Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanampiana ny Kristianina mba Hanaja ny Ra

Fanampiana ny Kristianina mba Hanaja ny Ra

Mitantara Ireo Mpitory Ilay Fanjakana

Fanampiana ny Kristianina mba Hanaja ny Ra

MANAJA ny fahamasinan’ny ra ny mpanompon’i Jehovah eran-tany, ka asehony amin’izany fa tsy mivadika aminy izy ireo. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29) Nampian’ny mpanompo mahatoky sy malina hanao izany ny fianakavian’ny mpirahalahy kristianina. (Matio 24:45-47) Andeha hojerentsika ny vokatra hita tany Philippines.

Mitatitra toy izao ny sampan’i Philippines: “Nilazana izahay tamin’ny 1990 fa hisy solontena avy any amin’ny Betelan’i Brooklyn hanao fampiofanana eto Philippines. Nasaina hanatrika izany ireo rahalahy avy amin’ny sampana samihafa atỳ Azia, toa an’i Korea sy Taïwan ary Hong Kong. Ny tanjona dia ny hanangana Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly sy Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, any amin’ireo tany ireo. Tanàn-dehibe efatra tamin’ny voalohany no nasiana Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly, teto Philippines.” Niezaka nitady izay dokotera vonona hanaiky ny finoantsika sy ny fahatapahan-kevitsika tsy handray ra ireo komity ireo. Nanampy an’ireo rahalahy koa izy ireo, raha sendra nisy zava-nanahirana momba ny ra.

Voafidy ho anisan’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ao Baguio i Remegio. Rehefa nandeha ny fotoana, dia voamariky ny dokotera ny asa tsara nataon’ireo komity ireo. Tsaroan’i Remegio fa nihaona tamin’ny iray tamin’ny Komity Mifandray Amin’ny Hopitaly ny dokotera sasany. Nanontany ny fomba tokony hitsaboana antsika izy ireo, satria tsy manaiky hampidiran-dra isika. Hoy i Remegio: “Sahirana ny saiko, rehefa nanomboka nametraka fanontaniana ireo dokotera, satria teny ara-pitsaboana daholo no nampiasain’izy ireo.” Nangataka fanampiana tamin’i Jehovah izy, satria sarotra ilay toe-javatra. Hoy izy avy eo: “Isaky ny nisy nametraka fanontaniana, dia nisy dokotera hafa foana nanangan-tanana sy nilaza ny fomba nampiasainy.” Tena faly i Remegio noho izany fanampiana izany, indrindra satria naharitra adiny roa ilay fametrahana fanontaniana sy fanomezana valin-teny.

Misy 21 izao ny komity manerana ilay faritra, ary 77 ny rahalahy miasa ao amin’izy ireo. Hoy i Danilo, dokotera Vavolombelon’i Jehovah: “Hitan’ireo dokotera fa manana fikambanana tia sy mikarakara ary manohana azy ny Vavolombelona.” Tsy nanaiky hampidiran-dra ny rahalahy iray, ka tsy nety nandidy azy ny dokoterany tamin’ny voalohany. Hentitra anefa ilay rahalahy, ka nataon’ilay dokotera ihany ilay fandidiana, ary vita soa aman-tsara. Nanao tatitra ny Sampan’asan’ny Filan-kevitra Momba ny Hopitaly hoe: “Gaga ilay dokotera, rehefa sitrana ilay rahalahy. Nilaza izy hoe: ‘Noho iny zava-nitranga iny, dia vonona aho hitsabo izay namanareo mila an’iny karazana fandidiana iny, tsy misy fampidiran-dra.’”