Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Ilain’ny Kristianina ny Fahalemem-panahy

Tena Ilain’ny Kristianina ny Fahalemem-panahy

Tena Ilain’ny Kristianina ny Fahalemem-panahy

“Mitafia . . . fahalemem-panahy.”​—KOLOSIANA 3:12.

1. Nahoana no toetra miavaka ny fahalemem-panahy?

MAHAFINARITRA ny miaraka amin’ny olona malemy fanahy sady mamelombelona toy ny tsiotsio-drivotra malefaka. Misy heriny lehibe koa anefa io toetra io, satria “ny vava malefaka mahatapa-taolana”, hoy i Solomona Mpanjaka hendry. (Ohabolana 25:15) Sady mahafinaritra àry no manan-kery ilay toetra miavaka atao hoe fahalemem-panahy.

2, 3. Inona no ifandraisan’ny fahalemem-panahy sy ny fanahy masina, ary inona no hodinihintsika ato amin’ity lahatsoratra ity?

2 Nitanisa ny fahalemem-panahy ho anisan’ny “vokatry ny Fanahy” ny apostoly Paoly, ao amin’ny Galatiana 5:22, 23. Ilay teny grika nadika hoe “fahalemem-panahy” ao amin’ny andininy faha-23, dia matetika nadika hoe “fandeferana” na “hatsaram-panahy” ao amin’ny Baiboly hafa. Sarotra ny mahita teny mahadika tsara an’io teny grika io amin’ny ankamaroan’ny fiteny hafa. Tsy midika hoe hatsaram-panahy na fandeferana miseho etỳ ivelany mantsy izy io, fa fahalemem-panahy sy fiantrana tsapa ao anaty. Tsy milaza fihetsika fotsiny ilay izy, fa toe-tsaina sy toe-po mihitsy.

3 Handinika ohatra efatra ao amin’ny Baiboly isika, mba hahatakarana bebe kokoa ny dikan’ny hoe fahalemem-panahy sy ny hasarobidin’izy io. (Romana 15:4) Hianatra isika hoe inona no tafiditra amin’io toetra io, ary ahoana no ananana sy anehoana azy io, amin’ny zava-drehetra ataontsika.

“Soa indrindra eo imason’Andriamanitra”

4. Ahoana no ahalalantsika fa sarobidy amin’i Jehovah ny fahalemem-panahy?

4 Tokony ho hita taratra eo amin’ny toetra mahatalanjon’i Jehovah ny fahalemem-panahy, satria vokatry ny fanahiny. Nilaza ny apostoly Petera fa ‘soa indrindra eo imason’Andriamanitra ny fanahy malemy sady miadana.’ (1 Petera 3:4) Malemy fanahy tokoa i Jehovah sady sarobidy aminy io toetra io. Izany fotsiny dia efa antony tokony hiezahan’ny mpanompony rehetra mba hanana azy io. Fahefana fara tampony eo amin’izao rehetra izao anefa ilay Andriamanitra tsitoha, koa ahoana àry no anehoany fahalemem-panahy?

5. Inona no azontsika atao noho ny fahalemem-panahin’i Jehovah?

5 Nandidy mazava an’i Adama sy Eva, mpivady voalohany, Andriamanitra, mba tsy hihinana tamin’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ninia tsy nankatò anefa izy mivady. (Genesisy 2:16, 17) Noho izany, dia lasa mpanota sy maty ary tafasaraka amin’Andriamanitra izy ireo sy ny taranany. (Romana 5:12) Ara-drariny tanteraka raha namoaka izany didim-pitsarana izany i Jehovah. Tsy nasiaka anefa izy, ka namoy tanteraka ny olombelona, na nihevitra azy ho tsy mety miova sy tsy azo avotana intsony. (Salamo 130:3) Miantra sy tsy mitaky be loatra amin’ny olona i Jehovah. Fomba anehoana fahalemem-panahy ireo. Noho izany, dia nanao zavatra izy mba hahafahan’ny mpanota hanatona azy sy hahazo ny fankasitrahany. Afaka manatona tsy amin-tahotra ny seza fiandrianany àry isika, noho izy nanome ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy Zanany.​—Romana 6:23; Hebreo 4:14-16; 1 Jaona 4:9, 10, 18.

6. Asehoy fa tena nalemy fanahy tamin’i Kaina Andriamanitra.

6 Nalemy fanahy tamin’i Kaina sy Abela i Jehovah, ela be talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany. Samy nanao fanatitra ho an’Andriamanitra ireo zanak’i Adama ireo. Nahita ny toe-pon’izy mirahalahy i Jehovah, ka nanda ny fanatitr’i Kaina fa “nankasitraka” an’i Abela nahatoky sy ny fanatiny. Tsy nahafaly an’i Kaina anefa izany hatsaram-panahin’Andriamanitra tamin’i Abela izany. Milaza ny Baiboly fa “tezitra indrindra Kaina, sady nanjombona ny tarehiny.” Nanao ahoana ny fihetsik’i Jehovah? Nahasosotra azy ve ny fihetsika ratsin’i Kaina? Tsia. Nalemy fanahy izy, ka nanontany azy ny antony nahatezitra azy. Nohazavainy mihitsy aza izay azon’i Kaina natao mba hahazoana “fisandratana.” (Genesisy 4:3-7, fanamarihana ambany pejy) Tonga lafatra tokoa ny fahalemem-panahin’i Jehovah.​—Eksodosy 34:6.

Manintona sy mamelombelona ny fahalemem-panahy

7, 8. a) Ahoana no ahafantarantsika fa malemy fanahy i Jehovah? b) Inona no asehon’ny Matio 11:27-29 momba an’i Jehovah sy Jesosy?

7 Anisan’ny fomba tsara indrindra hahafantarana ny toetra tsy manan-tsahalan’i Jehovah, ny fandinihana ny fiainana sy ny fanompoan’i Jesosy Kristy. (Jaona 1:18; 14:6-9) Nanao asa lehibe maro i Jesosy tany Korazina, Betsaida, Kapernaomy sy ny manodidina, nandritra ny taona faharoa nitoriany tany Galilia. Niavonavona sy tsy niraharaha ary tsy nety nino azy anefa ny ankamaroan’ny olona. Nanao ahoana ny fihetsik’i Jesosy? Hentitra izy nampahatsiahy azy ireo ny vokatry ny tsy finoany. Onena koa anefa izy nahita ireo ʽam ha·ʼaʹrets, na olona tsotra sy nahantra, satria tena nila zavatra ara-panahy izy ireo.​—Matio 9:35, 36; 11:20-24.

8 Nasehon’ny zavatra nataon’i Jesosy avy eo fa tena ‘nahalala tsara ny Ray’ sy nanahaka azy izy. Nasainy tamim-pitiavana ny sarambabem-bahoaka hoe: “Mankanesa atỳ amiko, hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana, fa Izaho no hanome anareo fitsaharana. Ento ny ziogako, ka mianara amiko; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo hianareo.” Tena nampionona sy namelombelona ireo nampahorina tokoa izany teny izany! Mampionona sy mamelombelona antsika izany na dia ankehitriny aza. Ho anisan’ireo “tian’ny Zanaka hanehoana” ny Rainy isika, raha tena mitafy fahalemem-panahy.​—Matio 11:27-29.

9. Inona no toetra tsy misaraka amin’ny fahalemem-panahy, ary nahoana no ohatra tsara amin’io lafiny io i Jesosy?

9 Mifandray akaiky amin’ny fahalemem-panahy ny fanetren-tena. “Tsy miavona am-po” ny olona manetry tena. Ny avonavona kosa mahatonga ny olona hanambony tena sy hasiaka ary ho mafy fo. (Ohabolana 16:18, 19) Nanetry tena i Jesosy nandritra ny fanompoany tetỳ an-tany. Nihoby azy ho Mpanjakan’ny Jiosy ny vahoaka, rehefa niditra tao Jerosalema izy, enina andro talohan’ny nahafatesany. Tsy nitovy tamin’ireo mpitondra eto amin’ity tontolo ity mihitsy anefa izy. Nanatanteraka ity faminanian’i Zakaria momba ny Mesia ity izy: “Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, malemy fanahy sady mitaingina boriky, dia zanaky ny boriky miasa.” (Matio 21:5; Zakaria 9:9) Nahazo fahitana i Daniela mpaminany nahatoky, ka nahita an’i Jehovah nanome fahefana ny Zanany. Nantsoiny hoe “olona ambany toetra” anefa i Jesosy tao amin’ny faminaniana iray hafa talohan’io. Tsy misaraka tokoa ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena.​—Daniela 4:14; 7:13, 14.

10. Nahoana no tsy midika ho fahalemena ny fahalemem-panahy?

10 Mahafinaritra ny fahalemem-panahy nasehon’i Jehovah sy Jesosy, ary manampy antsika hanatona azy ireo. (Jakoba 4:8) Mazava ho azy fa tsy midika ho fahalemena akory ny fahalemem-panahy. Tsy izany mihitsy! Mahery sy matanjaka be i Jehovah, ilay Andriamanitra tsitoha. Mampisafoaka azy ny fanaovana ny tsy rariny. (Isaia 30:27; 40:26) Tapa-kevitra ny tsy hanaiky lembenana mihitsy koa i Jesosy, na dia notafihin’i Satana Devoly aza. Tsy nilefitra tamin’ny varotra tsy ara-dalàna nataon’ny mpitondra fivavahana tamin’ny androny izy. (Matio 4:1-11; 21:12, 13; Jaona 2:13-17) Nalemy fanahy foana anefa izy nanoloana ny kileman’ny mpianany, ary nizaka ny fahalemen’izy ireo. (Matio 20:20-28) Mety tsara àry raha nilaza toy izao momba ny fahalemem-panahy ny manam-pahaizana iray momba ny Baiboly: “Misy tanjaka toy ny vy ao ambadik’ilay hatsaram-panahy.” Enga àry anie isika halemy fanahy toa an’i Kristy.

Olona nalemy fanahy indrindra tamin’ny androny

11, 12. Nahoana no niavaka ny fahalemem-panahin’i Mosesy, rehefa heverina ny fanabeazana azony?

11 I Mosesy no ohatra fahatelo hodinihintsika. Milaza ny Baiboly fa “lehilahy nalemy fanahy mihoatra noho ny olona rehetra atỳ ambonin’ny tany” izy. (Nomery 12:3) Ara-tsindrimandry ireo teny ireo. Nahatonga an’i Mosesy hanaiky ny tari-dalan’i Jehovah ny fahalemem-panahy niavaka nananany.

12 Hafakely ny fomba nanabeazana an’i Mosesy, zanakalahin’ny Hebreo nahatoky. Nataon’i Jehovah izay hitsimbinana ny ainy, nandritra ny fotoana nisian’ny famitahana sy vonoan’olona. Ny reniny no nikarakara azy tamin’izy mbola kely, sy nampianatra azy ny momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina. Nentina nipetraka tamin’ny toerana hafa tanteraka anefa izy tatỳ aoriana. Nilaza i Stefana, martiora kristianina voalohany, fa “nampianarina ny fahendrena rehetra nananan’ny Egyptiana [i Mosesy], ary nahery tamin’ny teniny sy ny asany.” (Asan’ny Apostoly 7:22) Nisongadina ny finoany rehefa nandinika ny tsy rariny nataon’ny mpanompon’i Farao tamin’ny rahalahiny izy. Namono Ejipsianina iray hitany nikapoka Hebreo izy, ka voatery nitsoaka avy tany Ejipta, ary nankany Midiana.​—Eksodosy 1:15, 16; 2:1-15; Hebreo 11:24, 25.

13. Inona no vokany teo amin’i Mosesy, rehefa avy nipetraka 40 taona tany Midiana izy?

13 Voatery namelon-tena tany an’efitra i Mosesy rehefa 40 taona. Nahita ny zanakavavy fiton’i Regoela izy tany Midiana, ary nanampy azy ireo hanovo rano ho an’ny ondry aman’osin-drainy. Rehefa nody ireo tovovavy ireo, dia faly erỳ nitantara tamin’i Regoela fa nisy “lehilahy Egyptiana anankiray” niaro azy ireo tamin’ny mpiandry ondry nandroaka azy ireo. Nanaiky ny fanasan’i Regoela hiara-mipetraka tamin’ny fianakaviany i Mosesy avy eo. Niaritra zava-tsarotra izy, nefa tsy niteraka fahatezerana lalim-paka tao aminy izany, sady tsy nisakana azy tsy hizatra tamin’ilay fiainany vaovao. Tsy nihena mihitsy ny faniriany hanao ny sitrapon’i Jehovah. Nikarakara ny ondry aman’osin’i Regoela, sy nanambady an’i Zipora ary nitaiza ny zanany lahy i Mosesy nandritra ny 40 taona. Niezaka hanana sy hanatsara ilay toetra tsara nampiavaka azy foana izy nandritra izany fotoana izany. Nampianatra an’i Mosesy halemy fanahy tokoa ny zava-tsarotra niaretany.​—Eksodosy 2:16-22; Asan’ny Apostoly 7:29, 30.

14. Milazà fisehoan-javatra mampiseho fa nalemy fanahy i Mosesy, fony izy nitarika ny Isiraely.

14 Mbola nalemy fanahy foana i Mosesy, na dia notendren’i Jehovah ho mpitondra ny firenen’ny Isiraely aza. Nisy tovolahy, indray mandeha, nilaza taminy fa nitondra tena toy ny mpaminany i Eldada sy Medada tao amin’ny toby. Tsy teo anefa izy mirahalahy ireo fony i Jehovah nandrotsaka ny fanahiny tamin’ireo anti-panahy 70, izay hanampy an’i Mosesy. Hoy i Josoa: “Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy.” Namaly tamim-pahalemem-panahy i Mosesy hoe: “Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon’i Jehovah rehetra, ka halatsak’i Jehovah aminy ny Fanahiny!” (Nomery 11:26-29) Nilamina ilay toe-javatra noho izy nalemy fanahy.

15. Nahoana no tsara hotahafina i Mosesy na dia tsy lavorary aza?

15 Toa tsy nalemy fanahy i Mosesy indray mandeha. Tsy nanome voninahitra an’i Jehovah, Mpanao Fahagagana, izy tao Meriba, teo akaikin’i Kadesy. (Nomery 20:1, 9-13) Nanana finoana natanjaka foana anefa i Mosesy, ka tsy nivadika mihitsy, na dia tsy lavorary aza. Manintona antsika mandraka ankehitriny koa ny fahalemem-panahy niavaka nasehony.​—Hebreo 11:23-28.

Mifanohitra amin’ny hasiahana ny fahalemem-panahy

16, 17. Inona no fampitandremana raisintsika avy amin’ny tantaran’i Nabala sy Abigaila?

16 Misy ohatra fampitandremana tamin’ny andron’i Davida, taoriana kelin’ny nahafatesan’i Samoela, mpaminanin’Andriamanitra. Izany dia ny ohatr’i Nabala sy Abigaila vadiny. Tsy nitovy mihitsy izy mivady! “Hendry” i Abigaila, fa ny vadiny kosa “saro-po sy ratsy amin’izay ataony.” Mba nangataka mofo sy rano tamin’i Nabala ny olon’i Davida, izay niaro ny ondriny tamin’ny mpangalatra. Tsy nety nanome izany anefa i Nabala, sady tsy nanaja azy ireo mihitsy. Rariny àry raha tezitra i Davida, ka nanao ny sabany teo amin’ny fehin-tsabany izy sy ny olony, ary lasa hiady tamin’i Nabala.​—1 Samoela 25:2-13.

17 Rehefa ren’i Abigaila ny zava-nitranga, dia nanomana haingana mofo, divay, hena, ary mofo vita amin’ny voaloboka sy aviavy izy, ka nivoaka hitsena an’i Davida. Niangavy izy hoe: “Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna hianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ny ankizivavinao.” Nampitony ny fon’i Davida ny fitalahoany tamim-pahalemem-panahy. Rehefa avy nihaino ny fanazavan’i Abigaila izy, dia hoy izy: “Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko andro-any. Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie hianao, izay niaro ahy andro-any tsy hahazo heloka amin’ny fandatsahan-dra.” (1 Samoela 25:18, 24, 32, 33) Matin’ny hasiahany i Nabala tamin’ny farany. Faly kosa i Abigaila satria tonga vadin’i Davida, noho ny toetra tsarany. Ohatra ho an’ireo rehetra manompo an’i Jehovah ankehitriny ny fahalemem-panahiny.​—1 Samoela 25:36-42.

Miezaha mitady fahalemem-panahy

18, 19. a) Inona no fiovana mitranga rehefa mitafy fahalemem-panahy isika? b) Inona no manampy antsika handini-tena tsara?

18 Toetra tsy maintsy ananana àry ny fahalemem-panahy. Tsy fihetsika feno hatsaram-panahy fotsiny izy io, fa toetra manintona izay mamelombelona ny hafa. Zatra nanao teny henjana sy nasiaka angamba isika taloha. Niova anefa isika rehefa nianatra ny fahamarinana ara-baiboly, ka nanjary olona mahafinaritra kokoa. Niresaka momba an’io fiovana io i Paoly rehefa nampirisika ny Kristianina hoe: “Mitafia famindrampo sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana.” (Kolosiana 3:12) Ampitahain’ny Baiboly amin’ny fiovan’ny bibidia masiaka ho biby fiompy tsy masiaka izany: Toy ny amboadia, leoparda, liona, bera, ary vipera lasa toy ny zanak’ondry, zanak’osy, zanak’omby, ary ombivavy. (Isaia 11:6-9; 65:25) Fiovana be mihitsy ilay izy, ka gaga izay mandinika antsika. Manaiky anefa isika fa ny fiasan’ny fanahin’Andriamanitra no nahatonga izany, satria anisan’ny vokany tena miavaka ny fahalemem-panahy.

19 Midika ve izany fa tsy mila miezaka ny halemy fanahy intsony isika, raha efa niova sy nanolo-tena ho an’i Jehovah? Tsy izany mihitsy. Mila karakaraina foana, ohatra, ny akanjo vaovao mba hadio sy hilamina hatrany. Ilaintsika àry ny mijery hoe manao ahoana marina moa ny tenantsika. Hahafantatra izany isika raha mandinika ny Tenin’Andriamanitra ara-tsindrimandry sy misaintsaina ny ohatra voalaza ao. Inona no hitanao rehefa mandini-tena amin’io fitaratra io ianao?​—Jakoba 1:23-25.

20. Inona no hanampy antsika halemy fanahy?

20 Samy manana ny toetrany ny olona. Mora kokoa amin’ny mpanompon’Andriamanitra sasany ny maneho fahalemem-panahy. Ny Kristianina rehetra anefa no mila miezaka hanana ny vokatry ny fanahy, anisan’izany ny fahalemem-panahy. Nampirisika tamim-pitiavana an’i Timoty i Paoly hoe: “Miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an’Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy.” (1 Timoty 6:11) Ilay teny hoe “miezaha mitady” dia midika fa misy ezaka tokony hatao. Adika hoe ‘mikatsaha’ izy io ao amin’ny Baiboly hafa. (Fandikan-teny Katolika) Raha miezaka misaintsaina ireo ohatra tsara ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia tsy ho afaka ao an-tsainao izy ireo. Ho toy ny nambolena ao anatinao izy ireo, ka hamolavola sy hitari-dalana anao.​—Jakoba 1:21.

21. a) Nahoana isika no tokony hiezaka hitady fahalemem-panahy? b) Inona no hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

21 Hita amin’ny fifandraisantsika amin’ny olona raha tena malemy fanahy isika. Nanontany i Jakoba mpianatra hoe: “Iza eo aminareo no hendry sy manam-pahalalana? Aoka hasehony amin’ny fitondrantena tsara ny asany amin’ny fahalemem-panahin’ny fahendrena.” (Jakoba 3:13) Ahoana no anehoantsika Kristianina an’io toetra io ao an-tokantrano, sy eny amin’ny fanompoana, ary eo anivon’ny fiangonana? Manome tari-dalana mahasoa momba izany ny lahatsoratra manaraka.

Ho Famerenana

• Inona no nianaranao momba ny fahalemem-panahy avy amin’ny ohatr’i

• Jehovah?

• Jesosy?

• Mosesy?

• Abigaila?

• Nahoana isika no mila miezaka hitady fahalemem-panahy?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Nahoana i Jehovah no nankasitraka ny fanatitr’i Abela?

[Sary, pejy 17]

Nasehon’i Jesosy fa tsy misaraka ny fahalemem-panahy sy ny fanetren-tena

[Sary, pejy 18]

Ohatra tsara amin’ny fahalemem-panahy i Mosesy