Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mifidiana ny Fiainana Mandrakizay

Mifidiana ny Fiainana Mandrakizay

Mifidiana ny Fiainana Mandrakizay

MARO ankehitriny no manana safidy maro be, fa tsy mba toy ny hatramin’izay. Miankina amin’ny safidintsika, ohatra, ny akanjo anaovantsika, ny sakafo hanintsika, ny asa ataontsika, ary ny toerana hipetrahantsika. Mahazatra any amin’ny tany maro koa ny mifidy izay olona hovadiny. Miresaka ny amin’ny safidy iray tsara lavitra anefa ny Baiboly, ary misokatra ho an’ny olombelona rehetra izy io.

Hoy ny Baiboly: “Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin’ny fiainana; fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan’ny fahafatesana.” (Ohabolana 11:19) Hoy koa i Jesosy: “Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.”​—Jaona 17:3.

Omen’ny Mpamorona fahafahana hifidy ny lalana izay mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay isika! Inona no tsy maintsy ataontsika mba hahazoana izany?

“Amin’ny làlan’ny fahamarinana no misy fiainana”, hoy ny Baiboly. (Ohabolana 12:28) Afaka ny ho anisan’ireo marina izay eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay isika. Amin’ny fomba ahoana? Tokony hataontsika azo antoka fa mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra sy ny lalàny ny fiainantsika. (Matio 7:13, 14) Enga anie àry isika hanao ny safidy tsara ka hahazo ny fanomezan’Andriamanitra, dia ny fiainana mandrakizay.​—Romana 6:23.