Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy!

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy!

Henoy Izay Lazain’ny Fanahy!

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.”​—APOKALYPSY 3:22.

1, 2. Inona no torohevitra naverimberin’i Jesosy tamin’ireo fiangonana fito ao amin’ny Apokalypsy?

TSY maintsy mihaino ny teny ara-tsindrimandry nolazain’i Jesosy Kristy tamin’ireo fiangonana fito, ao amin’ny Apokalypsy, ny mpanompon’i Jehovah. Omeny torohevitra ny tsirairay amin’ireo fiangonana ireo hoe: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.”​—Apokalypsy 2:7, 11, 17, 29; 3:6, 13, 22.

2 Efa nodinihintsika ny hafatr’i Jesosy ho an’ireo anjely, na mpiandraikitra, tany Efesosy sy Smyrna ary Pergamosy. Inona àry izao no soa horaisintsika, rehefa mandinika izay nolazainy tamin’ireo fiangonana efatra hafa, tamin’ny alalan’ny fanahy masina?

Ho an’ny anjely any Tyatira

3. Taiza no nisy an’i Tyatira, ary inona no tena nampahalaza azy?

3 Sady nidera no nananatra ny fiangonana tany Tyatira “ny Zanak’Andriamanitra.” (Vakio ny Apokalypsy 2:18-29.) Tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora no nisy an’i Tyatira (Akhisar ankehitriny), teny amoron’ny sakelidranon’ny Ony Gediz (Hermus fahiny). Maro ny taozavatra nampahalaza azy, ary nalaza koa ilay loko volomparasy namboarina avy tamin’ny fakan-javamaniry nisy tany. ‘Mpivarotra lamba volomparasy, avy tany Tyatira’ i Lydia, izay lasa Kristianina rehefa nandalo tany Filipy, any Gresy, i Paoly.​—Asan’ny Apostoly 16:12-15.

4. Nahoana i Jesosy no nidera ilay fiangonana tany Tyatira?

4 Nidera ilay fiangonana tany Tyatira i Jesosy, noho ny asa tsarany, ny fitiavany, ny finoany, ny faharetany, ary ny fanompoany. ‘Betsaka noho ny voalohany [mihitsy aza] ny asany farany.’ Tsy maintsy mitandrina ny fitondran-tenantsika foana anefa isika, na dia efa tsara laza aza.

5-7. a) Iza “ilay vehivavy Jezebela”, ary inona no tsy maintsy natao, mba hanoherana ny fitaomany? b) Manampy ny vehivavy tia an’Andriamanitra hanao inona ilay hafatr’i Kristy ho an’ny fiangonana tany Tyatira?

5 Nilefitra tamin’ny fanompoan-tsampy sy ny fampianaran-diso ary ny fitondran-tena maloto ilay fiangonana tany Tyatira. Teo anivon’izy ireo “ilay vehivavy Jezebela.” Angamba izany teny izany manondro vehivavy maromaro, mitovy toetra amin’i Jezebela ratsy fanahy, mpanjakavavin’ireo foko folon’ny Isiraely. Misy manam-pahaizana milaza fa ireo ‘mpaminany vavy’ tany Tyatira ireo, dia mety ho nanandrana nitaona ny Kristianina hivavaka tamin’ireo andriamanitry ny varotra, na handray anjara tamin’ny fety nisy sakafo natao sorona ho an’ny sampy. Tsy tokony hisy mihitsy vehivavy “hanandra-tena ho mpaminany” eo anivon’ny fiangonana kristianina ankehitriny, ka hitady hitaona ny hafa amin-kafetsena hanaraka ny heviny!

6 Efa ‘hampandamaka ilay vehivavy Jezebela teo am-pandriana [i Kristy], ary izay mijangajanga aminy dia hataony ao amin’ny fahoriana lehibe, raha tsy mibebaka amin’ny asan-dravehivavy.’ Tsy tokony hanaiky ho voatariky ny fampianarana sy ny fitaoman-dratsy toy izany mihitsy ireo mpiandraikitra. Tsy voatery hanaraka ny fanaon’ny fivavahan-diso sy hijangajanga na hanompo sampy ny Kristianina, vao hahatsapa fa tena ratsy ny “sain-dalin’i Satana.” Raha manaraka ny fampitandreman’i Jesosy isika, dia ‘hitana mafy izay ananantsika’, ary tsy hifehy antsika ny ota. Manalavitra ny fanao sy faniriana ary fikasana mandika ny lalàn’Andriamanitra, ireo voahosotra atsangana amin’ny maty. Noho izany, dia mandray ny “fahefana amin’ny jentilisa”, na ny firenena izy ireo, ary hiaraka amin’i Kristy hanorotoro ireo firenena ireo. Manana kintana ara-panoharana ireo fiangonana ankehitriny. Rehefa hatsangana amin’ny maty kosa ny voahosotra, ka ho any an-danitra, dia homena azy ireo “ilay Kintana mamirapiratra fitarika andro”, dia i Jesosy Kristy vadin’izy ireo.​—Apokalypsy 22:16.

7 Nampitandremana ilay fiangonana tany Tyatira, mba tsy hilefitra amin’ny fitaoman’ny vehivavy mpivadi-pinoana. Manampy ny vehivavy tia an’Andriamanitra hitana ny toerana nomeny azy koa, ilay hafatra ara-tsindrimandry nomen’i Kristy ho an’ny fiangonana. Tsy mitady hifehy ny lehilahy izy ireo, no sady tsy misarika ny rahalahy hanaraka ny fanaon’ny fivavahan-diso na hijangajanga. (1 Timoty 2:12) Fakan-tahaka kosa izy ireo, satria manao asa tsara sy mandeha manompo ho fiderana an’Andriamanitra. (Salamo 68:11; 1 Petera 3:1-6) Raha mitana izay ananany ny fiangonana, izany hoe ny fampianarana sy ny fitondran-tena madio ary ny fanompoana sarobidy, dia hamaly soa azy i Kristy, fa tsy handringana azy.

Ho an’ny anjely any Sardisy

8. a) Taiza no nisy an’i Sardisy, ary inona no zavatra sasany nampiavaka azy? b) Nahoana no nila fanampiana ilay fiangonana tany Sardisy?

8 Nila fanampiana maika ny fiangonana tany Sardisy, satria maty ara-panahy. (Vakio ny Apokalypsy 3:1-6.) Dimampolo kilaometatra tany atsimon’i Tyatira no nisy an’io tanàna nandroso io. Ny varotra sy ny fahavokaran’ny tany ary ny fanamboarana lamba sy karipetra volonondry, no nampanankarena azy. Nisy mponina 50 000 teo ho eo tany, ary nilaza ilay mpahay tantara atao hoe Josèphe, fa nisy Jiosy maro tany Sardisy tamin’ny taonjato voalohany T.K. Ny sisan’ilay tanàna rava dia ahitana synagoga iray sy tempoly iray nivavahana tamin’i Artemisy, andriamanibavy efesianina.

9. Inona no tokony hataontsika, raha lasa fahazarana fotsiny ny fanompoantsika?

9 Hoy i Kristy tamin’ilay anjelin’ny fiangonana tany Sardisy: “Fantatro ny asanao, fa manana anarana ho velona hianao, kanjo maty ihany.” Ahoana raha malaza hoe mifoha ara-panahy isika, nefa matoritory ihany, satria tsy miraika amin’ireo tombontsoam-panompoana? Lasa fahazarana fotsiny ve ny fanompoantsika, ka azo lazaina hoe ‘efa ho faty’ mihitsy? Raha izany no izy, dia mila ‘mahatsiaro ny fomba nandraisantsika sy nandrenesantsika’ ny hafatra momba ilay Fanjakana isika, ka miezaka harisika indray amin’ny fanompoana masina. Tena tokony handray anjara amin’ny fontsika manontolo indray isika any am-pivoriana. (Hebreo 10:24, 25) Nampitandrina ilay fiangonana tany Sardisy i Kristy hoe: “Raha tsy hiambina hianao, dia ho tonga toy ny fihavin’ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hihaviako aminao.” Mihatra amintsika ankehitriny koa ve io fampitandremana io? Izany tokoa, satria hampamoahina tsy ho ela isika.

10. Na dia mety hisy aza toe-javatra toy ilay tany Sardisy, mety hanao ahoana ihany ny Kristianina vitsivitsy?

10 Na dia misy aza anefa toe-javatra toy ilay tany Sardisy, dia misy ihany olona vitsivitsy ‘tsy mandoto ny fitafiany, ary afaka miara-mandeha amin’i Kristy mitafy lamba fotsy, satria mendrika.’ Miharihary foana fa Kristianina izy ireo, satria miezaka ny tsy haloto na hisy pentimpentina avy amin’ity tontolo ity, na eo amin’ny lafiny fivavahana, na amin’ny fitondran-tena. (Jakoba 1:27) Noho izany, dia ‘tsy hamono ny anaran’izy ireo eo amin’ny bokin’ny fiainana [i Jesosy], fa hanaiky ny anaran’izy ireo eo anatrehan’ny Rainy sy ny anjely.’ Mendrika ny hiara-dia amin’i Kristy ireo voahosotra vadiny, ka hampanaovina akanjo rongony fotsy madinika, madio sady mangatsakatsaka. Izany dia enti-milaza ny asa marina ataon’ny olo-masin’Andriamanitra. (Apokalypsy 19:8) Misy tombontsoa tsy manan-tsahala miandry azy ireo any an-danitra, ka mandrisika azy ireo handresy ity tontolo ity. Misy fitahiana koa miandry an’ireo hiaina eto an-tany mandrakizay. Voasoratra ao amin’ilay bokin’ny fiainana koa ny anaran’izy ireo.

11. Inona no tokony hataontsika, raha mihamatoritory ara-panahy isika?

11 Tsy misy amintsika mihitsy maniry ho faty ara-panahy toy ilay fiangonana tany Sardisy. Ahoana anefa raha hitantsika fa mihamatoritory ara-panahy isika? Mila manao zavatra haingana isika, mba handraisantsika soa. Aoka hatao hoe voasariky ny fanao tsy tian’Andriamanitra isika, na lasa kamo mivory sy manompo. Raha izany no izy, dia aoka isika hivavaka mafy, ka hangataka fanampiana amin’i Jehovah. (Filipiana 4:6, 7, 13) Hifoha ara-panahy hatrany isika, raha mamaky Baiboly isan’andro, sady mianatra azy io sy ny boky avoakan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky.” (Lioka 12:42-44) Hahazo sitraka amin’i Kristy toy ny olona sasany tany Sardisy isika amin’izay, sady hampahery ny mpiray finoana amintsika.

Ho an’ny anjely any Filadelfia

12. Inona no azonao lazaina momba ny fivavahana tany Filadelfia fahiny?

12 Nidera ilay fiangonana tany Filadelfia i Jesosy. (Vakio ny Apokalypsy 3:7-13.) Foiben’ny famokarana divay, tany amin’ny faritra andrefan’i Azia Minora, i Filadelfia (Alashehir ankehitriny). I Dionysos, andriamanitry ny divay, no tena nivavahana tany. Toa nanandrana nandresy lahatra ny Kristianina jiosy tany Filadelfia ny Jiosy hafa, mba hiverina tamin’ny fanao sasany ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, na mba tsy hiala tamin’izany. Tsy nahomby anefa izy ireo.

13. Ahoana no nampiasan’i Kristy ilay “fanalahidin’i Davida”?

13 Manana ny “fanalahidin’i Davida” i Kristy, koa nankinina taminy ny zava-drehetra mifandray amin’ilay Fanjakana sy ny fikarakarana ny mpianakavin’ny finoana. (Isaia 22:22; Lioka 1:32) Nampiasa io fanalahidy io i Jesosy, mba hahafahan’ny Kristianina tany Filadelfia sy tany an-toeran-kafa hahazo tombontsoam-panompoana samihafa. Nanomboka tamin’ny 1919, dia nosokafany teo anoloan’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky”, ny “varavarana lehibe” iray mitarika ho amin’ny fitoriana ilay Fanjakana. Ary tsy misy mpanohitra afaka manidy azy io. (1 Korintiana 16:9; Kolosiana 4:2-4) Mazava ho azy fa tsy misokatra ho an’ny “synagogan’i Satana” ilay varavarana hahazoana tombontsoam-panompoana, satria tsy Isiraelita ara-panahy izy ireo.

14. a) Inona no nampanantenain’i Jesosy an’ilay fiangonana tany Filadelfia? b) Inona no tokony hataontsika mba tsy ho lavo isika mandritra ilay “andro fakam-panahy”?

14 Nampanantena an’ireo Kristianina tany Filadelfia fahiny i Jesosy hoe: “Satria efa nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana hianao, Izaho kosa hiaro anao ho voavonjy amin’ny andro fakam-panahy izay efa hihatra amin’izao tontolo izao ho fizahan-toetra izay monina ambonin’ny tany.” Tsy maintsy miaritra toa an’i Jesosy isika rehefa mitory. Tsy nanaiky lembenana mihitsy izy nanoloana ny fahavalo, fa nanao ny sitrapon’ny Rainy foana. Noho izany, dia natsangana tamin’ny maty mba hiaina mandrakizay any an-danitra i Kristy. Tsy ho lavo mandritra izao fotoam-pitsapana antsoina hoe “andro fakam-panahy” izao isika, raha tapa-kevitra ny hanompo an’i Jehovah foana sady manohana ilay Fanjakana, ka mitory ny vaovao tsara. ‘Hitana mafy’ izay nomen’i Kristy antsika isika, raha miezaka mampitombo ny asa ataontsika mifandray amin’ilay Fanjakana. Noho ny fanaovana izany àry, dia handray satroboninahitra sarobidy any an-danitra ireo voahosotra, ary hiaina mandrakizay eto an-tany ny naman’izy ireo tsy mivadika.

15. Inona no tsy maintsy ataon’ireo ho ‘andrin’ny tempolin’Andriamanitra’?

15 Hoy koa i Kristy: “Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro . . . ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.” Tsy maintsy manohana ny fivavahana marina ireo mpiandraikitra voahosotra. Tsy maintsy mitory ny Fanjakan’Andriamanitra sy madio ara-panahy hatrany izy ireo, mba ho mendrika foana ny ho anisan’ny “Jerosalema vaovao.” Mila manao izany izy ireo, raha te ho andrin’ilay tempoly be voninahitra any an-danitra, sy hitondra ny anaran’ilay tanànan’Andriamanitra, izany hoe ho mponin’izy io any an-danitra, ary ho vadin’i Kristy ka hitondra ny anarany. Mazava ho azy koa fa tsy maintsy ‘mihaino izay lazain’ny fanahy amin’ny fiangonana’ izy ireo.

Ho an’ny anjely any Laodikia

16. Inona avy no zavatra azo lazaina momba an’i Laodikia?

16 Nananatra ilay fiangonana tany Laodikia i Kristy, noho izy io afa-po loatra tamin’ny tenany. (Vakio ny Apokalypsy 3:14-22.) Tokony ho 150 kilaometatra tany atsinanan’i Efesosy no nisy an’io tanàna io, teo amin’ny sampanan’ny lalam-be falehan’ny mpivarotra, tao amin’ny lohasaha lonaky ny Ony Lycus. Nisy orinasa sy banky maro nandroso tany Laodikia. Nalaza koa ny akanjo vita tamin’ny volonondry mainty tany amin’io faritra io. Nisy sekoly fianarana ho dokotera koa tany, ka tany angamba no nanamboarana ilay fanafody maso, antsoina hoe vovoka frijianina. Anisan’ny andriamanitra tena nivavahan’ny Laodikianina i Esculape, andriamanitry ny fitsaboana. Toa nisy Jiosy maro tany Laodikia, ary angamba nanankarena be ny sasany.

17. Nahoana no nanarina ireo Laodikianina?

17 Niteny tamim-pahefana i Jesosy ‘Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan’ny zavatra noharìn’Andriamanitra’, rehefa niteny tamin’ny anjelin’ny fiangonan’i Laodikia. (Kolosiana 1:13-16) Nanariny ny mponina tany, satria sady ‘tsy nangatsiaka no tsy nafana’ ara-panahy. Matimaty izy ireo, ka haloan’ny vavan’i Kristy. Tsy tokony ho sarotra tamin’izy ireo ny nahazo ny hevitr’izany. Nisy loharano mafana tany Hierapolia, tanàna teo akaikin’i Laodikia. Nangatsiaka ny rano tany Kolosia. Matimaty kosa anefa ny rano tany Laodikia, satria notaritina avy lavitra. Notaritina tamin’ny lakan-drano aloha ilay izy, ary rehefa akaikin’ilay tanàna, dia nikoriana tao anaty vato nolavahana sy natambatra tamin’ny simenitra.

18, 19. Ahoana no azo anampiana ny Kristianina mitovy amin’ireo tany Laodikia?

18 Tsy mandrisika no sady tsy mamelombelona ny hafa ny olona toa an’ireo Laodikianina, satria tsy mafana na mangatsiaka. Haloan’ny vava toy ny rano matimaty izy ireo! Tsy mila azy ireo ho mpitondra teniny, na ‘ambasadaorony’ voahosotra, i Jesosy. (2 Korintiana 5:20, fanamarihana ambany pejy) Tsy hanana ny tombontsoa hitory ilay Fanjakana intsony izy ireo, raha tsy mibebaka. Nikatsaka harena teto an-tany ny Laodikianina, nefa ‘tsy fantany fa izy no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka.’ Raha misy olona toa azy ireo ankehitriny, dia mila mankany amin’i Kristy izy, ka mividy “volamena voadio”, na finoana voasedra, sy “fitafiana fotsy”, na fanaovana ny marina, ary “odi-maso” hahitany izay tena sitrapon’Andriamanitra. Tsy hahantra, na ho jamba, na hitanjaka intsony izy ireo amin’izay. Faly ny mpiandraikitra kristianina manampy azy ireo hahatsapa fa mila zavatra ara-panahy izy ireo, mba ‘hanankarena amin’ny finoana.’ (Jakoba 2:5; Matio 5:3) Ankoatra izany, dia mila manampy azy ireo hanosotra ilay “odi-maso” ara-panahy ny mpiandraikitra, izany hoe manampy azy ireo hanaiky sy hanaraka ny fampianaran’i Jesosy, ny toroheviny, ny ohatra navelany, ary ny toe-tsainy. Izany no hahasitrana azy ireo, ka hialany amin’ny “filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao.”​—1 Jaona 2:15-17.

19 Mananatra sy manafay izay rehetra tiany i Jesosy. Tsy maintsy manao izany amim-pitiavana koa ireo mpiandraikitra eo ambany fahefany. (Asan’ny Apostoly 20:28, 29) Nila ny ho ‘mazoto sy hibebaka’ ireo Laodikianina, ka nanova ny fomba fisainany sy ny fomba fiainany. Nihen-danja ve ny fanompoana masina ataontsika ho an’Andriamanitra, noho ny fomba fiaina arahintsika? Raha izany no izy, dia aoka isika ‘hividy odi-maso any amin’i Jesosy’, mba hahitantsika tsara fa tokony hazoto hikatsaka ilay Fanjakana eo amin’ny toerana voalohany isika.​—Matio 6:33.

20, 21. Iza no mampandroso an’i Jesosy ankehitriny, ary inona no antenain’izy ireo?

20 Hoy i Kristy: “Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko.” Matetika i Jesosy no nampianatra zavatra ara-panahy teo am-pisakafoanana. (Lioka 5:29-39; 7:36-50; 14:1-24) Mandondòna eo am-baravaran’ireo fiangonana toy ilay tany Laodikia izy izao. Hamoha ny varavarana ve izy ireo, ka hamelona ny fitiavany an’i Jesosy indray, ary hampandroso azy sy hamela azy hampianatra azy ireo? Raha izany, dia hiaraka hisakafo amin’izy ireo i Kristy, ka handray soa ara-panahy betsaka izy ireo.

21 Toy ny hoe mampandroso an’i Jesosy koa ny “ondry hafa” ankehitriny, ary mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fanaovana izany. (Jaona 10:16; Matio 25:34-40, 46) Izay voahosotra mandresy, dia homen’i Kristy ny tombontsoa ‘hiara-mipetraka aminy eo ambonin’ny seza fiandrianany, tahaka ny nandreseny ka nipetrahany niaraka tamin’ny Rainy, eo ambonin’ny seza fiandrianany.’ Valisoa lehibe tokoa no ampanantenain’i Jesosy ho an’ireo voahosotra mandresy, satria hiara-mipetraka aminy eo amin’ny seza fiandrianany any an-danitra izy ireo, eo an-tanana ankavanan’ny Rainy. Ary ireo ondry hafa mandresy dia manantena fiainana mahatalanjona eto an-tany, hofehezin’ilay Fanjakana.

Lesona ho antsika rehetra

22, 23. a) Inona no soa raisin’ny Kristianina rehetra avy amin’izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo fiangonana fito? b) Tokony ho tapa-kevitra hanao inona isika?

22 Tsy isalasalana fa afaka mandray soa betsaka avy amin’izay nolazain’i Jesosy tamin’ireo fiangonana fito tany Azia Minora ny Kristianina rehetra. Voamarik’ireo anti-panahy, ohatra, fa nidera an’ireo mendrika izany i Kristy. Tokony hanosika azy ireo hidera ny mpiray finoana tsirairay sy ny fiangonana mijoro tsara amin’ny finoana koa izany. Rehefa hita anefa fa malemy ara-panahy ny sasany, dia manampy azy ny anti-panahy hampiasa ny fanafody omen’ny Soratra Masina, na ireo torohevitra hita ao. Afaka mandray soa hatrany avy amin’ny torohevitra nomen’i Kristy ho an’ireo fiangonana fito ireo isika rehetra, raha mivavaka mba hampiharana izany avy hatrany. *

23 Andro farany izao, ka tsy misy tokony ho afa-po loatra amin’ny tenany, na ho variana amin’ny fitadiavan-karena, na zavatra hafa mety hahatonga azy hanompo an’Andriamanitra amim-pahazarana fotsiny. Aoka àry ny fiangonana rehetra hampamirapiratra hatrany ny hazavany, toy ny fanaovan-jiro hazonin’i Jesosy eo amin’ny toerany. Aoka isika ho tapa-kevitra hatrany ny hanaraka ny tenin’i Kristy sy hihaino izay lazain’ny fanahy. Ho mpitondra fahazavana manome voninahitra an’i Jehovah isika amin’izay, ka ho faly foana.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 22 Mamelabelatra ny Apokalypsy 2:1–3:22 koa ny toko 7-13 ao amin’ilay boky hoe Ny Fanambarana​—Akaiky ny Fiafarany Malaza!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

Ahoana no Havalinao?

• Iza “ilay vehivavy Jezebela”, ary nahoana ny vehivavy tia an’Andriamanitra no tsy tokony hanaraka ny fanaony?

• Inona no toe-javatra nisy teo anivon’ilay fiangonana tany Sardisy, ary inona no tokony hataontsika mba tsy hitoviantsika amin’ny Kristianina maro tany?

• Inona no nampanantenain’i Jesosy an’ilay fiangonana tany Filadelfia, ary afaka manantena izany koa ve isika ankehitriny?

• Nahoana ny Laodikianina no nanarina, fa inona kosa no miandry ny Kristianina be zotom-po?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 16]

Tsy maintsy halavirina ny fanao ratsin’ilay “vehivavy Jezebela”

[Sary, pejy 18]

Nanokatra “varavarana lehibe” iray i Jesosy hahazoan’ny mpanara-dia azy tombontsoam-panompoana

[Sary, pejy 20]

Mampandroso sy mihaino an’i Jesosy ve ianao?