Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Aiza no Hahitanao ny Tena Finoana?

Aiza no Hahitanao ny Tena Finoana?

Aiza no Hahitanao ny Tena Finoana?

“RAHA hanaraka fivavahana iray ianao satria fotsiny hoe izay no fivavahan-drazanao, nahoana raha mifidy ny fivavahan’ireo razambentsika niaina efa 2 000 taona lasa izay?”, hoy i Rodolphe, somary naneso. Nitsiky ilay tovolahy nahare ny teniny.

Hoy ihany i Rodolphe: “Tena zava-dehibe amiko ny fifandraisako amin’Andriamanitra. Tsy ekeko mihitsy hoe terena hanaraka fivavahana iray aho, satria fotsiny hoe izany ny fivavahan’ny fianakaviako efa am-polo taona lasa izay, na an-jato taona mihitsy aza.” Raharaha lehibe io, ka nodinihin’i Rodolphe tsara, fa tsy noheveriny ho toy ny zavatra nolovana fotsiny.

Vitsy kokoa ankehitriny ny olona mandova ny fivavahan’ny ray aman-dreniny, nefa mbola mifikitra amin’ny fivavahan’ny fianakaviany ihany ny ankamaroany. Mety foana anefa ve izany? Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Nanome safidy ny Isiraelita i Josoa, mpandimby an’i Mosesy, taorian’ny 40 taona tany an’efitra. Hoy izy: “Raha tsy sitrakareo ny hanompo an’i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’i Jehovah izahay.”​—Josoa 24:15.

I Tera, rain’i Abrahama, no anisan’ny razana noresahin’i Josoa. Nipetraka tany Ora, tanàna tany atsinanan’ny Ony Eofrata, izy. Tsy milaza zavatra betsaka momba an’i Tera ny Baiboly, afa-tsy ny hoe nanompo andriamani-kafa izy. (Josoa 24:2) Tsy tena fantatr’i Abrahama zanany tsara ny fikasan’Andriamanitra, nefa vonona handao ny tanàna niaviany izy rehefa nodidian’i Jehovah hanao izany. Nifidy fivavahana hafa noho ny an-drainy tokoa i Abrahama. Noho izany, dia notahin’Andriamanitra izy araka ny efa nampanantenainy azy. Tonga “rain’ny olona rehetra izay mino” an’Andriamanitra koa izy, araka ny eken’ny fivavahana maro.​—Romana 4:11.

Asehon’ny Baiboly koa fa ohatra tsara i Rota, razamben’i Jesosy Kristy. Vehivavy moabita nanambady Isiraelita i Rota. Maty ny vadiny ka voatery nanao safidy izy, na hijanona ao amin’ny taniny na hiara-miverina amin’ny rafozambaviny any Isiraely. Nanaiky i Rota fa ambony kokoa noho ny fanompoan-tsampy narahin’ny ray aman-dreniny, ny fivavahana tamin’i Jehovah. Hoy àry izy tamin’ny rafozambaviny: “Ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro.”​—Rota 1:16, 17.

Milaza ny Diksioneran’ny Baiboly (frantsay), fa io tantara io dia mampiseho ‘ny nahatongavan’ny vehivavy tsy Isiraelita ho razamben’i Davida Mpanjaka masina, noho ny fitarihan’Andriamanitra. Tiany mantsy ny vahoakan’i Jehovah sy ny fivavahana taminy, na dia teraka teo anivon’ny mpanompo sampy tsy tia Isiraelita sady halan’ny Isiraelita, aza izy.’ Tsy nisalasala nifidy fivavahana hafa noho ny an’ny ray aman-dreniny i Rota, ka notahin’Andriamanitra.

Manazava bebe kokoa ny antony nandaozan’ny mpianatr’i Jesosy ny fivavahan-drazany, ny fitantarana momba ny niandohan’ny Kristianisma. Nanao lahateny tena nandresy lahatra ny apostoly Petera. Nasainy nibebaka sy natao batisa amin’ny anaran’i Jesosy Kristy ny mpihaino azy tamin’izay, mba “hovonjena ho afaka amin’ity taranaka maditra ity.” (Asan’ny Apostoly 2:37-41) I Saoly, Jiosy mpanenjika ny Kristianina, no ohatra niavaka indrindra tamin’izany. Nahita an’i Kristy tao amin’ny fahitana izy, teny an-dalana ho any Damaskosy. Tonga Kristianina izy taorian’izay, ary nanjary nantsoina hoe apostoly Paoly.​—Asan’ny Apostoly 9:1-9.

Tsy nisy zava-nahagaga toy izany nitranga tamin’ny ankamaroan’ny Kristianina voalohany. Tsy maintsy niala tamin’ny Jodaisma na ny fanompoan-tsampy anefa izy rehetra. Nahafantatra tsara izay nataony ireo niova ho Kristianina matetika, rehefa avy nandinika tsara ny anjara asan’i Jesosy, ilay Mesia. (Asan’ny Apostoly 8:26-40; 13:16-43; 17:22-34) Nohazavaina tamin’ireo Kristianina voalohany ireo fa nila niova izy ireo. Nasaina nanao izany na ny Jiosy na ny tsy Jiosy, nefa nitovy ihany ny hafatra nambara taminy. Nila nanaraka fivavahana vaovao, dia ny Kristianisma, izy ireo raha te hampifaly an’Andriamanitra.

Safidy tsy maintsy ataontsika

Ny Jodaisma sy ny fivavahana tamin’ny emperora ary ny fanompoan-tsampy no fivavahana nahazatra ny olona tamin’ny taonjato voalohany. Azo antoka fa nitaky herim-po ny niala tamin’izany fivavahan-drazana izany, ka hanaraka fivavahana nohamavoin’ny Jiosy sy ny Romanina. Tsy ela dia nenjehina mafy ireo olona nanao izany safidy izany. Mitaky herim-po toy izany koa ankehitriny ny hoe tsy manaiky “hanaraka sy hifantoka tanteraka amin’ny fanaon’ny besinimaro”, hoy i Hyppolyte Simon, evekan’i Clermont-Ferrand, ao amin’ilay bokiny hoe Lasa Mpanompo Sampy ve i Frantsa? (frantsay) Mitaky herim-po ny manaraka fivavahana tsy misy afa-tsy mpikambana vitsivitsy sy kianina indraindray, dia ny Vavolombelon’i Jehovah.

Katolika, ohatra, ny fianakavian’i Paul, tovolahy any Bastia, any Corse. Nandray anjara tamin’ny asan’ny eglizy izy indraindray. Nivarotra mofomamy izy, ohatra, mba hanangonam-bola ho an’ny fikambanana katolika iray mpanao asa soa. Nanaiky niara-nidinika tsy tapaka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, satria te hahatakatra bebe kokoa ny Baiboly. Takany tatỳ aoriana fa hitondra soa maharitra ho azy ny zavatra nianarany. Nanaiky tanteraka ny fitsipiky ny Baiboly àry i Paul, ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nanaja ny safidiny ny ray aman-dreniny, ary tsy nanimba ny fihavanan’izy ireo izany.

Mipetraka any amin’ny faritra atsimon’i Frantsa i Amélie. Efa hatramin’ny renin’ny renibeny no Vavolombelon’i Jehovah. Nahoana izy no nifidy ny hanaraka ny fivavahan’ny ray aman-dreniny? Hoy izy: “Tsy hoe satria Vavolombelon’i Jehovah ny ray aman-dreninao na ny raibe sy renibenao, dia lasa Vavolombelon’i Jehovah koa ianao. Na ho ela na ho haingana anefa, dia hilaza amin’ny tenanao ianao hoe: ‘Ity no fivavahako satria tena mino an’ireo fampianarana ireo aho.’” Toy ireo tanora maro hafa Vavolombelon’i Jehovah, dia fantatr’i Amélie fa mahatonga ny fiainany hisy zava-kendrena ny finoany mafy orina, sady hitondra fahasambarana maharitra ho azy.

Antony anekena ny fitsipik’Andriamanitra

Mampirisika ireo maniry hampifaly an’Andriamanitra toy izao ny bokin’ny Ohabolana, toko faha-6 andininy faha-20: “Anaka, tandremo ny didin-drainao, ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao.” Mampirisika ny tanora hampitombo ny finoany sy hiandany amin’Andriamanitra izany torohevitra izany, fa tsy hankatò an-jambany fotsiny. Tena manaiky ny fitsipik’Andriamanitra izy ireo raha manao izany. Nasain’ny apostoly Paoly ‘hamantatra ny zavatra rehetra’ ny namany, izany hoe hanamarina raha mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy ny sitrapony ny zavatra nampianarina azy, ary avy eo hampihatra izany.​—1 Tesaloniana 5:21.

Izany no fanapahan-kevitra noraisin’ireo Vavolombelon’i Jehovah enina tapitrisa mahery, na tanora izy ireo na antitra, na nobeazina teo anivon’ny fianakaviana kristianina na tsia. Nianatra tsara ny Baiboly izy ireo, ka nahita valiny mendri-pitokisana momba ny fanontaniany mahakasika ny zava-kendren’ny fiainana. Nanjary takatr’izy ireo tsara koa ny sitrapon’Andriamanitra ho an’ny olombelona. Rehefa nahazo izany fahalalana izany izy ireo, dia nanaiky ny fitsipik’Andriamanitra ary manao araka izay fara heriny mba hanaovana ny sitrapony.

Na mpamaky tsy tapaka an’ity gazety ity ianao na tsia, nahoana raha manaiky ny fanasan’ny Vavolombelon’i Jehovah hanampy anao handinika ny fitsipiky ny Baiboly? Mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay izany fahalalana izany rehefa ampiharina. Amin’izay koa ianao dia ho afaka ‘hanandrana ka hizaha fa tsara Jehovah.’​—Salamo 34:8; Jaona 17:3.

[Sary, pejy 5]

Renibe ka hatramin’ny zafiafy, samy Vavolombelon’i Jehovah (Frantsa)

[Sary, pejy 7]

Nifidy ny hanompo an’i Jehovah, fa tsy ny andriamanitry ny razany, i Rota