Tatien—Mpiaro ny Finoana sa Mpivadi-pinoana?
Tatien—Mpiaro ny Finoana sa Mpivadi-pinoana?
NAMORY ny anti-panahy tao amin’ny fiangonan’i Efesosy ny apostoly Paoly, rehefa nadiva hifarana ny dia misionera fahatelo nataony. Hoy izy tamin’izy ireo: “Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan’ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.”—Asan’ny Apostoly 20:29, 30.
Nitranga tokoa ilay fiovana sy fivadiham-pinoana tamin’ny taonjato faharoa, araka ny efa nolazain’i Paoly. Nihanahazo vahana ilay filozofia noraisin’ny fivavahana nantsoina hoe Gnostisisma, izay nanimba ny finoan’ny Kristianina sasany. Ninoan’ireo Gnostika fa ny zavatra ara-panahy ihany no tsara, fa ny zavatra azo tsapain-tanana kosa dia ratsy avokoa. Noheverin’izy ireo ho ratsy daholo ny zavatra ara-nofo rehetra, ka nolaviny ny fanambadiana sy ny fiterahana, satria, hono, avy amin’i Satana izany. Nino ny sasany tamin’izy ireo fa ny fanahin’ny olona ihany no tsara, ka tsy mampaninona izay ataony amin’ny vatany. Nanana fomba fiaina tafahoatra àry izy ireo ka na, nampijaly tena loatra na, nanaram-po tamin’ny fanirian’ny nofony. Mihevitra ny Gnostika fa ny fahalalana ny tena ihany no ahazoana famonjena, fa tsy ilaina ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Nanao ahoana ny fihetsik’ireo nitonona ho Kristianina teo anatrehan’ny loza nentin’ny Gnostisisma? Nanohitra mafy an’io fampianaran-diso io ny olona nahita fianarana sasany, fa ny hafa kosa voataonan’izy io. Niady mafy tamin’ny fampianaran-diso, ohatra, i Irénée, nandritra ny androm-piainany. Mpianatr’i Polycarpe, izay niara-niaina tamin’ny apostoly, izy. Nampirisika ny mpianany hifikitra mafy tamin’ny fampianaran’i Jesosy Kristy sy ny apostoliny i Polycarpe. Mpianatr’i Polycarpe koa i Florinus, naman’i Irénée, nefa voataonan’ny fampianaran’i Valentin, mpitarika nalaza indrindra teo amin’ireo Gnostika. Fotoana nisafotofoto tokoa tamin’izany.
Nanoratra momba ny toe-javatra nisy teo amin’ny fivavahana tamin’izany andro izany i Tatien, mpanoratra nalaza tamin’ny taonjato faharoa. Olona nanao ahoana moa i Tatien? Ahoana no nahatonga azy ho tia ny Kristianisma Anarana? Ary inona no nataony rehefa nitarika azy hivadi-pinoana ireo Gnostika? Afaka mandray lesona sarobidy avy amin’ny valin-teny mahaliana nomeny sy ny ohatra navelany, ireo mitady ny fahamarinana ankehitriny.
Nahita “hevitra vaovao”
Teratany syrianina i Tatien. Nanao dia lavitra maro izy, sady namaky boky be dia be, ka izany no nahaizany tsara ny kolontsaina grika sy
romanina tamin’ny androny. Mpandahateny nitety tanàna izy, ka tonga tany Roma. Nanjary liana tamin’ny Kristianisma izy tany. Nanomboka niaraka tamin’i Justin Maritiora izy, ary angamba lasa mpianany mihitsy.Nitantara ny nahatonga azy ho liana tamin’ny Kristianisma tamin’ny androny i Tatien, nanao hoe: “Nataoko izay hahitana ny fahamarinana.” Izao no nolazainy momba izay tsapany rehefa namaky ny Soratra Masina: “Nanjary nahita hevitra vaovao aho. Tranainy lavitra noho ny fampianaran’ny Grika izy io, ary tonga lafatra ny hevitra voasoratra ao fa tsy be fahadisoana toy ireo asa soratra grika. Resy lahatra aho, ka nino, rehefa nahita fa tsotra ny fomba fiteny ampiasaina ao, sady milaza ny marina ireo mpanoratra, ary voalazany tsara mialoha ireo fisehoan-javatra ho avy. Tsy misy hokianina koa ny toro lalana omeny, ary Mpifehy tokana ihany no tondroiny ho manjaka amin’izao rehetra izao.”
Tsy nisalasala i Tatien nanasa ireo mpiara-belona taminy handinika ny Kristianisma tamin’ny androny. Nasehony azy ireo fa tsotra sady mazava izy io, fa tsy misafotofoto toy ny fanompoan-tsampy. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny asa sorany?
Inona no asehon’ny asa soratr’i Tatien?
Asehon’izy io fa mpanoratra tena niaro ny finoany izy. Notoheriny mafy ny filozofian’ny mpanompo sampy. Tao amin’ilay asa sorany hoe Ho An’ny Grika, dia nantitranteriny fa azon’ny saina ekena tsara ny Kristianisma, fa tsy misy ilana azy kosa ny fanompoan-tsampy. Tena nasiaka ny fomba fanorany, ka notsikerainy mafy ny fomban’ny Grika. Izao, ohatra, no nolazainy momba ilay filozofa atao hoe Héraclite: “Ny fahafatesan’iny lehilahy iny dia nampiseho mihitsy hoe vendrana izy. Rehefa voan’ny manirano mantsy izy, dia nohosorany tain’omby ny tenany, satria nianatra momba ny fitsaboana sy ny filozofia izy. Nihamafy anefa ilay tain’omby rehefa maina, ary nandrirotra ny nofony, dia nitresatresaka ny vatany, ka maty izy.”
Tena nino i Tatien fa tokana ihany Andriamanitra, dia ilay Mpamorona ny zavatra rehetra. (Hebreo 3:4) Ao amin’ilay asa sorany hoe Ho An’ny Grika, dia lazainy hoe “Fanahy” Andriamanitra, ka hoy izy: “Izy irery no tsy nisy fiandohana, ary Izy ihany koa no niandohan’ny zavatra rehetra.” (Jaona 4:24; 1 Timoty 1:17) Nanohitra ny fampiasana sary amin’ny fivavahana i Tatien, ka nanoratra hoe: “Tapa-kazo sy vato ve no hataoko andriamanitra?” (1 Korintiana 10:14) Ninoany fa noforonina ny Teny, na Logos, izay lahimatoa tamin’ny zavaboarin’ilay Ray any an-danitra, ary avy eo nampiasaina tamin’ny famoronana ny zavatra hafa rehetra eran’izao rehetra izao. (Jaona 1:1-3; Kolosiana 1:13-17) Momba ny fitsanganana amin’ny maty amin’ny fotoana voatondro indray, dia hoy i Tatien: “Mino isika fa hisy fitsanganan’ny tena amin’ny maty, aorian’ny faran’ny zavatra rehetra.” Hoy kosa izy momba ny antony ahafatesantsika: “Tsy noforonina mba ho faty isika, fa ny fahadisoantsika no mahafaty antsika. Ny fahafahana tadiavintsika ihany no nanimba antsika. Olona afaka isika nefa lasa andevo, ka namidy noho ny ota.”
Misafotofoto ny fanazavana momba ny fanahy nomen’i Tatien. Hoy izy: “Tsy hoe tsy mety maty ny fanahy, ry mponina grika, fa mety maty tokoa. Azony atao anefa ny tsy ho faty. Raha tsy mahalala ny fahamarinana izy, dia maty, ary levona miaraka amin’ny vatana, nefa hitsangana miaraka amin’ilay vatana indray amin’ny faran’izao tontolo izao, ka ho voasazy mandrakizay ao amin’ny fahafatesana.” Tsy mazava ny tena tian’i Tatien holazaina tamin’ireo teny ireo. Angamba izy nifikitra tamin’ny fampianarana sasany ao amin’ny Baiboly ihany, saingy niezaka hampifaly ireo mpiara-belona taminy, ka nampifangaro ny fahamarinana ao amin’ny Soratra Masina tamin’ny filozofian’ny mpanompo sampy.
Anisan’ny asa soratra niavaka nataon’i Tatien koa ilay hoe Diatessaron, na Ny Firindran’ireo Filazantsara Efatra. I Tatien no nahazoan’ireo fiangonana tany Syria ny Filazantsara tamin’ny fitenin’izy ireo. Asa soratra tena nohajaina izy io, satria nanambatra ny Filazantsara efatra ho fitantarana iray. Nampiasain’ny Eglizy Syrianina izy io.
Kristianina sa mpivadi-pinoana?
Rehefa tena dinihina ny asa soratr’i Tatien, dia hita fa nahalala tsara ny Soratra Masina izy, sady tena nanaja azy io. Nisy vokany teo aminy izany, araka ny nosoratany hoe: ‘Tsy maimay te hanankarena aho, sady tsy manaiky ny fahefana miaramila. Halako ny fijangajangana, ary tsy te ho tantsambo aho, satria tsy mahasarika ahy ny fitiavan-karena tafahoatra. Tsy matimaty amin’ny fanirian-daza aho. Samy mahazo ny anjara masoandrony ny olona rehetra, ary samy ho faty avokoa, na miaina ao anatin’ny fahafinaretana izy na ao anatin’ny fahoriana.’ Nananatra toy izao izy: “Aza manaraka ny zavatra eo amin’izao tontolo izao, fa tohero ny hadalany. Aoka ianao hiaina mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra, ka rehefa takatrao ny fomba fiheviny, dia ialao ny toetra taloha.”—Matio 5:45; 1 Korintiana 6:18; 1 Timoty 6:10.
Diniho anefa ilay asa soratr’i Tatien hoe Fahalavorariana Araka ny Foto-pampianaran’ny Mpamonjy. Lazainy ao fa avy amin’ny Devoly ny fanambadiana. Nanameloka mafy ny fanambadiana i Tatien, satria noheveriny fa manolotra ny tenany ho andevon’ity tontolo ratsy ity ny olona manambady.
Fantatra fa tamin’ny taona 166 tany ho any, rehefa maty i Justin Maritiora, dia niaraka tamin’ny sekta mpampijaly tena iray nantsoina hoe Encratites izy, na izy mihitsy no namorona azy io. Nantitranterin’ny mpikambana tao amin’izy io ny fifehezana tanteraka ny tena. Nampihafy tena izy ireo, ka nivoady tsy hisotro divay sy tsy hanambady ary tsy hanangona fananana.
Fianarana ho antsika
Nahoana i Tatien no nanjary tena niala tamin’ny Soratra Masina? Nanjary “mpihaino manadino” ve izy? (Jakoba 1:23-25) Moa ve izy tsy nanda ny anganongano, ka resin’ny filozofian’olombelona? (Kolosiana 2:8; 1 Timoty 4:7) Tsy dia salama tsara intsony ve angamba ny sainy, ka nahatonga azy hilaza fahadisoana lehibe toy ireny?
Na ahoana na ahoana anefa, dia ahafantarantsika ny toe-javatra teo amin’ny fivavahana tamin’ny androny ny asa soratr’i Tatien sy ny ohatra navelany. Asehon’izy ireny fa tena manimba ny vokatry ny filozofian’izao tontolo izao. Enga anie isika handray am-po ilay fananaran’ny apostoly Paoly hoe: “Mialà amin’ny fibedibedena foana sy ny fanoherana avy amin’izay atao hoe fahalalana, kanjo tsy izy.”—1 Timoty 6:20.