Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Fanontanian’ny Mpamaky

Mety ve ny mamono biby marary mafy na efa antitra?

Tsapan’ny ankamaroan’ny olona fa maro karazana ny biby mahasoa sy mahafinaritra. Misy biby fiompy azo atao namana tsara. Malaza ho tena mahatoky sy miraiki-po amin’ny tompony, ohatra, ny alika. Tsy mahagaga àry raha miraiki-po amin’ny biby toy ireny ny olona, indrindra raha efa an-taonany maro no nananany azy.

Tsy dia ela velona anefa ny ankamaroan’ny biby fiompy. Velona 10 ka hatramin’ny 15 taona eo ho eo ny karazan-tsaka na alika sasany, amin’ny ankapobeny. Mety harary na ho kilemaina ny biby rehefa antitra. Mety halahelo àry ny tompony, rehefa mahatsiaro fa tanora sy navitrika ilay biby taloha. Tsy mety ve amin’izay ny hamonoana ilay biby, mba hifaranan’ny fijaliany?

Irin’ny Kristianina ny hanao zavatra mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, raha ny amin’ny fitondrany ny biby. Tena mifanohitra amin’ny sitrapon’Andriamanitra ny fampijaliana biby, satria hoy ny Teniny: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny.” (Ohabolana 12:10) Tsy midika akory izany hoe mitovy ny olona sy ny biby, eo imason’Andriamanitra. Rehefa namorona ny olombelona izy, dia nasehony tsara ny tsy fitovian’izy ireo amin’ny biby. Nomeny fanantenana hiaina mandrakizay, ohatra, ny olombelona fa tsy mba nomeny izany kosa ny biby. (Romana 6:23; 2 Petera 2:12) Manana zo hamaritra izay tokony ho fifandraisan’ny olombelona sy ny biby koa izy amin’ny maha Mpamorona azy.

Miresaka amintsika momba izany ny Genesisy 1:28. Ao Andriamanitra dia nilaza toy izao tamin’ireo olombelona voalohany: “Manjakà amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Hoy koa ny Salamo 8:6-8: “Ny zavatra rehetra dia efa nataonao [Andriamanitra] eo ambanin’ny tongony [an’ny olona], dia ny ondry aman-osy sy ny omby rehetra, ary ny bibi-dia koa mbamin’ny voro-manidina sy ny hazandrano any an-dranomasina.”

Nohazavain’Andriamanitra tsara fa azon’ny olona atao ny mampiasa sy mamono biby. Nanaovana akanjo, ohatra, ny hodi-biby. Navelan’Andriamanitra nihinana biby koa ny olona, taorian’ny Safo-drano tamin’ny andron’i Noa, ho fanampin’ny zavamaniry efa nomeny azy ireo.​—Genesisy 3:21; 4:4; 9:3.

Tsy midika velively anefa izany hoe azo atao fialam-boly ny famonoana biby. Miresaka momba an’i Nimroda ho “mpihaza mahery” ny Baiboly, ao amin’ny Genesisy 10:9. Milaza ny tohin’io andininy io, araka ny dikan-teny tany am-boalohany, fa nahatonga an’i Nimroda hanohitra an’i Jehovah izany.

Marina àry fa afaka manjaka amin’ny biby ny olona, nefa tsy tokony hanampatra ny fahefany izy. Tokony hifanaraka amin’ny toro lalan’ny Tenin’Andriamanitra kosa ny fampiasany izany fahefany izany. Mety hidika izany hoe hanao zavatra izy mba hamaranana ny fijalian’ilay biby noho ny fahanterana, na ratra mafy, na aretina mahafaty tsy mety sitrana. Amin’ny toe-javatra toy izany, dia ny Kristianina tsirairay no tompon’ny fanapahan-kevitra ny amin’izay hataony. Mety ho ny famaranana ny fijalian’ilay biby no hitany fa tsara kokoa, raha toa ka tsy antenaina ho sitrana intsony ilay izy. Mety hifidy ny hamono an’ilay biby àry izy amin’izay.