Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanora Mampifaly ny Fon’i Jehovah

Tanora Mampifaly ny Fon’i Jehovah

Tanora Mampifaly ny Fon’i Jehovah

Natao indrindra ho an’ny tanora Vavolombelon’i Jehovah ireto lahatsoratra fianarana ireto. Noho izany, dia mampirisika ny tanora izahay mba hianatra tsara azy ireo sy hazoto hamaly, mandritra ny Fianarana Ny Tilikambo Fiambenana ataon’ny fiangonana.

“Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”​—Ohabolana 27:11.

1, 2. a) Hazavao fa raha manintona anao ny fanaon’ity tontolo ity, dia tsy voatery hidika izany hoe tsy mendrika ny ho Kristianina ianao. (Romana 7:21) b) Inona no ianaranao avy amin’ny ohatr’i Asafa? (Jereo ny faritra voafefy, pejy 13.)

ERITRERETO hoe handeha hividy akanjo ianao. Mijerijery eny an-tsena eny ianao, ka mahita akanjo iray manintona anao avy hatrany. Ao amin’ilay itiavanao azy mihitsy ny lokony sy ny didiny, sady mora be ilay izy. Gaga anefa ianao, rehefa mandinika tsara an’ilay izy, satria misy simba ilay lamba, sady ratsy zaitra. Nanintona tokoa ilay akanjo, saingy tsy vita tsara. Handany vola amin’izany àry ve ianao?

2 Ampitahao amin’izay mety hanjo ny tanora kristianina izany. Mety hanintona be ny fanaon’ity tontolo ity, toy ilay akanjo teo. Manao lanonana mahafinaritra angamba, ohatra, ny mpiara-mianatra aminao, na mifoka rongony, na misotro toaka, na mampiaraka, na manao firaisana amin’olona tsy vadiny. Manintona anao ve izany fomba fiaina izany indraindray? Te hanandrana mafy ny tsiron’ilay antsoin’izy ireo hoe fahafahana ve ianao? Raha izany no izy, dia aza manatsoaka hevitra avy hatrany hoe olon-dratsy ianao, na tsy mendrika ny ho Kristianina mihitsy. Ny Baiboly aza manaiky fa tena mahasodoka ity tontolo ity, ka na dia ny olona te hampifaly an’Andriamanitra aza voasarik’izy io.​—2 Timoty 4:10.

3. a) Nahoana no tsy mahasoa ny manaraka ny fanaon’ity tontolo ity? b) Ahoana no nampisehoan’ny Kristianina iray fa zava-poana ny manaraka ny fanaon’ity tontolo ity?

3 Diniho tsara izao ny fanaon’ity tontolo ity, toy ny handinihanao akanjo iray tianao hovidina. Manontania tena hoe: ‘Manao ahoana ny hatsaran’ity tontolo ity?’ Milaza ny Baiboly fa “mandalo izao fiainana izao.” (1 Jaona 2:17) Tsy maharitra ny fahafinaretana rehetra azo avy aminy. Vidina lafo koa ny fitondran-tena ratsy. Nahatsapa “fanaintainana vokatry ny nandanilaniana foana ny fahatanorana” ny Kristianina iray, ka nilaza hoe: “Mety ho toa mahasodoka sy manintona izao tontolo izao. Ary tiany ny hinoanao fa afaka mahazo ny endri-pahafinaretany tsy misy fanaintainana ianao. Tsy mety hisy tsotra izao anefa izany. Hanararaotra anao izao tontolo izao, ary rehefa afa-po izy, dia hariany ianao.” * Nahoana ianao no handanilany foana ny fahatanoranao amin’izany fomba fiaina tsy tsara izany?

Fiarovana ‘amin’ilay ratsy’

4, 5. a) Inona no nangatahin’i Jesosy tamin’i Jehovah, taloha kelin’ny nahafatesany? b) Nahoana no nety tsara ny nangatahany izany?

4 Fantatry ny tanora Vavolombelon’i Jehovah fa tsy manana zavatra tsara hatolotra ho azy ireo ity tontolo ity, ka miezaka izy ireo tsy hisakaiza aminy. (Jakoba 4:4) Anisan’ireo tanora mahatoky ireo ve ianao? Mendri-piderana ianao, raha izany no izy. Marina fa tsy mora ny manohitra ny fitaoman’ny namana sy ny ho sahy tsy hitovy aminy. Tsy miady irery anefa ianao.

5 Taloha kelin’ny nahafatesany, dia nivavaka tamin’i Jehovah i Jesosy mba ‘hiarovany’ ny mpianany ‘amin’ilay ratsy.’ (Jaona 17:15) Nisy antony tsara nahatonga azy hangataka izany. Fantany fa tsy ho mora amin’ny mpanara-dia azy ny tsy hivadika, na firy taona izy ireo na firy taona. Nahoana? Satria, araka ny efa fantatr’i Jesosy, dia hiatrika fahavalo tsy hita maso sady mahery be izy ireo, dia i Satana Devoly, ‘ilay ratsy.’ Lazain’ny Baiboly fa “mandehandeha tahaka ny liona mierona mitady izay harapany” io fanahy ratsy io.​—1 Petera 5:8.

6. Ahoana no ahafantarantsika fa tsy miantra ny tanora i Satana?

6 Asehon’ny tantara fa faly i Satana mampijaly sy mampihatra habibiana mahatsiravina amin’ny olombelona. Eritrereto ireo loza nahatsiravina nataony tamin’i Joba sy ny fianakaviany. (Joba 1:13-19; 2:7) Angamba ianao mahatadidy vaovao momba ny zava-nitranga iray, izay ahitana tsara ny fitiavan’i Satana herisetra. Mirenireny mitady remby izy, ary tsy miantra ny tanora mihitsy, rehefa mitady izay harapany. Namorona tetika, ohatra, i Heroda tamin’ny fiandohan’ny taonjato voalohany, mba hamonoana ny zazalahy rehetra tany Betlehema, hatramin’ny roa taona no ho midina. (Matio 2:16) Azo inoana fa i Satana no nampirisika azy hanao izany, satria tiany hovonoina ilay zazalahy izay ho tonga Mesia sy hampihatra ny didim-pitsaran’Andriamanitra! (Genesisy 3:15) Mazava amin’izany fa tsy mba tia tanora i Satana. Ny handrapaka olona betsaka araka izay azony atao ihany no tanjony. Vao mainka manao izany izy izao, satria nazera etỳ an-tany, ka “manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”​—Apokalypsy 12:9, 12.

7. a) Nahoana i Jehovah no samy hafa tanteraka amin’i Satana? b) Ahoana no ahafantaranao fa tian’i Jehovah hifaly amin’ny fiainana ianao?

7 Samy hafa tanteraka amin’i Satana, izay “manana fahatezerana lehibe”, i Jehovah, izay ‘be famindram-po.’ (Lioka 1:78) Mampiseho fitiavana amin’ny fomba lavorary izy. Be fitiavana aoka izany io Mpamorona antsika io, ka hoy ny Baiboly: “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tena tsy mitovy amin’ny andriamanitr’ity tontolo ity mihitsy ilay Andriamanitra ivavahanao, ary voninahitra ho anao izany! I Satana mitady handrapaka ny olona, fa tsy tian’i Jehovah ‘hisy ho very’ kosa ny olona. (2 Petera 3:9) Sarobidy aminy ny ain’ny olona tsirairay, anisan’izany ny ainao. Rehefa milaza aminao i Jehovah, ao amin’ny Teniny, hoe: ‘Aza minamana amin’izao tontolo izao’, tsy midika izany hoe te hisakana anao tsy hifaly amin’ny fiainana izy, na te haneritery ny fiainanao. (Jaona 15:19) Miaro anao amin’ilay ratsy kosa izy. Tian’ilay Rainao any an-danitra ny hanananao zavatra tsara lavitra noho ny fahafinaretana tsy maharitra atolotr’ity tontolo ity. Tiany hahazo “ny tena fiainana” ianao, dia ny fiainana mandrakizay eto an-tany lasa paradisa. (1 Timoty 6:17-19) Tian’i Jehovah hahazo izany fiainana izany ianao, ary mampirisika anao hanatratra izany tanjona izany izy. (1 Timoty 2:4) Ambonin’izany, dia misy zavatra manokana asain’i Jehovah ataonao. Inona moa izany?

“Ampifalio ny foko”

8, 9. a) Inona no fanomezana azonao atolotra ho an’i Jehovah? b) Ahoana no itenenan’i Satana ratsy an’i Jehovah, araka ny hitantsika tamin’ny tantaran’i Joba?

8 Efa nanao fanomezana ho an’ny namanao ve ianao, ka nandinika azy gaga sy nitsiky be, satria nankasitrahany ilay izy? Angamba nieritreritra tsara mihitsy ianao hoe: Inona re no mba ho tian’io namako io e? Eritrereto indray àry izao: Inona no fanomezana azonao atolotra ho an’i Jehovah Andriamanitra, Mpamorona anao? Toa tsy mitombina izany fanontaniana izany amin’ny voalohany. Inona moa no mba ilain’Andriamanitra Tsitoha avy amin’ny olombelona? Inona no azonao omena azy, ka tsy efa ananany? Mamaly toy izao ny Baiboly ao amin’ny Ohabolana 27:11: “Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, mba hamaliako izay miteny ratsy ahy.”

9 Mety ho efa nianaranao tao amin’ny Baiboly fa i Satana Devoly no miteny ratsy an’i Jehovah. Manizingizina izy fa tsy fitiavana no manosika ny olona hanompo an’Andriamanitra, fa ny fitiavan-tena. Milaza koa izy fa hiala amin’ny fivavahana marina ny olona, raha vao manan-java-manahirana. Diniho, ohatra, ny zavatra nolazain’i Satana tamin’i Jehovah momba ilay olo-marina atao hoe Joba: “Tsy Hianao va no nanao fefy manodidina azy sy manodidina ny tranony ary manodidina izay ananany rehetra? Notahinao ny asan’ny tànany, ka manenika ny tany ny omby aman-ondriny. Fa ahinjiro ange ny tànanao, ka tendreo izay ananany rehetra​—raha tsy handa Anao eo imasonao aza izy e!”​—Joba 1:10, 11.

10. a) Ahoana no ahafantarantsika fa ny tsy fivadihan’ny olona amin’ny ankapobeny no nolazain’i Satana fa tsy azo antoka? b) Nahoana no lazaina fa tafiditra amin’ilay raharaha mahakasika ny zo hitondra ny olombelona ianao?

10 Asehon’ny Baiboly fa nolazain’i Satana hoe tsy azo antoka ny tsy fivadihan’i Joba sy ny tsy fivadihan’izay rehetra manompo an’Andriamanitra, anisan’izany ianao. Niresaka momba ny olombelona amin’ny ankapobeny izy, rehefa nilaza tamin’i Jehovah hoe: “Izay rehetra ananan’ny olona [fa tsy i Joba irery] dia homeny ho fefin’ny ainy.” (Joba 2:4) Hitanao ve hoe inona no anjara asanao amin’io raharaha lehibe io? Araka ny Ohabolana 27:11, dia milaza i Jehovah fa misy zavatra azonao omena azy, mba hamaliany an’i Satana, ilay miteny ratsy azy. Eritrereto ange e! Ny Tompon’izao Rehetra Izao no manasa anao handray anjara amin’ilay raharaha lehibe indrindra hatramin’izay. Tena andraikitra sy tombontsoa tsy manam-paharoa tokoa izany! Afaka manao izay angatahin’i Jehovah aminao ve ianao? Nanao izany i Joba. (Joba 2:9, 10) Nanao izany koa i Jesosy sy ny olona be dia be, anisan’izany ny tanora maro. (Filipiana 2:8; Apokalypsy 6:9) Afaka manao izany koa ianao. Tadidio tsara anefa fa tsy maintsy misafidy ianao amin’io raharaha io. Ho hita amin’ny ataonao hoe manohana ny fitenenan-dratsin’i Satana ve ianao, sa manohana ny famalian’i Jehovah. Hiandany amin’iza àry ianao?

Miahy anao i Jehovah!

11, 12. Zava-dehibe amin’i Jehovah ve ny safidinao hanompo azy na tsia? Hazavao.

11 Tena zava-dehibe amin’i Jehovah ve ny safidy ataonao? Tsy efa betsaka ve ny olona tsy nivadika taminy, ka afaka mamaly tsara an’i Satana amin’izay izy? Marina fa nilaza ny Devoly hoe tsy misy olona manompo an’i Jehovah noho ny fitiavana, ary efa voaporofo fa diso izany. Na izany aza, dia tian’i Jehovah hanohana ny zony hitondra ny olombelona ianao, satria miahy anao izy. Hoy i Jesosy: “Tsy sitraky ny Rainareo Izay any an-danitra, raha ho very na dia iray aza amin’ireny madinika ireny.”​—Matio 18:14.

12 Mazava àry fa zava-dehibe amin’i Jehovah ny safidy ataonao. Misy fiantraikany eo aminy mihitsy aza izany. Ambaran’ny Baiboly fa mampihetsi-po lalina an’i Jehovah ny zavatra tsara na ratsy ataon’ny olombelona. ‘Nalahelo’, ohatra, izy rehefa nikomy matetika ny Isiraelita. (Salamo 78:40, 41) “Nalahelo ny fony” nahita fa “be ny faharatsian’ny olona”, talohan’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. (Genesisy 6:5, 6) Eritrereto ange ny dikan’izany e! Hampalahelo ny Mpamorona anao ianao, raha manao ratsy. Tsy midika izany hoe malemy izy na baikoin’ny fony. Midika kosa izany fa tia anao izy sady miahy izay hahasoa anao. Faly ny fon’i Jehovah, rehefa manao ny tsara ianao. Tsy noho izy afaka manamafy ny famaliany an’i Satana fotsiny no mahafaly azy, fa noho izy afaka mamaly soa anao koa. Ary tena maniry hanao izany izy. (Hebreo 11:6) Manana Ray be fitiavana tokoa ianao, dia i Jehovah Andriamanitra!

Fitahiana tondraka dieny izao

13. Inona no soa azontsika dieny izao raha manompo an’i Jehovah isika?

13 Mitondra fitahiana dieny izao ny fanompoana an’i Jehovah, fa tsy amin’ny hoavy ihany. Maro ny tanora Vavolombelon’i Jehovah no faly sy afa-po, ary misy antony tsara mahatonga izany. Hoy ny mpanao salamo: “Mahitsy ny fandidian’i Jehovah, mahafaly ny fo.” (Salamo 19:8) Tsy misy olombelona mahafantatra tsara noho i Jehovah izay hahasoa antsika. Hoy izy tamin’ny alalan’i Isaia mpaminany: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no mampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao.”​—Isaia 48:17, 18.

14. Hazavao fa manampy anao hiaro tena amin’ny alahelo ateraky ny trosa ny toro lalan’ny Baiboly.

14 Hiaro tena amin’ny alahelo sy ratram-po maro ianao, raha manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. Milaza, ohatra, ny Baiboly fa “nanindrona ny tenany tamin’ny alahelo be” ny olona tia vola. (1 Timoty 6:9, 10) Efa nisy tanora fantatrao nizaka izany voka-dratsin’ny fitiavam-bola izany ve? Misy tovolahy sy tovovavy bokan’ny trosa, satria te hanana akanjo ara-damaody be, na te hanana ny fitaovana kely maoderina vao nivoaka. Eritrereto hoe nanao trosa be ianao mba hahazoana zavatra tsy takatry ny volanao. Tsy maintsy mandoa ilay trosa sy ny zanabola be anefa ianao avy eo, mandritra ny fotoana maharitra. Tena fanandevozana miteraka alahelo mihitsy izany!​—Ohabolana 22:7.

15. Hazavao fa miaro anao amin’ny alahelo vokatry ny fahalotoam-pitondran-tena ny toro lalan’ny Baiboly.

15 Diniho koa ny fahalotoam-pitondran-tena. Isan-taona, dia maro be ny tovovavy bevohoka tsy manambady eran-tany. Miteraka zaza tsy niriny ny sasany, sady tsy mahay mitaiza akory. Misy ny manala zaza ary vidìny lafo izany, satria enjehin’ny fieritreretany izy avy eo. Ao koa ny tovolahy sy tovovavy voan’ny aretina azo avy amin’ny firaisana, toy ny SIDA. Mazava ho azy fa ny fahasimban’ny fihavanana amin’i Jehovah, no voka-dratsy indrindra ho an’izay mahafantatra azy. * (Galatiana 5:19-21) Rariny àry raha milaza ny Baiboly hoe: “Mandosira ny fijangajangana.”​—1 Korintiana 6:18.

Manompo an’ilay Andriamanitra falifaly

16. a) Ahoana no ahafantarantsika fa tian’i Jehovah hifaly amin’ny fahatanoranao ianao? b) Nahoana i Jehovah no manome toro lalana anao?

16 Milaza ny Baiboly fa “Andriamanitra finaritra”, na falifaly, i Jehovah. (1 Timoty 1:11) Tiany ho falifaly koa ianao. Milaza mihitsy ny Teniny hoe: “Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao.” (Mpitoriteny 11:9) Tsy izay mitranga amin’izao fotoana izao ihany anefa no hitan’i Jehovah. Fantany koa izay hitranga amin’ny hoavy, vokatry ny fitondran-tena tsara na ratsy. Izany no mahatonga azy hampirisika anao hoe: “Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andro fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao.”​—Mpitoriteny 12:1.

17, 18. Ahoana no nilazan’ny tanora kristianina iray ny fifaliana tsapany eo am-panompoana an’i Jehovah, ary ahoana no hahitanao fifaliana toa azy?

17 Tanora maro no faly be eo am-panompoana an’i Jehovah. Hoy, ohatra, i Lina, izay 15 taona: “Afaka mirehareha mihitsy aho, satria salama tsara, noho izaho tsy mifoka sigara na rongony. Mahazo tari-dalana mahasoa avy amin’ny fiangonana koa aho, ka afaka miaritra ny fisedrana mahatsiravina avy amin’i Satana. Miramirana foana aho, satria manana namana mampahery any amin’ny Efitrano Fanjakana. Ny tsara indrindra aza dia hoe afaka hiaina mandrakizay eto an-tany aho.”

18 Miady mafy toa an’i Lina ny tanora kristianina maro, mba hihazonana ny finoany, ary mahafaly azy ireo izany. Tsapan’izy ireo fa tena misy zava-kendrena ny fiainany ary manana hoavy azo antoka izy ireo, na dia mahita zava-tsarotra aza indraindray. Manompoa hatrany àry an’ilay Andriamanitra izay tena miahy ny hahasoa anao. Ampifalio ny fony, dia hampifaly anao izy, dieny izao ka ho mandrakizay.​—Salamo 5:11.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ilay lahatsoratra hoe: “Namerina Tamiko ny Fiainako ny Fahamarinana”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Novambra 1996.

^ feh. 15 Mampahery ny mahafantatra fa “hamela heloka dia hamela heloka tokoa” i Jehovah, rehefa mibebaka ny olona iray, ka miala amin’ny ratsy nataony ary miaiky ny fahotany.​—Isaia 55:7.

Tadidinao Ve?

• Inona no loza atrehinao avy amin’i Satana, ‘ilay ratsy’?

• Ahoana no ahafahanao mampifaly ny fon’i Jehovah?

• Ahoana no ampisehoan’ny Baiboly fa miahy anao i Jehovah?

• Inona ireo fitahiana sasany azon’izay manompo an’i Jehovah?

[Fanontaniana]

[Efajoro/Sary, pejy 13]

Olo-marina Iray Saika Solafaka

Levita tany Isiraely fahiny i Asafa, sady mpitendry mozika nitana andraikitra lehibe tao amin’ny tempolin’i Jehovah. Namorona hira nohiraina tamin’ny fivavahana ampahibemaso mihitsy aza izy. Voninahitra lehibe tokoa izany, nefa nisarika azy ihany ny fitondran-tena ratsin’ny mpiara-belona taminy. Toa afa-maina izy ireo na dia nandika ny lalàn’Andriamanitra aza. Niaiky i Asafa tatỳ aoriana hoe: “Saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan’ny ratsy fanahy.”​—Salamo 73:2, 3.

Nankany amin’ny fitoerana masin’Andriamanitra i Asafa tatỳ aoriana, ary nivavaka momba izany. Nanitsy ny fomba fisainany izy, ka takany fa mankahala ny ratsy i Jehovah, ary samy hijinja izay nafafiny, na ny ratsy fanahy, na ny marina. (Salamo 73:17-20; Galatiana 6:7, 8) Eo amin’izay mahasolafaka tokoa no misy ny ratsy fanahy. Ho lavo izy ireo, rehefa handringana an’ity tontolo tsy tia azy ity i Jehovah.​—Apokalypsy 21:8.

[Sary, pejy 15]

Tena miahy izay hahasoa anao i Jehovah, fa ny handrapaka anao kosa no tanjon’i Satana

[Sary, pejy 16]

Tanora maro no mahatsapa fa tsy misy fifaliana lehibe noho ny manompo an’i Jehovah miaraka amin’ny Kristianina hafa