Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Voamarik’i Jehovah ve Izay Ataonao?

Voamarik’i Jehovah ve Izay Ataonao?

Voamarik’i Jehovah ve Izay Ataonao?

AHOANA no hamalianao an’io fanontaniana io? Maro no mety hilaza hoe: ‘Mino aloha aho fa voamarik’Andriamanitra ny zava-bitan’ireo lehilahy toa an-dry Mosesy sy Gideona ary Davida, nefa tsy mino aho hoe mba liana amin’izay ataoko izy. Tsy hitovy amin-dry Mosesy sy Gideona ary Davida mihitsy aho.’

Naneho ny finoany tamin’ny fomba tena niavaka tokoa ny sasany tamin’ireo lehilahy nahatoky voatantara ao amin’ny Baiboly. ‘Nandresy fanjakana izy ireo, nanakombona ny vavan’ny liona, namono ny fidedadedan’ny afo, ary afaka tamin’ny lelan-tsabatra.’ (Hebreo 11:33, 34) Nisy olon-kafa nanam-pinoana koa anefa, na dia tsy nanao zava-mahagaga be toy izany aza, ary lazain’ny Baiboly fa voamarik’Andriamanitra ny finoan’izy ireo. Mba hanazavana izany, dia andeha isika handinika ohatra telo avy ao amin’ny Baiboly: mpiandry ondry, mpaminany, ary mpitondratena.

Nanao fanatitra ilay mpiandry ondry

Inona no tadidinao momba an’i Abela, zanakalahy faharoan’i Adama sy Eva? Mety ho tsaroanao fa maty maritiora izy, ary vitsy amintsika no mety handalo amin’izany. Zavatra hafa anefa no nomarihin’Andriamanitra voalohany tamin’i Abela.

Nifidy izay tsara indrindra tamin’ny ondriny i Abela, indray andro, ary nanao fanatitra ho an’Andriamanitra. Somary tsotra ihany io fanatitra io, raha jerena ankehitriny, nefa voamarik’Andriamanitra izy io, ary nankasitrahany. Tsy izany ihany anefa, fa nasain’i Jehovah nanoratra momba izany tao amin’ny bokin’ny Hebreo ny apostoly Paoly, efatra arivo taona teo ho eo tatỳ aoriana. Tsy hadinon’Andriamanitra iny fanatitra tsotra iny, na dia taona maro tatỳ aoriana aza!​—Hebreo 6:10; 11:4.

Ahoana no nahatonga an’i Abela hanapa-kevitra ny amin’ny karazana fanatitra hatao? Tsy milaza momba izany ny Baiboly, kanefa tsy maintsy ho nieritreritra lalina momba izany i Abela. Mpiandry ondry izy, ka azo antenaina fa biby avy tamin’ny andian’ondriny no hataony fanatitra. Mariho anefa fa izay tsara indrindra no nofidiny, dia “izay matavy.” (Genesisy 4:4) Mety ho nisaintsaina ny tenin’i Jehovah tamin’ilay menarana tao amin’ny zaridainan’i Edena koa izy, hoe: “Hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.” (Genesisy 3:15; Apokalypsy 12:9) Na dia tsy fantatr’i Abela aza hoe iza ilay “vehivavy” sy ny “taranany”, dia azony an-tsaina fa tokony hisy ra latsaka amin’ny ‘fanorotoroana ny ombelahin-tongotry ny taranak’ilay vehivavy.’ Tsy maintsy fantany fa tsy hisy zavatra sarobidy kokoa noho ny zavaboary velona. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe tena nety tsara ny fanatitra nataony.

Manolotra fanatitra ho an’Andriamanitra, toa an’i Abela, ny Kristianina ankehitriny. Tsy izay tsara indrindra amin’ny ondry anefa no atolotr’izy ireo, fa “fanati-piderana . . . dia ny vokatry ny molotra izay manaiky ny [anaran’Andriamanitra].” (Hebreo 13:15) Manao fanatitra vokatry ny molotra isika, rehefa milaza ny zavatra inoantsika amin’ny hafa.

Tianao ve ny hanatsara ny fanatitra ataonao? Diniho tsara àry izay zavatra ilain’ny olona eo amin’ny faritaninao. Inona no manahirana azy ireo? Inona no mahaliana azy? Lafiny inona amin’ny hafatra ao amin’ny Baiboly no mety hanintona azy? Isaky ny mitory ianao, dia diniho tsara ny fomba fitorinao, ka jereo izay fomba azo anatsarana izany. Mitenena avy amin’ny fo rehefa miresaka momba an’i Jehovah ianao, ka asehoy fa tena inoanao izay lazainao. Ataovy izay hahatonga ny fanatitrao ho tena “fanati-piderana.

Nitory tamin’ny olona tsy nihaino ilay mpaminany

Diniho koa ny ohatr’i Enoka mpaminany. Tena izy irery mihitsy angamba no vavolombelon’i Jehovah tamin’izay. Ianao irery koa ve no manompo an’i Jehovah amim-pahatokiana ao amin’ny fianakavianao? Sa ianao irery any am-pianaranao na any am-piasanao no manaraka ny toro lalan’ny Baiboly? Mety hisedra anao tokoa izany. Mety hampirisika anao handika ny lalàn’i Jehovah ireo namana, havana, mpiara-mianatra, na mpiara-miasa. Mety hilaza izy ireo hoe: “Tsy hisy hahita izay ataonao ange e. Izahay koa tsy hiteniteny.” Mety hanizingizina izy ireo fa adala izay miezaka mankatò ny toro lalan’ny Baiboly, satria tsy miraharaha izay ataonao akory Andriamanitra. Tsy faly izy ireo, satria tsy mitovy toe-tsaina aminy ianao sady tsy manao ny fanaony, ka mety hanery anao hivadika izy ireo.

Tsy mora tokoa ny miaritra fisedrana toy izany, kanefa azo atao izany. Eritrereto ny nataon’i Enoka, ilay taranaka fahafito nandimby an’i Adama. (Joda 14) Tena ratsy fitondran-tena ny olona tamin’ny fotoana nahaterahany. Naharikoriko ny fitenin’izy ireo, ary nanafintohina ny fitondran-tenany. (Joda 15) Mitovy amin’ny zavatra ataon’ny olona ankehitriny ny nataon’izy ireo tamin’ny ankapobeny.

Inona àry no nataon’i Enoka? Mahaliana antsika ny valin’io fanontaniana io. Tsy irery tanteraka i Enoka, na dia izy irery aza no nanompo an’i Jehovah tetỳ ambonin’ny tany. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka.​—Genesisy 5:22.

Ny hampifaly an’Andriamanitra no zava-dehibe indrindra taminy. Fantany fa tsy ampy ny madio fiaina sy tsara fitondran-tena, rehefa miara-mandeha amin’Andriamanitra. Nasain’i Jehovah nitory koa mantsy izy. (Joda 14, 15) Nila nampahafantarina ny olona fa misy mahamarika ny asa ratsy ataon’izy ireo. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra nandritra ny 300 taona mahery i Enoka, ary izany dia fotoana tena lava noho izay mety hiaretantsika. Niara-nandeha tamin’Andriamanitra foana izy mandra-pahafatiny.​—Genesisy 5:23, 24.

Nirahina hitory toa an’i Enoka koa isika. (Matio 24:14) Ankoatra ny fitoriana isan-trano, dia miezaka koa isika mizara ny vaovao tsara amin’ny havana sy mpiara-miasa ary mpiara-mianatra. Tsy tena sahy mitory anefa isika indraindray. Mitranga aminao koa ve izany? Aza kivy. Tahafo ireo Kristianina voalohany, ka mivavaha amin’Andriamanitra mba hananana fahasahiana. (Asan’ny Apostoly 4:29) Aza hadinoina na oviana na oviana fa tsy irery mihitsy ianao raha mbola miara-mandeha amin’Andriamanitra.

Nanomana sakafo ilay mpitondratena

Alao sary an-tsaina ilay mpitondratena nahazo fitahiana roa, noho izy nanomana sakafo tsotra indray mandeha! Tsy voalaza ao amin’ny Baiboly ny anarany, ary tsy Isiraelita izy, fa mponina tany Zarefata, tamin’ny taonjato fahafolo Talohan’i Kristy. Efa ho lany ny tahirin-tsakafon’ilay mpitondratena, rehefa nadiva hifarana ilay hain-tany sy mosary naharitra ela be. Lafarinina eran’ny tanana sy menaka kely sisa no nananany, hanaovany sakafo farany ho azy sy ny zanany lahy.

Nisy vahiny tonga anefa tamin’izay. I Elia mpaminanin’Andriamanitra izy io, ary nangataka sakafo tamin’ilay mpitondratena. Efa tena kely ny anjaran’izy mianaka, ary tena tsy nisy anjaran’ilay vahiny intsony. Nanome toky azy, araka ny tenin’i Jehovah, anefa i Elia, fa tsy ho faty noana izy mianaka, raha manome sakafo azy. Tsy mora taminy ny hino hoe mba hanamarika izay zavatra ataony ny Andriamanitry ny Isiraely, satria tsy Isiraelita izy, sady mpitondratena. Nino an’i Elia anefa izy, ary namaly soa azy i Jehovah. “Tsy lany ny koba tao amin’ny barika, ary tsy ritra ny diloilo tao amin’ny tavoara, araka ny tenin’i Jehovah izay nampilazainy an’i Elia.” Nanana sakafo tsy tapaka ilay vehivavy sy ny zanany mandra-pahatapitry ny mosary.​—1 Mpanjaka 17:8-16.

Nisy fitahiana hafa anefa niandry an’ilay mpitondratena. Tatỳ aorian’iny fahagagana iny, dia narary ilay zanany lahy, ary maty. Onena azy i Elia, ka nitalaho tamin’i Jehovah mba hanangana an’ilay zazalahy tamin’ny maty. (1 Mpanjaka 17:17-24) Mbola tsy nisy fahagagana toy izany anefa taloha. Tsy nisy fitantarana momba ny olona natsangana tamin’ny maty mihitsy talohan’izay! Hamindra fo amin’io mpitondratena tsy Isiraelita io indray ve i Jehovah? Izany tokoa no nataony. Nomeny hery i Elia mba hananganana an’ilay zazalahy. Izao no nolazain’i Jesosy tatỳ aoriana, momba an’io vehivavy nahazo fitahiana io: “Maro no mpitondratena teo amin’ny Isiraely . . . nefa [i Elia nirahina] ho any Zarefata any amin’ny tany Sidona ihany, dia ho any amin’izay vehivavy mpitondratena.”​—Lioka 4:25, 26.

Tena tsy azo antoka izao ny toe-karena na dia any amin’ny tany mandroso aza. Nisy orinasa lehibe voatery nandroaka ireo mpiasany nahatoky efa hatramin’ny am-polo taona. Mety hatahotra ny hesorina amin’ny asany ny Kristianina, ka halaim-panahy hiasa mandritra ny fotoana lava loatra, sao mba hitazona azy ihany ilay orinasa. Raha manao izany izy, dia mety tsy hanana fotoana firy intsony hanatrehana fivoriana kristianina, sy hanompoana, ary hikarakarana ny zavatra ara-panahy sy ara-pihetseham-po ilain’ny fianakaviany. Mbola te hitazona an’io asany io anefa izy, na inona na inona mety ho vokany.

Ara-dalàna raha manahy ny Kristianina miaina amin’ny toe-javatra sarotra toy izany. Sarotra ny mahita asa amin’izao fotoana izao. Tsy mitady ny hanankarena ny ankamaroantsika, nefa mila mamelon-tena koa, toa an’ilay mpitondratena tany Zarefata. Mampahatsiahy antsika izao tenin’Andriamanitra izao anefa ny apostoly Paoly: “Izaho tsy handao anao mihitsy na hahafoy anao akory.” Matoky àry isika milaza hoe: “Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho; inona no azon’ny olona atao amiko?” (Hebreo 13:5, 6) Natoky tanteraka an’io fampanantenana io i Paoly, ary nanampy azy foana i Jehovah. Hanampy antsika koa i Jehovah, raha tsy mahafoy azy isika.

Marina fa mety tsy hahavita zavatra miavaka be toa an-dry Mosesy sy Gideona ary Davida isika. Azontsika tahafina anefa ny finoan’izy ireo. Azontsika tadidina koa fa naneho ny finoany tamin’ny fomba tsotra i Abela sy Enoka ary ilay mpitondratena tany Zarefata. Hitan’i Jehovah koa ny finoan’ny olona iray na dia amin’ny zavatra madinika aza no anehoany izany. Hitan’i Jehovah foana ny mpianatra mandà ny zava-mahadomelina omen’ny namany; ny Kristianina tsy manaiky hilalao fitia miaraka amin’ny mpiara-miasa aminy; ary ny Vavolombelona efa zokiolona nefa manatrika fivoriana tsy tapaka, na dia reraka sy tsy salama aza. Tena mampifaly azy izany!​—Ohabolana 27:11.

Voamarikao ve izay ataon’ny hafa?

Voamarik’i Jehovah tokoa izay ataontsika. Manahaka an’Andriamanitra isika, ka tokony hanamarika ny ezaka ataon’ny hafa koa. (Efesiana 5:1) Nahoana, ohatra, raha dinihinao tsara ny zava-manahirana atrehin’ny Kristianina namanao, rehefa hamonjy fivoriana, hanompo, ary na dia hanao zavatra tsotra andavanandro aza?

Avy eo, dia lazao amin’ireo mpiara-mivavaka aminao fa tena ankasitrahanao ny ezaka ataon’izy ireo. Ho faly izy ireo, satria voamarikao izay nataony. Izany koa dia hanome toky azy fa voamarik’i Jehovah izay ataony.