Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Diarin’i Noa?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Diarin’i Noa?

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Diarin’i Noa?

REHEFA naminany momba ny fifaranan’izao tontolo izao sy ny famantarana ny fanatrehany i Jesosy, dia hoy izy: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona.” (Matio 24:3, 37) Nilaza mazava i Jesosy fa hitovy amin’ny andron’i Noa ny androntsika. Raha misy àry fitantarana marina sy azo itokisana momba izay nitranga tamin’ny andron’i Noa, dia tena ho sarobidy tokoa izy io.

Sarobidy toy izany ve ny diarin’i Noa? Tena marina ve izay voalazan’izy io? Azontsika fantarina tokoa ve hoe oviana no nitranga ny Safo-drano?

Oviana no nitranga ny Safo-drano?

Milahatra araka ny fotoana nitrangany, ireo zava-niseho tantaraina ao amin’ny Baiboly. Noho izany, dia afaka manisa miverina mankany am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona isika. Hitantsika ao amin’ny Genesisy 5:1-29, ireo taranaka nifanesy nanomboka tamin’ny namoronana an’i Adama, lehilahy voalohany, ka hatramin’ny nahaterahan’i Noa. Nanomboka “tamin’ny fahenin-jato taona niainan’i Noa” ny Safo-drano.​—Genesisy 7:11.

Tsy maintsy miainga amin’ny daty iray manan-tantara isika, mba hamantarana ny fotoana nisian’ny Safo-drano. Tokony ho daty eken’ny mpahay tantara izy io, ary mifanitsy amin’ny zava-nitranga manokana ao amin’ny Baiboly. Afaka manao kajy isika miainga amin’io daty io, mba hamaritana hoe oviana marina no nitranga ny Safo-drano, araka ny kalandrie gregorianina fampiasantsika ankehitriny.

Daty iray manan-tantara ny taona 539 Talohan’i Kristy (T.K.). Nandresy an’i Babylona i Kyrosy mpanjaka persanina tamin’io taona io. Miresaka momba ny fotoana nanjakany, ohatra, ny takelaka babylonianina sy ny bokin-dry Diodore, Africanus, Eusèbe ary Ptolémée. Noho ny didy iray navoakan’i Kyrosy, dia nandao an’i Babylona ireo Jiosy sisa tavela, ka tonga tany an-tanindrazany tamin’ny 537 T.K. Tamin’izay no nifarana ireo 70 taona nahalao an’i Joda, izay nanomboka tamin’ny 607 T.K. araka ny lazain’ny Baiboly. Rehefa isaina ny fotoana nisian’ny mpitsara sy mpanjaka teo amin’ny Isiraely, dia fantatsika fa tamin’ny 1513 T.K. no niala avy tany Ejipta ny Isiraelita. Araka ny filaharan’ny fisehoan-javatra ao amin’ny Baiboly, raha avy amin’ny 1513 T.K. isika no manisa miverina 430 taona, dia tonga amin’ny fotoana nanaovana ny fanekena tamin’i Abrahama, tamin’ny 1943 T.K. Tsy maintsy isaintsika koa avy eo ny fotoana nahaterahana sy niainan-dry Tera, Nahora, Seroga, Reo, Palega, Ebera, Sela, ary Arpaksada, izay teraka “roa taona taorian’ny safo-drano.” (Genesisy 11:10-32) Azontsika atao àry ny milaza fa nanomboka tamin’ny 2370 T.K. ny Safo-drano. *

Nanomboka ny Safo-drano

Vakio, aza fady, ny Genesisy 7:11 ka hatramin’ny Genesisy 8:4, alohan’ny hijerentsika indray ny zava-nitranga tamin’ny andron’i Noa. Izao no voalaza ao momba ilay oram-batravatra: “Tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny fahenin-jato taona niainan’i Noa [2370 T.K.], tamin’izany andro izany dia nipoitra ny loharano rehetra amin’ny lalina lehibe, ary nivoha ny varavaran’ny lanitra.”​—Genesisy 7:11.

Nozarain’i Noa 12 volana, nisy 30 andro avy, ny taona iray. Nanomboka teo antenatenan’ny volana Septambra amin’ny kalandrientsika, ny volana voalohany tamin’ny andro fahiny. Nanomboka ny safo-drano tamin’ny “andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana faharoa”, ary nitohy nandritra ny 40 andro sy 40 alina, izany hoe tamin’ny volana Novambra sy Desambra 2370 T.K.

Izao koa no voalaza momba ilay Safo-drano: “Nahery tambonin’ny tany dimam-polo amby zato andro ny rano. . . . Ary nihena niandalana niala tamin’ny tany ny rano; ary rehefa afaka dimam-polo amby zato andro, dia efa nihena ny rano. Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambo-fiara tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo tamin’ny volana fahafito.” (Genesisy 7:24–8:4) Araka izany, dia nanafotra ny tany nandritra ny 150 andro, na dimy volana, ny rano mandra-pihenany. Nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata àry ilay sambo fiara tamin’ny Aprily 2369 T.K.

Vakio indray, aza fady, ny Genesisy 8:5-17. Niseho ny tampon’ny tendrombohitra rehefa afaka roa volana sy tapany latsaka kely (73 andro), “tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo [Jona].” (Genesisy 8:5) * Nesorin’i Noa ny tafon’ny sambo fiara, telo volana (90 andro) tatỳ aoriana, “tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika amby enin-jato”, na teo antenatenan’ny Septambra 2369 T.K. Hitany tamin’izay fa “efa maina ny tany.” (Genesisy 8:13) Iray volana sy 27 andro (57 andro) tatỳ aoriana, “tamin’ny andro fahafito amby roa-polo tamin’ny volana faharoa [antenatenan’ny Novambra 2369 T.K.], dia maina ny tany.” Nivoaka ny sambo fiara àry ry Noa mianakavy tamin’izay, ka nanitsaka tany maina. Araka izany, dia nijanona tao anatin’ilay sambo fiara izy ireo, nandritra ny herintaona mahery kely teo ho eo (370 andro).​—Genesisy 8:14.

Inona no porofoin’ireo fisehoan-javatra sy tsipiriany ary fotoana voafaritra tsara ireo? Porofoin’izany fa tena nisy ny zavatra noresahin’i Mosesy, mpaminany hebreo, fa tsy angano akory. Azo inoana fa niorina tamin’ny tatitra azony ny zavatra nosoratany tao amin’ny Genesisy. Misy heviny lehibe ho antsika tokoa àry ny Safo-drano.

Ahoana no niheveran’ny mpanoratra ny Baiboly ny Safo-drano?

Misy boky maro hafa miresaka momba an’i Noa sy ny Safo-drano koa ao amin’ny Baiboly, ankoatra ny Genesisy. Ohatra:

1) Nampidirin’i Ezra mpikaroka ao amin’ny tetirazan’ny firenen’ny Isiraely i Noa sy ny zanany lahy (Sema sy Hama ary Jafeta).​—1 Tantara 1:4-17.

2) Nosoratan’i Lioka, dokotera sy mpanoratra Filazantsara, tao amin’ny lisitry ny razamben’i Jesosy Kristy, i Noa.​—Lioka 3:36.

3) Niresaka imbetsaka momba ny Safo-drano ny apostoly Petera, rehefa nanoratra ho an’ny Kristianina.​—2 Petera 2:5; 3:5, 6.

4) Nilaza ny apostoly Paoly fa nanana finoana lehibe tokoa i Noa, tamin’izy nanamboatra ny sambo fiara mba hitsimbinana ny ain’ny ankohonany.​—Hebreo 11:7.

Tsy mampiseho ve izany fa tena nino ny tantaran’ny Genesisy momba ny Safo-drano tokoa ireo mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry ireo? Tsy isalasalana fa neken’izy ireo ho tena nitranga ny Safo-drano.

Jesosy sy ny Safo-drano

Efa nisy i Jesosy Kristy talohan’ny nahatongavany teto an-tany. (Ohabolana 8:30, 31) Fanahy tany an-danitra izy nandritra ny Safo-drano. Noho izy nanatri-maso azy io àry, dia izy no nanome antsika ny porofo mampiaiky indrindra fa nisy i Noa sy ny Safo-drano. Hoy izy: “Tahaka ny andron’i Noa, dia ho tahaka izany koa ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa tahaka ny tamin’ny andro fony tsy mbola tonga ny Safo-drano, ka nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoaka ny ampakarina, mandra-pihavin’ny andro izay nidiran’i Noa tao amin’ny sambo-fiara, ary tsy fantany mandra-pihavin’ny Safo-drano izay nandringana ny olona rehetra, dia ho tahaka izany ny fihavian’ny Zanak’olona.”​—Matio 24:37-39.

Ho nampiasa angano ve i Jesosy mba hampitandremana antsika fa ho avy ny faran’ity tontolo ity? Azo antoka fa tsia! Matoky isika fa zavatra tena nisy no noraisiny ho ohatra, mba hampisehoana ny fandringanan’Andriamanitra ny ratsy fanahy. Marina fa betsaka no maty tamin’izay, nefa mampahery antsika ny mahalala fa novonjena tamin’ny Safo-drano ry Noa mianakavy.

Misy heviny lehibe ho an’ny olona ankehitriny “ny andron’i Noa”, mandritra izao fanatrehan’ny “Zanak’olona” na i Jesosy Kristy izao. Rehefa mamaky ireo tsipiriany notantarain’i Noa momba ny Safo-drano eran-tany isika, dia matoky fa tantara tena marina izany. Tena misy fianarana lehibe azontsika raisina àry avy amin’ny tantaran’ny Safo-drano ao amin’ny Genesisy, izay azo tamin’ny tsindrimandrin’Andriamanitra. Nino ry Noa mianakavy fa hamonjy azy ireo amin’ny alalan’ny sambo fiara Andriamanitra. Afaka ny hiaro antsika koa i Jehovah, raha mino ny sorom-panavotan’i Jesosy isika. (Matio 20:28) Asehon’ilay diarin’i Noa fa tafavoaka velona izy mianakavy, nandritra ilay Safo-drano, izay nandringana ilay tontolo tsy natahotra an’Andriamanitra tamin’izany andro izany. Afaka manantena koa àry isika fa ho tafavoaka velona, rehefa hifarana ity tontolo ratsy ity.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 7 Misy tsipiriany momba ny fotoana nitrangan’ny Safo-drano ao amin’ny boky “Ny Soratra Rehetra dia Ara-tsindrimandrin’Andriamanitra Sady Mahasoa” pejy 285-287, sy ny Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina (frantsay), Boky 1, pejy 462-465, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

^ feh. 12 Hoy Ny Fanazavan’i Keil-Delitzsch ny Testamenta Taloha (anglisy), Boky 1, pejy 148: “Telo amby fitopolo andro taorian’ny nipetrahan’ilay sambo fiara angamba, dia hita ny tampon’ny tendrombohitra, izany hoe ny tampon’ireo faritra avon’i Armenia, izay nanodidina ilay sambo fiara.”

[Efajoro, pejy 5]

Ela Velona Tokoa ve Izy Ireo?

“NY ANDRO rehetra niainan’i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy”, hoy ny Baiboly. (Genesisy 9:29) Nahatratra 969 taona i Metosela, raiben’i Noa, ary izy no olona ela velona indrindra hatramin’izay. Niaina nandritra ny 850 taona mahery, ireo taranaka folo avy eo amin’i Adama hatramin’i Noa. (Genesisy 5:5-31) Ela velona toy izany tokoa ve izy ireo?

Fikasan’Andriamanitra tany am-boalohany ny hiainan’ny olona mandrakizay. Noforonin’Andriamanitra mba hiaina mandrakizay i Adama, ilay lehilahy voalohany, raha nankatò. (Genesisy 2:15-17) Tsy nankatò anefa izy, ka namoy ny ainy. Nizotra moramora ho amin’ny fahafatesana izy, ary niverina tamin’ny tany nakana azy, rehefa afaka 930 taona. (Genesisy 3:19; 5:5) Namindra ny ota sy ny fahafatesana tamin’ny taranany rehetra ilay lehilahy voalohany.​—Romana 5:12.

Tsy lavitra ny fahalavorariana anefa ny olona tamin’izany, ka izany angamba no nahatonga azy ireo ho ela velona kokoa noho ireo niaina tatỳ aoriana. Noho izany, dia efa ho 1 000 taona ny androm-piainan’ny olona talohan’ny Safo-drano, fa nihena haingana izany taorian’izay. Tsy niaina afa-tsy 175 taona monja, ohatra, i Abrahama. (Genesisy 25:7) Efajato taona teo ho eo taorian’ny nahafatesan’i Abrahama nahatoky, dia hoy i Mosesy mpaminany: “Fito-polo taona no andron’ny taonanay, ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny.” (Salamo 90:10) Mbola toy izany ihany ny androm-piainan’ny olona hatramin’izao.

[Tabilao/Sary, pejy 6, 7]

Manomboka Amin’ny Didin’i Kyrosy Namela ny Jiosy Hody, Manisa Miverina Mankany Amin’ny Safo-drano

537 Didin’i Kyrosy *

539 Resin’i Kyrosy Persanina i Babylona

68 taona

607 Nanomboka ireo 70 taona nahalao an’i Joda

906 taona nisian’ny

mpitarika sy mpitsara

ary mpanjaka teo

amin’ny Isiraely

1513 Nifindra avy tany Ejipta ny Isiraelita

430 taona 430 taona nipetrahan’ny

zanak’Isiraely tany Ejipta sy Kanana

(Eksodosy 12:40, 41)

1943 Nanomboka nanan-kery ny fanekena natao

tamin’i Abrahama

205 taona

2148 Teraka i Tera

222 taona

2370 Nanomboka ny Safo-drano

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 35 Nivoaka ilay didin’i Kyrosy nanafaka ireo Jiosy natao sesitany “tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy, mpanjakan’i Persia”, angamba tamin’ny taona 538 T.K. na tany am-piandohan’ny taona 537 T.K.