Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fomba Nahazoan’izy Ireo Valiny

Ny Fomba Nahazoan’izy Ireo Valiny

Ny Fomba Nahazoan’izy Ireo Valiny

MISY olona an-tapitrisa mivavaka amin’Andriamanitra. Matoky ny sasany fa mamaly ny vavaka ataony izy. Ny hafa kosa misalasala raha misy mihaino ny vavaka ataony. Ao koa ireo mitady valiny amin’ny fanontaniany, nefa tsy nieritreritra ny hivavaka amin’Andriamanitra ka hanontany azy.

Milaza ny Baiboly fa “Mpihaino vavaka” ilay Andriamanitra marina. (Salamo 65:2) Raha mivavaka àry ianao, azonao antoka ve fa ilay Andriamanitra marina no ivavahanao? Hamaly anao ve izy?

Olona maro eran-tany no mamaly hoe eny! Ahoana no nahazoan’izy ireo valiny? Inona no zavatra nianarany tamin’izany?

Iza moa Andriamanitra?

Nisy mpampianatra iray notezain’ny masera sy mompera tany Portogaly. Nanaraka ny fivavahany tamim-pahatsorana izy, nefa nanjary very hevitra tatỳ aoriana. Niova mantsy ny egliziny, ary niala tamin’ireo fanao nampianarina azy hoe zava-dehibe. Rehefa nankany Azia izy, ka nahita ny fomba fivavahan’ny olona tany, dia nanontany tena hoe: Iray monja ve no Andriamanitra marina? Ahoana no tokony hivavahako aminy? Nanontany zavatra sasany ao amin’ny Baiboly tamin’ny momperany izy, nefa tsy noraharahain’izy io izany, ka diso fanantenana izy.

Nampiely bokikely iray tao amin’ny tanànany ny eglizy katolika. Nisy fampitandremana ho an’ny mpiangona tao amin’izy io. Tsy afaka tao an-tsain’ilay ramatoa mpampianatra anefa ny fanontaniany. Nihaino ny Vavolombelon’i Jehovah àry izy, rehefa notsidihin’izy ireo, ary nahaliana azy ny zavatra reny. Sambany izy tamin’izay vao niresaka tamin’izy ireo.

Nanomboka nianatra Baiboly tamin’ireo Vavolombelona io ramatoa io, mba hahazoana valiny tamin’ireo fanontaniany maro be. Nanomana lisitra lava be mihitsy izy isan-kerinandro. Tiany ho fantatra, ohatra, hoe: Iza no anaran’Andriamanitra? Iray monja ve no Andriamanitra marina? Mankasitraka ny fampiasana sary ve izy? Gaga ary tena faly izy, rehefa nahita fa avy tao amin’ny Baiboly daholo ny valin-teny azony, fa tsy nanome ny heviny akory ireo Vavolombelona. Voavaly tsikelikely ireo fanontaniany maro be. Mivavaka amin’i Jehovah amin’ny fanahy sy ny fahamarinana izy izao. Izany no hataon’ireo “tena mpivavaka”, hoy i Jesosy Kristy.​—Jaona 4:23.

Tany Sri Lanka indray, dia nisy fianakaviana iray niara-namaky Baiboly tsy tapaka. Tsy voavaly anefa ireo fanontaniana maro tena zava-dehibe taminy. Nila fanampiana àry izy mianakavy, nefa tsy afaka nanome izany ny momperany. Nitsidika ilay fianakaviana ny Vavolombelon’i Jehovah, ary nanome boky izay nanampy azy ireo. Nanaiky hianatra Baiboly izy mianakavy tatỳ aoriana, rehefa nomen’ny Vavolombelon’i Jehovah valiny nahafa-po tamin’ireo fanontaniany momba ny Baiboly. Tena nahaliana azy ireo ny zavatra nianarany.

Efa latsa-paka tao amin’ilay renim-pianakaviana anefa ny zavatra nampianarin’ny eglizy azy. Noho izany, dia tsy azony hoe Rain’i Jesosy Kristy ilay nantsoin’i Jesosy hoe “Andriamanitra tokana sady marina.” (Jaona 17:1, 3) Nampianarina azy fa i Jesosy ihany no Ray, ary “mistery” tsy tokony hofakafakaina izany. Very hevitra izy, ka nivavaka tamin’ny fony, sady niantso ny anaran’i Jehovah. Nangataka izy mba hampisehoany azy hoe iza i Jesosy. Nodinihiny tsara indray ireo andinin-teny mifandray amin’izany avy eo. (Jaona 14:28; 17:21; 1 Korintiana 8:5, 6) Toy ny jamba nahiratra izy, satria azony tsara tamin’izay fa i Jehovah no Andriamanitra marina, izay namorona ny lanitra sy ny tany, ary Rain’i Jesosy Kristy.​—Isaia 42:8; Jeremia 10:10-12.

Nahoana no misy ny fijaliana?

Tena nijaly mafy i Joba. Matin’ny tafio-drivotra ny zanany rehetra, ary lasa nahantra izy. Voan’ny aretina nampanaintaina koa izy, ary nanampy trotraka ny fahoriany ireo namany sandoka. Nanao teny tsy voahevitra i Joba tao anatin’izany rehetra izany. (Joba 6:3) Takatr’Andriamanitra tsara anefa izay nanjo an’i Joba. (Joba 35:15) Fantany ny tao am-pon’i Joba, ka nomeny torohevitra tsara izy. Toy izany koa no ataon’Andriamanitra amin’ny olona amin’izao andro izao.

Vao folo taona i Castro, izay mipetraka any Mozambika, fony maty ny reniny. Nalahelo mafy izy tamin’izay, ka niteny hoe: “Fa nahoana re no maty izy ka nandao anay e?” Na dia mpivavaka aza izy mianakavy, dia mbola very hevitra ihany i Castro. Inona no nampitony ny fony sy ny sainy? Nampionona azy ny famakiana Baiboly kely tamin’ny teny chichewa sy ny fandinihana izany niaraka tamin’ireo zokiny.

Takatr’i Castro tsikelikely fa tsy Andriamanitra no nahatonga ny reniny ho faty, fa ny tsy fahalavorariana nolovana avy tamin’i Adama. (Romana 5:12; 6:23) Ny tena nampionona azy dia ilay fampanantenan’ny Baiboly hoe hitsangana ny maty. Io no manome toky azy fa hahita ny reniny indray izy. (Jaona 5:28, 29; Asan’ny Apostoly 24:15) Indrisy, fa maty koa ny rainy, efa-taona monja taorian’izay. Mora kokoa tamin’i Castro anefa ny nizaka izany. Tia an’i Jehovah izy izao, ary tsy mivadika aminy fa mampiasa ny fiainany mba hanompoana azy. Tsy miafina amin’ny olom-pantany rehetra ny fifaliany vokatr’izany.

Mampionona olona maro namoy havan-tiana, ireo fahamarinana ara-baiboly nampionona an’i Castro ireo. Misy koa ny nandia fahoriana mafy, noho ny haratsiam-panahin’ny hafa, ka manontany toa an’i Joba hoe: “Nahoana no velona ny ratsy fanahy?” (Joba 21:7) Rehefa tena manaiky ny valin-tenin’Andriamanitra ao amin’ny Teniny izy ireo, dia ho hitany fa mitondra soa ho azy ireo ny fomba handaminan’Andriamanitra zavatra.​—2 Petera 3:9.

Nihalehibe tany Etazonia i Barbara. Tsy nihatra mivantana taminy ny fahoriana nahatsiravina vokatry ny ady. Hitany tamin’ny vaovao isan’andro anefa ny habibiana nateraky ny ady tany amin’ny firenena maro, tamin’izany fotoana izany. Tany am-pianarana, dia sahiran-tsaina izy rehefa nahafantatra ireo fisehoan-javatra toa tsy azo nihodivirana, teo amin’ny tantara. Nanontany tena izy hoe: Inona no nahatonga izany? Mba miraharaha izay mitranga ve Andriamanitra? Nino izy fa misy Andriamanitra, nefa tsy azony ny antony mahatonga azy hamela ny fijaliana hisy.

Nihaniova anefa ny fomba fijerin’i Barbara ny fiainana, rehefa nifanerasera tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah izy. Nihaino azy ireo izy ary nanaiky hampianarin’izy ireo Baiboly. Nanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana koa izy, ary nanatrika ny fivoriambe nalamin’izy ireo mihitsy aza. Hitany koa fa nitovy ny valin-teny nomen’ireo Vavolombelon’i Jehovah azy, fa tsy nifanipaka. Nifanaraka izy ireo, satria niorina tamin’ny Baiboly ny valin-teniny.

Noporofoin’ireo Vavolombelona avy tamin’ny Baiboly, fa i Satana Devoly no andrianan’izao tontolo izao sy mifehy azy, ary manaraka ny toe-tsainy ny olona eo aminy. (Jaona 14:30; 2 Korintiana 4:4; Efesiana 2:1-3; 1 Jaona 5:19) Nohazavain’izy ireo fa efa voalazan’ny Baiboly mialoha ireo zava-nitranga nanahiran-tsaina an’i Barbara. (Daniela toko 2, 7, ary 8) Nilaza ireny fisehoan-javatra ireny mialoha Andriamanitra, satria hainy ny mamantatra ny hoavy, rehefa maniry hanao izany izy. Andriamanitra no nahatonga ny zava-nitranga sasany, fa ny hafa kosa navelany hitranga fotsiny. Nasehon’ireo Vavolombelona tamin’i Barbara koa fa milaza zavatra tsara sy ratsy hiseho amin’ny androntsika ny Baiboly, sady manazava ny dikan’izany. (Matio 24:3-14) Nasehon’izy ireo taminy fa mampanantena ny Baiboly hoe hisy tontolo vaovao hanjakan’ny fahamarinana sy tsy hisian’ny fijaliana intsony.​—2 Petera 3:13; Apokalypsy 21:3, 4.

Nanjary takatr’i Barbara tsikelikely fa tsy i Jehovah Andriamanitra no mahatonga ny olombelona hijaly. Tsy misakana izany fijaliana izany anefa izy, rehefa mifidy ny tsy hankatò ny didiny ny olona. (Deoteronomia 30:19, 20) Nanao fandaharana Andriamanitra mba hiainantsika amim-pahasambarana mandrakizay. Avelany anefa isika hampiseho raha hanaraka ny lalany marina na tsia, amin’izao andro izao. (Apokalypsy 14:6, 7) Nanapa-kevitra i Barbara fa hianatra izay takin’Andriamanitra, ka hanao izany. Hitany teo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah koa ilay fitiavana nolazain’i Jesosy fa hamantarana ny tena mpianany.​—Jaona 13:34, 35.

Afaka mandray soa avy amin’ilay fandaharana izay nanampy azy koa ianao.

Fiainana misy zava-kendrena

Na dia ny olona toa miadana aza dia mety hanana fanontaniana manahiran-tsaina azy. Naniry mafy hahafantatra ilay Andriamanitra marina sy ny zava-kendren’ny fiainana foana, ohatra, i Matthew, tovolahy iray mipetraka any Grande-Bretagne. Maty ny rainy tamin’izy 17 taona. Nahazo diplaoma momba ny mozika i Matthew tatỳ aoriana, ka nifantoka tamin’ny fitadiavam-bola. Tsapany anefa fa zava-poana izany. Lasa nipetraka tany Londres izy, ary nanjary mpifoka rongony, mpandeha any amin’ny boîtes de nuit, nanandro, nifandray tamin’ny fanahy ratsy, nanaraka ny fivavahana bodista sy filozofia hafa. Nanao izany rehetra izany izy mba hitadiavana fomba fiaina mahafa-po. Kivy anefa izy, ka nivavaka tamin’Andriamanitra mba hanampy azy hahita ny marina.

Roa andro taorian’izay, dia nifanena tamin’ny namany iray efa hatramin’ny ela i Matthew, ka namboraka taminy ny zava-nanahirana azy. Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah io namany io, ary nasehony an’i Matthew ny 2 Timoty 3:1-5. Gaga be i Matthew, satria ny zava-mitranga manodidina antsika mihitsy no voalazan’ny Baiboly ao. Namaky ny Toriteny teo An-tendrombohitra koa izy, ary nanohina ny fony izany. (Matio, toko 5-7) Nisalasala aloha izy, satria nisy boky novakiny nanakiana ny Vavolombelon’i Jehovah. Nanapa-kevitra ny hanatrika fivoriana tany amin’ny Efitrano Fanjakana teo akaikiny anefa izy tamin’ny farany.

Nahafinaritra azy ny zavatra reny tany, ka nanomboka nianatra Baiboly tamin’ny anti-panahy iray tao izy. Tsapany taoriana kelin’izay fa voavaly ilay vavaka nataony, satria nahita izay notadiaviny izy. Nandray soa izy, rehefa niala tamin’ireo fanao tsy tian’i Jehovah. Nianatra ny hatahotra an’Andriamanitra koa izy, ka nampifanaraka ny fiainany tamin’ny didiny. Hitan’i Matthew fa tena misy zava-kendrena ny fomba fiaina toy izany.​—Mpitoriteny 12:13.

Tsy voalahatra hoe hanjary hanana fomba fiaina mahafa-po i Matthew sy ny olon-kafa noresahina tato amin’ity lahatsoratra ity. Nianaran’izy ireo anefa fa manana fikasana feno fitiavana ho an’izay rehetra mifidy ny hankatò ny didiny i Jehovah Andriamanitra. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35) Hanome fiainana mandrakizay azy ireo izy. Amin’izany fotoana izany, dia tsy hisy intsony ny ady sy ny aretina ary ny hanoanana, ary na dia ny fahafatesana aza. (Isaia 2:4; 25:6-8; 33:24; Jaona 3:16) Maniry izany ve ianao? Raha izany no izy, dia manatreha ireo fivoriana natao hianarana Baiboly, any amin’ny Efitrano Fanjakanan’ny Vavolombelon’i Jehovah. Any no hahafantaranao tsara kokoa hoe ahoana no hananana fiainana mahafa-po. Asaina amim-pitiavana ianao.

[Sary, pejy 7]

Mivavaha mafy amin’Andriamanitra sady antsoy ny anarany

[Sary, pejy 7]

Mianara Baiboly amin’ireo olona tena mampianatra azy io

[Sary, pejy 7]

Manatreha fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 4]

Mpanao dia an-tongotra lavitra: Chad Ehlers/Index Stock Photography