Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miahy ny Olon-tsotra i Jehovah

Miahy ny Olon-tsotra i Jehovah

Miahy ny Olon-tsotra i Jehovah

TSY maintsy miavaka ve isika vao ho hitan’Andriamanitra? Nilaza toy izao i Abraham Lincoln, prezidàn’i Etazonia faha-16: “Tian’ny Tompo kokoa ny olon-tsotra, ka nanao olon-tsotra be dia be izy.” Maro no mihevi-tena ho olona tena tsotra sy tsy mba manana zavatra tena mampiavaka azy mihitsy. Ny hoe olon-tsotra dia mety hidika hoe mahantra na ambany. Mety hidika koa izy io hoe olona tsy manana tombontsoa na toerana manokana, fa olona ambany saranga. Olona manao ahoana no tianao hiaraha-monina? Olona miavona sy mpanizingizina ny heviny ary manambony tena ve? Tsy ho tianao kokoa ve ny olona sariaka sy manetry tena ary tsy be hambo, izay tena tia sy miahy ny olon-kafa?

Misy tsy mino hoe tena miahy azy ireo Andriamanitra, satria betsaka ankehitriny ny olona mandratra ny fihetseham-pon’olona sy maneso. “Tsy mifankatia loatra ny fianakavianay”, hoy ny lehilahy iray mpamaky an’ity gazety ity. “Natao tsinontsinona sy nesoina ary nihomehezana foana aho. Hatramin’ny mbola kely àry aho, dia efa nihevitra ny tenako ho tsy nisy ilana azy. Mbola misy fihetseham-po raiki-tampisaka ato amiko vokatry ny fiainako taloha, ary mahakivy ahy izany rehefa misy zavatra manjo ahy.” Maro anefa ny porofo ahafahantsika mino fa miahy ny olon-tsotra Andriamanitra.

Miahy ny olon-tsotra Andriamanitra

Nanoratra i Davida Mpanjaka hoe: “Lehibe Jehovah ka tokony hoderaina indrindra; ary tsy takatry ny saina ny fahalehibiazany.” (Salamo 145:3) Tsy midika anefa izany hoe tsy afaka miahy antsika amim-pitiavana sy amin-katsaram-panahy izy. (1 Petera 5:7) Nilaza toy izao, ohatra, ny mpanao salamo: “Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah ary mamonjy izay torotoro fanahy.”​—Salamo 34:18.

Tsy zava-dehibe amin’Andriamanitra ny zavatra manintona ny olona eo amin’izao tontolo izao, toy ny bika aman’endrika, ary ny laza sy harena. Hita tamin’ny lalàna ho an’ny Isiraely, fa i Jehovah dia mangoraka ny mahantra, ny kamboty sy ny mananotena, ary ny vahiny. Nilazan’Andriamanitra toy izao ny Isiraelita, izay efa nampijalina tany Ejipta: “Aza manao izay sarotra amin’ny vahiny, na mampahory azy . . . Aza mampahory ny mpitondratena sy ny kamboty akory hianareo. Fa raha mampahory azy na amin’inona na amin’inona hianao, ka mitaraina amiko izy, dia hihaino ny fitarainany tokoa Aho.” (Eksodosy 22:20-23) Nasehon’i Isaia mpaminany koa, fa natoky izy hoe miahy ny mahantra Andriamanitra. Hoy izy: “Fiarovana mafy ho an’ny reraka Hianao, eny, fiarovana mafy ho an’ny malahelo amin’ny fahoriany, fierena amin’ny ranonoram-baratra, fialokalofana amin’ny hainandro, fa ny rivotry ny mahery dia tahaka ny ranonorana mifafy mamely ny ampiantany.”​—Isaia 25:4.

‘Endriky ny tenan’Andriamanitra’ i Jesosy, ka tena niahy ny olon-tsotra nandritra ny fanompoany, ary nanjary modely ho an’ny mpianany. (Hebreo 1:3) “Nahonena” an’i Jesosy ny nahita ny vahoaka ‘nampahantraina sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.’​—Matio 9:36.

Mariho koa fa lehilahy tsy nahita fianarana sady olon-tsotra no nofidin’i Jesosy ho apostoly. (Asan’ny Apostoly 4:13) Nanomboka nanasa ny olona rehetra hihaino ny Tenin’Andriamanitra ny mpianatr’i Jesosy, rehefa maty izy. Nanoratra ny apostoly Paoly hoe nahazo niditra ho anisan’ny fiangonana kristianina ny “tsy mino na ny tsy mahay [na, olon-tsotra]”, ary lasa mpino. (1 Korintiana 14:24, 25) Nifidy olon-tsotra maro hanompo azy Andriamanitra, ankoatra an’ireo lazaina ho tsara araka ny fiheveran’izao tontolo izao. “Hevero ny fiantsoana anareo, ry rahalahy”, hoy ny apostoly Paoly, “fa tsy firy no olon-kendry araka ny nofo, tsy firy no olona mahery, tsy firy no avo razana; fa ny adala amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny hendry; ary ny malemy amin’izao tontolo izao no nofidin’Andriamanitra hampahamenatra ny mahery; ary ny iva razana amin’izao tontolo izao sy izay fanevateva no nofidin’Andriamanitra, dia ny atao ho tsy misy aza, mba hahafoana ny misy, mba tsy hisy nofo hahazo mirehareha eo anatrehan’Andriamanitra.”​—1 Korintiana 1:26-29.

Miahy antsika amim-pahatsorana toy izany koa Andriamanitra ankehitriny. Tian’Andriamanitra ny karazan’olona rehetra “hovonjena ka ho tonga amin’ny fahalalana ny marina.” (1 Timoty 2:4) Tena tian’Andriamanitra ny olombelona, ka nirahiny teto an-tany ny Zanany mba ho faty ho antsika. Tsy misy antony tokony hieritreretantsika àry hoe tsy tiana na tsy misy dikany isika. (Jaona 3:16) Nasehon’i Jesosy tamin’ny mpianany fa na dia ny kely indrindra amin’ireo rahalahiny ara-panahy aza, dia tsy maintsy hoentina toy ny fomba mety hitondrana an’i Jesosy mihitsy. Hoy izy: “Araka izay efa nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.” (Matio 25:40) Na ahoana na ahoana ny fiheveran’izao tontolo izao antsika, dia miavaka foana ny fahitan’Andriamanitra antsika, raha tia ny fahamarinana isika.

Izany no tsapan’i Francisco, * ankizilahy brezilianina kamboty ray, izay niezaka hifandray tamin’Andriamanitra. Hoy izy: “Nanampy ahy handresy ny fanahiana sy ny henatra ny fahafantarana an’i Jehovah sy ny fandaminany. Fantatro fa tena miahy antsika tsirairay i Jehovah.” Nanjary tena Ray i Jehovah, ho an’i Francisco.

Fiahiana ny tanora

Tena miahy ny tanora tsirairay mihitsy i Jehovah, fa tsy ny tanora amin’ny fitambarany ihany. Marina fa tsy manambony tena isika, na tanora, na antitra. Manana talenta na toetra azon’Andriamanitra ampiasaina anefa angamba isika. Fantatr’i Jehovah ny fanatsarana sy fiofanana ilaintsika, mba hampiasana tsara an’izay talenta sy toetra ananantsika. Jereo, ohatra, ny fitantarana ao amin’ny 1 Samoela toko faha-16. Olon-kafa no noheverin’i Samoela mpaminany hoe mahafeno fepetra ho mpanjakan’ny Isiraely. Nohazavain’i Jehovah taminy anefa ny antony nifidianany an’i Davida, faralahin’i Jese, ho mpanjakan’ny Isiraely. Hoy izy: “Aza mijery ny tarehiny na ny hahavon’ny tsanganany, fa efa nolaviko izy [zokilahin’i Davida]; fa tsy mba toy ny fijerin’ny olona no fijerin’i Jehovah; fa ny olona mijery ny miseho eo ivelany, fa Jehovah kosa mijery ny fo.”​—1 Samoela 16:7.

Afaka matoky ve ny tanora amin’izao andro izao, hoe tena miahy azy ireo i Jehovah? Diniho ny ohatr’i Ana, tovovavy brezilianina. Manahy toy ny tanora maro izy, noho ny faharatsiana sy tsy rariny mitranga. Nentin’ny rainy tany amin’ny fivoriana kristianina izy sy ireo rahavaviny, tatỳ aoriana. Nanjary nankafy izay nianarany momba ny Tenin’Andriamanitra i Ana. Nanomboka namaky Baiboly sy boky ara-baiboly izy, ary nivavaka tamin’i Jehovah. Nihanifandray akaiky tamin’Andriamanitra izy. Hoy izy: “Tiako erỳ ny mandeha bisikileta mankeny amin’ny havoana iray eny akaikinay, hahitako tsara ny masoandro mody mahafinaritra. Tena tiako i Jehovah, ka mivavaka aminy aho ary misaotra azy noho ny hatsaram-panahiny sy ny fahalalahan-tanany. Lasa miadan-tsaina sy tsy manana ahiahy aho, rehefa nahafantatra an’i Jehovah Andriamanitra sy ny fikasany.” Mitady fotoana hisaintsainana momba ny fiahian’i Jehovah ve ianao?

Marina fa mety ho sarotra amintsika ny hifandray tsara amin’i Jehovah, noho ny zava-nitranga teo amin’ny fiainantsika. Jereo ny ohatr’i Lidia. Nisy zavatra tena nampanahy azy, noresahiny tamin-drainy. Tsy niraharaha azy anefa ny rainy, ary nilaza fotsiny hoe: “Tsy misy dikany izany.” Fantatr’i Lidia fa tian’ny rainy hanadino an’ilay zava-manahirana fotsiny izy. Hoy anefa i Lidia: “Nahazoako izay nilaiko ny fianarana Baiboly, ary nihoatra noho izay nilaiko aza. Tsara toetra be i Jehovah, ka lasa izy no namako tsy foiko. Manana Ray be fitiavana aho izao. Mahazo tsara ny fihevitro izy, ary azoko amborahana ny manjo ahy sy ny fanahiako. Afaka miresaka ela be amin’ilay Olona ambony indrindra eo amin’izao rehetra izao aho, ary azoko antoka fa hihaino ahy izy.” Nanampy an’i Lidia hahatsapa ny fiahiana sy fitiavan’i Jehovah ny andininy ara-baiboly toy ny Filipiana 4:6, 7. Milaza io andininy io hoe: “Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra noho ny fahalalana rehetra, hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy.”

Ahoana no hahazoanao fanampiana?

Miahy ny mpanompony isam-batan’olona sy ny fiangonany maneran-tany i Jehovah. Fomba azo ampisehoana ny fitiavantsika an’ilay Raintsika any an-danitra koa ny fanokanana fotoana iresahana aminy. Tsy tokony hoheverintsika ho zavatra tsy dia misy vidiny firy ny fifandraisantsika amin’i Jehovah. Nieritreritra ny fifandraisany tamin’i Jehovah foana i Davida. Hoy izy: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.”​—Salamo 25:4, 5.

Zava-baovao aminao angamba ny hoe mifandray amin’Andriamanitra. Na inona na inona olana mety hatrehinao, dia matokia fa afaka manampy anao ilay Avo indrindra, raha mifanaraka amin’ny sitrapony izany. (1 Jaona 5:14, 15) Mianara àry manao vavaka voafaritra tsara, sady eritrereto ny zava-misy atrehinao sy izay ilainao.

Hita tamin’ny vavaka nataon’i Solomona, nandritra ny fitokanana ny tempoly, fa tena mila lazaina izay zavatra ilaintsika. Hoy izy: “Raha misy mosary amin’ny tany, na areti-mandringana, na mainan’ny rivotra ny vary, na maty fotsy, na misy valala sy sompanga, na misy fahavalo manao fahirano azy ao amin’ny taniny, dia ao amin’ny tanànany, na inona fahoriana, na inona aretina, izay vavaka rehetra sy fifonana rehetra ataon’olona, na ny Isiraely olonao rehetra, izay samy mahalala ny fahoriany sy ny alahelony avy, . . . dia mihainoa any an-danitra . . . Hianao, ka mamelà heloka, ka omeo ny olona araka ny alehany rehetra.” (2 Tantara 6:28-30) Ianao ihany tokoa no mahalala ny ‘fahorianao sy ny alahelonao.’ Tena ilaina àry ny mamboraka amin’i Jehovah izay zavatra tena ilainao sy tadiavinao, amin’izay dia “homeny anao izay irin’ny fonao.”​—Salamo 37:4.

Hamafiso ny fifandraisanao amin’i Jehovah

Mahafinaritra an’i Jehovah ny mamela ny olon-tsotra hifandray akaiky aminy. Manome toky antsika ny Teniny hoe: “Ho Rainareo Aho, ary hianareo ho zanako-lahy sy ho zanako-vavy, hoy Jehovah Tsitoha.” (2 Korintiana 6:18) Tian’i Jehovah sy ny Zanany mihitsy ny hampety ny fiainantsika sy hahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Mampahery be ny mahafantatra, fa hanampy antsika i Jehovah mba hiantsorohantsika ny andraikitsika eo anivon’ny fianakaviana sy ny fiangonana kristianina ary any am-piasana!

Miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra anefa isika rehetra. Mety hampahory antsika ny aretina, ny olana ara-pianakaviana, ny tsy fahampian’ny fidiram-bola, na ny zavatra hafa. Tsy hitantsika koa angamba izay atao rehefa misy fitsapana na fisedrana mitranga. Avy amin’ny Devoly ireo fitaoman-dratsy mivantana na an-kolaka izay mihabetsaka ankehitriny. Manangana ady ara-panahy amin’ny vahoakan’Andriamanitra io mpanendrikendrika ratsy fanahy io. Misy olona iray anefa, mahafantatra tsara izay manjo antsika sy manampy antsika hanana fifandraisana tsara amin’i Jehovah foana. Tsy iza izany fa i Jesosy Kristy, izay manana toerana ambony any an-danitra. Hoy ny Baiboly: “Isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota. Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.”​—Hebreo 4:15, 16.

Tena mampahery ny mahafantatra fa tsy voatery ho olo-malaza na mpanan-karena isika vao hahazo sitraka amin’Andriamanitra! Na ory aza ianao, dia manahafa ny mpanao salamo izay nivavaka hoe: “Na dia ory sy malahelo aza aho, ny Tompo no mihevitra ahy; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao.” (Salamo 31:9-14; 40:17) Matokia fa tian’i Jehovah ny mahantra na ny olon-tsotra. Tena azontsika ‘apetraka amin’i Jehovah ny fanahiantsika rehetra, satria miahy antsika izy.’​—1 Petera 5:7.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 10 Novana ny anarana sasany.

[Sary, pejy 29]

Olon-tsotra tsy nahita fianarana ny maro tamin’ireo mpianatr’i Jesosy

[Sary, pejy 30]

Miezaka hanana finoana matanjaka ny Kristianina

[Sary, pejy 31]

Tsy voatery ho olo-malaza isika vao hahazo sitraka amin’i Jehovah