Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tohanan’ny Fitsarana Tampony ny Fivavahana Marina eto Amin’ny “Tany Ararata”

Tohanan’ny Fitsarana Tampony ny Fivavahana Marina eto Amin’ny “Tany Ararata”

Tohanan’ny Fitsarana Tampony ny Fivavahana Marina eto Amin’ny “Tany Ararata”

Mijoro eo anatrehan’ny fitsarana tampony ao amin’ny taniny ny raim-pianakaviana armenianina iray fotsy volo, manan-janaka telo. Tandindomin-doza mantsy ny fivavahany sy ny an’ny mpiray finoana aminy. Mihaino azy ny Fitsarana eo am-pamakiany andininy ao amin’ny Baiboly, mba hanazavany ny zavatra inoany. Nahazo fandresena lehibe ny fivavahana marina eto Armenia tamin’io fitsarana io. Andeha àry hojerentsika izay nitranga ka nahatonga izany.

ETO atsinanan’i Torkia no misy an’i Armenia, atsimo kelin’ny tandavan-tendrombohitra lehiben’i Caucase. Maherin’ny telo tapitrisa ny mponina eto. Mahatalanjona ny mijery ny tendrony roa amin’ny Tendrombohitra Ararata avy eto Erevan renivohitra. Araka ny lovantsofina, dia teo amin’io tendrombohitra io no nipetraka ny sambo fiaran’i Noa taorian’ny Safo-drano naneran-tany.​—Genesisy 8:4. *

Efa hatramin’ny 1975 ny Vavolombelon’i Jehovah no nanao asa kristianina teto Armenia. Natsangana ny Filan-kevi-pirenena Momba ny Raharaha Ara-pivavahana mba hanoratana ara-dalàna ny fivavahana, rehefa nahazo fahaleovan-tena tamin’ny Firaisana Sovietika teo aloha i Armenia, tamin’ny 1991. Tsy neken’io Filan-kevi-pirenena io foana anefa ny hanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah, indrindra noho izy ireo tsy manao raharaha miaramila. Tanora Vavolombelona 100 mahery àry no nohelohina, nanomboka tamin’ny 1991, satria nanaraka ny voalazan’ny Baiboly momba ny raharaha miaramila. Nogadraina ny ankamaroan’izy ireo.

Nangataka tamin’ny fampanoavana koa io Filan-kevi-pirenena io mba hamotopototra ny zavatra ataon’i Lyova Margaryan mifandray amin’ny fivavahany. Anti-panahy kristianina i Lyova Margaryan sady mpisolovava mazoto miasa. Miasa ao amin’ny foibe ataomika mpamokatra herin’aratra eto an-toerana izy. Voampanga ho nandika ny Andininy 244 amin’ny lalàna àry ny Rahalahy Margaryan. Lalàna sovietika efa tamin’ny andron’i Khrouchtchev izy io, ka natao hanakantsakanana ny Vavolombelon’i Jehovah sy ny fivavahana hafa, ary hanafoanana azy ireo amin’ny farany.

Voalazan’io lalàna io fa manao heloka bevava ny olona mandamina na mitarika fivavahana tsy ara-dalàna, ka mody mitory mba ‘hitaomana ny tanora hiangona ao aminy’, ary ‘mampirisika ny mpiangona tsy hanao ny adidiny amin’ny firenena.’ Mba hanaporofoana ny fiampangany, dia nilaza ny mpampanoa fa misy ankizy manatrika ny fivoriana tarihin’ny Rahalahy Margaryan any amin’ny tanànan’i Metsamor. Nilaza koa izy fa nanery ny tanora eo anivon’ny fiangonana tsy hanao raharaha miaramila ny Rahalahy Margaryan.

Nanomboka ny fitsarana

Nanomboka ny zoma 20 Jolay 2001 ny fitsarana, tany Armavir, ary ny Mpitsara Manvel Simonyan no nitarika izany. Nitohy nandritra ny volana Aogositra izy io. Niaiky ireo olona natao vavolombelona, tamin’ny farany, fa ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (KGB taloha) no nanery azy ireo hanoratra ny fiampangana sasany natao tamin’ny Rahalahy Margaryan. Nanery azy ireo hanao sonia ilay taratasy nisy fiampangana avy eo ireo solontena ireo. Nitsotra teo anoloan’ny fitsarana ny vehivavy iray, indray mandeha, fa nisy manam-pahefana avy amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena, nanery azy hilaza fa “manohitra ny fanjakana eto amintsika sy ny fivavahantsika, ny Vavolombelon’i Jehovah.” Niaiky io vehivavy io hoe mbola tsy nahafantatra Vavolombelon’i Jehovah mihitsy, fa nandre ny fiampangana azy ireo tamin’ny televizionam-pirenena fotsiny.

Rehefa nasaina niteny ny Rahalahy Margaryan, dia nilaza fa mahazo lalana amin’ny ray aman-dreniny ireo ankizy manatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah ireo. Nanazava koa izy fa ny tsirairay no manapa-kevitra na hanao miaramila izy na tsia. Nitohy andro maromaro ny fanontanian’ilay mpampanoa. Tony tsara ny Rahalahy Margaryan namaly ny fanontaniana rehetra momba ny zavatra inoany. Nampiasa Baiboly izy tamin’izany, ary nanamarina ireo andininy tao amin’ny Baiboliny ilay mpampanoa.

Nambaran’ny mpitsara, tamin’ny 18 Septambra 2001, fa “tsy meloka” ny Rahalahy Margaryan, ary “tsy ahitana heloka bevava ny zavatra ataony.” Nitatitra momba ilay raharaha ny gazety Fampahalalam-baovao Mitambatra (anglisy). Izao no voalaza ao: ‘Afaka madiodio androany, ny mpitarika iray ao amin’ny Vavolombelon’i Jehovah any Armenia, antsoina hoe Levon Markarian [Lyova Margaryan]. Nampangaina ho mitaona olona hanaraka ny finoany izy sady manery ny tanora tsy hanao raharaha miaramila. Nilaza ny mpitsara, taorian’ny fitsarana naharitra roa volana, fa tsy ampy ny porofo niampangana azy. Nety ho nahatratra dimy taona an-tranomaizina ny saziny. Marina fa miaro ny fahalalahana ara-pivavahana ny Lalàm-panorenan’i Armenia. Sarotra ho an’ny fivavahana vaovao anefa ny misoratra ara-dalàna, satria ny Eglizy Apostolika Armenianina ihany no mahafeno ny fepetra takin’ny lalàna.’ Hoy ny Fikambanana Mikendry ny Filaminana sy ny Fiaraha-miasa any Eoropa (OSCE) tao amin’ny filazana an-gazety nataony tamin’ny 18 Septambra 2001: “Mahafaly anay ato amin’ny OSCE ilay didim-pitsarana. Mbola malahelo anefa izahay satria tsy tokony ho natao akory iny fitsarana iny.”

Mbola nitohy ny fitsarana

Nampiakatra fitsarana ambony anefa ny mpampanoa, ary naharitra efa-bolana izany. Iray tamin’ireo mpitsara no nametraka ny fanontaniana voalohany tamin’ny Rahalahy Margaryan, rehefa nasaina niteny izy, tamin’ny fanombohan’ilay fitsarana. Notapahin’ny filohan’ny fitsarana ny tenin’ny Rahalahy Margaryan, raha vao nanomboka namaly izy. Nametraka fanontaniana hamelezana azy avy eo ilay filoha. Tsy navelany hamaly ireo fanontaniana hatramin’ny farany akory ny Rahalahy Margaryan. Tsy navelany horaisina an-tsoratra koa ny ankamaroan’ny fanontaniana napetraky ny mpisolovavan’ny Rahalahy Margaryan taminy. Tsy nolazainy akory anefa ny antony nanaovany izany. Feno mpivavaka mafana fo tafahoatra, mpanohitra ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny efitrano fitsarana, ka niteny ratsy tsy nisy farany ny Rahalahy Margaryan izy ireo, nandritra izany fotoana izany. Betsaka ny vaovao diso sy nadika vilana momba ilay fitsarana, nalefa tao amin’ny tele, taorian’izay. Nolazaina tamin’izany, ohatra, fa niaiky ny fahadisoany ny Rahalahy Margaryan.

Rehefa nandeha ny fitsarana, dia taitra ny mpanatrika satria namoaka taratasy iray avy amin’ny Filan-kevi-pirenena Momba ny Raharaha Ara-pivavahana ny filohan’ny fitsarana. Fangatahana ny fampanoavana handray fepetra momba ny Rahalahy Margaryan io taratasy io. Nahagaga ny olona avy any amin’ny firenen-kafa tonga nanatrika ilay fitsarana izany. Nanaiky mantsy i Armenia, tao amin’ny taratasy fangatahany ho mpikambana ao amin’ny Filan-kevitr’i Eoropa, fa adidiny ny “manao izay tsy hanavakavahana ny Eglizy na ny fivavahana rehetra, indrindra ireo lazaina fa fivavahana ‘vao haingana.’ ”

Nitohy herinandro maromaro ny fitsarana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha. Niady tamin’ny Vavolombelona foana ny mpanohitra, tao anatin’ny efitrano fitsarana sy tetỳ ivelany. Nodakan’izy ireo, ohatra, ny ranjon’ny vehivavy Vavolombelona sasany. Nilan’izy ireo ady ny Vavolombelona iray, nefa tsy namaly, ka nokapohin’izy ireo ny lamosiny. Tsy maintsy nampidirina hopitaly io Vavolombelona io.

Mpitsara hafa no notendrena hiandraikitra ilay raharaha avy eo. Nampitahotra ny mpisolovavan’ny Rahalahy Margaryan ny mpanatrika vitsivitsy, nefa nahavita nifehy azy ireo io mpitsara vaovao io. Nasainy navoakan’ny polisy mihitsy aza ny vehivavy iray nikiakiaka nandrahona an’ilay mpisolovava.

Nampiakarina fitsarana tampony ilay raharaha

Nitovy tamin’ilay didim-pitsarana voalohany ihany no navoakan’ny fitsarana ambony, ny 7 Martsa 2002. Nahagaga fa nofoanana ny Filan-kevi-pirenena Momba ny Raharaha Ara-pivavahana, iray andro talohan’ny nivoahan’io didim-pitsarana io. Nampiakarin’ny fampanoavana tany amin’ny fitsarana tampony eto Armenia indray anefa ilay raharaha, mba hanafoanana ilay didy navoaka. Nangataka ny hamerenana ny fitsarana izy ireo, mba “hisy didy havoaka hanamelohana” ny Rahalahy Margaryan.

Nanao ny fitsarana ny mpitsara enina nasaina niandraikitra ilay raharaha, ny 19 Aprily 2002 tamin’ny 11 ora maraina, ary ny Mpitsara Mher Khachatryan no filohany. Nilaza ny iray tamin’ireo mpampanoa, rehefa nandray fitenenana, fa tsy faly izy satria tsy nanameloka ny Rahalahy Margaryan ireo fitsarana roa teo aloha. Izy indray anefa izao no tsy navela hanohy ny teniny. Nametraka fanontaniana mivantana taminy ny efatra tamin’ireo mpitsara. Nanome tsiny azy ny iray tamin’izy ireo satria nataony izay hanamelohan’ny Fitsarana ny Rahalahy Margaryan, noho izy nitory sy nanaraka fivavahana mbola tsy ara-dalàna. Samy tsy heloka bevava anefa ireo, araka ny Andininy 244 amin’ny lalàna. Nilaza io mpitsara io avy eo fa ‘nitsara an-tendrony ny Rahalahy Margaryan ny fampanoavana, satria niampanga azy ho nanao heloka bevava.’ Nitanisa raharaha ara-pitsarana tany Eoropa nahakasika ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpitsara hafa iray, ka nilaza fa ekena ho “fivavahana fantatra” izy ireo. Arovan’ny Fifanarahana Eoropeanina Momba ny Zon’olombelona koa izy ireo. Nisy mompera nikiakiaka tamin’izay tao amin’ny efitrano fitsarana, fa mampisara-bazana ny firenena ny Vavolombelon’i Jehovah. Nandidy azy hangina ny Fitsarana.

Nasain’ny mpitsara nitsangana avy eo ny Rahalahy Margaryan. Mbola tsy fanaon’io fitsarana tampony io mihitsy izany hatramin’izay. Nanazava tsara ny Rahalahy Margaryan fa manaraka ny fomba fihevitra kristianina momba ny raharaha samihafa ny Vavolombelon’i Jehovah. (Marka 13:9) Niato kely ny fitsarana avy eo. Niverina ny mpitsara ary niara-nandany an’ilay didim-pitsarana hoe “tsy meloka” ny Rahalahy Margaryan. Hita tamin’ny endriny fa tena maivamaivana ilay rahalahy. Hoy ny Fitsarana tao amin’ny didim-pitsarana an-tsoratra navoakany: “Tsy heloka bevava io asa io [ny an’i Lyova Margaryan], araka ny lalàna manan-kery. Ilay fiampangana kosa dia mifanohitra amin’ny Andininy 23 amin’ny Lalàm-panorenana armenianina sy ny Andininy 9 amin’ny Fifanarahana Eoropeanina.”

Vokatr’ilay didim-pitsarana

Raha nandresy ireo nitory ny Rahalahy Margaryan, dia ho mora amin’ny olona ny hanenjika araka ny lalàna ireo anti-panahin’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Armenia. Antenaina anefa fa tsy hahavita izany izy ireo, noho iny didim-pitsarana mazava nivoaka iny. Raha nandresy koa ireo nitory ny Rahalahy Margaryan, dia mety ho lasa hirika hialana izany mba tsy hanoratana ara-dalàna ny Vavolombelon’i Jehovah. Soa ihany fa tsy afaka hanao izany intsony izy ireo, noho ilay didim-pitsarana.

Mbola ho hita eo ihany raha hekena ara-dalàna ireo Vavolombelon’i Jehovah maherin’ny 7 000 eto Armenia. Mandra-pahatongan’izany anefa, dia mbola misy eto amin’ny “tany Ararata” ny fivavahana marina, ary mbola miroborobo hatrany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Izany no antony iray mahatonga ny Armenianina hampifandray ny taniny amin’ny Tendrombohitra Ararata. Nidadasika be ny fanjakan’i Armenia taloha, ka tafiditra tao anatiny ireo tendrombohitra ireo. Adikan’ny Septante grika hoe “Armenia” àry ny hoe “tany Ararata” ao amin’ny Isaia 37:38. Any Torkia izao no misy ny Tendrombohitra Ararata, any akaikin’ny sisin-taniny atsinanana.

[Sary, pejy 12]

Lyova Margaryan tamin’izy notsaraina

[Sary, pejy 13]

Rahalahy Margaryan sy ny fianakaviany