Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miorena Tsara Hatrany Amin’ny Finoana, dia Hahazo Fiainana Ianao

Miorena Tsara Hatrany Amin’ny Finoana, dia Hahazo Fiainana Ianao

Miorena Tsara Hatrany Amin’ny Finoana, dia Hahazo Fiainana Ianao

RAHA tsy maintsy hamakivaky ranomasina asamboaravoaran’ny tafio-drivotra ianao, inona no karazana sambo hofidinao? Lakana kely tsizarizary ve, sa sambo tsara voatra sy matanjaka? Azo antoka fa ilay sambo no hofidinao, satria io no hahatohitra ny onja mahery vaika.

Miatrika zava-tsarotra mampitebiteby isika, eo am-pamakivakiana ity tontolo mikorontana sy mampidi-doza toy ny ranomasina misamboaravoara ity. Mety ho very hevitra sy sahiran-tsaina, ohatra, ny tanora indraindray, rehefa mandinika ireo hevitra sy lamaody mampisafotofoto eto amin’ity tontolo ity. Mety ho mbola misalasala ny olona izay vao haingana no lasa Kristianina. Na dia ny olona efa miorina tsara sy manompo an’Andriamanitra hatramin’ny taona maro aza anefa, dia mety hiharam-pitsapana koa, satria mbola tsy tanteraka ny zavatra rehetra nantenainy.

Tsy vaovao ny fihetseham-po toy izany. Nitebiteby koa indraindray ny mpanompon’i Jehovah nahatoky, toa an-dry Mosesy sy Joba ary Davida. (Nomery 11:14, 15; Joba 3:1-4; Salamo 55:4) Tsy nivadika mihitsy anefa izy ireo. Mampirisika antsika hiorina tsara hatrany amin’ny finoana ny ohatra navelan’izy ireo, fa i Satana Devoly kosa te hampiala antsika amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana mandrakizay. (Lioka 22:31) Inona àry no azontsika atao mba hiorenana tsara hatrany “amin’ny finoana”? (1 Petera 5:9) Ary inona no azontsika atao mba hanatanjahana ny mpiray finoana amintsika?

Tian’i Jehovah hiorina tsara hatrany amin’ny finoana isika

Hanampy antsika hanana finoana matanjaka hatrany i Jehovah, raha tsy mivadika isika. Maro ny zava-tsarotra natrehin’i Davida mpanao salamo, nefa natoky an’Andriamanitra izy, ka afaka nihira hoe: “Nampakatra ahy avy tao amin’ny lavaka fandringanana [i Jehovah], eny, tamin’ny fotaka mandrevo; ary nampitoetra ny tongotro teo ambony vatolampy Izy ka nampijoro ahy.”​—Salamo 40:2.

Manatanjaka antsika hiady “ny ady tsaran’ny finoana” i Jehovah, mba ‘hihazonantsika ny fiainana mandrakizay.’ (1 Timoty 6:12) Atorony koa izay tokony hataontsika mba hiorenana tsara hatrany, ka hahatonga antsika ho mpandresy amin’ny ady ara-panahy ataontsika. Nampirisika ny Kristianina ny apostoly Paoly mba ‘hahery ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany’, ary ‘hitafy ny fiadian’Andriamanitra rehetra mba hahazoana hifahatra amin’ny fanangolen’ny Devoly.’ (Efesiana 6:10-17) Inona anefa no mety hampihozongozona ny finoantsika? Ary ahoana no azontsika iarovan-tena amin’izany loza izany?

Tandremo izay mety hampihozongozona ny finoana

Tokony hotadidintsika fa tsy maintsy hisy vokany eo amin’ny finoantsika ny fanapahan-kevitra raisintsika: Na hanatanjaka ny finoantsika ilay izy, na hampihena azy io. Ny tanora dia tsy maintsy manapa-kevitra eo amin’ny resaka asa, fanohizana fianarana, ary fanambadiana. Ny olon-dehibe kosa dia mety ho voatery hanapa-kevitra hoe: Hifindra monina sa tsia? Hanao asa fanampiny sa tsia? Manapa-kevitra momba ny fampiasana fotoana, na ny zavatra maro hafa koa isika isan’andro. Inona no hanampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara, ka hanatanjaka ny finoantsika? Hoy ny Kristianina iray efa hatramin’ny ela: “Mangataka ny fanampian’i Jehovah aho rehefa hanapa-kevitra. Mino aho fa tena ilaina ny manaiky sy mampihatra ny torohevitra omena ao amin’ny Baiboly sy any am-pivoriana, ary ny torohevitra omen’ny anti-panahy sy hita ao amin’ireo boky ara-baiboly.”

Tokony hanontany tena toy izao isika rehefa hanapa-kevitra: ‘Mbola hahafaly ahy ihany ve ity fanapahan-kevitra raisiko androany ity, rehefa afaka dimy na folo taona, sa hanenenako? Miezaka ve aho mba hahazo antoka fa tsy hampihozongozona ny finoako ireo fanapahan-kevitra raisiko, fa hanampy ahy handroso ara-panahy?’​—Filipiana 3:16.

Nanjary tsy niorina tsara tamin’ny finoana ny olona sasany vita batisa, noho izy resin’ny fakam-panahy, na nanara-morona ka saika nandika ny lalàn’Andriamanitra. Ny sasany tamin’ireo voaroaka, noho izy nanota nefa tsy nibebaka, dia niezaka mafy mba ho voaray indray. Voaroaka indray anefa izy ireo, indraindray tsy ela taorian’izay, satria namerina ilay fahotana efa nandroahana azy. Angamba tsy nivavaka ve izy ireo mba hanampian’Andriamanitra azy ‘hankahala ny ratsy sy hifikitra amin’ny tsara’? (Romana 12:9; Salamo 97:10) Mila ‘manao lala-mahitsy halehan’ny tongotsika’ isika rehetra. (Hebreo 12:13) Aoka àry isika handinika hevitra sasany izay hanampy antsika hiorina tsara amin’ny finoana.

Mampiorina tsara antsika ny asa ara-panahy

Tsy mampiadam-pandeha eo amin’ilay hazakazaka ho amin’ny fiainana isika, rehefa mazoto mitory ilay Fanjakana. Tena manampy antsika izany, satria mampifantoka ny fontsika sy ny saintsika amin’ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, ary mahatonga antsika hibanjina hatrany ilay loka, dia ny fiainana mandrakizay. Nampirisika ny Korintianina i Paoly hoe: ‘Miorena tsara, ry rahalahy malalako, aza miova, ary mahefà be mandrakariva amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin’ny Tompo.’ (1 Korintiana 15:58) Ny hoe ‘miorina tsara’ dia midika hoe ‘mitsatoka mafy.’ Ilay teny tany am-boalohany nadika hoe ‘tsy miova’ dia mety hidika hoe ‘tsy manaiky hesorina amin’izay iorenana.’ Araka izany, dia manampy ny Kristianina hiorina tsara amin’ny finoana ny fahazotoana eo amin’ny fanompoana. Mampisy heviny ny fiainantsika ary mahasambatra antsika ny manampy olona hahafantatra an’i Jehovah.​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Hoy i Pauline, Kristianina nanao asa misionera sy fanompoana hafa manontolo andro, nandritra ny 30 taona mahery: “Fiarovana ny fanompoana, satria rehefa mitory aho dia manjary matoky fa tena manana ny fahamarinana.” Lasa miaiky an’izany koa isika rehefa mandray anjara tsy tapaka amin’ny asa ara-panahy hafa, toy ny fivoriana sy ny fahazotoana mianatra samirery.

Manatanjaka ny finoantsika ny fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana

Anisan’ilay fikambanana iraisam-pirenena manaraka ny fivavahana marina isika, ary tena afaka manatanjaka ny finoantsika izany. Tombontsoa tokoa ny miaraka amin’io fianakavian’ny mpirahalahy be fitiavana io! (1 Petera 2:17) Ary afaka manampy ny Kristianina hafa hiorina tsara amin’ny finoana koa isika.

Eritrereto ny fanampian’i Joba, lehilahy marina, ny olon-kafa. Na dia i Elifaza, mpampionona sandoka, aza dia voatery niaiky hoe: “Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao.” (Joba 4:4) Ahoana ny amintsika? Adidintsika tsirairay ny manampy ireo rahalahy sy anabavintsika ara-panahy mba haharitra eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Afaka manaraka izao torohevitra izao isika rehefa miaraka amin’izy ireny: “Ampaherezonareo ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.” (Isaia 35:3) Nahoana àry raha hatao tanjona ny hampahery sy hampirisika namana kristianina iray na roa isaky ny fivoriana? (Hebreo 10:24, 25) Raha midera sy mampahery azy ireo ianao, ary mankasitraka ny ezaka ataony mba hampifaliana an’i Jehovah, dia tena hanampy azy hiorina tsara hatrany amin’ny finoana, mba hahazoany ny fiainana.

Betsaka ny zavatra azon’ny anti-panahy atao mba hampaherezana ireo vaovao. Afaka manipy hevitra mahasoa na manome torohevitra avy ao amin’ny Baiboly, ohatra, izy ireo, na koa miara-miasa aminy eny amin’ny fanompoana. Nanararaotra nanatanjaka ny olon-kafa foana ny apostoly Paoly, isaky ny afaka nanao izany. Naniry hahita ireo Kristianina tany Roma izy, mba hanatanjahany ny finoan’izy ireo. (Romana 1:11) Nolazainy fa ‘fifaliany sy satroboninahiny’ ireo rahalahy sy anabavy malalany tany Filipy, ary nampirisihiny izy ireo ‘hitoetra tsara tao amin’ny Tompo.’ (Filipiana 4:1) Rehefa ren’i Paoly fa niatrika adim-piainana ireo rahalahiny tany Tesalonika, dia nirahiny i Timoty ‘hampahery sy hampirisika azy ireo, mba tsy hisy ho taitra tamin’ilay fahoriana.’​—1 Tesaloniana 3:1-3.

Nankasitraka ny ezaka nataon’ireo mpiray finoana taminy nahatoky ny apostoly Paoly sy Petera, sady nidera azy ireo. (Kolosiana 2:5; 1 Tesaloniana 3:7, 8; 2 Petera 1:12) Aoka isika hanao toy izany, ka tsy hifantoka amin’ny fahalemen’ny rahalahintsika, fa amin’ny toetra tsarany sy ny ady ataony, mba hiorenana tsara hatrany amin’ny finoana sy hanomezana voninahitra an’i Jehovah.

Raha mijery lafy ratsin-javatra sy be fanakianana isika, dia mety ho vao mainka sarotra amin’ny sasany ny hiorina tsara amin’ny finoana. Tena tsara ny mitadidy fa ‘ampahantraina sy afoy’ ireo rahalahintsika eto amin’ity tontolo ity! (Matio 9:36) Rariny raha manantena hahita fampiononana sy famelombelomana eo anivon’ny fiangonana kristianina izy ireo. Enga anie àry isika rehetra hanao izay rehetra azontsika atao mba hanatanjahana ny mpiray finoana amintsika, ary hanampy azy hiorina tsara hatrany amin’ny finoana.

Mety hahatonga antsika tsy hiorina tsara amin’ny finoana ny zavatra ataon’ny sasany amintsika indraindray. Ahoana raha nisy nanao teny mahery tamintsika, na ratsy fanahy tamintsika? Havelantsika hampihena ny fanompoantsika an’i Jehovah ve izany? Enga anie isika tsy hamela na iza na iza hahatonga antsika tsy hiorina tsara amin’ny finoana!​—2 Petera 3:17.

Manatanjaka ny finoantsika ny fampanantenan’Andriamanitra

Mampanantena antsika hoavy mahafinaritra eo ambany fitondran’ilay Fanjakana i Jehovah. Manampy antsika hiorina tsara hatrany amin’ny finoana izany. (Hebreo 6:19) Miaiky koa isika fa manatanteraka foana ny fampanantenany Andriamanitra, ka mandrisika antsika ‘hiambina sy hitoetra tsara ao amin’ny finoana’ izany. (1 Korintiana 16:13; Hebreo 3:6) Mety ho voasedra ny finoantsika, rehefa heverintsika fa toa mitaredretra Izy manatanteraka ny fampanantenany. Tsy maintsy mitandrina àry isika mba tsy ho voafitaky ny fampianaran-diso, ka hindaosina hiala amin’ny fanantenantsika.​—Kolosiana 1:23; Hebreo 13:9.

Anatra ho antsika ny nandringanana ny Isiraelita noho izy ireo tsy nino ny fampanantenan’i Jehovah. (Salamo 78:37) Enga anie isika tsy hanahaka azy ireny, fa hiorina tsara hatrany amin’ny finoana, ary hanao ny fanompoana an’i Jehovah eo amin’ny toerana voalohany, amin’izao andro farany izao. Hoy ny anti-panahy iray za-draharaha: “Ataoko toy ny hoe ho avy rahampitso foana ny andro lehiben’i Jehovah.”​—Joela 1:15.

Akaiky tokoa ny andro lehiben’i Jehovah. Tsy misy tokony hatahorantsika anefa raha mbola mitoetra ho akaiky an’Andriamanitra isika. Raha manaraka foana ireo fitsipiny marina isika, sady miorina tsara hatrany amin’ny finoana, dia hahazo ny fiainana mandrakizay!​—Ohabolana 11:19; 1 Timoty 6:12, 17-19.

[Sary, pejy 23]

Manao izay rehetra azonao atao ve ianao mba hanampiana ireo Kristianina hafa hiorina tsara hatrany amin’ny finoana matanjaka?

[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]

The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck