Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Diary Iray Tena Nahaliana

Diary Iray Tena Nahaliana

Diary Iray Tena Nahaliana

MPAMANTATRA tany vaovao i Richard Byrd. Indimy izy no nankany amin’ny Tendrontany Atsimo, nanomboka tamin’ny 1928 ka hatramin’ny 1956. Nanoratra diary nitantara ny zavatra niainany sy izay nitranga nandritra ireo dia nataony, izy sy ny ekipany. Izany no nanampy azy ireo hamantatra ny fiovaovan’ny fitsokan’ny rivotra, sy hanao sarintany, ary hanangona fanazavana be dia be momba ny Tendrontany Atsimo.

Asehon’ireo dia nataon’i Byrd fa ilaina ny manoratra ireo tsipiriany momba ny dia atao, na amin’ny sambo izany, na amin’ny fiaramanidina. Izany no ahafahana mandinika indray izay nitranga, na mamakafaka izay fanazavana mety hilaina amin’ny dia manaraka.

Tena mahaliana ny fitantaran’ny Soratra Masina ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa. Naharitra herintaona mahery io Safo-drano naneran-tany io. Mba hiomanana ho amin’ilay izy, dia nanamboatra sambo fiara i Noa mivady, mbamin’ny zanany telo lahy sy ny vadin’izy ireo avy, nandritra ny 50 na 60 taona. Sahabo ho 40 000 metatra toratelo io sambo fiara goavam-be io. Inona no antony nanaovana azy io? Mba hitsimbinana ny ain’ny olona sy biby sasany nandritra ilay Safo-drano.​—Genesisy 7:1-3.

Azo antsoina hoe diarin’i Noa ny fitantarana ao amin’ny Genesisy, ao amin’ny Baiboly. Voasoratra ao ny zava-nitranga nanomboka tamin’ny Safo-drano ka mandra-pivoakan-dry Noa mianakavy avy tao amin’ilay sambo fiara. Misy zavatra azontsika ianarana ve avy amin’izany fitantarana izany?