Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Zava-dehibe ve ny Fanaovan-tsoa?

Tena Zava-dehibe ve ny Fanaovan-tsoa?

Tena Zava-dehibe ve ny Fanaovan-tsoa?

MILAZA ny Baiboly fa “fifaliana amin’ny olona ny manisy soa.” (Ohabolana 19:22) Tena mahafaly tokoa ny manao soa amin’olona, raha atao amim-pitiavana. Mety hanondro asa soa ataon’ny olona iray amin’ny olona efa fantany anefa, ny teny hoe “manisy soa”, na manao soa, ao amin’ny Baiboly. Angamba nanao soa taminy io olona io teo aloha. Mifandray amin’ny tsy fivadihana àry ny fanaovan-tsoa.

Tsy mba nanana an’io toetra tsara io i Joasy, mpanjakan’i Joda. Tsy ho voavaliny mihitsy ny soa nataon’ny nenitoany sy Joiada dadatoany taminy. Tsy ampy herintaona i Joasy, fony ny renibeny ratsy fanahy nanendry tena ho mpanjaka sy namono ny rahalahiny rehetra, izay tokony handova ny seza fiandrianana. I Joasy kely kosa tsy voavonony, satria nafenin’ny nenitoany sy ny dadatoany. Nampianarin’izy ireo ny Lalàn’Andriamanitra koa izy. Rehefa fito taona i Joasy, dia nampiasa ny fahefany tamin’ny naha mpisoronabe azy ny dadatoany, ka nampamono an’ilay mpanjakavavy ratsy fanahy, ary nanendry an’i Joasy ho mpanjaka.​—2 Tantara 22:10–23:15.

Mpanjaka tsara i Joasy, mandra-pahafatin’ny dadatoany. Lasa nanompo sampy anefa izy taorian’izay. Naniraka an’i Zakaria, zanak’i Joiada, mba hampitandrina an’i Joasy, Andriamanitra. Nasain’i Joasy notoraham-bato i Zakaria. Endrey izany tsy fahampiam-pankasitrahana tamin’ny fianakaviana nanao soa be dia be ho azy!​—2 Tantara 24:17-21.

Hoy ny Baiboly: ‘Tsy nahatsiaro ny soa nataon’i Joiada, rain’i Zakaria, taminy i Joasy mpanjaka, fa namono ny zanany.’ Rehefa ho faty i Zakaria, dia niteny hoe: “Jehovah anie hijery sy hamaly izao.” Tanteraka ny teniny, satria narary mafy i Joasy, ary novonoin’ny mpanompony ho faty.​—2 Tantara 24:17-25.

Hanana hoavy sambatra izay tsy manao toa an’i Joasy Mpanjaka, fa manaraka ity torohevitra ity: “Aoka tsy handao anao ny famindrampo [na fanaovan-tsoa] sy ny fahamarinana; . . . dia hahazo fitia . . . eo anatrehan’Andriamanitra sy ny olona hianao.”​—Ohabolana 3:3, 4.