Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao

Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao

Mahaiza Mianina Amin’izay Anananao

Nanoratra taratasy nampahery ho an’ireo Kristianina tany Filipy ny apostoly Paoly, ka nilaza hoe: “Izaho efa nianatra tsy hierina na manao ahoana na manao ahoana. . . . Na amin’inona na amin’inona, dia efa nampianarina ny ho voky sy ho noana aho ary hanam-be sy halahelo.”​—Filipiana 4:11, 12.

Inona no nahatonga an’i Paoly hahay hianina? Misondrotra be ny vidim-piainana amin’izao androntsika izao, ary miovaova ny toe-karena. Tena mahasoa ny Kristianina marina àry ny mianatra mianina amin’izay ananany, mba hahafahany hifantoka amin’ny fanompoany an’Andriamanitra.

NITANTARA ny tombontsoa maro nananany taloha i Paoly, teo am-piandohan’ny taratasiny. Hoy izy: “Raha misy olona hafa manao hitoky amin’ny nofo, mainka fa izaho; fa voafora tamin’ny andro fahavalo aho, avy amin’ny fototr’Isiraely, dia avy amin’ny firenen’i Benjamina; Hebreo sady avy amin’ny Hebreo aho; araka ny lalàna, dia Fariseo; araka ny zotom-po, dia nanenjika ny fiangonana; araka ny fahamarinana avy amin’ny lalàna, dia tsy nanan-tsiny.” (Filipiana 3:4-6) Jiosy nafana fo koa i Paoly, ka naniraka sy nanohana azy ny lohan’ny mpisorona tany Jerosalema. Raha nitohy izany, dia nety ho nahazo fahefana ara-politika sy ara-pivavahana teo amin’ny tontolo jiosy izy. Azo inoana koa fa ho nahazo tombontsoa ara-bola tamin’izany izy.​—Asan’ny Apostoly 26:10, 12.

Niova tanteraka anefa izany rehetra izany, rehefa lasa Kristianina be zotom-po i Paoly. Nialany an-tsitrapo, noho ny vaovao tsara, ireo tombontsoa maro nananany sy izay rehetra noheverin’ny Jiosy ho zava-dehibe taloha. (Filipiana 3:7, 8) Ahoana àry no fomba nivelomany nanomboka teo? Nokaramaina ve izy tamin’ny fanompoany? Ahoana no nahazoany ireo zavatra nilainy?

Tsy nandray karama mihitsy i Paoly tamin’ny fanompoany. Niara-nanao lay tamin’i Akoila sy Prisila àry izy tany Korinto, mba tsy ho enta-mavesatra ho an’ireo niara-nanompo taminy. Nanao zavatra hafa koa izy mba hameloman-tena. (Asan’ny Apostoly 18:1-3; 1 Tesaloniana 2:9; 2 Tesaloniana 3:8-10) Nanao dia misionera telo tany amin’ny faritany lavitra i Paoly, ary nandeha tany amin’ireo fiangonana nila fanampiana. Tsy nanankarena izy, satria nifantoka tanteraka tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Matetika no nanome izay nilainy ireo rahalahy. Nisy tarehin-javatra sarotra anefa indraindray, ka niaina tao anatin’ny fahantrana izy. (2 Korintiana 11:27; Filipiana 4:15-18) Tsy nitaraina momba ny fahoriany anefa izy, sady tsy nitsiriritra fananan’olona. Niasa mafy ho an’ny Kristianina namany kosa izy, ary nataony an-tsitrapo sy tamim-pifaliana izany. I Paoly mihitsy koa no namerina ilay teny malaza nolazain’i Jesosy hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” Tena ohatra miavaka ho antsika rehetra tokoa i Paoly!​—Asan’ny Apostoly 20:33-35.

Ny dikan’ny hoe mahay mianina

Anisan’ny nahatonga an’i Paoly ho sambatra sy ho afa-po tamin’ny fiainany ny fahaizany nianina tamin’izay nananany. Inona anefa no dikan’ny hoe mahay mianina? Raha tsorina, dia hoe afa-po amin’izay zavatra tena ilaina. Hoy i Paoly tamin’i Timoty, mpiara-manompo taminy: “Fa misy tombony lehibe tokoa ny toe-panahy araka an’Andriamanitra omban’ny fianinana. Fa tsy nitondra na inona na inona ho amin’izao tontolo izao isika, sady hita fa tsy hahatondra na inona na inona hiala. Fa raha manan-kanina sy fitafiana isika, dia aoka hianina amin’izany.”​—1 Timoty 6:6-8.

Mariho fa nampifandraisin’i Paoly ny fahaiza-mianina sy ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, na fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Fantany fa izay mahafoy tena ho an’Andriamanitra no tena sambatra, satria ny fanompoana an’Andriamanitra no zava-dehibe eo amin’ny fiainany, fa tsy ny fananana na ny harena. Fitaovana fotsiny ny ‘hanina sy ny fitafiana’ mba hahafahana haneho fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra hatrany. Tamin’i Paoly àry, ny hoe mahay mianina dia midika hoe miantehitra amin’i Jehovah, na inona na inona toe-javatra miseho.

Olona maro anefa no sahiran-tsaina sy mijaly, satria tsy mahalala na tsy te hahalala izany. Tsy mianatra mianina amin’izay ananany izy ireo, fa mitoky amin’ny vola sy ny zavatra azo vidim-bola kosa. Ny mpanao dokam-barotra sy ny fampitam-baovao dia manao izay hiheveran’ny olona hoe tsy ho sambatra izy raha tsy manana ny fitaovana vaovao indrindra sy lafo indrindra vao nivoaka, sady mahazo izany haingana. Maro àry no manjary variana manangona vola sy fananana. Tsy mahita fahasambarana sy fahafaham-po anefa izy ireo, fa “latsaka amin’ny fakam-panahy sy ny fandrika ary ny filana maro tsy misy antony sady mandratra, izay mandentika ny olona ao amin’ny fandringanana sy ny fahaverezana.”​—1 Timoty 6:9, 10.

Olona nianatra nianina tamin’izay nananany

Mbola afaka ny hahafoy tena ho an’Andriamanitra sy hahay hianina, ary ho sambatra sy ho afa-po ve ny olona amin’izao andro izao? Mbola afaka tokoa. Olona an-tapitrisa ankehitriny no efa manao izany. Mianatra mifaly amin’izay ananany izy ireo. Vavolombelon’i Jehovah izy ireo, ary nanolo-tena mba hanao ny sitrapon’Andriamanitra sy hilaza ny fikasany amin’ny olona rehetra.

Diniho, ohatra, ireo misionera nanolo-tena hampiofanina sy hirahina ho any amin’ny tany mbola tsy fantany, mba hitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra. (Matio 24:14) Matetika no tsy tany mandroso toy izay efa nahazatra azy no anirahana azy. Nalefa tany amin’ny firenena aziatika iray rotidrotiky ny ady, ohatra, ny misionera sasany tamin’ny 1947, ary trano vitsy monja no nisy herinaratra tamin’izany. Hitan’ny misionera any amin’ny tany maro koa fa tsy sasana amin’ny milina mandeha amin’ny herinaratra ny lamba, fa sasana tsirairay eo ambony hazo fisaka na vato. Tonga mba hampianatra ny olona ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly anefa izy ireo, ka niezaka nizatra tamin’izay zava-nisy, ary nifantoka tamin’ny fanompoana.

Nisy koa ireo nanao fanompoana manontolo andro, na nifindra tany amin’ny toerana mbola tsy nitoriana ny vaovao tsara. Nanompo manontolo andro nandritra ny 50 taona tany amin’ny faritra maro nanerana an’i Meksika i Adulfo. Hoy izy: “Nianatra niaina tamin’izay zava-nisy izahay mivady, toy ny nataon’ny apostoly Paoly. Tsy nisy tanàna na tsena akaiky, ohatra, tany amin’ny fiangonana iray notsidihinay. Tortilla [karazana mofo tampon-tsatroka] iray nasiana tavin-kenan-kisoa sy sira, ary kafe iray kaopy no mba sakafon’ireo rahalahy. Tortillas telo isan’andro ihany no nohanin’izy ireo. Nianatra niaina toa azy ireo koa àry izahay. Betsaka ny zavatra niainako toy izany nandritra ny 54 taona nanaovako fanompoana manontolo andro.”

Tsaroan’i Florentino fa nianatra niaina tamin’ny toe-javatra sarotra izy sy ny fianakaviany. Hoy izy momba ny fahazazany: “Mpivarotra nanam-bola be i Dada. Nanana tany maro izy. Mbola tsaroako ilay latabatra tao amin’ilay trano fivarotanay. Nisy vatasarihana nizara efatra tamin’izy io, izay nirefy 50 santimetatra eo ho eo, ary 20 santimetatra ny halaliny. Tao no nasiana ny vola azo isan’andro. Feno vola taratasy sy vola madinika ilay vatasarihana, rehefa hariva ny andro.”

“Nanjary sahirana ara-bola tampoka anefa izahay, ka lasa nahantra kely rehefa avy nanankarem-be. Tsy nanana na inona na inona intsony izahay, afa-tsy ny tranonay. Tratran’ny lozam-piarakodia koa ny zokiko lahy iray, ka nalemy ny tongony roa. Niova tanteraka ny fiainanay. Nisy fotoana nivarotako voankazo sy hena. Nanangona landihazo sy voaloboka ary karazam-bilona koa aho, sady nandray anjara tamin’ny fampidiran-drano teny an-tanimbary. Nilaza ny olona fa nahay ny asa rehetra mihitsy aho. Matetika i Neny no nampahery anay, ka nilaza fa harena vitsy mpanana ny fahamarinana nanananay. Efa niainako àry ny nanam-be sy ny nanana kely, na ny tsy nanana na inona na inona mihitsy. Efa 25 taona izao no nanompoako an’i Jehovah manontolo andro. Tena afaka milaza aho fa nahazo fitahiana isan’andro, satria ny fomba fiaina tsara indrindra no nofidiko, dia ny fanompoana manontolo andro.”

Hamafisin’ny Baiboly amintsika fa “mandalo ny fanaon’izao fiainana izao.” Mampirisika antsika àry izy io hoe: “[Aoka] mba ho toy izay tsy mifaly ny mifaly; ary mba ho toy izay tsy mahazo ny mividy; ary mba ho toy izay tsy mahavatra izao fiainana izao loatra ny mahavatra azy.”​—1 Korintiana 7:29-31.

Izao àry no fotoana tokony handinihanao akaiky ny fomba fiainanao. Raha voafetra ihany ny zavatra anananao, dia mitandrema mba tsy ho sosotra noho izany, na hanjary ho tezitra mafy sy hitsiriritra mihitsy aza. Etsy an-danin’izany koa, dia mahaiza mandanjalanja, na inona na inona harena mety hanananao, fa aza avela hibaiko ny fiainanao izy ireny. Nampirisika ny apostoly Paoly hoe: ‘Aza matoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika.’ Raha manao izany ianao, dia ho anisan’ireo olona mahay mianina amin’izay ananany.​—1 Timoty 6:17-19.

[Sary, pejy 9]

Niasa mafy i Paoly mba tsy ho enta-mavesatra ho an’olon-kafa

[Sary, pejy 10]

Olona an’arivo no sambatra, satria mahafoy tena ho an’Andriamanitra sy mahay mianina