Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifaliana Tsy Nisy toy Izany!

Fifaliana Tsy Nisy toy Izany!

Tantaram-piainana

Fifaliana Tsy Nisy toy Izany!

NOTANTARAIN’I REGINALD WALLWORK

“Tsy misy na inona na inona eto amin’ity tontolo ity afaka hitondra fifaliana toy ny asa misionera nataonay ho an’i Jehovah!” Izany no nosoratan’ny vadiko tamin’ny taratasy kely iray, izay hitako taoriana kelin’ny nahafatesany, tamin’ny Mey 1994.

REHEFA mieritreritra an’ireo tenin’i Irene ireo aho, dia tsaroako ireo 37 taona nahafa-po sy nahasambatra anay teo amin’ny asa misionera, tany Peroa. Tena sarobidy taminay ny fiarahanay nanompo nanomboka tamin’ny mariazinay tamin’ny Desambra 1942, ary eo no tsara anombohana ny tantarako.

Tao amin’ny fianakaviana Vavolombelon’i Jehovah no nahalehibe an’i Irene, tany Liverpool, Angletera. Telo mirahavavy ry zareo, ary maty tamin’ny Ady Lehibe I ny rainy. Nanambady an’i Winton Fraser ny reniny tatỳ aoriana, ary niteraka lahy nantsoina hoe Sidney. Nifindra tany Bangor, any avaratry Pays de Galles ny fianakaviany, taloha kelin’ny Ady Lehibe II, ary tany i Irene no vita batisa, tamin’ny 1939. Vita batisa herintaona talohan’io i Sidney, ka niara-nanao ny asan’ny mpisava lalana, izany hoe mpitory ny vaovao tsara manontolo andro, izy mianadahy. Ny morontsiraka avaratra amin’ny Pays de Galles no niasan’izy ireo, nanomboka tao Bangor ka hatrany Caernarvon, anisan’izany ny nosy Anglesey.

Mpiandraikitra mpitantan-draharaha kosa aho tamin’izany, tao amin’ny Fiangonan’i Runcorn, any amin’ny 20 kilaometatra, any atsimoatsinanan’i Liverpool. Nanatona ahy i Irene tamin’ny fivoriamben’ny faritra iray, mba hanontany raha nisy faritany azony nitoriana teto Runcorn. Nikasa hijanona kely tany amin’i Vera rahavaviny, izay nanambady sy nipetraka teto, mantsy izy. Nifankahazo tsara izahay sy i Irene nandritra ilay tapa-bolana nijanonany teto Runcorn, ka nitsidika azy tany Bangor, somary imbetsaka ihany aho, tatỳ aoriana. Faly be aho indray asabotsy izay, satria nanaiky ny fangatahako azy ho vady izy!

Tonga aho dia nanomboka nikarakara ny mariazinay, rehefa nody ny alahadin’iny. Nahazo izao telegrama izao anefa aho ny talata: “Miala tsiny aho, raha hampalahelo anao ity telegrama ity. Tsy hatao indray ny mariazintsika. Ho avy ny taratasy fanazavana.” Ohatra ny nilatsaham-baratra aho. Fa naninona àry?

Tonga ny taratasin’i Irene ny ampitson’io. Nilaza izy fa hankany Horsforth, any Yorkshire, mba hanao ny asan’ny mpisava lalana hiaraka amin’i Hilda Padgett. * Nohazavainy fa herintaona talohan’io izy dia nanaiky hanompo any amin’izay nilana mpitory betsaka kokoa, raha nasaina nanao izany. Hoy izy: “Toy ny voady tamin’i Jehovah ilay izy amiko, ka heveriko fa tsy maintsy efaiko, satria talohan’ny nahafantarako anao no nanaovako azy.” Nalahelo aho, nefa nahafaly ahy ilay tsy fivadihany, ka izao ny valin-teny nalefako tany aminy: “Mandehana, fa andrasako ianao.”

Voasazy telo volana am-ponja i Irene, tamin’izy tany Yorkshire, satria tsy nety nanohana ny ady izy, noho ny antony ara-pivavahana. Nivady anefa izahay herintaona sy tapany tatỳ aoriana, tamin’ny Desambra 1942.

Ny fahazazako

Nividy ny Études des Écritures * i Neny tamin’ny 1919. Mbola tsy namaky boky hatramin’izay niainany mihitsy i Neny tamin’izay, araka ny nilazan’i Dada azy tsara, kanefa tapa-kevitra ny hianatra tsara an’ireo boky ireo niaraka tamin’ny Baiboliny izy. Nataony tokoa izany, ary vita batisa izy tamin’ny 1920.

Tsy sarotiny i Dada, ka tsy nisakana an’i Neny tamin’izay tiany hatao, anisan’izany ny fitaizana ny zanany efatra tao amin’ny fahamarinana, dia i Gwen sy Ivy zokiko vavy, ary izahay sy Alec zokiko lahy. Tonga teto Runcorn i Stanley Rogers sy ny Vavolombelona nahatoky hafa, mba hanao lahateny ara-baiboly, ka tsy ela dia niforona ny fiangonana vaovao iray. Niara-nandroso ara-panahy tamin’io fiangonana io ny fianakavianay.

Nianatra konfirmasiona tao amin’ny Eglizin’i Angletera i Gwen, nefa najanony avy hatrany ilay izy, rehefa nanomboka nianatra Baiboly izy sy Neny. Rehefa tonga nitsidika anay ny vikera mba hanontany ny antony, dia an-kisesy ny fanontaniana niandry azy. Nanontanian’i Gwen azy ny dikan’ilay Vavaka Nampianarin’ny Tompo, nefa i Gwen indray no lasa nanazava ilay izy taminy! Ny 1 Korintiana 10:21 no namaranan’i Gwen ny resaka, mba hanazavana fa tsy ‘hihinana teo amin’ny latabatra roa’ intsony izy. Rehefa handeha ilay vikera, dia nilaza fa hivavaka ho an’i Gwen izy, ary mbola hiverina hamaly ny fanontaniany, nefa tsy niverina intsony izy. Lasa mpitory ny filazantsara manontolo andro i Gwen, tsy ela taorian’ny batisany.

Mendrika hotahafina ny fikarakarana ny tanora teo anivon’ny fiangonanay. Tsaroako ny lahateny iray nataon’ny mpandahateny mpitsidika, tamin’izaho fito taona. Tonga niresaka tamiko izy, taorian’ilay lahateny. Nolazaiko taminy fa avy namaky ny tantaran’i Abrahama, sy ny saika nanaovany sorona an’i Isaka zanany aho. Hoy izy: “Mankanesa hoe erỳ ambony lampihazo, dia tantarao amiko ilay izy!” Faly erỳ aho nitsangana teny sy nanao ny “lahateniko ho an’ny besinimaro” voalohany!

Natao batisa aho teo amin’ny faha-15 taonako, tamin’ny 1931, taona nahafatesan’i Neny. Niala tamin’ny fianarana aho, ka niofana ho elektrisianina. Tamin’ny 1936, dia lahateny ara-baiboly tamin’ny kapila no nampihainoana ny olona tamin’ny grafofaonina. Nasain’ny anabavy zokiolona iray nanao an’io fanompoana io koa izahay sy Alec. Nankany Liverpool àry izahay mirahalahy mba hividy bisikileta sy hampanamboatra fiarakely hotaritiny, hitondrana ny grafofaoninay. Nasiana fanamafisam-peo teo an-tampon’ny fantsona iray nirefy roa metatra, izay napetaka teo andamosin’ilay fiarakely. Nilaza taminay ilay mpanamboatra fa mbola tsy nanao zavatra tahaka an’io mihitsy izy, nefa nandeha tsara ilay izy! Nafana fo izahay nitety ny faritaninay, sady velom-pisaorana an’ilay anabavy zokiolona nampirisika anay sy noho ilay tombontsoa nankinina taminay.

Fotoam-pitsapana ny Ady Lehibe II

Rehefa nandrahona ny ady, dia niasa be izahay sy Stanley Rogers nanasa olona hihaino an’ilay lahateny hoe “Fiatrehana ny Zava-misy”, hatao ny 11 Septambra 1938 tao amin’ny Royal Albert Hall, any Londres. Natao bokikely io lahateny io, ary tatỳ aoriana aho dia nandray anjara tamin’ny fizarana azy io sy ilay hoe Fasisma sa Fahafahana?, navoaka ny taona nanaraka. Nanala sarona ny fanirian’i Hitler ho tonga mpitondra tsy refesi-mandidy ireo bokikely roa ireo. Fantatra tsara teto Runcorn aho tamin’izany, noho ny fanompoana ampahibemaso nataoko, ary nanaja ahy ny olona. Loha laharana foana aho teo amin’ny asa ara-panahy, ary tena nahasoa ahy izany.

Nanaiky hampiditra jiro tao amina orinasa vaovao tsy lavitra ny tanàn-dehibe ny kompania niasako. Rehefa fantatro fa orinasa mpanamboatra fitaovam-piadiana ilay izy, dia nolazaiko mazava fa tsy ho afaka hiasa tany aho. Tsy faly ireo mpampiasa ahy, fa ny lehiben’ny sampan’asa nisy ahy kosa niaro ahy ka nanome ahy asa hafa. Fantatro tatỳ aoriana fa Vavolombelon’i Jehovah koa ny nenitoany.

Tena nampahery ahy ny mpiara-miasa iray, rehefa niteny hoe: “Efa nampoizinay mihitsy iny fihetsikao iny, ry Reg a! Efa an-taonany maro mantsy ianao no nitory an’io Baiboly io.” Tsy maintsy mailo ihany anefa aho, satria maro ireo mpiara-miasa te hanakorontana ny fiainako.

Neken’ny fitsarana tany Liverpool, tamin’ny Jona 1940, ny fangatahako ho anisan’ireo tsy nanao raharaha miaramila, noho ny antony ara-pivavahana. Ny fepetra anefa dia hoe tsy maintsy ho elektrisianina foana aho. Mazava ho azy fa namela ahy hanohy ny fanompoako izany.

Nanomboka ny fanompoana manontolo andro aho

Rehefa nifarana ny ady, dia tapa-kevitra ny hiala tamin’ny asako aho, ka hiaraka tamin’i Irene teo amin’ny fanompoana manontolo andro. Nanamboatra tranofiara nirefy dimy metatra, mba hipetrahanay, aho tamin’ny 1946. Nasaina nifindra tany Alveston, tanàna kely any Gloucestershire, izahay, ny taona nanaraka. Nanao ny asan’ny mpisava lalana tao amin’ny tanànan’i Cirencester sy Bath izahay, tatỳ aoriana. Nanao ny asan’ny mpiandraikitra mpitety faritany aho, ka nasaina nitsidika fiangonana tany atsimon’ny Pays de Galles, tamin’ny 1951. Roa taona latsaka tatỳ aoriana anefa, dia nankany amin’ny Sekoly Ara-baibolin’i Gileada An’ny Tilikambo Fiambenana izahay, mba hiofana ho misionera.

Tany South Lansing, any avaratr’i New York, no nanaovana ny kilasy faha-21. Tamin’ilay Fivoriambe hoe Fitambaran’olon’ny Tontolo Vaovao natao tany New York no nandraisanay ny diplaomanay, tamin’ny 1953. Tamin’ny andro fizarana diplaoma vao fantatray sy Irene ny toerana nanendrena anay. Faly be izahay nahafantatra fa tany Peroa no halehanay. Nahoana? Satria niasa tao amin’ny biraon’ny sampana tany, efa hatramin’ny herintaona mahery, i Sidney Fraser, anadahin’i Irene iray reny taminy, sy Margaret vadiny, rehefa nahazo diplaoma tamin’ny kilasin’i Gileada faha-19!

Niasa kely tao amin’ny Betelan’i Brooklyn izahay, teo am-piandrasana ny fahavitan’ny taratasinay, nefa tsy ela dia niainga nankany Lima, renivohitr’i Peroa. I Callao, seranana lehibe indrindran’i Peroa, ary eo andrefana kelin’i Lima, no voalohany tamin’ireo toerana folo nanendrena anay. Efa nianatra espaniola kely ihany izahay, nefa samy tsy nahavita niresaka tamin’io fiteny io na izaho na i Irene. Ahoana no hataonay?

Olana sy soa nentin’ny asa fitoriana

Nilazana izahay tany Gileada fa tsy mampianatra fiteny ny zanany kely ny reny. Amin’ny firesahany amin’ilay zaza kosa no ianaran’ilay zaza ilay fiteny. Izao àry no torohevitra nomena anay: “Mandehana mitory avy hatrany, dia hianatra ilay fiteny avy amin’ny olona ianareo. Hampiany ianareo.” Raha vao nanomboka nahita mangirana tamin’ilay fiteny vaovao aho, dia voatendry ho mpiandraikitra mpitantan-draharaha tao amin’ny Fiangonan’i Callao, nefa vao tapa-bolana no nahatongavanay. Eritrereto ange izay tsapako tamin’izay e! Nankany amin’i Sidney Fraser aho, nefa nitovy tamin’ilay torohevitra tany Gileada ihany no nomeny: Miaraha amin’ny fiangonana sy ny olona ao amin’ny faritaninareo. Tapa-kevitra ny hanaraka ilay torohevitra aho.

Nahita mpandrafitra iray tao am-piasany aho, indray asabotsy maraina. Hoy ilay rangahy: “Tsy maintsy manohy ny asako aho, fa mipetrapetraha, dia ento ny teninao.” ‘Eny àry’, hoy aho taminy, ‘saingy izao: “Ahitsio ny fiteniko, raha misy diso, fa tsy ho tezitra aho.”’ Nihomehy izy, nefa nanaiky. Nitsidika azy indroa isan-kerinandro aho, ary hitako fa izany no fomba tsara indrindra hianarako ilay fiteny vaovao, araka ny efa nolazaina tamiko.

Tany Ica, toerana faharoa nanendrena anay, dia mbola sendra mpandrafitra ihany aho, ary nitovy tamin’ilay tany Callao ihany no nasaiko nataony. Nanaiky hanampy ahy koa izy, ka nihatsara hatrany ny fahaizako ny teny espaniola. Nila telo taona anefa aho vao tena nahafehy azy tsara. Be asa foana io rangahy io, nefa vitako ihany ny nampianatra Baiboly azy. Novakiko ireo andinin-teny ary nohazavaiko taminy avy eo. Rehefa tonga hitsidika azy aho, indray andro, dia nilazan’ny mpampiasa azy fa lasa tany Lima izy, satria nahita asa vaovao tany. Hitako indray anefa ilay rangahy tatỳ aoriana, rehefa tonga hanatrika fivoriambe tany Lima izahay sy Irene. Faly be aho nahafantatra fa nanatona Vavolombelona teo amin’ny nisy azy izy, mba hitohizan’ny fianarany, ary efa mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena daholo izy mianakavy!

Nisy olona roa nanao tokantranomaso, nefa vita batisa, hitanay tao amin’ny fiangonana iray. Rehefa niarahanay nandinika ireo toro lalan’ny Soratra Masina mahakasika izany, dia tapa-kevitra ny hisora-panambadiana izy ireo, mba ho Vavolombelona vita batisa. Nokarakaraiko àry ny fitondrana azy ireo tany amin’ny lapan’ny tanàna. Nipoitra anefa ny zava-manahirana, satria niteraka efatra ry zareo, nefa tsy nisy nanana kopia izy ireo. Zavatra notakin’ny lalàna anefa izany. Nanontany tena àry izahay hoe inona no hataon’ilay ben’ny tanàna. Hoy izy: “Koa satria nikarakara ny hanoratana ara-panjakana ny fanambadianareo ireto Vavolombelon’i Jehovah tsara toetra namanareo ireto, dia hofoanako ny didim-pitsarana mihatra amin’ny zanakareo tsirairay, ary hosoratako maimaim-poana ao amin’ny sora-piankohonana izy ireo.” Tena velom-pankasitrahana izahay, satria nahantra ilay fianakaviana ka ho navesatra taminy ny sazy mety ho nasaina naloany!

Tatỳ aoriana, dia nitsidika anay i Albert Schroeder, avy any amin’ny foiben’ny Vavolombelon’i Jehovah any Brooklyn. Nasainy nanokatra trano misionera iray tany amin’ny faritra hafa tao Lima izahay. Nifindra tany amin’ny faritr’i San Borja àry izahay sy Irene, i Frances sy Elizabeth Good, mpirahavavy amerikanina, ary mpivady kanadianina iray. Rehefa afaka roa na telo taona monja, dia nisy fiangonana iray hafa niorina sy nandroso be.

Niara-nanompo tamin’ny Vavolombelona 80 hafa izahay, tao amin’ny fiangonana iray tany Huancayo, toerana be tendrombohitra, nahatratra 3 000 metatra mahery. Nandray anjara tamin’ny fanorenana an’ilay Efitrano Fanjakana faharoa tany Peroa aho tamin’izay. Voatendry ho solontenan’ny Vavolombelon’i Jehovah teo anatrehan’ny fitsarana aho. Tsy maintsy niseho intelo tany mantsy izahay mba hanamarinana ara-dalàna ny zonay ho tompon’ilay tany novidinay. Ny raharaha toy ireny sy ny asa mafy nataon’ireo misionera nahatoky mba hanaovana mpianatra tamin’izany, no tena nahatonga ilay fitomboana tsara any Peroa ankehitriny. Vavolombelona 283 no tany tamin’ny 1953, ary 83 000 mahery kosa ankehitriny.

Nampalahelo fa tsy maintsy nody izahay

Nahafinaritra anay ny fiarahana tamin’ireo misionera hafa tao amin’ireo trano misionera rehetra nipetrahanay. Izaho matetika no nanana tombontsoa ho mpiandraikitra ny trano. Nivory isaky ny alatsinainy maraina izahay, mba hiresaka momba ny fandaharam-potoananay amin’ny herinandro sy hizara ny raharaha samihafa tao an-trano. Fantatray rehetra fa ny fitoriana no zava-dehibe indrindra, ka niara-niasa mba hanatanterahana izany ny rehetra. Faly aho mahatsiaro fa tsy nisy fifanolanana lehibe mihitsy tao amin’ireny trano nipetrahanay ireny.

I Breña, toerana hafa tsy lavitra an’i Lima, no nanendrena anay farany. Nitombo haingana ny isan’ireo Vavolombelona 70 be fitiavana tao, ka nihoatra lavitra ny 100, ary dia nisy fiangonana iray hafa niforona tao Palominia. Tamin’izay i Irene no nanomboka narary. Voamariko, ohatra, fa tsy tadidiny indraindray izay zavatra nolazainy, ary sahirana koa izy nitadidy ny lalana nody. Niharatsy ny toe-pahasalamany, na dia nahazo fitsaboana tsara aza izy.

Nampalahelo fa voatery nikarakara ny fodianay tatỳ Angletera aho, tamin’ny 1990. Nampiantrano anay tamin-katsaram-panahy i Ivy anabaviko. Nodimandry i Irene, efa-taona tatỳ aoriana, teo amin’ny faha-81 taonany. Mbola manompo manontolo andro foana aho, ary anti-panahy ao amin’ny iray amin’ireo fiangonana telo eto aminay. Mankany Manchester koa aho indraindray, mba hampahery an’ilay antoko-mpitory miteny espaniola any.

Nisy zavatra nahafaly nitranga vao haingana. Am-polo taona maro lasa izay, tamin’ny fotoana nampiasako grafofaonina, dia nampihaino toriteny dimy minitra ny ramatoa iray teo am-baravarana aho. Tsaroako fa nisy ankizivavy kely tao ambadik’io ramatoa io, nihaino an’ilay hafatra.

Nifindra tany Kanada io ankizivavy io tatỳ aoriana. Mbola nifanoratra tamin’ny namany iray, izay Vavolombelona sy mipetraka eto Runcorn, foana anefa izy. Vao haingana izay, dia nanoratra izy fa nisy Vavolombelona mirahavavy nitsidika azy. Nisy teny nampiasain’izy ireo, hoy izy, nampitamberina tao an-tsainy an’ilay toriteny dimy minitra reny taloha. Takany fa fahamarinana ilay izy, ka lasa mpanompon’i Jehovah vita fanoloran-tena izy izao. Nasainy nampitana fisaorana koa ilay tovolahy nitsidika an-dreniny, efa 60 taona mahery lasa izay! Tsy fantatsika tokoa hoe rahoviana no hamaka sy hitombo ny voan’ny fahamarinana.​—Mpitoriteny 11:6.

Tena velom-pankasitrahana aho rehefa mitodika ny lasa, ka mieritreritra ny fanompoana nataoko ho an’i Jehovah. Hatramin’ny nanolorako tena tamin’ny 1931, dia mbola tsy nisy fivoriamben’ny vahoakan’i Jehovah tsy natrehiko. Tsy niteraka izahay sy Irene, nefa faly aho manana zanaka ara-panahy lahy sy vavy, 150 mahery, izay samy manompo an’i Jehovah, ilay Raintsika any an-danitra. Araka ny tenin’ny vady malalako, dia nitondra fifaliana tsy nisy toy izany tokoa ireo tombontsoam-panompoana azonay.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Nivoaka tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Oktobra 1995 pejy faha-19-24, ny tantaram-piainan’i Hilda Padgett hoe “Fanarahana ny Dian’ireo Ray Aman-dreniko.”

^ feh. 12 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Sary, pejy 24]

Neny, tamin’ny fiandohan’ireo taona 1900

[Sary, pejy 24, 25]

Ankavia: Hilda Padgett, izaho, Irene, ary Joyce Rowley tany Leeds (Angletera), tamin’ny 1940

[Sary, pejy 25]

Ambony: Izahay sy Irene teo anoloan’ilay tranofiara nipetrahanay

[Sary, pejy 27]

Fampahafantarana lahateny iray, tany Cardiff (Pays de Galles), tamin’ny 1952