Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ry Tanora! Mandroso Ara-panahy ve Ianareo?

Ry Tanora! Mandroso Ara-panahy ve Ianareo?

Ry Tanora! Mandroso Ara-panahy ve Ianareo?

“NANATRIKA fivoriana kristianina foana aho, kanefa tsy tena naniry hanompo an’i Jehovah”, hoy i Hideo, rehefa nitantara ny fiainany tamin’izy mbola nianatra teny amin’ny Sekoly Ambaratonga Faharoa. “Matetika aho no naka sary an-tsaina ny tenako hoe tena tian’ny mpiara-mianatra amiko, ary mandehandeha eny amin’ny arabe, mampiaraka amin’ny ankizivavy. Tsy mba nanana tanjona aho teo amin’ny fiainana, ary tsy naniry handroso ara-panahy mihitsy.” Tanora maro no tsy manana zava-kendrena toa an’i Hideo, ka tsy maniry hanatratra tanjona na hanao fandrosoana ara-panahy.

Angamba tena mahafinaritra anao ny manao spaoro na miala voly, raha tanora ianao. Mety tsy ho faly toy izany anefa ianao rehefa manao zavatra ara-panahy. Ahazoana fahafinaretana koa ve ny manatratra tanjona ara-panahy? Diniho izao tenin’ny mpanao salamo izao: “Mahatoky ny teni-vavolombelon’i Jehovah, mahahendry ny kely saina. . . . Madio ny didin’i Jehovah, mampahazava ny maso.” (Salamo 19:7, 8) Afaka mitari-dalana ireo “kely saina” mba hanao zavatra amim-pahendrena ny Tenin’Andriamanitra, ka ‘hampahazava ny masony.’ Azonao atao tokoa ny mahita fahafinaretana rehefa manao zavatra ara-panahy. Inona anefa no ilainao hatao mba hahatsapanao izany? Inona no tokony hataonao voalohany?

Aoka ianao haniry hanompo an’i Jehovah

Voalohany aloha, dia mila manana faniriana hanompo an’i Jehovah ianao. Diniho ny tantaran’i Josia, mpanjaka tanora iray tany Joda. Nasain’i Josia novakina ny bokin’ny Lalàn’i Jehovah, rehefa hita tao amin’ny tempoly. Tohina mafy ny fon’i Josia rehefa nandre ilay izy, ka ‘nesoriny ny fahavetavetana rehetra tamin’ny tany rehetra izay an’ny Zanak’Isiraely.’ (2 Tantara 34:14-21, 33) Ny famakiana ny Tenin’Andriamanitra no nahatonga an’i Josia haniry hampandroso kokoa ny fivavahana madio.

Hanana faniriana hanompo an’i Jehovah koa ianao, raha mamaky ny Baiboly tsy tapaka sy misaintsaina izay vakinao. Izany no nahatonga an’i Hideo haniry hanompo an’i Jehovah. Nataony namana akaiky ny Kristianina iray efa lehibe, izay mpisava lalana na Vavolombelon’i Jehovah mpanompo manontolo andro. Nazoto nianatra Baiboly io mpisava lalana io, sady niezaka mafy nampihatra izay nianarany. Tena nampahery an’i Hideo ny ohatra navelan’ilay mpisava lalana, ka narahiny, ary nanjary tena naniry hanompo an’i Jehovah sy ny olon-kafa koa izy. Nanao fandrosoana ara-panahy izy, ary nanana tanjona teo amin’ny fiainany.

Manjary manana faniriana hanompo an’i Jehovah ny tanora rehefa mamaky Baiboly. Manazava i Takahiro hoe: “Raha efa hatory aho vao tsaroako fa mbola tsy vita ny famakiako Baiboly, dia mitsangana aho aloha, ary mamita ilay izy. Vokatr’izany, dia tsapako fa mitarika ahy i Jehovah. Ny famakiako Baiboly isan’andro no tena nanampy ahy handroso ara-panahy. Tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah bebe kokoa aho, ka nanao ny asan’ny mpisava lalana aho rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise. Tena tiako ny asan’ny mpisava lalana.”

Ankoatra ny famakiana Baiboly, inona koa no afaka mampitombo ny fanirianao hidera an’i Jehovah? Ny reniny no nampianatra Baiboly an’i Tomohiro. Hoy izy: “Tamin’izaho 19 taona vao tena nanohina ny foko ny fitiavan’i Jehovah sy ny sorom-panavotan’i Jesosy, rehefa nianarako tsara ilay boky hoe Tena Manan-java-kendrena ny Fiainana (frantsay). Izany fankasitrahako ny fitiavan’i Jehovah izany no nahatonga ahy haniry hanompo azy bebe kokoa.” (2 Korintiana 5:14, 15) Maro ny tanora nandroso ara-panahy toa an’i Tomohiro, rehefa nazoto nianatra samirery ny Baiboly.

Ahoana anefa raha mbola tsy tena maniry hanompo an’i Jehovah ihany ianao? Iza no azonao angatahana fanampiana? Nanoratra toy izao ny apostoly Paoly: “Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana.” (Filipiana 2:13) Hanome anao ny fanahiny masina i Jehovah, raha mivavaka aminy ianao mba hahazoana fanampiana. Izany dia hanome anao hery ‘hanaovana’ ny sitrapony, sy hahatonga anao hanana “fikasana” na faniriana hanao izany koa. Izany hoe ny fanahy masina no hampitombo ny fanirianao hanompo an’i Jehovah, araka izay farany vitanao, ary koa hanampy anao handroso ara-panahy. Mitokia foana àry amin’ny herin’i Jehovah, ary hatanjaho ny sainao!

Mametraha tanjona

Raha vao tapa-kevitra ianao hanompo an’i Jehovah bebe kokoa, dia ianao mihitsy no mila mametraka tanjona ho anao, mba hanaovanao fandrosoana ara-panahy. Hoy i Mana, tovovavy kristianina iray: “Tena nanampy ahy ny famerana tanjona. Tsy nihemotra mihitsy aho fa nanana herim-po ka nandroso hatrany. Notadidiko foana ireo tanjona hotratrariko, ary nivavaka mafy tamin’i Jehovah aho mba hahazoako tari-dalana. Afaka nanao fandrosoana ara-panahy aho, fa tsy varimbariana.”

Tokony hifanaraka amin’ny zava-misy sy ho azo tratrarina tsara ireo tanjona ataonao. Tanjona mety tsara, ohatra, ny famakiana toko iray ao amin’ny Baiboly isan’andro. Afaka manomboka manao fikarohana koa ianao. Azonao ianarana, ohatra, ny momba ny toetran’i Jehovah ao amin’ireo boky sy gazety ara-baiboly amin’ny teny Malagasy. Tadiavo ao amin’ny Fanondroana Bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny teny hoe “Jehovah”, ary jereo ilay lohatenikely hoe “Toetra.” Misy hevitra 20 eo ho eo azonao dinihina ao. Azo antoka fa ny fikarohana ataonao dia hampifandray anao kokoa amin’i Jehovah, sady hanosika anao hampitombo ny fanompoana azy. Tanjona hafa azo tratrarina koa ny manome valin-teny iray, fara fahakeliny, isaky ny fivoriana misy fandraisan’ny mpanatrika anjara. Azo atao ihany koa ny miezaka mahafantatra tsara kokoa olona iray, fara fahakeliny, isaky ny fivoriana. Ataovy ho tanjona isan’andro koa ny mivavaka amin’i Jehovah, sy miresaka amin’ny olon-kafa ny momba azy.

Mety ho tanjona tsara ho anao ny misoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, raha mbola tsy nanao izany ianao. Efa mandray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha ve ianao? Raha mbola tsy manao izany ianao, dia mety ho tianao ny hiezaka ho tonga mpitory tsy vita batisa. Azonao atao, aorian’izay, ny mandinika tsara ny fifandraisanao manokana amin’i Jehovah, ary manolo-tena ho azy. Misy tanora maro miezaka mafy hiaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenany, ka manao fanompoana manontolo andro.

Tsara ny manana tanjona amin’ny fiainana, kanefa tandremo sao manjary manana toe-tsaina tia mifaninana. Hahafinaritra anao kokoa izay ataonao raha tsy mampitaha ny tenanao amin’olon-kafa ianao.​—Galatiana 5:26; 6:4.

Mety hihevi-tena ho tsy mahay anefa ianao, ka ho sarotra aminao ny hametraka tanjona antonona. Raha izany no izy, dia araho ilay torohevitry ny Baiboly hoe: “Atongilano ny sofinao, ka henoy ny tenin’ny hendry.” (Ohabolana 22:17) Iangavio ny ray aman-dreninao na ny Kristianina matotra hafa mba hanampy anao. Tsy maintsy mandanjalanja koa anefa ny ray aman-dreny sy ny olon-kafa, ary hampahery ny tanora amin’io lafiny io. Raha mahatsiaro ho terena hanatratra tanjona mantsy ny tanora, dia mety tsy hahita fifaliana izy, ary mety tsy hisy vokany akory ny nametrahana ilay tanjona. Izany no nitranga tamin’ny tovovavy iray. Hoy izy: “Nametra tanjona maro be ho ahy ny ray aman-dreniko, ohatra hoe hisoratra anarana amin’ny Sekolin’ny Fanompoana, hitory, hatao batisa, ary hanao mpisava lalana. Niezaka mafy aho mba hanatratra azy ireny tsirairay. Raha vao tratrako ny tanjona iray, dia nanome ahy tanjona hafa indray ny ray aman-dreniko, fa tsy mba nanao teny fiderana mihitsy. Toy ny hoe noterena hanatratra tanjona foana àry no fiheverako ny tenako. Tena kivy aho, fa tsy mba faly tamin’izay zavatra vitako.” Fa inona no tsy nety? Tsara avokoa ireo tanjona notratrariny, saingy tsy ny tenany no nametra azy ireny. Noho izany àry, dia ianao mihitsy no tokony haniry hametra tanjona ho an’ny tenanao!

Diniho ny nataon’i Jesosy. Rehefa tonga tetỳ an-tany izy, dia fantany tsara izay nasain’ny Rainy nataony. Tsy tanjona tsotra fotsiny ny fanaovana ny sitrapon’i Jehovah tamin’i Jesosy, fa iraka tsy maintsy novitaina. Ahoana no niheveran’i Jesosy ny asa nanendrena azy? Hoy izy: “Ny haniko dia ny manao ny sitrapon’Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany.” (Jaona 4:34) Fahafinaretana ho an’i Jesosy ny nanao ny sitrapon’i Jehovah, ary nanao izay sitraky ny Rainy foana izy. Toy ny sakafo izany ho an’i Jesosy, ka sady faly izy no afa-po rehefa namita ny asa nasaina nataony. (Hebreo 10:5-10) Afaka mahita fahafinaretana toy izany koa ianao, raha tena maniry hanatanteraka izay asain’ny ray aman-dreninao atao.

Aza ketraka amin’ny fanaovan-tsoa

Raha vao manana tanjona ianao, dia miezaha mafy hanatratra izany. Hoy ny Galatiana 6:9: “Aza mba ketraka amin’ny fanaovan-tsoa isika; fa amin’ny fotoan’andro no hijinjantsika, raha tsy reraka isika.” Aza miantehitra amin’ny herinao na ny fahaizanao manokana. Tsy maintsy hisetra zava-manahirana ianao, ary mety hahatsiaro ho tsy nahomby mihitsy aza indraindray. Manome toky antsika anefa ny Baiboly, hoe: “Maneke [an’Andriamanitra] amin’ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao.” (Ohabolana 3:6) Hanampy anao foana i Jehovah, raha miezaka mafy ianao hanatratra ireo tanjonao ara-panahy.

Eny tokoa, “hiseho amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao”, raha tena miezaka ianao mba hanana faniriana hanompo an’i Jehovah, sady manatratra tanjona ara-panahy. (1 Timoty 4:15) Hahafinaritra ny fiainanao amin’izay, ary hahita fifaliana amin’ny fanompoana an’Andriamanitra ianao.

[Sary, pejy 9]

Hanana faniriana hanompo an’i Jehovah ianao, raha mamaky ny Baiboly sy misaintsaina izay vakinao

[Sary, pejy 10]

Nanao izay sitraky ny Rainy foana i Jesosy