Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fitoriana Tsy Hay Hadinoina Mihitsy

Fitoriana Tsy Hay Hadinoina Mihitsy

Fitoriana Tsy Hay Hadinoina Mihitsy

“Migaingaina be ny andro. Toa tsy mety ho tapitra ilay lalana mamakivaky tendrombohitra. Mandresy vato misakana maro izahay, ka tonga ao amin’ilay tanàna lavitra indrindra ihany amin’ny farany. Mivadika ho fifaliana anefa ny harerahana, rehefa tonga eo amin’ny trano voalohany izahay, ka raisin’ny olona tsara. Voapetrakay daholo ny boky sy gazety nentinay rehefa hariva ny andro, ary maromaro ny fampianarana Baiboly natomboka. Tena mazoto mianatra ny olona. Tsy maintsy mandeha indray izahay, kanefa mampanantena ny hiverina.”

IZANY matetika no zavatra hitan’ny antokona mpisava lalana any Meksika. Tapa-kevitra izy ireo ny hanatanteraka amin-jotom-po ilay asa nampanaovin’i Jesosy ny mpianany, hoe: “Ho vavolombeloko . . . hatramin’ny faran’ny tany [ianareo].” (Asan’ny Apostoly 1:8) Misy ezaka manokana atao any Meksika mba hitoriana any amin’ny faritany tsy nankinina tamina fiangonana, izany hoe faritany tsy mandre matetika ny vaovao tsara momba ny Fanjakan’Andriamanitra. Antsoina hoe faritanin’ny mpisava lalana ireny faritany ireny, izay matetika no lavitra na sarotra andehanana. Mahazo fanampiana ihany koa ireo fiangonana mitokana manana faritany midadasika hitoriana.

Mandinika izay ilaina eo amin’ilay faritra ny biraon’ny sampan’ny Vavolombelon’i Jehovah, mba hahitana hoe aiza avy no tsara hatao faritanin’ny mpisava lalana. * Rehefa vita izay, dia misy antokona mpisava lalana manokana alefa mitory any amin’ilay faritany. Omena fiara afaka mandeha amin’ny lalan-dratsy mikitoantoana izy ireo. Atao fanatobiana entana sy fatoriana koa ireo fiara rehefa ilaina izany.

Namaly ilay antso avy hatrany

Nanomboka tamin’ny Oktobra 1996, dia nasaina handray anjara tamin’io asa io koa ny mpitory ny vaovao tsara, mba hanampy ireo mpisava lalana manokana. Tonga manatevin-daharana azy ireo ny mpitory ilay Fanjakana sy mpisava lalana mpanampy, izay maniry hanompo any amin’izay ilana mpitory maro kokoa. Voatendry ho any amin’ireo fiangonana manodidina an’ilay faritra andehanany ny sasany, mba hitory sy hanampy ireo olona liana ao. Mpitory sy mpisava lalana tanora maro no nanaiky ilay fanasana, ka nahazo fampaherezana be tamin’ny zavatra hitany tany.

Nanapa-kevitra ny handray anjara tamin’ny asa fitoriana tany amin’ireny faritra lavitra ireny, ohatra, i Abimael, tanora kristianina iray. Niasa tamin’ny kompaniana telefaonina entin-tanana izy ary tsara karama. Rehefa fantatr’ireo mpampiasa azy fa hametra-pialana izy, dia nampanantenain’izy ireo fisondrotana tamin’ny asany sy karama bebe kokoa. Nampirisika azy mafy ny mpiara-miasa taminy mba hanaiky, satria, hono, tsy hiverina intsony ny toy izany, ka adala izy raha mandà. Tapa-kevitra ny hanohana ilay fitoriana manokana nandritra ny telo volana anefa i Abimael. Nahafinaritra azy ilay fanompoana, ka nanapa-kevitra ny hijanona tany amin’ny fiangonana nitokana iray izy, satria nila mpitory maro tany. Manana asa kely karama kokoa izy izao, ary mianatra manatsotra ny fiainany.

Nandray anjara tamin’ilay ezaka manokana koa i Julissa. Tsy maintsy nandeha aotobisy nandritra ny adiny 22 izy indray mandeha, mba hahatongavana tany amin’ny faritany nanendrena azy. Tsy tratrany anefa ilay aotobisy farany tokony handehanany. Nandalo avy eo ny kamiao kely iray nitondra mpiasa. Nisikina herim-po i Julissa, ka nangataka mba hiaraka tamin’izy ireo. Mazava ho azy fa natahotra ihany izy, satria izy irery no vehivavy niaraka tamin’ireo lehilahy maro be ireo. Rehefa nitory tamin’ny tovolahy teo akaikiny anefa izy, dia fantany fa hay Vavolombelon’i Jehovah izy io! “Hay anti-panahy ao amin’ilay fiangonana nanendrena ahy koa ilay mpamily!”, hoy i Julissa.

Mandray anjara koa ny zokiolona

Tsy natao ho an’ny tanora ihany anefa io asa io. Efa fanirian’i Adela hatramin’izay ny hanokana fotoana betsaka kokoa amin’ny fanompoana. Afaka nanao izany io anabavy zokiolona io, rehefa nasaina handray anjara tamin’ilay fitoriana manokana. Hoy izy: “Tena tiako ny faritany nanendrena ahy, ka nangataka tamin’ny anti-panahy tao amin’ilay fiangonana aho, mba hijanona tao. Faly aho, satria mbola azon’i Jehovah ampiasaina foana na dia efa antitra aza.”

Te haneho ny fankasitrahany an’i Jehovah sy ny fitiavany ny mpiara-belona aminy i Martha, izay efa 60 taona, ka nandray anjara tamin’io ezaka manokana io koa. Hitany fa sarotra tamin’ilay antokona mpitory niarahany ny nankany amin’ny olona rehetra teo amin’ilay faritany, satria lavitra sady sarotra ny lalana. Nividy fiara iray àry izy mba hampiasain’ny mpisava lalana. Betsaka kokoa ny faritany nitoriana sy ny olona niresahana ny fahamarinana ara-baiboly, noho ny fanomezana nataon’io anabavy io.

Nahafaly ny fandraisan’ny olona

Ny tanjon’ireo mandray anjara amin’ilay fitoriana manokana dia ny ‘hanao mpianatra.’ Tena nahitam-bokatra io lafiny io. Nandray ny fahamarinana mamonjy aina avy ao amin’ny Baiboly ireo olona tany amin’ny faritany mitokana. (Matio 28:19, 20) Maro ny fampianarana Baiboly natomboka. Mpitory eo an-toerana no mikarakara azy ireny, na koa mpitory nijanona any amin’ilay faritany. Nisy antoko-mpitory voalamina tany amin’ny faritra sasany, ary nisy fiangonana kely niforona mihitsy aza tany amin’ny faritra hafa.

Nandeha tamin’ny fitateram-bahoaka i Magdaleno sy ny namany, rehefa hamonjy ny faritany mitokana nanendrena azy ireo. Nanararaotra nitory tamin’ny mpamily izy ireo teny an-dalana. “Nilaza taminay ilay lehilahy fa nisy Vavolombelona nitsidika tany an-tranony tamin’izy tsy tao, ny herinandro talohan’izay. Rehefa tafaverina izy, dia notantarain’ny fianakaviany taminy izay zavatra ren’izy ireo. Nolazainay taminy hoe tsy avy etỳ amin’ny manodidina izahay fa avy any amin’ny faritra samihafa eto Meksika, saingy tonga izahay mba hanohana amin’ity fitoriana manokana ity, ary samy mianto-tena izahay rehetra. Nanaitra ilay mpamily izany, ka nilaza izy fa tamin’io herinandro io ihany dia hanomboka hiara-mianatra Baiboly izy mianakavy. Nanohana an’ilay asa mihitsy aza izy, satria tsy nampandoaviny saran-dalana izahay.”

Nanohina ny fon’i Magdaleno koa ny fandraisan’ireo mponina any amin’ny tendrombohitra Chiapas. “Nitory ny hafatra momba ilay Fanjakana tamin’ireo tanora 26 nivavaka tao amin’ny Fiangonana Presbyterianina izahay mivady. Nihaino tsara izy rehetra nandritra ny antsasak’adiny. Samy naka ny Baiboliny izy ireo, ary afaka nanazava tsara tamin’izy ireo ny fikasan’i Jehovah izahay. Manana Baiboly amin’ny teny tzeltal ny ankamaroan’ny olona any.” Maro ny fampianarana Baiboly natomboka, ary mandroso tsara izy ireny.

Nihanalefaka ny fanoherana

Nisy faritra iray any Chiapas efa tsy nitoriana ny hafatra momba ny Baiboly nandritra ny roa taona, satria nanohitra be ny mponina sasany tao. Hitan’i Teresa, izay mpitory ny filazantsara manontolo andro, fa natahotra nankany amin’io tanàna io ny Vavolombelona sasany. “Nahagaga anefa fa nihaino ny olona. Rehefa vita ny fitorianay, dia avy be ny orana. Nitady fialofana izahay, ka nankany amin’ny tranon’i Sebastián, lehilahy iray tia nandray vahiny. Navelany hialoka tao an-tranony izahay. Rehefa tafiditra izahay, dia nanontaniako izy raha efa nisy nitory taminy. Nanda izy, ka nitory taminy aho, ary nanomboka nampianatra Baiboly azy, tamin’ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. * Rehefa nanainga izahay, dia latsa-dranomaso mihitsy i Sebastián, niangavy anay hiverina hanohy ilay fianarana.”

Nitatitra toy izao koa ny antokona mpisava lalana hafa iray nitsidika an’i Chiapas: “Nahita vokatra tsara izahay noho ny fanampian’i Jehovah. Nanomboka fampianarana Baiboly 27 izahay tamin’ilay herinandro voalohany, ary tamin’ny herinandro faharoa dia nasainay ny olona hijery ilay vidéo hoe Ny Baiboly​—Ny Heriny eo Amin’ny Fiainanao (frantsay). Olona 60 no nanatrika, ary tena nahafinaritra azy ireo ilay vidéo. Rehefa nifarana ilay izy dia nolazainay fa azo atao ny miaraka maromaro rehefa mianatra Baiboly. Nahagaga fa antokona mpianatra Baiboly roa no natao tao amin’io tanàna io.

“Rehefa avy nitory tany amin’ireo faritany nanendrena anay izahay, dia niverina tao amin’ilay tanàna mba hampahery ny olona liana. Tianay hojerena koa hoe nanao ahoana ny fandrosoan’ireo antokona mpianatra Baiboly. Nasainay hanatrika fivoriana ho an’ny besinimaro sy Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana izy ireo. Tsy nisy toerana lehibe azonay nivoriana anefa. Nanondro ny tokotaniny ny tompon’ilay trano nianaranay Baiboly, ka nilaza hoe: ‘Azo atao eto an-tokotany ny fivoriana.’”

Tamin’ny faran’iny herinandro iny, dia niaraka nikarakara ilay tokotany ireo mpisava lalana sy ireo olona liana, mba hanaovana ny fivoriana. Nazoto erỳ izy ireo! Nisy 103 no nanatrika ny fivoriana voalohany. Fampianarana Baiboly 40 izao no tarihina ao amin’io tanàna io.

‘Fanompoana tena nahafinaritra’

Ankoatra ny vokatra tsara tamin’ny fitoriana, dia nahazo tombontsoa hafa koa ireo nandray anjara tamin’iny fitoriana manokana iny. Nilaza ny fihetseham-pony toy izao i María, tanora mpisava lalana iray: “Tena nahafinaritra ilay izy, ary misy antony roa mahatonga izany. Nanjary faly kokoa aho rehefa mitory, ary nanjary nifandray akaiky kokoa tamin’i Jehovah aho. Tena reraka izahay indray mandeha rehefa nianika tendrombohitra. Rehefa nangataka fanampiana tamin’i Jehovah anefa izahay, dia tanteraka taminay mihitsy ny Isaia 40:29-31, hoe: ‘Izay miandry an’i Jehovah dia mandroso hery.’ Tonga ihany àry izahay tamin’ny farany, ary nampianatra Baiboly ny olona, izay tena nandray anay tsara.”

Hoy koa i Claudia, mpisava lalana iray 17 taona: “Betsaka ny soa noraisiko. Nanjary za-draharaha kokoa aho amin’ny fanompoana, ary tena mahafaly ahy izany, ka nahatonga ahy hametra tanjona ara-panahy. Nihamatotra ara-panahy koa aho. I Neny foana no nanao ny zavatra rehetra ho ahy tany an-trano. Izao kosa aho efa mba za-draharaha, ka mahay mandray andraikitra kokoa. Taloha, ohatra, dia nifidifidy hanina foana aho. Izao kosa aho efa zatra miaina amin’ny toe-javatra samihafa, ka tsy mimenomenona momba ny sakafo intsony. Nahatonga ahy hanana namana tsara koa io karazana fanompoana io. Mifampizara izay anananay izahay, sady mifanampy.”

Fijinjana nahafaly

Inona avy no vokatr’iny ezaka manokana iny? Tamin’ny fiandohan’ny taona 2002, dia mpisava lalana 28 300 no nitory tamin’ireny faritany manokana ireny. Nitarika fampianarana Baiboly maherin’ny 140 000 izy ireo, ary nandany ora maherin’ny roa tapitrisa tamin’ny asa fitoriana. Nametraka boky 121 000 sy gazety 730 000 teo ho eo izy ireo, mba hanampiana ny olona hianatra Baiboly. Matetika ny mpisava lalana no manana fampianarana Baiboly 20 na mihoatra an’izany aza.

Tena velom-pankasitrahana ireo olona liana, noho ny hatsaram-panahy sy ny ezaka natao, mba hampitana ny hafatra ara-baiboly tamin’izy ireo. Na dia nahantra aza ny olona, dia maro no nanery ny mpitory handray fanomezana. Nanome zavatra ho an’ny mpisava lalana nitsidika azy foana, ohatra, ny ramatoa nahantra iray efa 70 taona. Mitomany izy, raha tsy mety mandray ireo mpisava lalana. Nisy koa fianakaviana nahantra, nanery an’ireo mpitory manontolo andro handray ny atody nomeny, satria, hono, ho azy ireo mihitsy no nanatodizan’ny akohony.

Ny mbola zava-dehibe noho izany aza, dia hoe mankasitraka zavatra ara-panahy ireo olona tso-po ireo. Mandeha an-tongotra irery mandritra ny adiny telo sy sasany, ohatra, ny tovovavy iray mba hanatrehana fivoriana. Tsy tapaka mihitsy anefa izy na dia indray mandeha aza. Narary lohalika ny ramatoa liana iray efa zokiolona, nefa nanao dia nandritra ny adiny roa, mba hahazo torohevitra ara-baiboly, rehefa nandalo ny mpiandraikitra ny faritra. Naniry hianatra hamaky teny sy hanoratra ny olona sasany tsy nahay taratasy, mba handray soa bebe kokoa amin’ny fampianarana ara-baiboly. Nahazo fitahiana maro be izy ireo noho ny ezaka nataony.

Nanoratra ny fahitana iray azon’ny apostoly Paoly i Lioka, ao amin’ny bokin’ny Asan’ny apostoly, ka nanao hoe: “Nisy lehilahy Makedoniana nitsangana teo ka nangataka azy hoe: Mità mankatỳ Makedonia, ka vonjeo izahay!” Nanaiky an-tsitrapo izany antso izany i Paoly. Maro no mitovy toe-tsaina aminy, any amin’ireo faritra mitokana any Meksika. Manolo-tena izy ireo mitory ny vaovao tsara “hatramin’ny faran’ny tany.”​—Asan’ny Apostoly 1:8; 16:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Vao haingana izay, dia maherin’ny 8 isan-jaton’ny faritany tany Meksika no tsy dia nitorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Midika izany fa olona maherin’ny 8 200 000 no mipetraka any amin’ny faritra mitokana tsy itoriana firy.

^ feh. 17 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 9]

Maro ireo Vavolombelona meksikanina nandray anjara tamin’ilay fitoriana manokana