Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Anjara Birikiko Tamin’ny Fampianarana Baiboly Eran-tany

Ny Anjara Birikiko Tamin’ny Fampianarana Baiboly Eran-tany

Tantaram-piainana

Ny Anjara Birikiko Tamin’ny Fampianarana Baiboly Eran-tany

NOTANTARAIN’I ROBERT NISBET

Noraisin’ny Mpanjaka Sobhuza II tao an-dapany izahay sy i George rahalahiko. Efa tamin’ny 1936 izany, nefa mbola tadidiko tsara ny resakay. Nandray anjara nandritra ny fotoana lava tamin’ny fampianarana Baiboly eran-tany aho, ka izany no nahafahako nifampiresaka naharitra tamin’io mpanjaka io. Efa 95 taona aho izao, ary faly aho mieritreritra ny fandraisako anjara tamin’ilay asa fampianarana izay nahatonga ahy hitety kontinanta dimy.

TAMIN’NY 1925 no nanomboka ny tantara. Nitsidika ny fianakavianay tany Édimbourg, any Ekosy, ny lehilahy iray atao hoe Dobson, mpivarotra dite. Mbola tanora aho tamin’izany ary niofana ho farmasianina. Natahotra aho satria nisy vokany lehibe teo amin’ny fianakaviana sy ny fivavahana ny ady lehibe tamin’ny 1914-1918. Indray andro, dia nomen’Andriamatoa Dobson an’ilay boky hoe Ny Fandaharam-potoanan’Andriamanitra izahay. Hitako fa tena marim-pototra ny fanazavan’ilay boky momba ny Mpamorona marani-tsaina iray, izay nanana “fandaharana” maty paika. Andriamanitra toy izany no tiako hotompoina.

Tsy ela izahay sy Neny dia nanomboka nanatrika ny fivorian’ny Mpianatra ny Baiboly, na Vavolombelon’i Jehovah. Nanolo-tena ho an’i Jehovah izahay mianaka, ary niara-nampiseho izany tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano, nandritra ny fivoriamben’ny vondrom-paritra tany Glasgow, tamin’ny Septambra 1926. Nomena akanjo lava be misy tadiny nafatotra teny amin’ny kitrokely ny mpilatsaka hatao batisa rehetra, ary natao teo ivelan’ny akanjo filomanosana ilay izy. Izany no noheverina ho fomba fitafy mendrika an’io fotoan-dehibe io, tamin’izany fotoana izany.

Betsaka ny zavatra mbola tsy azonay tsara tamin’ny voalohany. Mbola nanao Krismasy ny ankamaroan’ny mpikambana teo anivon’ny fiangonana, raha tsy ny rehetra mihitsy aza. Vitsy kely koa no nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha. Ny anti-panahy sasany aza moa tsy nanaiky ny hanaovana fizarana gazety isaky ny alahady, satria tsy fanajana ny Sabata, hono, izany. Nanomboka tamin’ny 1925 anefa, dia nihabetsaka kokoa ny fanazavana andinin-teny tao amin’ny Tilikambo Fiambenana. Anisan’izany ny Marka 13:10: “Ny firenena rehetra tsy maintsy hitoriana ny filazantsara aloha.”

Ahoana no hanatanterahana an’io asa maneran-tany io? Tamin’izaho nanandrana nitory isan-trano voalohany, dia nilazako fotsiny ilay tompon-trano hoe mivarotra boky ara-pivavahana tena tsara aho. Natolotro avy eo ilay boky hoe Ny Harpan’Andriamanitra. Manazava foto-pampianarana folo ao amin’ny Baiboly io boky io, ary mampitaha azy ireo amin’ny tady folo amin’ny harpa. Nomena karatra fitoriana izahay, tatỳ aoriana. Nisy hafatra fohy natao hovakin’ny tompon-trano teo amin’io karatra io. Nampiasa lahateny noraisim-peo naharitra efatra minitra sy sasany koa izahay, ary azo nalefa tamin’ny grafofaonina fitondra mandehandeha izany. Somary navesatra ihany ny modely voalohany tamin’ireo grafofaonina. Mba maivana kosa ireo modely tatỳ aoriana, ary ny sasany aza tsy voatery nampandriana fa azo natsangana rehefa nalefa.

Nataonay tamin’izay fomba tsara indrindra hainay ny asa fitoriana, teo anelanelan’ny 1925 sy 1940. Nanomboka nasiana Sekolin’ny Fanompoana teo anivon’ny fiangonana rehetra, tany am-piandohan’ireo taona 1940. Nampianarina izahay hiresaka mivantana tamin’ireo tompon-trano manaiky hihaino ny hafatra momba ilay Fanjakana. Nianaranay koa fa zava-dehibe ny hitarihana fampianarana Baiboly any an-trano miaraka amin’ny olona liana. Azo lazaina angamba hoe izany no fiandohan’izao fampianarana Baiboly atao maneran-tany izao.

Fampaherezan’ny Rahalahy Rutherford

Naniry handray anjara bebe kokoa tamin’ny fampianarana Baiboly aho, ka nisoratra anarana ho mpisava lalana manontolo andro tamin’ny 1931. Tokony ho nanomboka avy hatrany aho, taorian’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra natao tany Londres. Naniry hiresaka tamiko anefa ny Rahalahy Joseph Rutherford, tamin’ny fiatoana antoandro. Izy no niandraikitra ny asa maneran-tany tamin’izany fotoana izany, ary nikasa handefa mpisava lalana tany Afrika izy. Nanontany izy hoe: “Vonona handeha ve ianao?” Taitra ihany aho aloha, nefa vitako ihany ny nanome valin-teny hentitra hoe: “Ie, vonona aho!”

Ny hizara boky sy gazety ara-baiboly betsaka araka izay azo natao no tena tanjonay tamin’izany fotoana izany. Tsy maintsy nanao dia lavitra foana àry izahay. Tsy nanambady ireo rahalahy mpiandraikitra ny asa tamin’izany fotoana izany, ka nampirisihina tsy hanambady toa azy ireo koa aho. Nanomboka tany Le Cap, any amin’ny tendrony atsimon’i Afrika, ny faritaniko ary nipaka hatrany amin’ny morontsiraka atsinanana, ka anisany koa ireo nosy any amin’ny Oseana Indianina. Rehefa nankany amin’ny ilany andrefana aho, dia tsy maintsy namakivaky ny fasika mahamay tany amin’ny Efitr’i Kalahari ary tonga hatrany amin’ny Farihy Victoria, izay ipoiran’ny Reniranon’i Nil. Tsy maintsy nijanona enim-bolana tany amin’ny firenena afrikanina iray na mihoatra, tany amin’ny io faritra midadasika io, izaho sy ny rahalahy niaraka tamiko.

Harena ara-panahy 200 baoritra

Naseho ahy ireo boky 200 baoritra natokana ho an’i Afrika Atsinanana, tamin’izaho tonga tao Le Cap. Tsy nisy tamin’ny fiteny afrikanina ireo boky ireo, fa tamin’ny fiteny eoropeanina efatra sy fiteny aziatika efatra. Nanontaniako ny nahatonga ireo boky ireo tany, talohan’ny nahatongavako. Nohazavaina tamiko fa saika halefa ho an’i Frank sy Gray Smith izy ireo. Mpisava lalana nalefa vao haingana hitory tany Kenya izy mirahalahy. Tratran’ny tazo anefa izy ireo raha vao tonga kelikely tany Kenya, ary maty i Frank.

Nampieritreritra ahy izany vaovao izany, saingy tsy nahakivy ahy. Niala tao Le Cap izaho sy David Norman, ary nandeha sambo nankany Tanzania. Io no toerana voalohany nanendrena anay, ary 5 000 kilaometatra avy eo Le Cap no misy azy. Lehilahy iray mpikarakara dia lavitra tany Mombasa, Kenya, no nitahiry ireo boky sy gazetinay. Izy avy eo no nandefa ireo baoritra tany amin’izay toerana nolazainay. Ireo tanàna fanaovana fandraharahana, nisy fivarotana sy birao, no nitorianay tamin’ny voalohany. Boky 9 sy bokikely 11 miaraka no fametrakay tamin’izany. Fitambaram-boky maro loko no nahafantarana azy ireo tatỳ aoriana, satria isan-karazany ny lokon’izy ireo.

Nanapa-kevitra hankany amin’ny nosy Zanzibar izahay avy eo, 30 kilaometatra eo ho eo avy eo amin’ny morontsiraka atsinanana. Foiben’ny fivarotana sy fividianana andevo i Zanzibar nandritra ny taona maro, ary nampahalaza azy koa ny jirofo izay renay nanentohento nanerana an’ilay tanàna. Sarotra taminay ny nitady ny lalana, satria natao tamin’izao tsy nisy sarintany ilay tanàna. Very foana izahay satria niolakolaka sy nisampantsampana be ny arabe. Nisy izay nilaina ihany ilay hotely nipetrahanay, saingy feno fantsipantsika ny varavarana ary natevim-be ny rindrina, ka sahala amin’ny trano figadrana ilay izy fa tsy hotely. Na izany aza, dia nahita vokatra tsara izahay tany Zanzibar sady faly, satria nandray tsara ny bokintsika ny Arabo sy Indianina ary ny olon-kafa.

Fiarandalamby sy sambo ary fiara

Tsy mora ny nitety an’i Afrika Atsinanana tamin’izany fotoana izany. Voasakan’ny andiam-balala, ohatra, ny fiarandalamby nitondra anay avy tany Mombasa hankany amin’ireo faritra be tendrombohitr’i Kenya. Rakotry ny valala be dia be ny tany sy ny lalamby, ka nalama ary natahorana tsy hamikitra ny kodiaran’ny fiarandalamby. Tsy nisy hevitra, fa tsy maintsy notobasana rano aloha ny lalamby, ka rano mahamay avy tamin’ilay fiarandalamby ihany no nampiasaina. Nandeha miadana kely àry izahay, mandra-pahatonga tany amin’ny toerana tsy nisy andiam-balala intsony. Nahazo aina erỳ izahay rehefa nanomboka niakatra teny amin’ny toerana avo kokoa ny fiarandalamby, ka nahazo rivotra nangatsiatsiaka teny amin’ireo tendrombohitra izahay!

Fiarandalamby sy sambo no mora nandehanana tany amin’ireo tanàna amorontsiraka, ary fiara kosa no tsara nandehanana tany amin’ireo faritra ambanivohitra. Faly aho rehefa niaraka tamiko i George, zandriko lahy. Afaka nividy fiara lehibe fitondrana entana izahay mirahalahy, ka azonay nasiana fandriana sy lakozia kely ary fitehirizana entana tao anatiny, sady nisy aromoka ny varavarankely. Nasianay fanamafisam-peo koa teo ambony tafo. Ampy fitaovana tsara àry izahay, ka afaka nitory isan-trano nandritra ny andro ary nanasa ny olona hanatrika ny lahateny nataonay tany an-tsena rehefa harivariva. Tena be mpitia tamin’ireo lahateny nalefanay ilay hoe: “Mirehitra ve ny Afobe?” Nandeha tamin’ilay “tranofiara” izahay, avy tany Afrika Atsimo nankany Kenya, izany hoe 3 000 kilaometatra. Faly izahay tamin’izay satria nanana bokikely isan-karazany tamin’ny fiteny afrikanina maromaro, ary finaritra erỳ ny olona nandray azy ireny.

Tena nahafinaritra anay teny an-dalana ny nahita bibidia be dia be nikarenjy. Mazava ho azy fa natahotra izahay, ka nijanona tao anaty fiara rehefa maizina ny andro. Nanatanjaka ny finoanay anefa ny nahita ireo biby isan-karazany nikarenjy, izay noforonin’i Jehovah.

Nanomboka ny fanoherana

Nitandrina tsara tamin’ny bibidia izahay, kanefa tsy nisy dikany izany raha nampitahaina tamin’izay zavatra tsy maintsy natrehinay tatỳ taoriana. Nanomboka nanohitra an-karihary ny fitoriana ny manam-pahefana isan-karazany sy ny mpitondra fivavahana romotra sasany. Nisy olana goavana iray, ohatra, natrehinay. Nitarika antokon’olona natao hoe Kitawala ny lehilahy mafana fo iray nitonona ho Mwana Lesa, na “Zanak’Andriamanitra.” Loza fa “Tilikambo Fiambenana” no dikan’ilay hoe Kitawala. Taloha kelin’ny nahatongavanay dia maro ny Afrikanina maty an-drano, fa nataon’i Mwana Lesa batisa, hono. Nosamborina àry i Mwana Lesa tamin’ny farany ary nahantona. Tafaresaka tamin’ilay olona nanantona azy aho tatỳ aoriana, ary nohazavaiko taminy fa tsy misy ifandraisany amin’ny Fikambanana Tilikambo Fiambenana nisy anay mihitsy i Mwana Lesa.

Nanana olana tamin’ny Eoropeanina maro koa izahay. Tsy faly tamin’ny asa fampianarana nataonay izy ireo, satria natahoran’izy ireo hanimba ny fidiram-bolany izany. Nitaraina toy izao, ohatra, ny mpiandraikitra trano fanatobiana entana iray: “Raha te hijanona eto ny vazaha, dia tsy tokony hatao fantatry ny Afrikanina mihitsy hoe ambakaina izy ireo.” Izany koa no nahatonga ny sefon’ny kompania iray mpitrandraka volamena handroaka ahy hivoaka tao amin’ny biraony. Tezitra be izy avy eo sady nanaraka ahy hatreny amin’ny arabe.

Azo antoka fa ny nataon’ireny mpitondra fivavahana sy mpandraharaha ireny no tena nahatonga ny fanjakan’i Rhodezia (Zimbabwe ankehitriny) handroaka anay hiala tao amin’ilay firenena, tamin’ny farany. Nampakatra fitsarana anefa izahay ary nandresy, ka navela hijanona tao Rhodezia ihany, raha ohatra ka tsy hitory amin’ny Afrikanina. Ny antony naroson’ny manam-pahefana iray dia hoe, “tsy zakan’ny sain’ny Afrikanina” ny boky sy gazetintsika. Nizotra tsara anefa ny asa fampianarana tany amin’ny firenena afrikanina hafa. Nankasitraka mihitsy aza ny olona. Anisan’ny faritra nandray tsara i Soazilandy.

Fandraisan’ny mpanjakan’i Soazilandy

Firenena kely mahaleo tena i Soazilandy. Mirefy 17 364 kilaometatra toradroa ny velarany, ary any Afrika Atsimo no misy azy. Tao no nihaonanay tamin’ilay Mpanjaka Sobhuza II, voalaza eny am-piandohan’ity tantara ity. Nahay niteny Anglisy tsara izy, satria nianatra tany amin’ny oniversite anglisy. Tsy nanao akanjon’ny mpanjaka izy, kanefa noraisiny tsara izahay.

Noresahinay taminy ny momba ny Paradisa eto an-tany ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olona mandray tsara ny fahamarinana. Tsy tena nahaliana azy io foto-kevitra io, kanefa nasehony fa tena mieritreritra zavatra mifandray amin’izany izy. Niezaka mafy io mpanjaka io hanatsara ny fari-piainan’ny mahantra sy ny olona tsy nahita fianarana. Tsy tiany ny zavatra nataon’ny ankamaroan’ireo misioneran’ny Kristianisma Anarana, satria toa ny fampitomboana ny isan’ny mpiangona fotsiny no nilofosan’izy ireo fa tsy ny fanabeazana ny olona. Fantatr’io mpanjaka io tsara anefa ny asan’ny sasany tamin’ireo mpisava lalana. Nidera antsika àry izy noho ny fampianarana Baiboly ataontsika, ary indrindra fa noho ny fahavononantsika hanao izany tsy misy fitakiana vola na zavatra hafa.

Nandroso be ny fampianarana Baiboly

Natomboka ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana, tamin’ny 1943, mba hampiofanana misionera. Nantitranterina ny hanampiana ny olona liana rehetra, fa tsy ny hametrahana boky sy gazety ara-baiboly fotsiny. Nasaina hanatrika ny kilasy faha-16 tamin’ny sekolin’i Gileada izahay sy George tamin’ny 1950. Tany aho no nifankahita voalohany tamin’i Jean Hyde, anabavy aostralianina mahafinaritra. Niara-nahazo diplaoma izahay, ary notendrena ho misionera tany Japon izy. Mbola filamatra ny fijanonana ho mpitovo tamin’izany fotoana izany, ka nijanona ho mpinamana tsotra fotsiny izahay.

Notendrena ho misionera tany Maorisy, nosy iray any amin’ny Oseana Indianina, izahay sy i George, taorian’ny sekolin’i Gileada. Lasa namanay ireo mponina ary nianatra ny fitenin’izy ireo izahay sady nitarika fampianarana Baiboly niaraka tamin’izy ireo tany an-tranony. Tatỳ aoriana, dia nahazo diplaoma tamin’ny sekolin’i Gileada koa i William zandriko lahy sy i Muriel vadiny. Nalefa tany Kenya, faritaniko taloha, izy ireo.

Tsy hitahita akory dia lasa ny valo taona ary nifankahita tamin’i Jean Hyde indray aho, rehefa nanatrika ny fivoriambe iraisam-pirenena tany New York, tamin’ny 1958. Nifandray indray izahay, ary lasa mpifamofo. Niova ny faritaniko, tsy tao Maorisy intsony fa lasa tany Japon ary tany izahay sy i Jean no nivady, tamin’ny 1959. Nahafinaritra be ny asa misionera nataonay tany Hiroshima nanomboka tamin’izay. Fiangonana kely iray no tany tamin’izany, nefa misy fiangonana 36 any izao.

Veloma i Japon!

Niharatsy ny fahasalamanay mivady rehefa nandroso ny taona, ka nanomboka nihasarotra taminay ny nanohy ny asa misionera. Tsy maintsy nandao an’i Japon izahay tamin’ny farany, ary nifindra teto Aostralia, tanindrazan’i Jean. Nalahelo be izahay rehefa nandao an’i Hiroshima. Nataonay veloma teny amin’ny gara ireo namana malalanay rehetra.

Mipetraka eto Aostralia izahay izao ary manohy manompo an’i Jehovah araka izay tratran’ny herinay, miaraka amin’ny Fiangonana Armidale eto Nouvelle-Galles du Sud. Tena nahafaly ny nizara tamin’ny olona maro be ny fahamarinana sarobidy avy ao amin’ny Baiboly, nandritra ny 80 taona latsaka kely! Hitako mihitsy ny fandrosoana mahatalanjon’ny fandaharam-pampianarana Baiboly, ary nanatri-maso fisehoan-javatra ara-panahy lehibe maro aho. Tsy misy olona na antokon’olona afaka mirehareha noho izany zava-bita rehetra izany. Tena “avy tamin’i Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika.”​—Salamo 118:23.

[Sary, pejy 28]

George rahalahiko sy ilay tranofiaranay

[Sary, pejy 28]

Izaho teo amin’ny Farihy Victoria

[Sary, pejy 29]

Mpianatry ny lise, nanatrika lahateny ho an’ny besinimaro tany Soazilandy, tamin’ny 1938

[Sary, pejy 30]

Miaraka amin’i Jean, nandritra ny mariazinay tamin’ny 1959 sy amin’izao fotoana izao