny ray aman-dreny sy ny zanaka, indrindra raha tsy tia an’i Jehovah izy ireo. Mila maneho fahalemem-panahy anefa ny ankohonana kristianina rehetra. Nanoro hevitra ny ray i Paoly hoe: “Aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ny famaizana sy ny fananaran’ny Tompo izy.” (Efesiana 6:4) Mifandray akaiky kokoa ny ray aman-dreny sy ny zanaka rehefa manjaka ny fahalemem-panahy. Dimy mirahalahy, ohatra, ry Dean, ary izao no tsaroany momba an-drainy: “Nalemy fanahy i Dada. Mbola tsy tsaroako mihitsy hoe nifamaly izahay mianaka, na dia fony aho zatovo aza. Tena nalemy fanahy foana izy, na dia rehefa sosotra aza. Bedy aho indraindray, ka tsy navelany nivoaka ny efitranoko na nanao zavatra sasany tena nahafinaritra ahy, nefa tsy nifamaly mihitsy izahay. Tsy dadanay fotsiny izy fa namanay koa, ary tsy te handiso fanantenana azy izahay.” Tena mampifandray akaiky kokoa ny ray aman-dreny sy ny zanaka tokoa ny fahalemem-panahy.
Eny amin’ny fanompoana
7, 8. Nahoana isika no tena mila malemy fanahy eny amin’ny saha fanompoana?
7 Tena ilaina koa ny maneho fahalemem-panahy eny amin’ny saha fanompoana. Mifanena amin’ny olona samy hafa toetra isika, rehefa mitory ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana. Misy faly mihaino ilay hafatra manome fanantenana entintsika. Mety hisy koa anefa ny hanohitra, noho ny antony maro samy hafa. Amin’izay indrindra ny fahalemem-panahy no tena manampy antsika hanatanteraka ilay asa nanirahana antsika, dia ny ho vavolombelona hatrany amin’ny faran’ny tany.—Asan’ny Apostoly 1:8; 2 Timoty 4:5.
8 Hoy ny apostoly Petera: “Manamasìna an’i Kristy ho Tompo ao am-ponareo; ary aoka ho vonona mandrakariva hianareo hamaly izay manontany anareo ny amin’ny anton’ny fanantenana ao anatinareo, nefa amin’ny fahalemem-panahy sy ny fanajana.” (1 Petera 3:15) Sarobidy amintsika ny ohatr’i Kristy, ka miezaka mafy isika halemy fanahy sy hanaja ny olona manao teny henjana eny am-pitoriana. Mahagaga ny vokatr’izany matetika.
9, 10. Mitantarà zava-nitranga mampiseho fa ilaina ny fahalemem-panahy eny amin’ny saha fanompoana.
9 Nisy nandondòna tao amin-dry Keith mivady, indray mandeha. Ny vadiny no namoha trano, fa i Keith kosa nijanona tao an’efitra. Rehefa fantatr’ilay ramatoa fa Vavolombelon’i Jehovah ilay olona nitsidika azy, dia tezitra izy sady niampanga ny Vavolombelona ho mpampijaly zanaka. Tony hatrany anefa ilay rahalahy ary nalemy fanahy izy rehefa namaly hoe: “Malahelo aho raha izany no hevitrao. Azoko aseho anao ve, tompoko, ny zavatra inoanay Vavolombelon’i Jehovah?” Nihaino ilay resaka i Keith, ka nankeny am-baravarana mba handroaka ilay rahalahy.
10 Nanenina izy mivady avy eo, noho izy ireo nasiaka tamin’ilay rahalahy. Nanohina ny fon’
izy mivady ny fahalemem-panahiny. Gaga izy ireo, herinandro tatỳ aoriana, fa niverina nitsidika azy ireo ilay Vavolombelona. Navelan’izy mivady izy hanazava avy tao amin’ny Baiboly ny zavatra ninoany. “Nihaino izay nolazain’ny Vavolombelona hafa izahay, nandritra ny roa taona nanaraka”, hoy izy mivady. Nanaiky hianatra Baiboly izy ireo, ary tatỳ aoriana, dia natao batisa mba hampisehoana fa nanolo-tena ho an’i Jehovah. Faly erỳ ilay Vavolombelona nitsidika voalohany an-dry Keith mivady! Nifankahita tamin’izy mivady izy, taona maro tatỳ aoriana, ka nahita fa efa rahalahiny sy anabaviny kristianina izy ireo izao. Mahomby tokoa ny fanehoana fahalemem-panahy.11. Asehoy fa mora kokoa amin’ny olona ny manaiky ny fahamarinana kristianina rehefa malemy fanahy isika.
11 Niteraka fahatezerana lalim-paka tao amin’i Harold ny zavatra hitany tamin’izy miaramila, sady nahatonga azy hisalasala raha misy Andriamanitra. Tsy vitan’izay anefa, fa nanjary kilemaina izy taorian’ny loza nateraky ny mpamily fiara mamo iray. Nilaza tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah nitsidika azy izy, fa tsy mila tsidihina intsony. Indray andro anefa, dia nikasa hitsidika olona liana nifanila trano tamin’i Harold ny Vavolombelona iray antsoina hoe Bill. Diso izy, ka tao amin’i Harold no nandondòna. Niala tsiny avy hatrany izy rehefa nahita an’i Harold nitondra tehina roa, namoha varavarana. Nohazavain’i Bill fa olona teo akaiky no saika hotsidihiny. Inona no nataon’i Harold? Tsy fantatr’i Bill fa hay i Harold nahita vaovao tamin’ny tele, nampiseho Vavolombelona niara-niasa sy nanorina Efitrano Fanjakana tao anatin’ny fotoana tena fohy. Nampiaiky volana azy ny nahita olona maro be niara-niasa tamim-piraisan-tsaina, ka niova ny fomba fiheviny ny Vavolombelona. Nanohina ny fony koa ny nahita an’i Bill niala tsiny tamin-katsaram-panahy, ary ny fihetsiny nahafinaritra sy feno halemem-panahy. Nanaiky hotsidihin’ny Vavolombelona àry izy, ka nianatra Baiboly sy nandroso ary tonga mpanompon’i Jehovah vita batisa.
Eo anivon’ny fiangonana
12. Inona no toe-tsain’ity tontolo ity tokony hotoherin’ny fiangonana kristianina?
12 Tena ilaina koa ny fahalemem-panahy eo anivon’ny fiangonana kristianina. Tsy manaitra intsony ny fifandonana ankehitriny. Mahazatra ny olona eto amin’ity tontolo ity ny miady hevitra sy mifanditra ary mifamaly. Mitsofoka tsikelikely eo anivon’ny fiangonana ny toe-tsaina toy izany indraindray, ka manjary misy ny fifandirana. Malahelo ireo mpiandraikitra rehefa voatery mandamina an’izany. Tia an’i Jehovah sy ny rahalahiny anefa izy ireo, ka miezaka hanampy haingana an’ilay nania, mba hibebahany sy hiovany.—Galatiana 5:25, 26.
13, 14. Inona no mety ho vokany rehefa ‘anarina amin’ny fahamoram-panahy ny mpanohitra’?
2 Timoty 2:20, 21, 24, 25) Mariho fa mampifandray ny fahalemem-panahy sy ny fandeferana i Paoly.
13 Nahita olana tamin’ny olona sasany teo anivon’ny fiangonana i Paoly sy Timoty namany, tamin’ny taonjato voalohany. Nampitandrina an’i Timoty i Paoly ny amin’ireo rahalahy, izay toy ny fanaka “halam-baraka.” Nanjohy hevitra izy hoe: “Tsy mety raha miady ny mpanompon’ny Tompo, fa ho malemy fanahy amin’ny olona rehetra, mahay mampianatra, mahalefitra, mananatra ny mpanohitra amin’ny fahamoram-panahy.” Matetika no voatosika handinika indray ny fanakianana nataony ny olona tsy miray hevitra amintsika, rehefa malemy fanahy foana isika na dia mila ady amintsika aza izy. Mety “hanome azy fibebahana hahalalany tsara ny marina” i Jehovah amin’izay, araka ny nolazain’i Paoly. (14 Nampihatra izay notoriny i Paoly. Rehefa niezaka nandamina ny olana nateraky ny “Apostoly ambony indrindra” teo anivon’ny fiangonan’i Korinto izy, dia nampirisika an’ilay fiangonana hoe: “Ary ny tenako, izaho Paoly, dia mananatra anareo amin’ny hamoram-panahy sy ny fandeferan’i Kristy, dia izaho, izay manetry tena, hono, raha eo anatrehanareo, dia sahy aminareo kosa raha tsy eo.” (2 Korintiana 10:1; 11:5) Tena nanahaka an’i Kristy i Paoly. Mariho fa nananatra ny rahalahiny ‘tamin’ny hamoram-panahin’i Kristy’ izy. Tsy nanjakazaka àry izy na nandidindidy. Tsy isalasalana fa nandray am-po ny fananarany ireo olona mora atoro teo anivon’ny fiangonana. Nandravona ny tsy fifankahazoana nisy teo anivon’ny fiangonana i Paoly, ary nampisy filaminana sy firaisan-tsaina. Tsy tokony hiezaka hanao toy izany ve isika rehetra? Ny anti-panahy indrindra no tokony hanahaka an’i Kristy sy Paoly.
15. Nahoana no zava-dehibe ny fahalemem-panahy rehefa manome torohevitra?
15 Tsy hoe rehefa tsy milamina na tsy miray saina ihany ny fiangonana vao manana adidy hanampy ny hafa isika. Mila tari-dalana feno fitiavana ireo rahalahy, aloha ben’ny hisian’ny tsy fifankahazoana. Nampirisika i Paoly hoe: ‘Ry rahalahy, raha misy olona azon’ny ota tsy nahy aza, dia atsanganonareo izay manana ny Fanahy izy.’ Amin’ny fomba ahoana anefa? ‘Amin’ny fahamorana [na amim-pahalemem-panahy], ka mihevera ny tenanao, fandrao hianao koa mba halaim-panahy ihany.’ (Galatiana 6:1) Tsy mora foana akory ny maneho fahalemem-panahy, indrindra satria mirona hanota ny Kristianina rehetra, anisan’izany ny mpiandraikitra voatendry. Ho mora kokoa amin’ilay nania anefa ny hanao fanitsiana, raha malemy fanahy ny olona manome torohevitra azy.
16, 17. Inona no mety hanampy ny olona iray hiova hevitra, ka hanaiky torohevitra?
16 Ilay teny grika tany am-boalohany nadika Ohabolana 25:15.
hoe ‘atsangano’ dia mety hanondro koa fampitohizana taolana tapaka na famerenana azy amin’ny laoniny. Manaintaina tokoa izany. Rehefa hamerina ilay taolana amin’ny laoniny àry ny dokotera tsara fanahy, dia milaza amin’ilay marary ny soa ho azony avy amin’izany. Mampitony ny mahita ny fihetsiny milamina. Manamaivana ny fanaintainana ireo teny vitsivitsy nolazainy mialoha. Mety hanaintaina toy izany koa ny fanitsiana ara-panahy, nefa ho mora ekena kokoa raha atao amim-pahalemem-panahy. Hanjary hahafinaritra indray ny fifandraisana, ka mety hiova ilay nania. Na dia tsy manaiky torohevitra mahasoa avy ao amin’ny Baiboly aza izy amin’ny voalohany, dia mety hiova hevitra raha malemy fanahy ilay manampy azy.—17 Mety hihevitra ilay torohevitra ho toy ny fanakianana anefa ilay olona nahazo fanitsiana. Hoy ny mpanoratra iray momba izany: “Alaim-panahy hanizingizina ny hevitsika isika rehefa mananatra ny hafa, ka tena mila fandeferana.” Tsy ho azon’io fandrika io ny Kristianina manome torohevitra raha manetry tena, ka miezaka ny halemy fanahy.
“Amin’ny olona rehetra”
18, 19. a) Nahoana no mety ho sarotra amin’ny Kristianina ny halemy fanahy rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana? b) Inona no hanampy azy ireo halemy fanahy amin’ny manam-pahefana, ary inona no mety ho vokany?
18 Maro no mahita hoe sarotra ny maneho fahalemem-panahy, rehefa mifandray amin’ny manam-pahefana. Marina aloha fa masiaka sady tsy mahay miara-miory amin’ny olona ny manam-pahefana sasany. (Mpitoriteny 4:1; 8:9) Ny fitiavantsika an’i Jehovah anefa dia hanampy antsika hanaiky fa izy no fahefana fara tampony, ary hanome ho an’ny mpitondra fanjakana ny fanekena voafetra tokony ho azy. (Romana 13:1, 4; 1 Timoty 2:1, 2) Mitady hamepetra ny fitoriantsika momba an’i Jehovah, ny olona ambony sasany indraindray. Na izany aza, dia faly isika mitady fomba hafa hanolorana fanati-piderana.—Hebreo 13:15.
19 Tsy mila ady mihitsy isika. Miezaka ny hahay handanjalanja isika, nefa tsy hampandefitra mihitsy ireo toro lalan’Andriamanitra. Izany no ataon’ireo rahalahintsika any amin’ny tany 234 eran’izao tontolo izao mba hanohizany ny fanompoany. Arahintsika ilay torohevitr’i Paoly mba ‘hanaiky izay manapaka sy manam-pahefana, hanoa tsara, ho vonona ho amin’ny asa tsara rehetra, tsy hiteny ratsy olona, tsy ho mpila ady, fa ho mpandefitra, maneho ny halemem-panahy rehetra amin’ny olona rehetra.’—Titosy 3:1, 2.
20. Inona no valisoa miandry an’ireo maneho fahalemem-panahy?
20 Misy fitahiana tondraka miandry an’ireo maneho fahalemem-panahy. Hoy i Jesosy: “Sambatra ny malemy fanahy; fa izy no handova ny tany.” (Matio 5:5) Ho sambatra sy hanjaka amin’ny vahoaka eto an-tany ireo voahosotry ny fanahy, rahalahin’i Kristy, raha malemy fanahy hatrany. Miandrandra ny fiainana ao amin’ny Paradisa eto an-tany kosa ny “olona betsaka” anisan’ny “ondry hafa”, raha malemy fanahy hatrany. (Apokalypsy 7:9; Jaona 10:16; Salamo 37:11) Mahatalanjona tokoa izany hoavy izany! Aoka àry isika tsy hanao tsirambina mihitsy ilay fampahatsiahivana nomen’i Paoly ny Kristianina tany Efesosy. Hoy izy: “Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin’ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy.”—Efesiana 4:1, 2.
Ho Famerenana
• Inona no soa azo rehefa maneho fahalemem-panahy isika
• eo anivon’ny fianakaviana?
• eny amin’ny saha fanompoana?
• eo anivon’ny fiangonana?
• Inona no valisoa ampanantenaina an’ireo malemy fanahy?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 21]
Eo anivon’ny mpianakavy tsy mitovy finoana indrindra no ilaina ny fahalemem-panahy
[Sary, pejy 21]
Mampifandray akaiky kokoa ny mpianakavy ny fahalemem-panahy
[Sary, pejy 23]
Mamalia amin’ny fahalemem-panahy sy fanajana
[Sary, pejy 24]
Mety hanampy an’ilay nania ny fahalemem-panahin’ilay manome torohevitra