Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nanjombona ny Lasa, fa Mamirapiratra Kosa ny Hoavy

Fiainana Taloha sy Ankehitriny—Nanjombona ny Lasa, fa Mamirapiratra Kosa ny Hoavy

“Manatòna An’Andriamanitra, dia Hanatona Anareo Izy”

Fiainana Taloha sy Ankehitriny​—Nanjombona ny Lasa, fa Mamirapiratra Kosa ny Hoavy

“VELONA sy mahery ny tenin’Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, . . . ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo.” (Hebreo 4:12) Izany no fomba nilazan’ny apostoly Paoly ny hery lehibe ananan’ny hafatra avy amin’Andriamanitra. Hita indrindra ny fahaizan’izy io manohina ny fo, tamin’ny taonjato voalohany. Nitafy ny toetra vaovao ireo olona tonga Kristianina, na dia teo aza ny fitaoman-dratsy tamin’izany fotoana izany.​—Romana 1:28, 29; Kolosiana 3:8-10.

Hita ankehitriny koa fa afaka manova olona ny tenin’Andriamanitra. Raiso, ohatra, ny lehilahy iray ranjanana sady matanjaka, antsoina hoe Richard. Mora tezitra izy, ka miady avy hatrany raha vao misy mila vaniny kely aminy fotsiny. Nahery setra be mihitsy izy. Niditra tao amina ekipa mpanao ady totohondry mihitsy aza izy. Nanao fanazaran-tena mafy izy, ka lasa tompon-daka tamin’ny ady totohondry sokajy mavesatra, tany Westphalie, any Alemaina. Nisotro toaka be koa i Richard, ka matetika no niady tamin’olona. Efa saika nigadra izy, indray mandeha, satria nisy olona maty tamin’izy niady.

Nanao ahoana ny tokantranony? Hoy izy: “Samy nanao izay tianay izahay sy Heike, talohan’ny nianaranay Baiboly. Variana niaraka tamin’ny namany i Heike. Izaho kosa variana tamin’ny fialam-boliko, indrindra ny ady totohondry sy ny lomano ary ny fanaovana antsitrika.”

Rehefa nanomboka nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah i Richard sy Heike, dia nieritreritra i Richard fa toa tsy ho vitany ny hanova ny fiainany hifanaraka amin’ny fitsipika ambony ao amin’ny Tenin’Andriamanitra. Tena naniry hampifaly an’i Jehovah Andriamanitra anefa izy, rehefa nahalala azy bebe kokoa. Takany fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny olona mahery setra, na manao ny herisetra ho fialam-boly. Nianarany fa ‘ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza [izany hoe mahery setra] dia samy halan’ny fanahin’[i Jehovah].’​—Salamo 11:5.

Nanintona an’i Richard sy Heike koa ny fanantenana hiaina mandrakizay ao amin’ny paradisa eto an-tany. Te hiara-miaina ao amin’io paradisa io izy mivady! (Isaia 65:21-23) Tena tian’i Richard ilay fanasana hoe: “Manatòna an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy.” (Jakoba 4:8) Hitany fa tena zava-dehibe ny fankatoavana ity torohevitra ara-tsindrimandry ity: “Aza mialona ny olon-dozabe, na mifidy izay làlany akory, satria fahavetavetana eo imason’i Jehovah ny maniasia, fa ao amin’ny marina kosa ny fisakaizany.”​—Ohabolana 3:31, 32.

Na dia tena naniry hanova ny fiainany aza anefa i Richard, dia tsapany fa tsy ho vitany amin’ny heriny samirery izany. Fantany fa nila nangataka ny fanampian’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka izy. Nanaraka izao tenin’i Jesosy tamin’ny apostoliny izao àry izy: “Miareta tory sy mivavaha hianareo, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery.”​—Matio 26:41.

Nianatra ny fomba fijerin’Andriamanitra ny herisetra sy ny fipoahan’ny hatezerana koa i Richard, ka takany avy hatrany fa fanatanjahan-tena tsy eken’Andriamanitra ny ady totohondry. Tsy nahery setra intsony izy, noho ny fanampian’i Jehovah sy ny fampaherezana avy amin’ireo niara-nianatra Baiboly taminy. Tsy nanao ady totohondry intsony izy, tsy niady tamin’olona intsony, ary nanapa-kevitra ny hanatsara ny fiainam-pianakaviany. Mpiandraikitra malemy fanahy any amin’ny iray amin’ireo fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah izao i Richard. Hoy izy: “Nanampy ahy ny fianarako ny fahamarinana avy ao amin’ny Baiboly mba handinika, alohan’ny hanaovan-javatra. Mampihatra ny toro lalan’ny Baiboly momba ny fitiavana sy ny fanajana aho izao, rehefa mifandray amin’ny vady aman-janako. Lasa mifankatia kokoa izahay mianakavy.”

Nisy olona nahazo fanazavana diso momba ny Vavolombelon’i Jehovah, ka miampanga azy ireo ho mpampisaraka fianakaviana. Hita avy amin’ny tantaran’i Richard anefa, fa diso ny fiampangan’izy ireny. Ny tena marina, dia hoe mifankatia kokoa ny fianakaviana nanana fiainana nanjombona sady hanana hoavy mamirapiratra, raha mianatra ny fahamarinana ara-baiboly.​—Jeremia 29:11.

[Teny notsongaina, pejy 9]

“Nanosika ahy hiova ny fanantenana paradisa eto an-tany”

[Efajoro, pejy 9]

Manan-kery ny Toro Lalan’ny Baiboly

Manan-kery lehibe eo amin’ny fiainan’ny olona ny Baiboly. Ireto misy toro lalana araka ny Soratra Masina nanampy olona nahery setra mba hiova:

“Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.” (Ohabolana 16:32) Malemy, fa tsy matanjaka ny olona tsy mahafehy hatezerana.

“Ny fahendren’ny olona manindry ny fahatezerany.” (Ohabolana 19:11) Raha azon’ny olona iray tsara ny tena anton’ny fisehoan-javatra iray, dia hanampy azy hifehy ny hatezerany izany.

‘Aza misakaiza amin’ny olona mora tezitra, fandrao hianao mianatra ny fanaony.’ (Ohabolana 22:24, 25) Maneho fahendrena ny Kristianina, ka tsy minamana amin’ny olona mora tezitra.