Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miteny Amin’ny Fiangonana i Kristy

Miteny Amin’ny Fiangonana i Kristy

Miteny Amin’ny Fiangonana i Kristy

“Izao no lazain’Ilay mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana.”​—APOKALYPSY 2:1.

1, 2. Nahoana isika no tokony ho liana amin’izay nolazain’i Kristy tamin’ny fiangonana fito tany Azia Minora?

I JESOSY KRISTY, Zanaka lahitokan’i Jehovah, no Lohan’ny fiangonana kristianina. Noho izany, dia midera sy manitsy ny fiangonan’ny mpianany voahosotra izy, mba tsy hanan-tsiny izy ireo. (Efesiana 5:21-27) Izany no hitantsika ao amin’ny Apokalypsy toko faha-2 sy faha-3. Nilaza hafatra mafonja sy feno fitiavana ho an’ny fiangonana fito tany Azia Minora i Jesosy, ao amin’ireo toko ireo.

2 Nomena fahitana “ny Andron’ny Tompo” ny apostoly Jaona, talohan’ny nandrenesany ny tenin’i Jesosy tamin’ireo fiangonana fito. (Apokalypsy 1:10) Nanomboka io ‘andro’ io, rehefa lasa Mpanjaka ny Mesia tamin’ny 1914. Tena zava-dehibe àry ny tenin’i Jesosy tamin’ireo fiangonana ireo, amin’izao andro farany izao. Manampy antsika hiaritra izao andro mahory izao ny fampaherezana sy torohevitra nomeny.​—2 Timoty 3:1-5.

3. Manondro inona ny “kintana” sy ‘anjely’ ary “fanaovan-jiro volamena”, hitan’ny apostoly Jaona?

3 Nahita an’i Jesosy Kristy nomem-boninahitra i Jaona: “Mihazona ny kintana fito eny an-tànany ankavanana” i Jesosy, ary “mandeha eo afovoan’ny fanaovan-jiro volamena fito”, dia ireo fiangonana. Ny “kintana” dia ireo “anjelin’ny fiangonana fito.” (Apokalypsy 1:20; 2:1) Manondro anjely ny hoe kintana indraindray. Tsy hampiasa olombelona mba hanoratra hafatra ho an’ny anjely anefa i Kristy. Ara-dalàna àry raha manondro ireo mpiandraikitra na anti-panahy rehetra voahosotry ny fanahy, ny hoe “kintana.” Antsoina hoe ‘anjely’ koa izy ireo satria mpitondra hafatra. Koa satria nitatra ny fandaminan’Andriamanitra, dia notendren’ny “mpitandrin-draharaha mahatoky” ho mpiandraikitra koa ny lehilahy sasany mahafeno fepetra, avy amin’ny ‘ondry hafan’i’ Jesosy.​—Lioka 12:42-44; Jaona 10:16.

4. Inona no soa raisin’ny anti-panahy, rehefa manaraka izay lazain’i Kristy amin’ny fiangonana izy ireo?

4 Eny an-tanana ankavanan’i Jesosy ireo “kintana”, izany hoe eo ambany fahefany sy fifehezany, ary ankasitrahany sady arovany. Noho izany, dia ampamoahina eo anatrehany izy ireo. Raha manaraka ny tenin’i Jesosy tamin’ny tsirairay amin’ireo fiangonana fito ny anti-panahy ankehitriny, dia hahay handamina raharaha sahala amin’izay nitranga tamin’izany andro izany. Mazava ho azy anefa fa ny Kristianina rehetra no mila mihaino ny Zanak’Andriamanitra. (Marka 9:7) Inona àry no ianarantsika, rehefa mandinika ny tenin’i Kristy tamin’ireo fiangonana isika?

Ho an’ny anjely any Efesosy

5. Tanàna nanao ahoana i Efesosy?

5 Nidera sady nananatra ny fiangonana tany Efesosy i Jesosy. (Vakio ny Apokalypsy 2:1-7.) Tanàna nanankarena i Efesosy, izay any amoron-tsiraka andrefan’i Azia Minora. Foibe ara-barotra sy ara-pivavahana koa izy io, ary nisy tempoly nijoalajoala nivavahana tamin’ny andriamanibavy Artemisy tany. Na dia maro aza no naloto fitondran-tena sy nanompo sampy ary nanao mazia tany Efesosy, dia notahin’Andriamanitra ny fanompoan’ny apostoly Paoly sy ny olon-kafa tany.​—Asan’ny Apostoly toko faha-19.

6. Nahoana ny Kristianina mahatoky ankehitriny no tahaka an’ireo tany Efesosy fahiny?

6 Nidera ny fiangonana tany Efesosy i Kristy, nanao hoe: “Fantatro ny asanao sy ny fikelezanao aina sy ny faharetanao ary ny tsi-fahazakanao izay mpanao ratsy; ary hianao efa nizaha toetra izay milaza ny tenany ho Apostoly, kanjo tsy izy, ary hitanao fa mpandainga izy.” Manao asa tsara sy mikely aina ary miaritra koa ny fiangonan’ny tena mpianatr’i Jesosy ankehitriny. Tsy leferin’izy ireo ny fisian’ny rahalahy sandoka izay te hoheverina ho apostoly. (2 Korintiana 11:13, 26) ‘Tsy mahazaka izay mpanao ratsy’ koa ny Kristianina mahatoky ankehitriny, toy ireo Efesianina. Mitandro ny fahadiovan’ny fivavahana amin’i Jehovah sy miaro ny fiangonana izy ireo, ka tsy mifanerasera amin’ny mpivadi-pinoana tsy mety mibebaka.​—Galatiana 2:4, 5; 2 Jaona 8-11.

7, 8. Inona no olana lehibe nananan’ny fiangonana tany Efesosy, ary inona no azontsika atao rehefa misy toe-javatra toy izany?

7 Nanana olana lehibe anefa ny Kristianina tany Efesosy. “Manan-teny aminao Aho”, hoy i Jesosy, “satria efa niala tamin’ny fitiavanao voalohany hianao.” Nila namelona indray ny fitiavany an’i Jehovah tamin’ny voalohany izy ireo. (Marka 12:28-30; Efesiana 2:4; 5:1, 2) Tsy maintsy mitandrina koa isika, mba tsy ho faty ilay fitiavantsika an’Andriamanitra tamin’ny voalohany. (3 Jaona 3) Ahoana anefa no hatao, raha lasa mibahan-toerana eo amin’ny fiainantsika ny fitiavan-karena na ny fahafinaretana? (1 Timoty 4:8; 6:9, 10) Raha izany no mitranga, dia tokony hivavaka mafy isika mba hanampian’i Jehovah antsika hiova, ka ho tia azy lalina sy hankasitraka ny soa rehetra nataony sy ny Zanany ho antsika.​—1 Jaona 4:10, 16.

8 Nampirisika ny Efesianina i Kristy hoe: “Tsarovy izay nitoeranao fony tsy mbola lavo, dia mibebaha, ka manaova ny asa voalohany.” Inona no hitranga raha tsy manao izany izy ireo? Hoy i Jesosy: “Fa raha tsy izany, dia ho avy aminao Aho ka hamindra ny fanaovan-jironao hiala amin’ny fitoerany.” Tsy hisy intsony ilay “fanaovan-jiro”, na ny fiangonana, raha tsy manana ilay fitiavany tamin’ny voalohany intsony ny ondry rehetra. Aoka àry isika ho Kristianina mazoto sy hikely aina hampamirapiratra hatrany ny fahazavana ara-panahin’ny fiangonana.​—Matio 5:14-16.

9. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fanarahana sekta?

9 Mahate hidera ny Efesianina, satria nankahala ny “asan’ny [sekta] Nikolaita.” Ankoatra izay voalaza ao amin’ny Apokalypsy, dia tsy fantatra mazava hoe ahoana no niandohan’io sekta io, na hoe inona avy no fampianarany sy fanaony. Nilaza anefa i Jesosy fa ratsy ny manaraka olona. Tokony hankahala izany hoe manaraka sekta izany àry isika, toy ireo Kristianina tany Efesosy.​—Matio 23:10.

10. Inona no miandry an’ireo manaraka izay lazain’ny fanahy?

10 Hoy i Kristy: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ny Fanahy amin’ny fiangonana.” Ny fanahin’Andriamanitra no hery nanosika an’i Jesosy hiteny, fony izy tetỳ an-tany. (Isaia 61:1; Lioka 4:16-21) Tokony hihaino tsara izay lazain’Andriamanitra amin’ny alalany àry isika. Nanosika an’i Jesosy hampanantena toy izao ny fanahy masina: “Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ny hazon’aina, izay eo amin’ny Paradisan’Andriamanitra.” Ho an’ny voahosotra manaraka izay lazain’ny fanahy, izany dia midika fa tsy ho faty intsony izy ireo, ao amin’ny “Paradisan’Andriamanitra” any an-danitra, izany hoe eo anatrehan’i Jehovah mihitsy. Mihaino izay lazain’ny fanahy koa ny “olona betsaka”, ka hiaina ao amin’ny paradisa an-tany. Hisotro amin’ny “onin’ny ranon’aina” izy ireo, ary hositranin’ny “ravin’ny hazo” eny amoron’io ony io.​—Apokalypsy 7:9; 22:1, 2; Lioka 23:43.

11. Ahoana no hampirisihantsika ny hafa ho tia an’i Jehovah?

11 Tsy nanana ny fitiavany tamin’ny voalohany intsony ireo Efesianina, fa ahoana kosa raha izany no mitranga eo anivon’ny fiangonana iray ankehitriny? Aoka isika isam-batan’olona hampirisika ny hafa ho tia an’i Jehovah, ka hiresaka momba ny fomba anehoany fitiavana. Azontsika atao ny milaza ny fankasitrahantsika ny fitiavana nasehony, rehefa nomeny ho avotra ny Zanany malala. (Jaona 3:16; Romana 5:8) Afaka miresaka momba ny fitiavan’Andriamanitra koa isika, ao amin’ny valin-tenintsika sy ny anjarantsika any am-pivoriana, rehefa mety izany. Afaka maneho ny fitiavantsika an’i Jehovah isika, rehefa midera ny anarany eny amin’ny fanompoana. (Salamo 145:10-13) Tena afaka mamelona indray na mampitombo ny fitiavan’ny fiangonana tamin’ny voalohany, ny tenintsika sy ny ataontsika.

Ho an’ny anjely any Smyrna

12. Inona no asehon’ny tantara momba an’i Smyrna sy ny fivavahana narahina tany?

12 Nidera ny fiangonana tany Smyrna i Kristy, ilay ‘Voalohany sy Farany, izay efa maty, nefa [natsangana, ka] velona indray.’ (Vakio ny Apokalypsy 2:8-11.) Tany amoron-tsiraka andrefan’i Azia Minora no nisy an’i Smyrna (Izmir, any Torkia ankehitriny). Nozanahin’ny Grika ilay tanàna, nefa noravan’ny Lydianina tamin’ny 580 T.K. tany ho any. Nanorina azy io indray tany amin’ny faritra hafa ireo mpandimby an’i Aleksandra Lehibe. Lasa anisan’ny faritanin’i Roma tany Azia i Smyrna, ary foibe ara-barotra niroborobo sady niavaka noho ireo tranom-panjakany tsara tarehy. Foiben’ny fivavahana tamin’ny emperora koa io tanàna io, satria tany no nisy ny tempolin’i Tiberio Kaisara. Tsy maintsy nandoro emboka manitra kely ireo mpivavaka ary nilaza hoe: “Kaisara no Tompo.” Tsy afaka nanao izany anefa ny Kristianina, satria aminy dia i ‘Jesosy no Tompo.’ Noho izany, dia nenjehina izy ireo.​—Romana 10:9.

13. Amin’ny heviny ahoana ny Kristianina tany Smyrna no nanankarena, na dia nahantra aza?

13 Ankoatra ny fanenjehana, dia nahantra koa ny Kristianina tany Smyrna, angamba noho izy ireo sahirana ara-bola, satria tsy nety nivavaka tamin’ny emperora. Iharan’ny fisedrana toy izany koa ny mpanompon’i Jehovah ankehitriny. (Apokalypsy 13:16, 17) Manankarena ara-panahy anefa ny Kristianina toy ireo tany Smyrna, na dia mahantra aza. Ary izany no tena zava-dehibe!​—Ohabolana 10:22; 3 Jaona 2.

14, 15. Inona no fampaherezana raisin’ireo voahosotra avy amin’ny Apokalypsy 2:10?

14 “Synagogan’i Satana” ny ankamaroan’ny Jiosy tany Smyrna, satria nanaraka fomba amam-panao mandika ny Soratra Masina, nanda ny Zanak’Andriamanitra, ary niteny ratsy ny mpianany nateraky ny fanahy. (Romana 2:28, 29) Tena afaka mampahery an’ireo voahosotra mihitsy anefa ny tenin’i Kristy manaraka! Hoy izy: “Aza matahotra izay efa hiaretanao; indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-trano-maizina, mba ho voazaha toetra hianareo, ary hanam-pahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana.”​—Apokalypsy 2:10.

15 Tsy natahotra ny ho faty i Jesosy, mba hanaporofoana fa i Jehovah no manana zo hanjaka. (Filipiana 2:5-8) Marina fa miady amin’ny sisa voahosotra i Satana izao, nefa tsy atahoran’izy ireo ny zavatra tsy maintsy hiaretany, dia ny fanenjehana sy fampidirana am-ponja ary fampijalijaliana sy fahafatesana. (Apokalypsy 12:17) Handresy ity tontolo ity izy ireo. Satroboninahitra vita tamin’ny voninkazo nety nalazo, no lokan’izay naharesy tamin’ireo lalaon’ny mpanompo sampy fahiny. “Satroboninahitra fiainana”, na ny tsy fahafatesana any an-danitra, kosa anefa no ampanantenain’i Kristy ho an’ireo voahosotra tafatsangana amin’ny maty. Fanomezana sarobidy re izany!

16. Inona ilay raharaha lehibe tokony hifantohantsika, raha sahala amin’ilay fiangonana tany Smyrna fahiny ny fiangonana misy antsika?

16 Ahoana raha sahala amin’ilay fiangonana tany Smyrna fahiny ny fiangonana misy antsika, na manantena ho any an-danitra isika, na manantena hiaina eto an-tany? Raha izany no izy, dia aoka isika hanampy ny mpiara-manompo amintsika hifantoka amin’ny antony lehibe indrindra amelan’Andriamanitra ny fanenjehana hisy. Tsy inona izany antony izany fa mba hanaporofoana fa izy no manana ny zo hanjaka eran’izao rehetra izao. Manaporofo an’i Satana ho mpandainga ny Vavolombelon’i Jehovah tsirairay, rehefa tsy mivadika. Asehony amin’izany koa fa na dia enjehina aza ny olombelona, dia afaka manamarina fa Andriamanitra no manana ny zo ho Mpanjakan’izao Rehetra Izao. (Ohabolana 27:11) Aoka àry isika hampirisika ny Kristianina hafa hiaritra ny fanenjehana, ka hanana hatrany ny tombontsoa ‘hanompo [an’i Jehovah] tsy amin-tahotra, fa amin’ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin’ny andro rehetra hiainantsika’, ary mandrakizay mihitsy aza.​—Lioka 1:68, 69, 74, 75.

Ho an’ny anjely any Pergamosy

17, 18. Inona no fivavahana nanjaka tany Pergamosy, ary inona no mety ho nanjo an’izay tsy nety nanaraka izany fanompoan-tsampy izany?

17 Noderain’i Jesosy ny fiangonana tany Pergamosy, no sady nahitsiny. (Vakio ny Apokalypsy 2:12-17.) Tokony ho 80 kilaometatra tany avaratr’i Smyrna no nisy an’i Pergamosy, ary nanjaka tao ny fanompoan-tsampy. Toa nankany ny mpanandro kaldeanina, rehefa nandositra an’i Babylona. Nirohotra tany koa ny marary, satria nisy ny tempoly malaza nivavahana tamin’i Esculape, andriamanitry ny fanasitranana sy ny fitsaboana, tany. Nisy tempoly natokana hivavahana tamin’i Aogosto Kaisara koa tany Pergamosy, ka izay no niantsoana azy hoe “foiben’ny fivavahana amin’ny emperora, tany am-piandohan’ny fanjakan’izy ireo.”​—Rakipahalalana Britannica (anglisy), 1959, Boky 17, pejy 507.

18 Nisy alitara natokana ho an’i Zeosy tany Pergamosy. Maro koa ny olona natao andriamanitra, noho ny fitaoman’ny Devoly. Tsy mahagaga raha nolazaina hoe nonina teo amin’izay nitoeran’ny “seza fiandrianan’i Satana” ilay fiangonana tany! Nety ho novonoina izay tsy nety nivavaka tamin’ny emperora, fa nanohana ny fiandrianan’i Jehovah. Mbola ny Devoly ihany ankehitriny no mifehy ity tontolo ity, ary hindrahindraina be koa ny sainam-pirenena, na famantarana hafa. (1 Jaona 5:19) Nanomboka tamin’ny taonjato voalohany ka mandraka ankehitriny, dia maro ny Kristianina nahatoky maty maritiora. Anisan’izy ireo ilay nantsoin’i Kristy hoe ‘Antipasy martiorako, izay lehilahy nahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo.’ Azo antoka fa tsaroan’i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ireny mpanompony tsy nivadika ireny.​—1 Jaona 5:21.

19. Inona no nataon’i Balama, ary inona no tsy maintsy tandreman’ny Kristianina rehetra?

19 Niresaka momba ny “fampianaran’i Balama” koa i Kristy. Matimatin-karena ilay mpaminany sandoka atao hoe Balama, ka nanandrana nanozona ny Isiraely. Navadik’Andriamanitra ho fitahiana anefa ilay ozona, ka nandeha niray tetika tamin’i Balaka mpanjaka moabita i Balama, ary nitarika Isiraelita maro hanompo sampy sy haloto fitondran-tena. Tokony ho hentitra àry ireo anti-panahy rehefa mampihatra ny fahamarinana, toa an’i Finehasa, izay nanohitra ny asan’i Balama. (Nomery 22:1–25:15; 2 Petera 2:15, 16; Joda 11) Ny Kristianina rehetra mihitsy no tsy maintsy mitandrina mba tsy hisy hanompo sampy na haloto fitondran-tena eo anivon’ny fiangonana.​—Joda 3, 4.

20. Inona no tokony hataon’ny Kristianina, raha manomboka manana hevitry ny mpivadi-pinoana izy?

20 Tena notandindomin-doza ny fiangonana tany Pergamosy, satria nilefitra tamin’ireo “mitana ny fampianaran’ny [sekta] Nikolaita.” Hoy i Kristy tamin’ilay fiangonana: “Mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ny sabatry ny vavako.” Te hitondra fahavoazana ara-panahy ho an’ny Kristianina ireo mpanaraka sekta. Tsy handova ny Fanjakan’Andriamanitra anefa ny olona mampisaratsaraka sy mamorona sekta. (Romana 16:17, 18; 1 Korintiana 1:10; Galatiana 5:19-21) Raha misy Kristianina manomboka manana hevitry ny mpivadi-pinoana sady te hampiely izany, dia tokony handray lesona avy amin’ny tenin’i Kristy izy! Tokony hibebaka sy hitady fanampiana any amin’ny anti-panahy izy, raha te ho afa-doza. (Jakoba 5:13-18) Mila manao zavatra haingana izy, satria ho avy faingana i Jesosy, hampihatra ny didim-pitsarana.

21, 22. Iza no mihinana ny “mana miafina”, ary midika ho inona izany?

21 Tsy tokony hatahotra ilay didim-pitsarana ho avy ny Kristianina voahosotra mahatoky sy ireo namany tsy mivadika. Hotahina izay rehetra manaraka ny torohevitra nasain’ny fanahy masin’Andriamanitra nomen’i Jesosy. Asaina hihinana ny “mana miafina” ary homena “vato fotsy” misy “anaram-baovao”, ohatra, ireo voahosotra maharesy ity tontolo ity.

22 Nomen’Andriamanitra mana ny Isiraelita, mba hamelomana azy ireo nandritra ilay dia naharitra 40 taona tany an’efitra. Nisy ampahany tamin’io “mofo” io natao tao anaty vilany volamena, ary notehirizina tao anatin’ny fiaran’ny fanekena. Noho izany, ilay mana dia tao amin’ny tabernakely, niafina tao amin’ny Masina Indrindra, izay nisy hazavana nahagaga, nanondro ny fanatrehan’i Jehovah. (Eksodosy 16:14, 15, 23, 26, 33; 26:34; Hebreo 9:3, 4) Tsy nisy nahazo nihinana an’io mana niafina io. Rehefa hatsangana amin’ny maty anefa ireo voahosotra mpianatr’i Jesosy, dia tsy ho faty intsony, ka izany no atao hoe mihinana ny “mana miafina.”​—1 Korintiana 15:53-57.

23. Inona no dikan’ilay “vato fotsy” sy ilay “anaram-baovao”?

23 Tany amin’ny fitsarana romanina, dia nilaza fanamelohana ny vato mainty, fa nanondro fanafahana kosa ny vato fotsy. Rehefa mandresy àry ireo Kristianina voahosotra, ka omen’i Jesosy “vato fotsy”, dia midika izany fa tsy manan-tsiny izy ireo, ary madio eo imasony. Nampiasain’ny Romanina ho toy ny tapakila fidirana tany amin’ny fampisehoana koa anefa ny vato. Noho izany, ilay “vato fotsy” dia mety hanondro ny fahafahan’ireo voahosotra hahazo toerana any an-danitra, ka hanatrika ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry. (Apokalypsy 19:7-9) Ilay “anaram-baovao” indray dia toa manondro ny tombontsoan’izy ireo ho tafaray amin’i Jesosy sy hiara-manjaka aminy any an-danitra. Fampaherezana tokoa izany ho an’ny voahosotra sy ireo mpanompon’i Jehovah manantena hiaina ao amin’ny paradisa an-tany!

24. Ahoana no tokony hiheverantsika ny fivadiham-pinoana?

24 Tsara hotadidina fa saika nampidi-doza an’ilay fiangonana tany Pergamosy ny mpivadi-pinoana. Raha mitady hanimba ny fahasalamana ara-panahin’ny fiangonana misy antsika ny toe-javatra toy izany, dia aoka isika handa tanteraka ny fivadiham-pinoana, fa hanaraka hatrany ny fahamarinana. (Jaona 8:32, 44; 3 Jaona 4) Mety hanimba ny fiangonana manontolo ny mpampianatra sandoka sy ny olona mitady hivadi-pinoana. Tsy maintsy manohitra mafy ny fivadiham-pinoana àry isika, mba tsy ho resy lahatra tsy hanaiky ny marina.​—Galatiana 5:7-12; 2 Jaona 8-11.

25. Ny hafatr’i Kristy ho an’ny fiangonana taiza avy no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?

25 Tena mampieritreritra mihitsy ny teny fiderana sy ny torohevitra nomen’i Jesosy Kristy an’ireo fiangonana telo tany Azia Minora ireo! Mbola betsaka anefa ny zavatra asain’ny fanahy masina holazainy amin’ireo fiangonana efatra hafa. Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany hafatra ho an’ny fiangonana any Tyatira, Sardisy, Filadelfia ary Laodikia izany.

Ahoana no Havalinao?

• Nahoana isika no tokony handinika izay lazain’i Kristy amin’ny fiangonana?

• Ahoana no azontsika amelomana indray ny fitiavana nananan’ny fiangonana tamin’ny voalohany?

• Nahoana no lazaina fa nanankarena ny Kristianina tany Smyrna fahiny, na dia nahantra aza?

• Ahoana no tokony hiheverantsika ny hevitry ny mpivadi-pinoana, rehefa mandinika ny toe-javatra teo anivon’ny fiangonana tany Pergamosy isika?

[Fanontaniana]

[Sarintany, pejy 10]

(Jereo ny gazety)

GRESY

AZIA MINORA

Efesosy

Smyrna

Pergamosy

Tyatira

Sardisy

Filadelfia

Laodikia

[Sary, pejy 12]

Hiaina ao amin’ny paradisa an-tany ny “olona betsaka”

[Sary, pejy 13]

Mandresy izao tontolo izao ny Kristianina enjehina