Manontany ve Ianao Hoe: “Aiza Jehovah?”
Manontany ve Ianao Hoe: “Aiza Jehovah?”
“Nanalavitra Ahy izy . . . Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah?”—JEREMIA 2:5, 6.
1. Inona no mety ho ao an-tsain’ny olona, rehefa manontany izy hoe: “Aiza Andriamanitra”?
“AIZA Andriamanitra?” Maro tokoa no manontany izany. Misy amin’izy ireo te hahafantatra fotsiny hoe aiza ilay Mpamorona no mipetraka. Ny hafa indray manontany toy izany, rehefa nisy loza lehibe nitranga na olana lehibe nanjo azy. Tsy takatr’izy ireo mantsy hoe nahoana Andriamanitra no namela izany hitranga. Misy koa anefa tsy mba mametraka an’io fanontaniana io mihitsy, satria tsy mino an’Andriamanitra izy ireo.—Salamo 10:4.
2. Iza no mahita an’Andriamanitra rehefa mitady azy?
2 Ekena aloha fa betsaka no manaiky ireo porofo maro be izay mampiseho fa misy Andriamanitra. (Salamo 19:1; 104:24) Misy amin’izy ireo mianina fotsiny amin’ny fananana fivavahana iray. Maro be anefa ny olona maneran-tany no voatosika hitady ilay Andriamanitra marina, noho izy ireo tena tia ny fahamarinana. Tsy very maina ny ezaka ataon’izy ireo, satria “tsy mba lavitra antsika rehetra” izy.—Asan’ny Apostoly 17:26-28.
3. a) Aiza Andriamanitra no mipetraka? b) Inona no hevitr’ilay fanontaniana ao amin’ny Baiboly hoe: “Aiza Jehovah”?
3 Rehefa tena mahita an’i Jehovah ny olona iray, dia takany fa “Andriamanitra dia Fanahy”, izany hoe tsy hita maso. (Jaona 4:24) Nantsoin’i Jesosy hoe “ny Raiko Izay any an-danitra” ilay Andriamanitra marina. Inona no dikan’izany? Midika izany fa avo be ny toerana ipetrahan’ilay Raintsika, toy ny haavon’ny lanitra oharina amin’ny tany. (Matio 12:50; Isaia 63:15) Na dia tsy hitantsika maso aza anefa Andriamanitra, dia mampahafantatra ny mombamomba azy sy ny fikasany amintsika izy. (Eksodosy 33:20; 34:6, 7) Mamaly ny fanontanian’ny olona te hahafantatra ny zava-kendren’ny fiainana izy. Manome tari-dalana azo itokisana momba ny raharaha sasany atrehintsika koa izy, mba hahalalantsika ny fomba fiheviny momba izany, sy hahitantsika raha mifanaraka amin’ny fikasany ny faniriantsika na tsia. Tiany ny hametrahantsika fanontaniana momba ireo raharaha ireo sy ny hiezahantsika mafy hahita ny valin’izany. Rehefa tsy nanao izany ny Isiraelita fahiny, dia nananatra azy ireo i Jehovah tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany. Fantatr’izy ireo mantsy ny anaran’Andriamanitra, nefa tsy nanontany izy ireo hoe: “Aiza Jehovah?” (Jeremia 2:6) Tsy zava-dehibe taminy ny fikasan’i Jehovah, ary tsy nitady ny tari-dalany izy ireo. Ary ianao, moa ve ianao manontany hoe: “Aiza Jehovah?”, alohan’ny handraisana fanapahan-kevitra, na kely izany na lehibe?
Nanontany an’Andriamanitra izy ireo
4. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatr’i Davida, mahakasika ny fanontaniana an’i Jehovah?
4 Nampitombo ny finoany an’i Jehovah i Davida, zanak’i Jese, fony mbola tovolahy. Fantany fa i Jehovah no “Andriamanitra velona”, ary efa niaro azy mihitsy izy. Ny finoany sy fitiavany ny “anaran’i Jehovah” no nanosika azy hamono an’i Goliata, ilay Filistinina goavambe nirongo fiadiana. (1 Samoela 17:26, 34-51) Tsy nahatonga an’i Davida hatoky tena anefa ny fahombiazany. Tsy nieritreritra izy hoe hitahy azy foana i Jehovah nanomboka hatreo. Nandritra ireo taona nanaraka, dia matetika izy no nanontany an’i Jehovah rehefa handray fanapahan-kevitra. (1 Samoela 23:2; 30:8; 2 Samoela 2:1; 5:19) Nivavaka hatrany izy hoe: “Ampahafantaro ny làlanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro.” (Salamo 25:4, 5) Ohatra tsara ho antsika tokoa izany!
5, 6. Inona no nataon’i Josafata mba hitadiavana an’i Jehovah, tamin’ny fotoana samy hafa teo amin’ny fiainany?
5 Nivondrona hiady tamin’i Joda ny tafiky ny firenena telo, tamin’ny andron’i Josafata, mpanjaka fahadimy avy tamin’ny taranak’i Davida. Tao anatin’izany loza nananontanona izany, dia ‘nitady an’i Jehovah’ i Josafata. (2 Tantara 20:1-3) Tsy vao voalohany io mpanjaka io no nitady an’i Jehovah. Nifidy ny handeha tamin’ny lalan’i Jehovah izy, fa tsy nivavaka tamin’i Bala, toy ny nataon’ny fanjakan’ny Isiraely mpivadi-pinoana tany avaratra. (2 Tantara 17:3, 4) Ahoana àry no ‘nitadiavan’i Josafata an’i Jehovah’ tamin’io fotoan-tsarotra io?
6 Araka ilay vavaka ampahibemaso nataony tany Jerosalema tamin’io fotoana io, dia hita fa nitadidy ny hery tsitoha ananan’i Jehovah izy. Noeritreretiny lalina koa ny fikasan’i Jehovah, izay naharihariny rehefa noroahiny ny firenen-kafa mba hanomezana ny tanin’izy ireo ho lovan’ny Isiraely. Niaiky ilay mpanjaka fa nila ny fanampian’i Jehovah. (2 Tantara 20:6-12) Nahita an’i Jehovah ve izy tamin’izay? Nahita azy tokoa izy. Nomen’i Jehovah tari-dalana mazava tsara izy tamin’ny alalan’i Jahaziela Levita, ary nomeny fandresena ny vahoakany ny ampitson’iny. (2 Tantara 20:14-28) Ahoana no ahazoanao antoka fa hahita an’i Jehovah koa ianao, rehefa mitady ny tari-dalany?
7. Ny vavak’iza no henoin’Andriamanitra?
7 Tsy mizaha tavan’olona i Jehovah. Manasa ny olona amin’ny firenena rehetra izy hitady azy amin’ny vavaka. (Salamo 65:2; Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Fantany ny ao am-pon’ireo mitalaho aminy. Manome toky antsika izy fa henoiny ny vavaky ny marina. (Ohabolana 15:29) Afaka ny hahita azy ny olona tsy niraharaha azy taloha, raha manetry tena ka mitady ny tari-dalany. (Isaia 65:1) Henoiny na dia ny vavak’ireo tsy nankatò ny lalàny aza, rehefa manetry tena izy ireo ka mibebaka. (Salamo 32:5, 6; Asan’ny Apostoly 3:19) Very maina kosa anefa ny vavaky ny olona tsy mankatò an’Andriamanitra. (Marka 7:6, 7) Diniho ireto ohatra ireto.
Nanontany fa tsy nahazo valiny
8. Nahoana i Jehovah no tsy nihaino ny vavak’i Saoly Mpanjaka?
8 Niankohoka teo anatrehan’i Jehovah i Saoly Mpanjaka, rehefa nilaza taminy i Samoela mpaminany fa nolavin’Andriamanitra izy, satria tsy nankatò azy. (1 Samoela 15:30, 31) Tetika fotsiny anefa izany. Te homem-boninahitra teo anatrehan’ny vahoaka i Saoly, fa tsy te hankatò an’Andriamanitra. Nanontany an’i Jehovah tamim-pahazarana fotsiny izy, rehefa niady tamin’ny Isiraely ny Filistinina tatỳ aoriana. Tsy namaly azy anefa i Jehovah ka nanatona mpanao azy ho tsindrian-javatra izy, na dia fantany aza fa halan’i Jehovah izany. (Deoteronomia 18:10-12; 1 Samoela 28:6, 7) Mamintina ny nataon’i Saoly toy izao ny 1 Tantara 10:14: ‘Tsy nanontany an’i Jehovah izy.’ Nahoana? Satria tsy nanam-pinoana i Saoly rehefa nivavaka, ka toy ny hoe tsy nivavaka akory izy.
9. Nahoana no tsy nety ny fomba nitalahoan’i Zedekia ny tari-dalan’i Jehovah?
9 Toy izany koa no nitranga rehefa nifarana ny fanjakan’i Joda. Nihabetsaka ny olona nivavaka tamin’i Jehovah sy naka hevitra tamin’ ny mpaminany. Sady nanompo sampy anefa ireo olona ireo no nihambo ho nanaja an’i Jehovah. (Zefania 1:4-6) Nanontany an’i Jehovah tamim-pahazarana fotsiny izy ireo, fa tsy vonona hanaiky ny sitrapony tamin’ny fon’izy ireo. Nitalaho tamin’i Jeremia i Zedekia Mpanjaka mba hanontany an’i Jehovah ho azy. Efa nilaza tamin’ilay mpanjaka izay tokony hataony i Jehovah, nefa tsy nankatò azy izy, satria tsy nanam-pinoana sy natahotra olona. Tsy nomen’i Jehovah valiny hafa nety ho tiany kokoa i Zedekia.—Jeremia 21:1-12; 38:14-19.
10. Nahoana no tsy nety ny fomba nitadiavan’i Johanana ny tari-dalan’i Jehovah, ary inona no ianarantsika avy amin’ny fahadisoany?
10 Niomana hitondra ireo Jiosy sisa tavela tao Joda ho any Ejipta i Johanana, rehefa ravan’ny tafika babylonianina i Jerosalema sady nentin’izy ireo ho babo ny Jiosy. Na dia efa nanao planina maty paika aza izy ireo, dia nangataka an’i Jeremia ihany mba hivavaka ho azy ireo sy hitady ny tari-dalan’i Jehovah, talohan’ny niaingany. Rehefa tsy nahazo ilay valiny nantenainy anefa izy ireo, dia niroso ihany hanatanteraka ilay planiny. (Jeremia 41:16–43:7) Hitanao ve ny lesona azonao raisina avy amin’io zava-niseho io, mba hahitanao an’i Jehovah rehefa mitady azy mandrakariva ianao?
Fantaro hatrany izay ankasitrahan’ny Tompo
11. Nahoana isika no mila mampihatra ny Efesiana 5:10?
11 Ny hoe manaraka ny fivavahana marina dia tsy midika fotsiny hoe manolo-tena sy mampiseho izany amin’ny batisa, mamonjy fivoriana ary mandray anjara amin’ny fanompoana. Ny fiainantsika manontolo mihitsy no tafiditra amin’izany. Iharam-pisedrana an-kolaka na mivantana isika isan’andro, ka mety ho voatarika tsy hanao ny sitrapon’Andriamanitra. Ahoana àry no hataontsika rehefa tojo fisedrana isika? Nampirisika ny Kristianina nahatoky tany Efesosy ny apostoly Paoly hoe: ‘Fantaro [hatrany] izay ankasitrahan’ny Tompo.’ (Efesiana 5:10) Fahendrena ny manao izany, araka ny asehon’ny fitantarana maro ao amin’ny Soratra Masina.
12. Nahoana no tsy faly i Jehovah, rehefa nasain’i Davida nafindra ho any Jerosalema ny fiaran’ny fanekena?
12 Naniry hamindra ny fiaran’ny fanekena ho any Jerosalema i Davida Mpanjaka, rehefa naverina tany Isiraely izy io ary notehirizina taona maro tany Kiriata-jearima. Naka saina tamin’ny mpifehy ny vahoaka izy, ary nilaza fa hafindra ilay Fiara raha mety amin’izy ireo izany, sady eken’i Jehovah. Tsy nikaroka tsara anefa izy hoe inona marina no sitrapon’i Jehovah momba ilay raharaha. Raha nanao izany mantsy izy, dia tsy ho nentina tamin’ny sariety mihitsy ilay Fiara. Ho nolanjain’ny Levita Kehatita izy io, araka ny didy mazava nomen’Andriamanitra. Nanontany an’i Jehovah matetika i Davida, nefa tsy nataony araka ny tokony ho izy izany tamin’ity indray mandeha ity. Loza no vokany. Niaiky i Davida tatỳ aoriana hoe: “Nasian’i Jehovah Andriamanitsika isika, fa tsy nitady Azy araka ny voadidy.”—1 Tantara 13:1-3; 15:11-13; Nomery 4:4-6, 15; 7:1-9.
13. Inona no fampahatsiahivana tao amin’ilay hira natao, rehefa voafindra soa aman-tsara ilay Fiara?
13 Tamin’ny farany, dia ny Levita no nitondra ilay Fiara avy tao an-tranon’i Obeda-edoma ho any Jerosalema. Nisy hira noforonin’i Davida nohiraina tamin’izay, ary izao no fampahatsiahivana voalaza tao: “Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany.”—1 Tantara 16:11, 12.
14. Inona no ianarantsika avy amin’ny ohatra tsara navelan’i Solomona sy ny fahadisoana nataony tatỳ aoriana?
14 Nanoro hevitra an’i Solomona zanany toy izao i Davida, talohan’ny nahafatesany: “Raha mitady [an’i Jehovah] hianao, dia hahita Azy.” (1 Tantara 28:9) Nankany Gibeona, toerana nisy ny trano lay fihaonana, i Solomona rehefa tonga mpanjaka, ary nanao fanatitra ho an’i Jehovah. Nilaza taminy i Jehovah tany hoe: “Angataho izay tianao homeko anao.” Araka ny fangatahan’i Solomona, dia nomen’i Jehovah fahendrena sy fahalalana be dia be izy hitsarany ny Isiraely. Mbola nampiana vola aman-karena sy voninahitra koa izany. (2 Tantara 1:3-12) Nanorina tempoly tena tsara tarehy i Solomona, araka ilay drafitra nomen’i Jehovah an’i Davida. Tsy nitady an’i Jehovah anefa izy, rehefa hanambady. Vehivavy tsy mpivavaka tamin’i Jehovah no novadiny, ka nampivily ny fony niala tamin’i Jehovah ireo, rehefa antitra izy. (1 Mpanjaka 11:1-10) Zava-dehibe àry ny ‘hamantarana [hatrany] izay ankasitrahan’ny Tompo’, na dia manana toerana ambony sy toa hendry ary mahay toy inona aza isika!
15. Nahoana i Asa no natoky fa hamaly ny vavaka ataony i Jehovah, ka hamonjy an’i Joda, rehefa nanafika azy ireo i Zera Etiopianina?
15 Hamafisin’ny zava-nitranga nandritra ny fanjakan’i Asa, zafiafin’i Solomona, fa ilaina ny manao izany. Iraika ambin’ny folo taona taorian’ny nahatongavan’i Asa ho mpanjaka, dia nitondra miaramila iray tapitrisa hiady tamin’i Joda i Zera Etiopianina. Hamonjy an’i Joda ve i Jehovah? Maherin’ny 500 taona mialoha, dia efa nolazainy tamin’ny vahoakany izay miandry azy ireo raha mihaino Azy sy manaraka ny didiny izy, sy izay miandry azy raha tsy manao izany izy. (Deoteronomia 28:1, 7, 15, 25) Nandrava ny alitara sy tsangambaton-tsampy tao Joda i Asa, rehefa nanomboka nanjaka. Nampirisika ny vahoaka “hitady an’i Jehovah” izy, ary tsy niandry ny hisian’ny loza vao nanao izany. Natoky an’i Jehovah àry izy, ka nivavaka taminy mba hanampiany azy ireo. Inona no vokany? Nahazo fandresena nanetriketrika i Joda tamin’izay.—2 Tantara 14:1-11.
16, 17. a) Inona no nampahatsiahivin’i Jehovah an’i Asa, na dia nandresy aza izy? b) Ahoana no nanampiana an’i Asa rehefa nanao hadalana izy, nefa nanao ahoana ny fihetsiny? d) Inona no ianarantsika rehefa mandinika ny fihetsik’i Asa isika?
16 Rehefa nandresy anefa i Asa, dia naniraka an’i Azaria i Jehovah mba hihaona aminy ka hilaza hoe: “Mihainoa ahy, ry Asa mbamin’ny Joda sy ny Benjamina rehetra: Jehovah momba anareo, raha hianareo momba Azy; ary raha mitady Azy kosa hianareo, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy hianareo, dia hahafoy anareo Izy.” (2 Tantara 15:2) Nanjary nazoto nampandroso ny fivavahana marina indray i Asa. Tsy nitady an’i Jehovah anefa izy, rehefa nisy niady taminy indray, 24 taona tatỳ aoriana. Tsy nandinika ny Tenin’Andriamanitra izy, ary tsy nitadidy izay nataon’i Jehovah rehefa nanafika an’i Joda ny Etiopianina. Nanao hadalana izy, satria niray dina tamin’i Syria.—2 Tantara 16:1-6.
17 Noho izany, dia nasain’i Jehovah nananatra an’i Asa i Hanany mpahita. Mbola afaka niova izy, rehefa nohazavaina taminy ny fomba fijerin’i Jehovah ilay toe-javatra. Tezitra anefa izy, ka nataony tao an-tranomaizina i Hanany. (2 Tantara 16:7-10) Mampalahelo tokoa izany! Ary ahoana ny amintsika? Mitady an’i Jehovah ve isika, nefa avy eo tsy manaiky torohevitra? Aoka hatao hoe manome torohevitra ara-baiboly antsika ny anti-panahy iray be fitiavana, satria hitany fa lasa voasarik’ity tontolo ity isika, ka manahy ny amintsika izy. Moa ve isika mankasitraka ny fanampiany antsika hamantatra “izay ankasitrahan’ny Tompo”?
Aza manadino ny manontany
18. Inona no ianarantsika avy tamin’ny tenin’i Eliho tamin’i Joba?
18 Mety hanao zavatra tsy ankasitrahan’i Jehovah ny olona iray rehefa iharam-pisedrana, na dia nanompo azy tamim-pahatokiana hatry ny ela aza. Nanjary tsy nieritreritra afa-tsy ny tenany i Joba rehefa azon’ny aretina nahatsiravina, sy namoy ny zanany mbamin’ny fananany, ary nampangain’ny namany. Nampahatsiahy azy i Eliho hoe: “Tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy?” (Joba 35:10) Nila nampifantoka ny sainy tamin’i Jehovah i Joba, sy nandinika hoe ahoana no fijeriny an’ilay toe-javatra. Nanetry tena i Joba, ka nanaiky ilay fampahatsiahivana. Afaka manao toa azy isika, rehefa misaintsaina ny ohatra navelany.
19. Inona matetika no tsy nataon’ny firenen’ny Isiraely?
19 Fantatry ny Isiraelita ny fomba nitondran’Andriamanitra ny firenen’izy ireo. Matetika anefa izy ireo no tsy nahatsiaro izany, rehefa niatrika toe-javatra sasany. (Jeremia 2:5, 6, 8) Nanao izay tiany izy ireo rehefa nandray fanapahan-kevitra, fa tsy nanontany hoe: “Aiza Jehovah?”—Isaia 5:11, 12.
Manontania foana hoe: “Aiza Jehovah?”
20, 21. a) Iza ankehitriny no mitady ny tari-dalan’i Jehovah sahala amin’i Elisa? b) Ahoana no hanahafantsika ny finoan’izy ireo sy handraisantsika soa avy amin’izany?
20 Rehefa nandimby an’i Elia i Elisa mpanampy azy, dia noraisiny ilay akanjon’i Elia, izay latsaka avy teny aminy. Nankany amin’ny ony Jordana izy avy eo, ary nakapony tamin’ny rano ilay akanjo sady nanontany izy hoe: “Aiza Jehovah, Andriamanitr’i Elia?” (2 Mpanjaka 2:14) Namaly azy i Jehovah rehefa nanome azy ny fanahiny. Inona no ianarantsika avy amin’izany?
Hebreo 13:7) Raha izany no izy, dia hitoetra ho akaikin’ny fandaminan’i Jehovah isika, sy hanaiky ny fitarihany ary handray anjara feno amin’ilay asa tarihin’i Jesosy Kristy.—Zakaria 8:23.
21 Nisy zava-nitranga toy izany koa ankehitriny. Maty ny Kristianina voahosotra sasany, izay nitarika ny asa fitoriana. Nandinika ny Soratra Masina sy nivavaka mba hahazoana ny tari-dalan’i Jehovah àry ireo voatendry ho mpiandraikitra. Nanontany foana izy ireo hoe: “Aiza Jehovah?” Noho izany, dia nitari-dalana ny vahoakany foana i Jehovah, ary nampiroborobo ny asany. Manahaka ny finoan’izy ireo ve isika? (Ahoana no Havalinao?
• Nahoana isika no tokony hanontany hoe: “Aiza Jehovah?”
• Ahoana no ahitantsika ny valin’ilay fanontaniana hoe: “Aiza Jehovah?”
• Nahoana ny olona sasany no tsy mahazo valiny, rehefa mivavaka mba hahazoana tari-dalana?
• Inona avy no ohatra ao amin’ny Baiboly mampiseho fa ilaina ny ‘mamantatra [hatrany] izay ankasitrahan’ny Tompo’?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 9]
Ahoana no nitadiavan’i Josafata Mpanjaka an’i Jehovah?
[Sary, pejy 10]
Nahoana i Saoly no nanatona mpanao azy ho tsindrian-javatra?
[Sary, pejy 12]
Mianara sy mivavaha ary mieritrereta mba hamantarana hoe ‘aiza i Jehovah’