Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mijanòna Tsara ary Jereo ny Famonjen’i Jehovah!

Mijanòna Tsara ary Jereo ny Famonjen’i Jehovah!

Mijanòna Tsara ary Jereo ny Famonjen’i Jehovah!

“[Makà toerana, “NW”], mijanòna tsara, fa ho hitanareo ny hamonjen’i Jehovah anareo.”​—2 TANTARA 20:17.

1, 2. Nahoana no lehibe kokoa noho ny asa fampihorohoroana eran-tany, ny fanafihan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”?

MISY milaza fa fanafihana ny olona eran-tany, na ny taranak’olombelona manontolo mihitsy, ny asa fampihorohoroana. Tsy mahagaga àry raha tsy maintsy raisina ho zava-dehibe izany loza izany. Misy fanafihana hafa iray lehibe kokoa noho izany anefa, saingy tsy raharahain’ny olona loatra izy io, na tsy raharahainy mihitsy aza. Inona izany?

2 Izy io dia ny fanafihan’i “Goga avy any amin’ny tany Magoga”, izay resahina ao amin’ny Ezekiela toko faha-38. Manitatra ve isika raha milaza hoe ho lehibe kokoa noho ny asa fampihorohoroana eran-tany izy io? Tsy manitatra velively isika, satria tsy ny fitondram-panjakan’olombelona fotsiny no hotafihin’i Goga, fa ny fanjakan’Andriamanitra any an-danitra mihitsy! Afaka hiatrika tsara an’izany fanafihana mahery vaika kokoa izany anefa ilay Mpamorona, fa tsy sahala amin’ny olombelona, izay mety tsy hahatohitra tanteraka ny mpanafika azy.

Fanafihana ny Fanjakan’Andriamanitra

3. Inona no nasaina nataon’ny mpitondra olombelona nanomboka tamin’ny 1914, nefa inona no nataon’izy ireo?

3 Nifandona foana ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra sy ny tontolo ratsin’i Satana, nanomboka tamin’ny 1914, daty niorenan’ny Fanjakan’Andriamanitra tany an-danitra. Nasaina nanaiky ilay Mpitondra nofidin’Andriamanitra ny mpitondra olombelona tamin’izay. Tsy nety nanao izany anefa izy ireo, araka ny nambara mialoha hoe: “Ireo mpanjakan’ny tany mitsangana, ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an’i Jehovah sy ny mesiany ka manao hoe: ‘Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany.’” (Salamo 2:1-3) Hahatratra ny fara tampony ny fanoherana ilay Fanjakana, mandritra ny fanafihan’i Goga avy any Magoga.

4, 5. Ahoana no ahafahan’ny olombelona miady amin’ilay Fanjakan’Andriamanitra tsy hita maso any an-danitra?

4 Mety hanontany tena isika hoe: ‘Ahoana no ahafahan’ny olombelona miady amin’ny fitondram-panjakana iray tsy hita maso any an-danitra?’ Milaza ny Baiboly fa io fitondram-panjakana vaovao io dia voaforon’ireo “efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy izay navotana niala tamin’ny tany” sy “ny Zanak’ondry”, na i Kristy Jesosy. (Apokalypsy 14:1, 3; Jaona 1:29) Antsoina hoe “lanitra vaovao” izy io, satria any an-danitra no misy azy, ary ara-dalàna raha antsoina hoe “tany vaovao” ny olom-peheziny eto an-tany. (Isaia 65:17; 2 Petera 3:13) Efa nahavita ny fanompoany teto an-tany sady nahatoky ny ankamaroan’ireo 144 000, izay hiara-manjaka amin’i Kristy. Noporofoiny fa mendrika ny hanomboka ny fanompoany vaovao any an-danitra izy ireo.

5 Mbola misy vitsivitsy amin’ireo 144 000 ireo anefa eto an-tany. Olona 15 000 000 mahery no nanatrika ny fankalazana ny Sakafo Harivan’ny Tompo, tamin’ny taona 2002, nefa 8 760 monja no nampiseho fa voafidy ho any an-danitra. Izay sahy manafika ny sisa amin’ireo ho anisan’ilay Fanjakana ireo àry, dia manafika ny Fanjakan’Andriamanitra, raha ny marina.​—Apokalypsy 12:17.

Hamita ny fandreseny ilay Mpanjaka

6. Ahoana no fiheveran’i Jehovah sy Kristy ny fanoherana ny vahoakany?

6 Efa voalaza mialoha ny ho fihetsik’i Jehovah, rehefa hisy hanohitra ny Fanjakany efa miorina: “Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. Dia hiteny azy amin’ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin’ny fahatezerany hoe: ‘Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.’” (Salamo 2:4-6) Ho tonga amin’izay ny fotoana hamitan’i Kristy ny ‘fandreseny’, eo ambany tari-dalan’i Jehovah. (Apokalypsy 6:2) Ahoana no fiheveran’i Jehovah ny fanoherana ny vahoakany mandritra io fandresena farany io? Toy ny hoe izy sy ny Mpanjakany mihitsy no toherina. ‘Izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasoko’, hoy i Jehovah. (Zakaria 2:12) Nanamafy koa i Jesosy fa izay ataon’ny olona na tsy ataony amin’ireo voahosotra rahalahiny, dia toy ny hoe ataon’ny olona na tsy ataony amin’i Jesosy.​—Matio 25:40, 45.

7. Nahoana i Goga no hisafoaka amin’ny “olona betsaka” voaresaka ao amin’ny Apokalypsy 7:9?

7 Mazava ho azy fa hisafoaka amin’ireo mazoto miara-miasa amin’ny sisa voahosotra koa i Goga. Ho anisan’ilay ‘tany vaovaon’Andriamanitra’ ireo “olona betsaka” ireo, izay ‘avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny.’ (Apokalypsy 7:9) Voalaza fa ‘mitsangana eo anoloan’ny seza fiandrianana sy eo anatrehan’ny Zanak’ondry izy ireo, ary miakanjo akanjo fotsy lava.’ Midika izany fa mankasitraka azy Andriamanitra sy Kristy Jesosy. Mitondra ‘sampan-drofia eny an-tanany’ koa izy ireo, ary mihoby an’i Jehovah ho ilay manan-jo hanjaka eo amin’izao rehetra izao. Misolo tena azy i Jesosy Kristy Mpanjaka, “Zanak’ondrin’Andriamanitra.”​—Jaona 1:29, 36.

8. Hanosika an’i Kristy hanao inona ny fanafihan’i Goga, ary inona no ho vokany?

8 Hanosika an’ilay Mpanjaka nofidin’Andriamanitra hanao zavatra ny fanafihan’i Goga, ka hanomboka ny Ady Hara-magedona. (Apokalypsy 16:14, 16) Ho ringana ireo nanda ny zon’i Jehovah hitondra. Hahazo fanamaivanana mandrakizay kosa izay nijaly, noho ny tsy fivadihany tamin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Hoy ny apostoly Paoly momba izany: “Famantarana ny fitsarana marin’Andriamanitra izany​—mba hatao ho miendrika ny fanjakan’Andriamanitra hianareo, sady izany koa no iaretanareo; fa zavatra marina amin’Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin’ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin’ny anjelin’ny heriny, amin’ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an’Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran’i Jesosy Tompontsika.”​—2 Tesaloniana 1:5-8.

9, 10. a) Ahoana no nanampian’i Jehovah ny Joda handresy fahavalo natanjaka be? b) Inona no tsy maintsy ataon’ny Kristianina hatrany?

9 Hiady amin’ny ratsy rehetra i Kristy mandritra ilay fahoriana lehibe ho avy, izay hiafara amin’ny Hara-magedona. Tsy hila hiady anefa ny mpianany, tsy misy hafa amin’ireo mponina tao amin’ny fanjakan’i Joda, an’arivo taona lasa izay. An’i Jehovah ny ady tamin’izay, ary izy no nanome ny fandresena. Hoy ilay fitantarana: “Nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo. Dia nitsangana ny taranak’i Amona sy Moaba namely ny avy any an-tendrombohitra Seïra ka namono sy nandringana azy; ary nony voaringany ny mponina tany Seïra, dia nifandringana kosa izy samy izy ihany. Ary nony tonga teo amin’ilay fitazanana any an-efitra ny Joda, dia nijery ireo olona betsaka ireo izy, koa, indreo, nisy faty niampatrampatra tamin’ny tany, fa tsy nisy afa-nandositra.”​—2 Tantara 20:22-24.

10 Tanteraka tokoa ny tenin’i Jehovah hoe: ‘Tsy ianareo no hiady.’ (2 Tantara 20:17) Izany koa no tokony hataon’ny Kristianina rehefa hamita ny ‘fandreseny’ i Jesosy Kristy. Mandra-pahatongan’izany, dia miady hatrany amin’ny ratsy izy ireo. Tsy fiadiana ara-bakiteny anefa no ampiasainy, fa fiadiana ara-panahy. ‘Mandresy ny ratsy amin’ny soa’ àry izy ireo.​—Romana 6:13; 12:17-21; 13:12; 2 Korintiana 10:3-5.

Iza no hitarika ilay fanafihan’i Goga?

11. a) Iza no hampiasain’i Goga hanao ilay fanafihana? b) Inona no tafiditra amin’ny hoe mailo ara-panahy?

11 I Satana Devoly naetry nanomboka tamin’ny 1914, no antsoina hoe Goga avy any Magoga. Anjely izy, ka tsy afaka hanafika mivantana. Hampiasa antokon’olona kosa izy hanatanteraka ny fikasany. Iza no hampiasainy? Tsy milaza tsipiriany momba izany ny Baiboly, fa manome fanazavana izay manampy antsika hamantatra hoe iza izy ireo. Hihamazava miandalana amintsika izany, arakaraka ny hanatanterahan’ireo zava-miseho eran-tany ny faminanian’ny Baiboly. Tsy manombantombana ny vahoakan’i Jehovah fa mailo ara-panahy hatrany. Dinihin’izy ireo akaiky ny fivoaran’ny toe-draharaha ara-politika sy ara-pivavahana manatanteraka ny faminanian’ny Baiboly.

12, 13. Inona no nolazain’i Daniela mpaminany momba ny fanafihana farany hihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra?

12 Manazava ny fanafihana farany hihatra amin’ny vahoakan’Andriamanitra, i Daniela mpaminany. Hoy izy: “Hivoaka amin’ny fahatezerana be izy [ny mpanjakan’ny avaratra] handrava sy handringana maro. Ary haoriny eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina mahafinaritra ny trano-lainy izay lapany.”​—Daniela 11:44, 45.

13 Tamin’ny andron’ny Baiboly, dia ny Ranomasina Lehibe na i Mediterane no ilay “ranomasina.” I Ziona no ilay “tendrombohitra masina”, araka ny tenin’i Jehovah hoe: “Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako tambonin’i Ziona, tendrombohitro masina.” (Salamo 2:6; Josoa 1:4) Tsy ara-bakiteny ilay tany “eo anelanelan’ny ranomasina sy ny tendrombohitra masina” ankehitriny, fa ny fanambinana ara-panahy azon’ny Kristianina voahosotra. Tsy anisan’ny olombelona lavitra an’Andriamanitra sy oharina amin’ny ranomasina intsony izy ireo, ary manantena ny hiara-manjaka amin’i Kristy Jesosy any an-danitra. Mazava àry fa hataon’ny mpanjakan’ny avaratra lasibatra ireo voahosotra mpanompon’Andriamanitra sy ireo olona betsaka namany tsy mivadika, mandritra ilay fanafihana mahery vaika, ho fahatanterahan’ny faminanian’i Daniela.​—Isaia 57:20; Hebreo 12:22; Apokalypsy 14:1.

Inona no hataon’ny mpanompon’Andriamanitra?

14. Inona ireo zavatra telo hataon’ny vahoakan’Andriamanitra rehefa hotafihina izy ireo?

14 Inona no tokony hataon’ny mpanompon’Andriamanitra rehefa hotafihina izy ireo? Mbola izay nataon’ny firenen’Andriamanitra tamin’ny andron’i Josafata ihany no tokony harahiny. Mariho fa nodidiana hanao zavatra telo izy ireo: 1) maka toerana, 2) mijanona tsara, ary 3) mijery ny famonjen’i Jehovah. Ahoana no hampiharan’ny vahoakan’Andriamanitra ankehitriny an’ireo teny ireo?​—2 Tantara 20:17.

15. Inona no dikan’ny hoe maka toerana ny vahoakan’i Jehovah?

15 Maka toerana: Midika izany fa hanohana ny Fanjakan’Andriamanitra ny vahoakany, ary tapa-kevitra ny hanao izany foana. Tsy homba ny atsy na ny aroa mihitsy izy ireo. ‘Hiorina tsara sy tsy hiova’ izy ireo, ka tsy hivadika amin’i Jehovah. Hidera azy hatrany ampahibemaso koa izy ireo, noho ny hatsaram-panahiny miharo fitiavana. (1 Korintiana 15:58; Salamo 118:28, 29) Noho izany, dia ankasitrahan’Andriamanitra izy ireo, ka tsy avelany hampivadika azy ny fisedrana ankehitriny na izay mbola ho avy.

16. Amin’ny heviny ahoana ny mpanompon’i Jehovah no hijanona tsara?

16 Mijanona tsara: Tsy hiezaka hanavo-tena ny mpanompon’i Jehovah, fa hatoky tanteraka azy. I Jehovah irery ihany no mahavonjy ny vahoakany amin’ilay fisafotofotoana haneran-tany, sady nampanantena ny hanao izany izy. (Isaia 43:10, 11; 54:15; Fitomaniana 3:26) Raha matoky an’i Jehovah isika, dia hatoky ilay fitaovana hita maso nampiasainy efa maherin’ny 100 taona izao, mba hanatanterahana ny fikasany. Amin’izay fotoana izay, ny tena Kristianina dia vao mainka tokony hatoky ireo mpiara-manompo aminy, izay nomen’i Jehovah sy ny Mpanjakany fahefana hitari-dalana. Hitarika ny vahoakan’Andriamanitra ireo lehilahy mahatoky ireo. Tena mety hahitan-doza ny tsy fanarahana ny toromariny.​—Matio 24:45-47; Hebreo 13:7, 17.

17. Nahoana no hijery ny famonjen’i Jehovah ireo mpanompony mahatoky?

17 Mijery ny famonjen’i Jehovah: Famonjena no ho valisoan’ny Kristianina rehetra tsy mivadika sy matoky fa hovonjen’i Jehovah. Hanambara araka izay azony atao, ny fiavian’ilay andro hampiharan’i Jehovah ny didim-pitsarany izy ireo, mandra-pahatongan’ny ora farany. Tsy maintsy fantatry ny zavaboary rehetra fa i Jehovah no ilay Andriamanitra marina, ary manana mpanompo mahatoky etỳ an-tany izy. Tsy ilaina hiadian-kevitra ela be indray intsony ny zon’i Jehovah hitondra.​—Ezekiela 33:33; 36:23.

18, 19. a) Hanao ahoana ny fihetseham-pon’ireo ho tafavoaka velona amin’ny fanafihan’i Goga, araka ilay hiram-pandresena ao amin’ny Eksodosy toko faha-15? b) Fotoana mety tsara anaovana inona izao ho an’ny vahoakan’Andriamanitra?

18 Hahazo hery vao indray ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa hiditra ao amin’ny tontolo vaovao. Ho dodona erỳ izy ireo hanao hiram-pandresena, toy ny nataon’ny Isiraelita fahiny rehefa nafahana tany amin’ny Ranomasina Mena. Ho velom-pankasitrahana mandrakizay an’i Jehovah izy ireo, na isam-batan’olona na amin’ny fitambarany, ka hilaza ireto teny efa ela ireto: ‘Hihira ho an’i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy. Jehovah dia mpiady mahery, Jehovah no anarany. Ny tànanao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo. Amin’ny halehiben’ny voninahitrao no andringananao izay nitsangana hanohitra Anao; alefanao ny fahatezeranao mirehitra, izay mandevona azy toy ny mololo. Tarihinao amin’ny famindramponao ny firenena izay navotanao, ka entinao amin’ny herinao ho any amin’ny fonenanao masina izy. Dia hampiditra azy Hianao ka hamponina azy ao amin’ny tendrombohitra lovanao, ao amin’ny fitoerana nataonao hitoeranao, Jehovah ô, dia ao amin’ny fitoerana masina naorin’ny tànanao, Tompo ô. Jehovah hanjaka mandrakizay doria.’​—Eksodosy 15:1-19.

19 Koa satria efa tena akaiky noho ny hatramin’izay ny fanantenana fiainana mandrakizay, dia izao no fotoana mety tsara ampisehoan’ny mpanompon’Andriamanitra fa mifikitra aminy izy ireo. Izao koa izy ireo no tokony hanamafy ny fanapahan-keviny hanompo an’i Jehovah, ilay Mpanjakany mandrakizay!​—1 Tantara 29:11-13.

Hainao Hazavaina Ve?

• Nahoana no hanafika ny voahosotra sy ny ondry hafa i Goga?

• Amin’ny heviny ahoana ny vahoakan’Andriamanitra no haka toerana?

• Inona no dikan’ny hoe mijanona tsara?

• Ahoana no hijeren’ny vahoakan’Andriamanitra ny famonjeny?

[Fanontaniana]

[Sary, pejy 18]

Nomen’i Jehovah fandresena i Josafata sy ny vahoakany, nefa tsy nila niady izy ireo

[Sary, pejy 20]

Ny voahosotra sy ny ondry hafa dia manamarina ny zon’i Jehovah hitondra

[Sary, pejy 22]

Tsy ho ela dia hanao hiram-pandresena ny vahoakan’Andriamanitra, toy ny Isiraelita fahiny