“Aza Matahotra na Mivadi-po”
“Aza Matahotra na Mivadi-po”
“Aza matahotra na mivadi-po, . . . fa Jehovah no momba anareo.”—2 TANTARA 20:17.
1. Inona no vokatry ny fampihorohoroana eo amin’ny olona, ary nahoana no rariny raha matahotra izy ireo?
ASA fampihorohoroana! Mampahatahotra na dia ny mahare io teny io fotsiny aza. Lasa mitebiteby sy mahatsiaro ho tsy afa-manoatra ny tena. Mifamahofaho ao am-po ny horohoro sy alahelo ary hatezerana. Maro koa no matahotra hoe hamely ny olona mandritra ny taona maro ho avy ny fampihorohoroana. Rariny tokoa raha matahotra izy ireo, satria tsy nahafoana ireo karazana fampihorohoroana ny firenena, na dia niady tamin’izy io nandritra ny taona maro aza.
2. Ahoana no fiheveran’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fampihorohoroana, ary inona avy no fanontaniana aterak’izany?
2 Na izany aza, dia misy antony marim-pototra mahavelom-panantenana. Tena be fanantenana, ohatra, ireo Vavolombelon’i Jehovah izay mazoto mitory any amin’ny tany 234. Tsy matahotra izy ireo hoe tsy ho foana mihitsy ny fampihorohoroana. Matoky kosa izy ireo fa hifarana tsy ho ela izy io. Mitombina ve izany fanantenany izany, ka azonao atokisana koa? Iza no hahavita hanafaka an’ity tontolo ity
amin’io loza io, ary ahoana no hitrangan’izany? Tsara ny handinihana ny antony mahabe fanantenana azy ireo toy izany, satria mety ho efa samy niharan’ny karazana herisetra avokoa isika.3. Inona avy no mampahatahotra ny olona, ary inona no efa nambara mialoha momba ny andro iainantsika?
3 Betsaka ny antony mampahatahotra sy mampihorohoro ny olona ankehitriny. Eritrereto ireo olona maro be tsy afaka mikarakara tena intsony satria efa antitra. Eo koa ireo voan’ny aretina tsy misy fanafany, sy ireo fianakaviana miady mafy mba hahitana vola hivelomana. Tsy fantatra mihitsy koa izay mety hihatra amin’ny aina! Mety hamely tampoka ny fahafatesana na ny loza, ka hamoy izay rehetra tiantsika isika. Noho izany tahotra sy fanahiana izany, ary koa ireo disadisa sy fahadisoam-panantenana maro mahazo antsika, dia mifanitsy tsara amin’ny tenin’ny apostoly Paoly izao andro iainantsika izao. Hoy izy: “Aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory. Fa ny olona ho tia tena, . . . tsy manam-pitiavana, mpanontolo fo, mpanendrikendrika, tsy mahonom-po, lozabe, tsy tia ny tsara.”—2 Timoty 3:1-3.
4. Nahoana ny 2 Timoty 3:1-3 no mahavelom-panantenana, na dia milaza zavatra mahaketraka aza?
4 Mahavelom-panantenana ihany anefa io andinin-teny io, na dia milaza zavatra mahaketraka aza. Mariho fa mandritra ny andro faran’ity tontolo ratsin’i Satana ity no hisy andro mahory. Midika izany fa kely sisa dia hisy fanamaivanana, ary hisolo an’ity tontolo ratsy ity ny Fanjakana lavorarin’Andriamanitra, izay nasain’i Jesosy nataon’ny mpianany antom-bavaka. (Matio 6:9, 10) Ny fitondram-panjakan’Andriamanitra any an-danitra izy io, ary “tsy ho rava mandrakizay”, hoy i Daniela mpaminany. ‘Ny [fanjakan’olombelona] rehetra dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.’—Daniela 2:44.
Ny Kristianina sy ny fampihorohoroana
5. Inona no nataon’ireo firenena mba hanoherana ny fampihorohoroana?
5 Nahafaty olona maro be ny fampihorohoroana nandritra ny taona maro. Vao mainka tsapan’izao tontolo izao fa tena mampidi-doza izy io, taorian’ilay fanafihana tany New York sy Washington, tamin’ny 11 Septambra 2001. Niray hina haingana àry ireo firenena mba hanafoana an’io olana lehibe hita maneran-tany io. Mba handrindrana ny ezak’izy ireo, ohatra, dia nilaza ny gazety iray fa “nisy tetik’asa neken’ny minisitry ny raharaham-bahiny 55 avy tany Eoropa sy Amerika Avaratra ary Azia Afovoany”, tamin’ny 4 Desambra 2001. Nidera izany ny manam-pahefana amerikanina iray, ary nilaza fa hanome “hery vao” ho an’ny ady atao amin’ny fampihorohoroana izany. Tampoka teo, dia olona an-jato tapitrisa no tafiditra tamin’ilay nantsoin’ny Gazetin’i New York (anglisy) hoe “fiandohan’ny ady lehibe iray.” Ho hita eo ihany raha hahomby izany ezaka izany. Maro anefa no lasa matahotra sy manahy ny amin’izay ho vokatr’io ady atao amin’ny fampihorohoroana io. Tsy mba toy izany kosa ireo matoky an’i Jehovah.
6. a) Nahoana no sarotra amin’ny sasany indraindray ny manaiky hoe tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah? b) Inona no ohatra navelan’i Jesosy ho an’ny mpianany, raha eo amin’ny lafiny politika?
6 Fantatra tsara fa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah. Mety tsy hampaninona ny ankamaroan’ny olona izany, rehefa Jaona 15:19; 17:14-16; 18:36; Jakoba 4:4) Midika izany fa tsy tokony hanao politika mihitsy izy ireo, na hiditra amin’ny fihetsiketseham-bahoaka na ny adihevitra ataony. I Jesosy mihitsy no nanome ohatra amin’io lafiny io. Tena afaka nanatsara ny fiainan’ny olona tamin’ny androny izy, rehefa heverina ny fahendreny lavorary sy ny fahaizany miavaka. Tsy nety nanao politika anefa izy. Rehefa nanomboka ny fanompoany izy, ka notoloran’i Satana ny fanjakana rehetra teto an-tany, dia nanda mafy izy. Tsy nanaiky mihitsy koa izy tatỳ aoriana, rehefa nisy nifidy azy ho mpanjaka.—Matio 4:8-10; Jaona 6:14, 15.
milamina ny tany. Tsy milefitra amin’izany intsony anefa izy ireo, rehefa misy toe-javatra manokana mitranga. Matetika mantsy no matahotra sy manahy ny olona rehefa misy ady, ka lasa manindrahindra be ny fireneny. Mety tsy ho azon’ny olona àry amin’izay hoe nahoana no misy tsy manohana ny fihetsiketsehana ataon’ny vahoaka. Fantatry ny tena Kristianina anefa fa tsy maintsy mankatò ilay didin’i Jesosy hoe “tsy naman’izao tontolo izao” izy ireo. (7, 8. a) Tsy midika ho inona ny tsy fanaovan’ny Vavolombelon’i Jehovah politika, ary nahoana? b) Hazavao fa ny Romana 13:1, 2 dia misakana ny olona tsy hampiasa herisetra hanoherana ny fitondram-panjakana.
7 Marina fa tsy manao politika ny Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy midika izany hoe manaiky na manala tsiny ny fampiasana herisetra izy ireo. Raha izany mantsy no izy, dia tsy ho tena mpanompon’ilay “Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana”, araka izay lazainy izy ireo. (2 Korintiana 13:11) Fantatr’izy ireo ny hevitr’i Jehovah momba ny herisetra. Hoy ny mpanao salamo: “Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan’ny fanahiny.” (Salamo 11:5) Fantatr’izy ireo koa ny tenin’i Jesosy tamin’ny apostoly Petera hoe: “Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; fa izay rehetra mandray sabatra no hovonoina amin’ny sabatra.”—Matio 26:52.
8 Porofoin’ny tantara fa nampiasa “sabatra” matetika ireo Kristianina sandoka. Tsy manao izany mihitsy kosa ny Vavolombelon’i Jehovah. Mankatò tsara ilay didy ao amin’ny Romana 13:1, 2 izy ireo, manao hoe: “Aoka ny olona rehetra samy hanaiky ny fahefana lehibe [na ireo mpitondra fanjakana]. Fa tsy misy fahefana afa-tsy izay avy amin’Andriamanitra; fa izay misy dia voatendrin’Andriamanitra. Koa izay manohitra ny fahefana dia manohitra ny voatendrin’Andriamanitra; ary izay manohitra dia hahazo fahamelohana.”
9. Inona avy ireo fomba roa iadian’ny Vavolombelon’i Jehovah amin’ny fampihorohoroana?
9 Tsy mba tokony hanao zavatra ihany anefa ve ny Vavolombelon’i Jehovah mba hiadiana amin’ny fampihorohoroana, satria tena mampidi-doza izy io? Tena tokony hanao zavatra tokoa izy ireo, ary efa manao zavatra. Voalohany, tsy mandray anjara amin’ny fampihorohoroana izy ireo. Faharoa, mampianatra ny toro lalana kristianina izy ireo, ka manjary tsy mahery setra intsony izay olona mampihatra azy ireny. * Nandany 1 202 381 302 ora ny Vavolombelona tamin’ny taon-dasa, mba hanampiana ny olona hanaraka izany fomba fiaina izany. Tsy very maina izany fotoana izany, satria nisy olona 265 469 natao batisa ka tonga Vavolombelon’i Jehovah. Tamin’izany no nampisehoan’izy ireo ampahibemaso fa tsy hampiasa herisetra intsony mihitsy izy ireo.
10. Azo antenaina ho foana ve ny herisetra eto ambonin’ny tany?
10 Manaiky koa ny Vavolombelon’i Jehovah, fa tsy hahafoana ny faharatsiana eto ambonin’ny tany mihitsy izy ireo. Izany no antony atokisany tanteraka an’ilay afaka manao izany, dia i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 83:18) Tsy afaka mamarana ny herisetra ny olombelona, na dia tena miezaka ny hanao izany aza. Efa nilaza izay hitranga ‘atỳ am-parany’, na amin’ny androntsika, ny mpanoratra ny Baiboly nahazo tsindrimandry. Hoy izy: “Ny ratsy fanahy sy ny mpanoloky kosa dia handroso hiharatsiratsy kokoa sady mamitaka no fitahina.” (2 Timoty 3:1, 13) Tsy antenaina handresy ny faharatsiana ny olombelona, araka izany. Afaka matoky anefa isika fa hanafoana tanteraka ny herisetra i Jehovah.—Salamo 37:1, 2, 9-11; Ohabolana 24:19, 20; Isaia 60:18.
Tsy matahotra na dia madiva hotafihina aza
11. Inona no efa nataon’i Jehovah mba hamongorana ny herisetra?
11 Mankahala ny herisetra ilay Andriamanitry ny fiadanana. Tsy mahagaga àry raha nanomboka nanao zavatra izy hamongorana ny fototr’izy io, dia i Satana Devoly. Efa nataony izay hampietrena sy haharesy an’i Satana, rehefa niady tamin’i Mikaela arikanjely, na i Kristy Jesosy vao lasa Mpanjaka izy io. Hoy ny Baiboly momba izany: “Nisy ady tany an-danitra: Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ilay dragona; ary ilay dragona mbamin’ny anjeliny kosa dia niady, nefa tsy naharesy, sady tsy nisy fitoerana ho azy intsony tany an-danitra. Ary nazera ilay dragona, dia ilay menarana ela, izay atao hoe devoly sy Satana, izay mamitaka izao tontolo izao; dia nazera tamin’ny tany izy, ary ny anjeliny koa niaraka nazera taminy.”—Apokalypsy 12:7-9.
12, 13. a) Inona no mampiavaka ny taona 1914? b) Araka ny faminanian’i Ezekiela, inona no hanjo an’ireo manohana ny Fanjakan’Andriamanitra?
12 Ny zava-niseho eran-tany sy ny famaritan’ny Baiboly ny daty nitrangan’ny fisehoan-javatra nifanesy, dia samy manondro fa tamin’ny 1914 no nitranga io ady tany an-danitra io. Niharatsy foana ny fiainan’ny olombelona nanomboka hatreo. Manazava ny anton’izany ny Apokalypsy 12:12, izay manao hoe: “Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny.”
13 Tsy mahagaga àry raha ny mpanompon’Andriamanitra voahosotra sy ny “ondry hafa” naman’izy ireo, no tena anamparan’ny Devoly ny fahatezerany. (Jaona 10:16; Apokalypsy 12:17) Hahatratra ny fara tampony io fanoherana io, rehefa hanamparany ny heriny ireo rehetra manohana sy miantehitra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra efa miorina. Antsoin’ny Ezekiela toko faha-38 hoe fanafihan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga” izy io.
14. Iza no niezaka hiaro ny Vavolombelon’i Jehovah, ary ho toy izany foana ve no izy?
14 Nanomboka tamin’ny nandroahana an’i Satana avy tany an-danitra, dia nisy mpanao politika indraindray niezaka hiaro ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny fanafihany. Mampiasa teny an’ohatra ny Apokalypsy 12:15, 16 mba hilazana azy ireo. Milaza kosa anefa ny Baiboly fa tsy hisy antokon’olona hiaro an’ireo mitoky amin’i Jehovah, mandritra ilay fanafihan’i Satana farany. Tokony hatahotra na hivadi-po àry ve ny Kristianina? Tsy izany mihitsy!
15, 16. a) Nahoana no mahabe fanantenana ny Kristianina ankehitriny, ny toky nomen’i Jehovah ny vahoakany tamin’ny andron’i Josafata? b) Inona no ohatra navelan’i Josafata sy ny vahoaka ho an’ny mpanompon’Andriamanitra ankehitriny?
15 Hanohana ny vahoakany Andriamanitra amin’izay, toy ny efa nanampiany ny fireneny tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka. Izao no vakintsika: “Mihainoa hianareo, ry Joda 2 Tantara 20:15-17.
rehetra sy ry mponina any Jerosalema, ary hianao, ry Josafata mpanjaka: Izao no lazain’i Jehovah aminareo: Aza matahotra na mivadi-po ny amin’ireo olona betsaka ireo, fa tsy anareo ny ady, fa an’Andriamanitra. . . . Tsy hianareo anefa no hiady amin’ity; mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo, ry Joda sy Jerosalema. Aza matahotra na mivadi-po, fa rahampitso dia mivoaha hiady aminy; fa Jehovah no momba anareo.”—16 Nomena toky ny vahoakan’i Joda, fa tsy hila hiady izy ireo. Tsy handray fiadiana hiarovany tena koa ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa hanafika i Goga avy any Magoga. ‘Hijanona ka hahita ny hamonjen’i Jehovah’ azy kosa izy ireo. Mazava ho azy fa ny hoe mijanona akory tsy midika hoe tsy manao na inona na inona mihitsy, satria nanao zavatra ihany ny vahoakan’Andriamanitra tamin’ny andron’i Josafata. Izao no vakintsika: “Dia niankohoka tamin’ny tany Josafata; ary ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema niankohoka teo anatrehan’i Jehovah koa ka nivavaka. . . . Ary rehefa niara-nihevitra tamin’ny olona [i Josafata], dia nanendry mpihira ho an’i Jehovah hidera amin’ny fihaingoana masina, raha mivoaka eo anoloan’ny olona efa voaomana hiady, ka hanao hoe: Miderà an’i Jehovah, fa mandrakizay ny famindrampony.” (2 Tantara 20:18-21) Nazoto nidera an’i Jehovah hatrany ilay vahoaka, na dia efa hanafika azy ireo aza ny fahavalo. Izany koa no tokony hataon’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa hanafika azy ireo i Goga.
17, 18. a) Inona no toe-tsaina tsara ananan’ny Vavolombelon’i Jehovah, eo am-piandrasana ny fanafihan’i Goga? b) Inona no fampahatsiahivana vao nomena an’ireo tanora kristianina?
17 Mandra-panafik’i Goga, ary na mandritra ilay fanafihana aza, dia hanohana hatrany ny Fanjakan’Andriamanitra ny Vavolombelon’i Jehovah. Hahazo hery sy fiarovana hatrany izy ireo, eo anivon’ireo fiangonana maherin’ny 94 600 eran-tany. (Isaia 26:20) Izao tokoa no fotoana hiderana an’i Jehovah amin-kerim-po! Tsy mitakemotra noho ny tahotra mihitsy izy ireo, na dia fantany aza fa efa antomotra ny fanafihan’i Goga. Mandrisika azy ireo hampitombo ny fanati-piderany kosa izany, araka izay azony atao.—Salamo 146:2.
18 Mampiseho tsara an’izany herim-po izany ireo tanora maro be eran-tany, izay mirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro. Mba hanasongadinana fa tena tsara ny safidy nataon’izy ireo, dia navoaka tamin’ny Salamo 119:14, 24, 99, 119, 129, 146.
fivoriamben’ny vondrom-paritra 2002, ilay taratasy mivalona hoe Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana? Mankasitraka izany fampahatsiahivana tena ilaina izany ny Kristianina, na antitra izy na tanora.—19, 20. a) Nahoana no tsy tokony hatahotra na hivadi-po ny Kristianina? b) Hanampy antsika hanao inona ny lahatsoratra manaraka?
19 Tsy tokony hampahatahotra na hampivadi-po ny Kristianina ny toe-piainana eran-tany. Fantany fa madiva hanafoana tanteraka ny karazana herisetra rehetra ny Fanjakan’i Jehovah. Mampahery azy ireo koa ny mahalala fa hatsangana amin’ny maty ny maro amin’ireo namoy ny ainy noho ny herisetra. Aorian’izay ny sasany amin’izy ireo vao hanomboka hianatra momba an’i Jehovah. Ny hafa kosa ho afaka hanohy hanompo azy amin-jotom-po indray.—Asan’ny Apostoly 24:15.
20 Takatsika tena Kristianina fa tsy tokony hanao politika isika, ary tapa-kevitra ny tsy hanao izany mihitsy isika. Hiandry hatrany ny hahatanterahan’ilay fanantenantsika mahatalanjona isika, dia ny ‘hijanona ka hahita ny famonjen’i Jehovah.’ Hanatanjaka ny finoantsika ilay lahatsoratra manaraka, satria hanasongadina ireo zava-mitranga ankehitriny, izay manampy antsika miandalana hahafantatra tsara kokoa ny fomba hahatanterahan’ny faminanian’ny Baiboly.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ feh. 9 Miresaka ny amin’ireo olona tsy nampiasa herisetra intsony mba hahatongavana ho Vavolombelona, ohatra, ny Mifohaza! No. 1/1991, pejy 18 sy 8 Janoary 2003, pejy 18; ary Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary 1996, pejy 5 sy 1 Aogositra 1998, pejy 5.
Hainao Hazavaina Ve?
• Nahoana no maro no kivy ankehitriny?
• Nahoana ny Vavolombelon’i Jehovah no be fanantenana raha ny amin’ny hoavy?
• Inona no efa nataon’i Jehovah mba hamongorana ilay fototry ny herisetra rehetra?
• Nahoana isika no tsy tokony hatahotra ny fanafihan’i Goga?
[Fanontaniana]
[Sary, pejy 13]
Ohatra ho an’ny Kristianina i Jesosy, izay tsy nanao politika
[Sary, pejy 16]
Maro be ny tanora Vavolombelona no faly mirotsaka amin’ny fanompoana manontolo andro
[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]
UN PHOTO 186226/M. Grafman