Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampionòny ny Olona Ory

Ampionòny ny Olona Ory

Ampionòny ny Olona Ory

“Jehovah efa nanosotra Ahy . . . hampionona ny malahelo rehetra.”​—ISAIA 61:1, 2.

1, 2. Iza no tokony hampiononintsika, ary nahoana?

MAMPIANATRA antsika hiahy ireo niharan-doza i Jehovah, ilay Andriamanitry ny tena fampiononana rehetra. Mampianatra antsika ‘hanome toky’ ny kivy sy hampionona ny malahelo rehetra izy. (1 Tesaloniana 5:14) Izany no ataontsika amin’ny mpiray finoana amintsika, rehefa mila izany izy ireo. Maneho fitiavana amin’ireo olona tsy anisan’ny fiangonana koa isika, na dia amin’ireo tsy nampiseho fitiavana tamintsika mihitsy aza taloha.​—Matio 5:43-48; Galatiana 6:10.

2 Namaky izao faminaniana izao i Jesosy, ary nampihatra azy io tamin’ny tenany: “Ny Fanahin’i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana ny torotoro fo Izy, . . . hampionona ny malahelo rehetra.” (Isaia 61:1, 2; Lioka 4:16-19) Efa hatramin’ny ela ny Kristianina voahosotra no niaiky fa nirahina hanao io asa io koa izy ireo, ary faly manatontosa izany miaraka aminy ny “ondry hafa.”​—Jaona 10:16.

3. Ahoana no hanampiantsika ny olona manontany hoe: “Nahoana Andriamanitra no mamela ny loza hitranga?”

3 Rehefa misy loza mitranga, ka torotoro fo ny olona, dia matetika izy ireo no manontany hoe: ‘Nahoana Andriamanitra no mamela ny loza hitranga?’ Mamaly an’io fanontaniana io mazava tsara ny Baiboly. Mety ho elaela anefa ny olona iray vao tena hahatakatra izany valiny izany, raha tsy nianatra ny Baiboly. Afaka manampy azy ny bokin’ny Vavolombelon’i Jehovah. * Na dia ny famakiana andinin-teny toy ny Isaia 61:1, 2 fotsiny aza anefa amin’ny voalohany, dia efa mampionona ny sasany. Aseho ao mantsy fa irin’Andriamanitra ny hahazoan’ny olona fampiononana.

4. Ahoana no nanampian’ilay Vavolombelona tany Polonina ny tovovavy iray ketraka, ary ahoana no azonao anampiana ny hafa, araka io ohatra io?

4 Mila fampiononana ny tanora, ary torak’izany koa ny antitra. Ketraka ny zatovo iray tany Polonina, ka nangataka torohevitra tamin’ny namany, izay Vavolombelon’i Jehovah. Rehefa nanadihady tamin-katsaram-panahy io namany io, dia fantany fa nisalasala be ilay tovovavy ary nanahiran-tsaina azy ireto fanontaniana ireto: “Nahoana no be dia be toy izao ny faharatsiana? Nahoana ny olona no mijaly? Nahoana no mijaly ilay rahavaviko malemy? Nahoana aho no marary fo? Milaza ny Eglizy fa izany no sitrapon’Andriamanitra. Raha izany tokoa no izy, dia tsy hino azy intsony aho!” Nivavaka mangina tamin’i Jehovah ilay Vavolombelona, ary niteny hoe: “Faly aho fa nanontany ahy momba izany ianao. Hiezaka hanampy anao aho.” Nitantara izy fa nisy zavatra nampisalasala azy koa tamin’izy mbola kely, ka ny Vavolombelon’i Jehovah no nanampy azy. Hoy izy: “Nianarako fa tsy mampijaly ny olona Andriamanitra. Tia sady maniry ny tsara indrindra ho azy ireo izy, ka madiva hitondra fiovana lehibe etỳ an-tany. Tsy hisy intsony ny aretina, ny fahanterana sy ny fahafatesana, ary ho velona mandrakizay eto amin’ity tany ity ihany ny olona mankatò.” Nasehony tamin’ilay tovovavy avy eo ny Apokalypsy 21:3, 4; Joba 33:25; Isaia 35:5-7 ary ny Isaia 65:21-25. Rehefa niresaka ela izy ireo, dia nahatsiaro ho maivamaivana ilay tovovavy, ka niteny hoe: “Fantatro amin’izay izao ny zava-kendren’ny fiainako. Mbola afaka miverina atỳ aminao ve aho?” Nianatra ny Baiboly indroa isan-kerinandro izy.

Manomeza fampiononana avy amin’Andriamanitra

5. Inona no tena hampionona ny olona, rehefa miara-miory aminy isika?

5 Tena mety ny manao teny fiaraha-miory rehefa mampionona olona. Iezahantsika aseho amin’ny tenintsika sy ny toe-peontsika fa tena miahy azy isika. Tsy hahatsapa izany anefa izy, raha entim-pahazarana fotsiny isika fa tsy miteny avy amin’ny fo. Milaza ny Baiboly fa ‘manana ny fanantenana isika, amin’ny faharetana sy ny fiononana avy amin’ny Soratra Masina.’ (Romana 15:4) Amin’ny fotoana mety àry, dia azontsika hazavaina amin’ny alalan’ny Baiboly, ny atao hoe Fanjakan’Andriamanitra sy ny fomba handaminan’izy io ny zava-manahirana ankehitriny. Afaka manjohy hevitra miaraka aminy isika avy eo, mba hampisehoana hoe nahoana no azo itokisana izany fampanantenana izany. Hampionona azy isika amin’izay.

6. Inona no tokony hohazavaintsika amin’ny olona, mba handraisany soa feno avy amin’ny fampiononana ao amin’ny Soratra Masina?

6 Mba handraisan’ny olona soa feno avy amin’ny fampiononana omentsika, dia mila mahafantatra ilay Andriamanitra marina sy ny toetrany izy, ary mila mahatakatra fa azo itokisana ny fampanantenany. Raha mbola tsy mpivavaka amin’i Jehovah ilay olona tiantsika hampiana, dia tsara raha hazavaina aminy ireto hevitra ireto. 1) Avy amin’i Jehovah, ilay Andriamanitra marina, ny fampiononana ao amin’ny Baiboly. 2) Tsitoha i Jehovah, ary izy no namorona ny lanitra sy ny tany. Fitiavana koa izy, ary be hatsaram-panahy miharo fitiavana sy fahamarinana. 3) Mahazo hery hiatrehana izay manjo antsika isika raha manatona an’Andriamanitra, amin’ny fianarana ny fahamarinana ao amin’ny Teniny. 4) Miresaka fisedrana voafaritra tsara natrehin’ny olona samy hafa ny Baiboly.

7. a) Inona no vokany, rehefa asongadina fa be dia be ny fampiononana omen’Andriamanitra “amin’ny alalan’i Kristy”? b) Ahoana no hampiononanao ny olona iray mahatsapa fa nanao ratsy?

7 Misy mpitory mamaky ny 2 Korintiana 1:3-7 mba hampaherezana ireo olona ory, izay mahafantatra ny Baiboly. Asongadin’izy ireo ilay teny hoe ny “haben’ny fampiononana anay kosa amin’ny alalan’i Kristy.” Mety hanampy an’ilay olona io andininy io hahatakatra fa mitondra fampiononana ny Baiboly, ka tokony hodinihiny bebe kokoa. Mety ho lasa fototry ny fiaraha-midinika amin’ny manaraka koa izany. Raha mihevitra ilay olona fa vokatry ny ratsy nataony ny olana mahazo azy, dia tsy hitsara azy isika. Azontsika lazaina aminy kosa fa mampionona ny mahafantatra izay voalazan’ny 1 Jaona 2:1, 2 sy Salamo 103:11-14. Tena manome fampiononana avy amin’Andriamanitra isika, raha manao izany.

Rehefa misy mijaly noho ny herisetra na ny fahasahiranana ara-bola

8, 9. Inona no fampiononana azontsika omena ny olona iharan’ny herisetra?

8 Maro no mijaly noho ny herisetra, vokatry ny heloka bevava na ny ady. Ahoana no ampiononantsika azy ireny?

9 Mitandrina tsara izay lazainy sy ataony ny tena Kristianina, mba tsy hiandany na amin’iza na amin’iza, rehefa misy ady. (Jaona 17:16) Mampiasa amin’ny fomba tsara ny Baiboly anefa izy, mba hampisehoana fa tsy hampijaly toy izao foana ny fiainana. Azony vakina ny Salamo 11:5 mba hampisehoana ny fiheveran’i Jehovah an’ireo tia herisetra. Azo vakina koa ny Salamo 37:1-4 mba hampisehoana fa mampirisika antsika mba tsy hamaly faty Andriamanitra, fa hatoky azy kosa. Asehon’ny Salamo 72:12-14 izay tsapan’i Solomona Lehibe, na i Jesosy Kristy efa Mpanjaka any an-danitra, rehefa mahita ny olona tsy manan-tsiny iharan’ny herisetra izy.

10. Nahoana no mitondra fampiononana ho anao ireo andinin-teny voatonona ireo, raha miaina any amin’ny tany nisy ady hatramin’ny taona maro ianao?

10 Miaina any amin’ny tany misy hotakotaka lava ny olona sasany, satria misy antokon’olona miady fahefana ao amin’ilay tany. Manjary mihevitra izy ireny fa anisan’ny fiainana ny ady sy ny voka-dratsiny. Ny hany fanantenany dia hoe mety hihatsara ny fiainany, raha mandositra any an-tany hafa izy. Tsy tafavoaka ny taniny anefa ny ankamaroan’izy ireo, ary maro no mamoy ny ainy, rehefa manandrana manao izany. Ireo tody any an-tany hafa kosa, dia mahita fa toy ny hoe nisolo olana hafa fotsiny ny olana nahazo azy teo aloha. Azo ampiasaina ny Salamo 146:3-6 mba hanampiana an’ireny olona ireny hiantehitra amin-javatra azo itokisana kokoa noho ny fifindra-monina. Ny faminaniana ao amin’ny Matio 24:3, 7, 14 na ny 2 Timoty 3:1-5, dia mety hanampy azy hahatakatra bebe kokoa fa matoa izy miaritra izany toe-piainana mampahory izany, dia satria efa hifarana ity tontolo ity. Mety hanampy azy ireo koa ny Salamo 46:1-3, 8, 9 sy ny Isaia 2:2-4 hahatakatra fa tena afaka manantena fiadanana isika amin’ny hoavy.

11. Inona no andinin-teny nampionona ny vehivavy iray tatsy Afrika Andrefana, ary nahoana?

11 Nandritra ny ady tatsy Afrika Andrefana, dia nandositra ny tranony ny vehivavy iray sy ny fianakaviany, raha mbola nisy tifitra vary raraka teny akaiky teny. Nanjary niaina tao anatin’ny tahotra sy alahelo ary fahadisoam-panantenana nahavaky fo izy. Rehefa nipetraka tany an-tany hafa izy mianakavy tatỳ aoriana, dia nodoran’ny vadiny ny sora-piankohonan’izy ireo, noroahiny izy sy ny zanany lahikely folo taona, ary lasa izy nanao mompera. Bevohoka anefa ilay ramatoa tamin’izay. Nahita fampiononana sy zava-kendrena teo amin’ny fiainana ihany izy tatỳ aoriana, rehefa novakina taminy ny Filipiana 4:6, 7 sy ny Salamo 55:22, ary ny lahatsoratra sasany tao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!

12. a) Hazavao fa mitondra fanamaivanana ho an’ireo sahirana mafy ara-bola ny Soratra Masina. b) Ahoana no nanampian’ilay Vavolombelona tany Azia ny olona iray tonga nividy entana tao aminy?

12 Midina be ny fari-piainan’ny olona maro, rehefa mitotongana ny toe-karenan’ny tany iray. Mbola ny ady koa no mety hahatonga izany. Tsy mahay mitantana koa ny mpitondra indraindray, sady matimatin-karena no tsy manao ny marina, hany ka ritra ny tahirim-bolan’ny vahoaka, ary voatery mamoy ny fananany izy ireo. Misy koa ireo tsy mba nanankarena mihitsy hatramin’izay. Hampionona ireo rehetra ireo ny hahalala fa tena hanamaivana ny fahorian’izay mitoky aminy Andriamanitra, ary hanorina tontolo hisian’ny fahamarinana. Hifaly amin’ny asan’ny tanany ny olona amin’izany fotoana izany. (Salamo 146:6, 7; Isaia 65:17, 21-23; 2 Petera 3:13) Tany Azia, dia nisy ramatoa tonga nividy entana tao amin’ny Vavolombelona iray. Rehefa nilaza izy fa nampanahy azy ny toe-karena tao amin’ilay tanin’izy ireo, dia nohazavain’ilay Vavolombelona taminy fa zava-misy eran-tany izany. Niresaka momba ny Matio 24:3-14 sy ny Salamo 37:9-11 izy ireo avy eo, ka nanjary nianatra Baiboly ilay ramatoa.

13. a) Ahoana no hampiasantsika ny Baiboly, mba hanampiana ireo olona diso fanantenana noho ny fampanantenana poakaty? b) Inona no azonao atao mba hampisaintsainana ny olona izay mihevitra fa tsy misy Andriamanitra, satria ratsy ny fiainany?

13 Rehefa mijaly mandritra ny taona maro ny olona, na diso fanantenana noho ireo fampanantenana poakaty, dia mety ho sahala amin’ireo Isiraelita tany Ejipta, izay tsy nihaino “noho ny fahoriam-panahy.” (Eksodosy 6:9) Tsara hasongadina amin’izy ireny ny fomba hanampian’ny Baiboly azy hiatrika zava-manahirana, sy hiala amin’ireo fandrika izay manimba ny fiainan’ny maro. (1 Timoty 4:8b) Mety hisy hihevitra fa tsy misy Andriamanitra na tsy miraharaha izay manjo azy ireo izy, matoa ratsy ny fiainany. Afaka mampisaintsaina azy amin’ny alalan’ny andinin-teny ianao, mba hanampiana azy hahatakatra fa nanome fanampiana Andriamanitra, saingy maro no tsy manaiky izany.​—Isaia 48:17, 18.

Rehefa misy rivo-doza na horohoron-tany

14, 15. Ahoana no nampisehoan’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fiahiany, rehefa maro no voadona mafy noho ny loza iray?

14 Mety hiteraka fahavoazana ny rivo-doza, horohoron-tany, afo, baomba nipoaka na voina hafa. Mety ho be dia be ny olona ory. Ahoana no hampiononana ireo nieren-doza?

15 Mila mahatsapa ny olona hoe misy miahy izy. Maro, ohatra, no voadona mafy rehefa notafihin’ny mpampihorohoro ny firenena iray. Maro koa no namoy havana, mpamelona, namana, asa, na lasa nanahy ny amin’ny hoavy. Nanampy ny mpiara-belona taminy ny Vavolombelon’i Jehovah, ka niara-niory tamin’izy ireo noho ny fahavoazana mafy nanjo azy ary nanome fampiononana avy ao amin’ny Baiboly. Betsaka no nankasitraka izany tamin’ny fony manontolo.

16. Nahoana no tena nandaitra ny fitoriana nataon’ny Vavolombelona tany Salvadaoro, rehefa nisy loza nitranga tany?

16 Nisy horohoron-tany lehibe narahina tany nihotsaka tany Salvadaoro, tamin’ny 2001, ka maro no namoy ny ainy. Namoy ny zanany lahy 25 taona ny Vavolombelona iray, ary maty koa izy mirahavavy iray tam-po tamin’ny fofombadin’ilay zanany. Avy hatrany dia nirotsaka tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha ny renin’ilay tovolahy sy ny fofombadiny. Maro no nilaza tamin’izy mianaka fa Andriamanitra no naka ireo maty, na hoe izany no sitrapony. Nanonona ny Ohabolana 10:22 ireo Vavolombelona ireo mba hampisehoana fa tsy maniry antsika hijaly Andriamanitra. Namaky ny Romana 5:12 izy ireo, mba hampisehoana fa ny fahotan’ny olona no mahatonga ny fahafatesana, fa tsy ny sitrapon’Andriamanitra. Nisarika ny saina ho amin’ny hafatra mampionona ao amin’ny Salamo 34:18, Salamo 37:29, Isaia 25:8, ary Apokalypsy 21:3, 4 koa izy mianaka. Nihaino tsara azy ireo ny olona, indrindra satria namoy mpianakavy tamin’ilay loza koa izy mianaka. Maro ny fampianarana Baiboly natomboka.

17. Inona avy no fanampiana azontsika omena rehefa misy loza?

17 Mety hifanena amin’ny olona mila fanampiana maika ianao, rehefa misy loza mamely. Angamba mila miantso dokotera ianao, na mitondra olona any amin’ny hopitaly, na manao izay rehetra azo atao mba hahazoany sakafo sy fialofana. Rehefa nisy loza, ohatra, tany Italia tamin’ny 1998, dia voamariky ny mpanao gazety iray fa ‘tena nanao zavatra nivaingana ny Vavolombelon’i Jehovah, hanampiana ireo niharan-doza, na inona na inona fivavahan’izy ireny.’ Miteraka fijaliana be ny fahatanterahan’ny faminaniana momba ny andro farany, any amin’ny faritra sasany. Misarika ny saina ho amin’ny faminanian’ny Baiboly ny Vavolombelon’i Jehovah any amin’ireny toerana ireny. Mampionona ny olona koa izy ireo, rehefa mampiseho aminy fa manome toky ny Baiboly hoe hitondra ny tena fiadanana ny Fanjakan’Andriamanitra.​—Ohabolana 1:33; Mika 4:4.

Rehefa misy mpianakavy maty

18-20. Inona no azonao lazaina na atao, mba hampiononana ny olona, raha misy maty ao amin’ny fianakaviany?

18 Maro be ny olona ory isan’andro noho ny fahafatesan’ny havan-tiana. Mety hihaona amin’izy ireny ianao rehefa manao fanompoana, na manao ny asanao andavanandro. Inona no azonao lazaina na atao mba hampiononana azy ireny?

19 Vontom-pahoriana ve ilay olona? Feno havana ory ve ao amin’ilay trano? Te hilaza zavatra be angamba ianao, nefa tena ilaina ny mahay manavaka. (Mpitoriteny 3:1, 7) Aleo angamba aloha mitsapa alahelo, sy mamela bokikely, gazety, na taratasy mivalona ara-baiboly mifanentana amin’ilay toe-javatra. Azo atao ny miverina mitsidika azy andro vitsivitsy atỳ aoriana, mba hahitana raha misy fanampiana hafa azo omena. Miresaha hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly, amin’ny fotoana mety. Afaka mampitony sy mamelombelona izany. (Ohabolana 16:24; 25:11) Tsy afaka manangana ny maty toa an’i Jesosy ianao. Kanefa azonao resahina izay lazain’ny Baiboly momba ny maty, na dia tsy fotoana hanitsiana ny fiheveran-diso aza amin’izay. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4) Azonao vakina miaraka aminy ny fampanantenan’ny Baiboly fitsanganana amin’ny maty. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Afaka miresaka momba ireo fitsanganana amin’ny maty voatantara ao amin’ny Baiboly ianao, mba hanazavana izany. (Lioka 8:49-56; Jaona 11:39-44) Sariho koa ny sainy ho amin’ny toetran’ilay Andriamanitra be fitiavana mampanantena antsika izany. (Joba 14:14, 15; Jaona 3:16) Hazavao ny soa noraisinao avy tamin’izany fampianarana izany, sy ny antony atokisanao izany.

20 Raha asaina ho any amin’ny Efitrano Fanjakana koa ilay olona ory, dia mety ho afaka hifankahalala amin’ny olona tena tia ny mpiara-belona aminy sy mahay mifampahery. Tsapan’ny vehivavy iray tany Soeda fa izany no notadiaviny nandritra ny androm-piainany.​—Jaona 13:35; 1 Tesaloniana 5:11.

21, 22. a) Inona no takina amintsika raha te hampionona ny olona isika? b) Ahoana no hampiononanao ny olona iray efa mahafantatra tsara ny Soratra Masina?

21 Tsy hitanao ve izay holazaina na hatao indraindray rehefa misy olona nidonam-pahoriana, eo anivon’ny fiangonana na any ivelany? Ilay teny grika nadika matetika hoe “fampiononana” ao amin’ny Baiboly, dia midika ara-bakiteny hoe “miantso ho eo anilan’ny tena.” Tena mpampionona àry ianao, rehefa vonona hisahirana ho an’ireo ory.​—Ohabolana 17:17.

22 Ahoana raha efa fantatr’ilay olona tianao hampiononina izay lazain’ny Baiboly momba ny fahafatesana sy ny avotra ary ny fitsanganana amin’ny maty? Efa afaka mampionona azy, na dia ny fisian’ny namana mitovy finoana aminy eo anilany fotsiny aza. Henoy tsara izy raha te hiresaka. Aza mieritreritra hoe tsy maintsy manao kabary ianao. Raha mamaky andinin-teny ianareo, dia eritrereto hoe Andriamanitra mihitsy no miteny ka mampahery ny fonareo. Lazao fa samy matoky mafy ianareo fa ho tanteraka ny fampanantenan’ny Baiboly. Raha maneho fangoraham-po toa an’Andriamanitra ianao, sady miresaka momba ny fahamarinana sarobidy ao amin’ny Teniny, dia hampionona ireo olona ory, sady hanampy azy hanovo hery avy amin’i Jehovah, ilay “Andriamanitry ny fampiononana rehetra.”​—2 Korintiana 1:3.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 3 Jereo ny boky Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay, toko 8; Ny Fomba Fanjohian-kevitra avy Amin’ny Soratra Masina, pejy 111-115, 228-235; Misy Mpamorona Iray Miahy Anao Ve? (frantsay), toko 10; ary ny bokikely Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?

Omeo ny Fanazavanao

• Iza no omen’ny olona tsiny rehefa misy loza, ary ahoana no anampiana azy ireny?

• Inona no azontsika atao mba hanampiana ny olona handray soa feno avy amin’ny fampiononana omen’ny Baiboly?

• Inona no toe-javatra mampahory ny olona maro ao amin’ny faritra misy anao, ary ahoana no azonao ampiononana azy ireny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 23]

Mampita hafatra tena mampionona amin’ny fotoam-pahoriana

[Sary nahazoan-dalana]

Tobin’ny mpitsoa-ponenana: UN PHOTO 186811/J. Isaac

[Sary, pejy 24]

Mampionona ny fisian’ny namana eo anilan’ny tena