Fanomezana Mahafaly An’Andriamanitra
Fanomezana Mahafaly An’Andriamanitra
NIARA-NISAKAFO tany Betania i Jesosy sy ny mpianany ary ny namany vitsivitsy, ka anisan’izy ireo i Maria sy Marta ary koa i Lazarosy, izay vao natsangana tamin’ny maty. Rehefa naka menaka manitra lafo vidy, nilanja 300 grama teo ho eo, i Maria, ka nanosotra izany tamin’ny tongotr’i Jesosy, dia tezitra i Jodasy Iskariota, ka nilaza hoe: “Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato [izay mitovitovy amin’ny karama herintaona] ka nomena ny malahelo?” Niombon-kevitra taminy koa ny hafa.—Jaona 12:1-6; Marka 14:3-5.
Namaly anefa i Jesosy hoe: “Avelao izy; . . . Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao hianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva.” (Marka 14:6-9) Nampianarin’ireo mpitondra fivavahana jiosy fa tsara ny manome ho an’ny mahantra, ary hahazoana famelan-keloka mihitsy aza izany. I Jesosy kosa nanazava fa tsy ny fiantrana ny mahantra ihany no fanomezana mahafaly an’Andriamanitra.
Hodinihintsika vetivety ny fanomezana nataon’ireo Kristianina voalohany, mba hahitantsika fomba hiahiantsika ny hafa, ka hahafaly an’Andriamanitra. Ho hitantsika koa ny karazana fanomezana iray tsy manan-tsahala sy faran’izay mahasoa.
“Manaova fiantrana”
Imbetsaka i Jesosy no nampirisika ny mpianany ‘hanao fiantrana.’ (Lioka 12:33) Nampitandrina anefa izy fa tsy tokony haderadera ny fanaovana fiantrana, mba tsy ho ilay mpanome no hankalazain’ny olona, fa Andriamanitra. Hoy izy: “Raha manao fiantrana hianao, aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy eo amin’ny synagoga sy eny an-dàlambe mba hankalazan’ny olona azy.” (Matio 6:1-4) Nankatò azy ny Kristianina voalohany, ka tsy nisehoseho toa an’ireo mpitondra fivavahana niseho ho masina be. Naleon’izy ireo nanampy nivantana ny olona sahirana, na nanolotra fanomezana ho azy ireo.
Voalaza ao amin’ny Lioka 8:1-3, ohatra, fa nampiasa “ny fananany” hanampiana an’i Jesosy sy ny apostoliny i Maria Magdalena, Johana, Sosana, ary ny maro hafa, nefa tsy nampideradera izany. Tsy nahantra fadiranovana akory ireo lehilahy ireo, fa nahafoy ny asany mba hifantohana tanteraka tamin’ny fanompoana. (Matio 4:18-22; Lioka 5:27, 28) Nanome voninahitra an’Andriamanitra àry ireo vehivavy ireo, rehefa nanampy an’i Jesosy sy ny apostoliny hanatontosa ny asa nanirahan’Andriamanitra azy. Nankasitraka izany koa Andriamanitra, satria nampanoratiny ao amin’ny Baiboly ny fiantrana sy ny fahalalahan-tanan’izy ireo, mba hovakin’ny taranaka rehetra atỳ aoriana.—Ohabolana 19:17; Hebreo 6:10.
Vehivavy tsara fanahy, izay ‘nanao asa soa sy fiantrana betsaka’ koa i Dorkasy. Tany Jopa, tanàna amoron-dranomasina izy no nipetraka, ary nanjaitra akanjo ho an’ireo mpitondratena sahirana tao. Tsy fantatsika raha niantoka ny fitaovana rehetra izy, na nanjaitra fotsiny. Noho ny asa soa nataony anefa, dia lasa mamin’ny fon’ireo nampiany sy Andriamanitra izy, ka nomeny valisoa.—Asan’ny Apostoly 9:36-41.
Tokony ho tsara ny antony hiantrana olona
Inona no nanosika ireo olona ireo hanome? Tsy hoe nangoraka fotsiny izy ireo, rehefa nisy nitalaho fanampiana taminy. Noraisiny ho andraikiny mihitsy ny nanao izay azony natao isan’andro, mba hanampiana ireo nahantra sy niharan-doza ary narary, na ireo nanana olana hafa. (Ohabolana 3:27, 28; Jakoba 2:15, 16) Izany no karazana fanomezana mahafaly an’Andriamanitra. Ny antony voalohany manosika antsika hanome àry, dia noho isika tena tia an’Andriamanitra sady te hangoraka sy halala-tanana tahaka azy.—Matio 5:44, 45; Jakoba 1:17.
Nasongadin’ny apostoly Jaona fa zava-dehibe izany, rehefa nanontany izy hoe: “Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy; ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny?” (1 Jaona 3:17) Mazava ny valin’izany. Manosika ny olona hiantra ny fitiavana an’Andriamanitra. Mankasitraka sady mamaly soa an’ireo malala-tanana toa azy Andriamanitra. (Ohabolana 22:9; 2 Korintiana 9:6-11) Misy malala-tanana toy izany ve ankehitriny? Diniho izay nitranga vao haingana teo anivon’ny fiangonan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Tena nila namboarina ny tranon’ny vehivavy kristianina iray be taona. Nipetraka irery izy ary tsy nanana fianakaviana hanampy azy. Navelany hanaovana fivoriana kristianina foana ny tranony hatramin’izay. Matetika koa izy no nandroso sakafo ho an’izay nanaiky ny fanasany. (Asan’ny Apostoly 16:14, 15, 40) Nifarimbona nanampy azy àry ny fiangonana nisy azy, rehefa nahita ny nanjo azy. Tao ny nanome vola, ary ny hafa nanolo-tena hiasa hanamboatra ilay trano. Nandritra ny faran’ny herinandro vitsivitsy, dia nametaka tafo vaovao ireo mpiasa an-tsitrapo ireo, nanamboatra efitrano fandroana vaovao, nandalotra sy nandoko ny rindrina tany ambany rihana, ary nametraka lalimoaram-bilia vaovao tao an-dakozia. Tsy vitan’ny hoe nahavonjy an’ilay ramatoa be fotsiny izany, fa nampiray kokoa an’ilay fiangonana, sady nampiaiky ny manodidina, satria hitan’izy ireo ny tena atao hoe fanomezana avy amin’ny Kristianina.
Maro ny fomba azontsika isam-batan’olona anampiana ny hafa. Afaka maka fotoana 2 Korintiana 8:12) Ny fanomezana mivantana toy izany ihany ve anefa no valian’Andriamanitra soa? Tsia.
hiarahana amin’ny ankizy kamboty iray ve isika? Afaka miantsena na manjaitra ho an’ny vehivavy iray maty vady sy efa zokiolona ve isika? Afaka mahandro sakafo na manome vola ho an’ny olona tsy dia manana ve isika? Tsy voatery hanankarena isika vao ho afaka hanampy. Hoy ny apostoly Paoly: “Raha misy ny fahazotoana, dia araka izay ananany no ankasitrahana, fa tsy araka izay tsy ananany.” (Ahoana ny amin’ny fanampiana iarahan’ny olona maromaro manao?
Indraindray dia tsy ampy ny ezaka ataon’ny isam-batan’olona. Nanana tahirim-bola niombonana hanampiana ny mahantra tokoa i Jesosy sy ny apostoliny, ary nankasitraka izay vola foin’ny olona be fitiavana teny am-pitoriana. (Jaona 12:6; 13:29) Nanangom-bola sy nandamina fanampiana koa ny fiangonana tamin’ny taonjato voalohany, rehefa nilaina izany.—Asan’ny Apostoly 2:44, 45; 6:1-3; 1 Timoty 5:9, 10.
Izany, ohatra, no natao tamin’ny taona 55 tany ho any. Lasa nahantra ireo fiangonana tany Jodia, angamba satria vao haingana no nisy mosary mafy. (Asan’ny Apostoly 11:27-30) Fatra-piahy ireo nahantra ny apostoly Paoly, ka nangataka fanampiana tamin’ireo fiangonana hatrany Makedonia. Izy mihitsy no namory vola, ary nankininy tamin’ny lehilahy maromaro neken’ny fiangonana ny fizarana izany. (1 Korintiana 16:1-4; Galatiana 2:10) Tsy nisy nandray karama avy tamin’izany na i Paoly na ireo lehilahy ireo.—2 Korintiana 8:20, 21.
Mailaka mitondra fanampiana koa ny Vavolombelon’i Jehovah ankehitriny, rehefa misy loza. Teo antenatenan’ny taona 2001, ohatra, dia nisy tafio-drivotra niteraka tondra-drano be tany Houston, any Etazonia. Nahatratra 723 ny tranon’ny Vavolombelon’i Jehovah niharam-pahavoazana, ary maro no simba be. Natsangana avy hatrany ny komity iray hiandraikitra ny fanampiana, ka anti-panahy kristianina efa za-draharaha no nahaforona azy io. Nandinika izay nilain’ny tsirairay io komity io, ary nitsinjara ny vola hatokana hanampiana ireo Vavolombelona teo an-toerana, mba hiatrehany ilay toe-javatra sy hanamboarany ny tranony. Mpiasa an-tsitrapo avy teo amin’ireo fiangonana nanodidina no nanao ny asa rehetra. Tena nankasitraka izany fanampiana izany ny Vavolombelona iray, ka rehefa nandefa vola ny kompaniam-piantohana hanonerana izay lany nanamboarana ny tranony, dia nomeny an’ilay komity avy hatrany ilay vola mba hanampiana olon-kafa.
Mila mitandrina anefa isika, manoloana ireo fangatahana maro be avy amin’ny fikambanana mpanao asa soa. Vola be no lanin’ny fikambanana sasany amin’ny karaman’ireo mpitantana sy ny fanentanana ny olona, ka ampahany kely Ohabolana 14:15: “Ny kely saina mino ny teny rehetra; fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.” Fahendrena àry ny mandinika tsara ny zava-misy.
amin’izany sisa no tena ampiasaina amin’ilay nikasana azy. Hoy nyFanomezana faran’izay mahasoa
Misy fanomezana iray mahasoa kokoa noho ny fiantrana. Niresaka momba izany i Jesosy, rehefa nanontany azy ny manam-pahefana nanankarena iray hoe inona no tokony hataony mba hahazoany ny fiainana mandrakizay. Hoy i Jesosy taminy: “Mandehana, amidio ny fanananao, ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra hianao; ary avia hanaraka Ahy.” (Matio 19:16-22) Mariho fa tsy nilaza fotsiny i Jesosy hoe: ‘Omeo ny malahelo dia hahazo ny fiainana ianao.’ Hoy koa izy: “Avia hanaraka Ahy.” Midika izany fa raha tena te ho mpianatr’i Kristy isika, dia tsy ampy ny manao fiantrana, na dia mendri-koderaina sy mahasoa tokoa aza izany.
Ny fanampiana ny olona hahafantatra an’Andriamanitra no tena zava-dehibe tamin’i Jesosy. Taloha kelin’ny nahafatesany, dia niteny tamin’i Pilato izy hoe: “Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina.” (Jaona 18:37) Marina fa i Jesosy no nitari-dalana tamin’ny fanampiana ny mahantra sy ny fanasitranana ny marary ary ny fanomezana sakafo ho an’ny noana. Ny fampiofanana ny mpianany hitory anefa no tena nimasoany. (Matio 10:7, 8) Nandidy azy ireo mihitsy aza izy, talohan’ny niakarany tany an-danitra hoe: “Koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra.”—Matio 28:19, 20.
Mazava ho azy fa tsy hamaha ny olana rehetra eto amin’ity tontolo ity ny fitoriana. Manome voninahitra an’Andriamanitra anefa ny fitoriana ny vaovao tsaran’ilay Fanjakana amin’ny karazan’olona rehetra, satria manatanteraka ny sitrapony. Manampy ny olona handray soa mandrakizay koa izany, raha manaiky ilay hafatra izy. (Jaona 17:3; 1 Timoty 2:3, 4) Nahoana àry raha mihaino ny Vavolombelon’i Jehovah rehefa mitsidika anao izy amin’ny manaraka? Hitondra fanomezana sarobidy ho anao izy ireo, dia ny fahalalana an’Andriamanitra. Ary fantatr’izy ireo fa io no fanomezana tsara indrindra azony atolotra anao.
[Sary, pejy 6]
Maro ny fomba azontsika iahiana ny hafa
[Sary, pejy 7]
Mahafaly an’Andriamanitra ny fitoriantsika ny vaovao tsara, sady manampy ny olona handray soa mandrakizay